Testamenta Vaovao 2023
24–30 jolay. Asan’ny Apostoly 16–21 : “Andriamanitra no efa niantso anay hitory ny filazantsara”


“24–30 jolay. Asan’ny Apostoly 16–21: -Andriamanitra no efa niantso anay hitory ny filazantsara,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Vaovao 2023 (2022)

“24–30 jolay. Asan’ny Apostoly 16–21,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2023

Sary
IPaoly mampianatra eo an-tendrombohitra

24–30 jolay

Asan’ny Apostoly 16–21

“Andriamanitra no efa niantso anay hitory ny filazantsara”

Eo am-pamakianao momba ny ezaka nataon’ny Paoly hitory ny filazantsara dia mety hibitsika eritreritra na fitsapana aminao ny Fanahy. Soraty ireo fahatsapana ireo, ary mametraha drafitra hanaovana zavatra araka izany.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Anisan’ny teny farany nolazain’ny Tompo tamin’ireo Apôstôliny ny didy manao hoe: “Koa mandehana ianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina sady mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo” (Matio 28:19–20). Na dia tsy tonga hatrany amin’ny firenena rehetra aza ireo Apôstôly, ny Asan’ny Apostoly 16–21 dia maneho fa nanatanteraka fivoarana mahatalanjona tamin’ny fanorenana ny Fiangonana i Paoly sy ireo mpiara-manompo taminy. Nampianatra sy nanao batisa ary nanome ny fanomezana ny Fanahy Masina izy ireo. Nanatanteraka fahagagana, sy nanangana lehilahy iray tamin’ny maty mihitsy aza izy ireo, ary naminany ny amin’ny Apôstazia Lehibe (Asan’ny Apostoly 20:7–12, 28–31). Ary ny asa natombok’izy ireo dia mitohy ankehitriny miaraka amin’ireo Apôstôly velona, sy mpanara-dia feno fanolorantena tahaka anao, izay manampy amin’ny fanatanterahana ny iraky ny Mpamonjy amin’ny fomba izay tsy neritreretin’i Paoly mihitsy. Mety fantatrao angamba fa misy olona tsy mahafantatra ny Rainy any An-danitra na ny filazantsarany. Mety efa nahatsapa ny fanahinao ho “taitra tao [anaty]” angamba ianao hizara amin’izy ireo ny zavatra fantatrao momba Azy (Asan’ny Apostoly 17:16). Raha manaraka ny ohatry ny fanetrentena sy ny fahasahiana hizara ny filazantsara nasehon’i Paoly ianao dia mety hahita olona izay efa nosokafan’ny Tompo ny fony (Asan’ny Apostoly 16:14).

Sary
famantarana ny fandalinan’ny tena manokana

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina

Asan’ny Apostoly 16–21

Hitarika ahy amin’ny ezaka ataoko hizara ny filazantsara ny Fanahy.

Nanambara ny Mpaminany Joseph Smith hoe: “tsy misy olona afaka mitory ny filazantsara kanefa tsy manana ny Fanahy Masina” (Teachings of Presidents of the Church: Joseph Smith [2007], 332). Rehefa mamaky ny Asan’ny Apostoly 16–21 ianao, dia eritrereto hoe nahoana no marina io teny nambaran’ny mpaminany io. Jereo ireo toe-javatra izay nanampian’ny Fanahy an’i Paoly sy ireo mpiaradia taminy. Inona no fitahiana tonga rehefa nanaraka ny Fanahy izy ireo? Oviana ianao no efa nahatsapa ny Fanahy nibitsika taminao tamin’ny ezaka nataonao hizara ny filazantsara?

Asan’ny Apostoly 16–21

Afaka manambara ny filazantsara ao anatin’ny toe-javatra rehetra aho.

Ny fidirana am-ponja noho ny fitoriana ny filazantsara dia mety ho antony azo ekena ny amin’ny tsy tokony hitoriana intsony. Saingy ho an’i Paoly sy i Silasy izany dia lasa fotoana nanararaotana nanova fo gadra iray (jereo ny Asan’ny Apostoly 16:16–34). Tadiavo ao anatin’ny Asan’ny Apostoly 16–21 ireo ohatra hafa maneho ny fahavitrihan’i Paoly hizara ny tenivavolombelony amin’ny olona rehetra. Nahoana araka ny eritreritrao no tena nahasahy sy tsy natahotra toy izany izy? Inona no zavatra ianaranao avy amin’ny ohatr’i Paoly?

Mbola misy hafatra maro momba ny fizarana ny filazantsara ao amin’ny Asan’ny Apostoly 16–21. Rehefa mandalina ireo toko ireo ianao dia mitadiava vitsivitsy izay azonao ampiharina manokana amin’ny tenanao.

Jereo koa ny Dieter F. Uchtdorf, “Asa fitoriana: Mizara ny zavatra tena inoana sy tsapanao,” Liahona,, mey 2019, 15–18.

Sary
Zaza trotroina

Samy zanak’ Andriamanitra isika tsirairay avy.

Asan’ny Apostoly 17:16–34

“Terak’ Andriamanitra isika.”

Nahita olona samy hafa fomba fijery sy fivavahana tao Atena i Paoly. Nikatsaka ny “hihaino zava-baovao” foana izy ireo, ary ny zavatra izay hozarain’i Paoly tamin’izy ireo dia tena zavatra vaovao tamin’izy ireo tokoa (jereo ny Asan’ny Apostoly 17:19–21). Nitsaoka andriamanitra maro izy ireo, tafiditra tao anatin’izany ilay iray nantsoin’izy ireo hoe “Andriamanitra tsy fantatra” (Asan’ny Apostoly 17:23), saingy nino izy ireo fa izany andriamanitra izany dia hery na tanjaka, olona tsy velona sy tsara toetra, ary tsy mba Raintsika velively. Saintsaino ny zavatra nolazain’i Paoly mba hanampiana azy ireo hahafantatra an’ Andriamanitra. Midika inona aminao ny hoe “terak’ Andriamanitra”? (Asan’ny Apostoly 17:29). Raha ny eritreritrao, inona no mampiavaka ny hoe zanak’ Andriamanitra sy ny hoe iray amin’ireo zavatra nohariany fotsiny? Inona no fiantraikan’ny fahatakarana io fahamarinana io eo amin’ny fomba fahitanao ny tenanao sy ny hafa?

Raha nijoro teo anilan’i Paoly ianao raha nijoro ho vavolombelona izy, inona no mety ho nolazainao tamin’ireo Grika momba ny Raintsika any An-danitra? Mahafantatra olona izay hahazo tombontsoa amin’ny fihainoana ny fijoroanao ho vavolombelona ve ianao?

Jereo koa ny Romana 8:16; 1 Jaona 5:2.

Sary
famantarana ny fandalinan’ny mpianakavy

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Asan’ny Apostoly 16–21.Mba hampitomboana ny fahatakaran’ny fianakavianao ny Asan’ny Apostoly 16–21 dia afaka mandalina ilay sarintany any amin’ny fiafaran’ity rindran-damina ity ianareo, ary mitady ireo tanàna izay nitorian’i Paoly ny filazantsara ao amin’ireo toko ireo. Inona avy ireo fitaovana ananantsika ankehitriny mba hitondrana fanampiana amin’ny fitondrana ny filazantsara any amin’ny firenena rehetra?

Asan’ny Apostoly 17:10–12; 18:24–28.Ahoana no ahafahantsika hitovy kokoa amin’ireo Olomasina ao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo? Inona no mety ho dikan’izany hoe “[m]andray ny teny [amin’ny] zotom-po indrindra” izany? (Asan’ny Apostoly 17:11). Ahoana no hahafahantsika ho “[mahery amin’ny] Soratra Masina”? (Asan’ny Apostoly 18:24).

Asan’ny Apostoly 19:1–7.Afaka manampy ny fianakavianao hanao fifanakalozan-kevitra momba ny maha-zava-dehibe ny fanaovana batisa sy ny fandraisana ho mpikambana ireo andininy ireo. Mba hahatakarana tsara kokoa ireo fahamarinana ao amin’ny Asan’ny Apostoly 19:1–7 dia afaka mifanakalo hevitra momba ireo zavatra tsy misy ilàna azy raha tsy misy ny fanampian’ny zavatra hafa ianareo, toy ny finday tsy misy vatoaratra. Na azonao zaraina ity fampianarana avy amin’ny Mpaminany Joseph Smith ity: “Ny batisan’ny rano dia antsasaky ny batisa ihany, ary tsy misy dikany raha tsy misy an’ilay antsasany hafa—dia ny batisan’ny Fanahy Masina” (Teachings: Joseph Smith95). Nahoana ny batisa no “tsy misy dikany” raha tsy mandray ny fanomezana ny Fanahy Masina? (jereo ny 3 Nefia 27:19–20; Mosesy 6:59–61).

Asan’ny Apostoly 19:18–20.Rehefa mamaky ny Asan’ny Apostoly 19:18–20 ianao dia jereo ny hasarobidin’ireo fananana nananan’ny olona fahavononana fa hafoiny mba hanekeny ny filazantsara (jereo ny andininy 19). Misy fananana arak’izao tontolo izao na fanaon’izao tontolo izao ve mila hilaozantsika mba hahafahana mandray ireo fitahiana avy an-danitra?

Asan’ny Apostoly 20:32–35.Oviana ny fianakavianao no niaina ny fampianaran’i Kristy manao hoe: “mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray”? (Asan’ny Apostoly 20:35). Misy olona ve mety hahazo tombontsoa avy amin’ny asa fanompoana, na ny fotoana, na ny fanomezana izay azon’ny fianakavianao omena? Ifampiresaho miaraka amin’ny fianakavianao ny hevitra sasantsasany ary manaova drafitra mba hanompo olona iray. Inona no fahatsapana ananantsika rehefa manompo ny hafa isika? Nahoana no mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray?

Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.

Hira aroso mba hohiraina “Zanaky ny Ray aho,” Bokin-kiran’ny ankizy, 2–3.

Manatsara ny fandalinana manokana

Raketo ireo zavatra tsapa. “Rehefa mirakitra an-tsoratra ireo fahatsapana ara-panahy ianao, dia mampiseho amin’ny Tompo fa manan-danja aminao ny fitarihany, ary dia homeny fanambarana matetitetika kokoa ianao” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy12; jereo koa ny pejy 30).

Sary
Sarintanin’ny dia fitoriana ny filazantsara nataon’i Paoly

Ny dia fitoriana ny filazantsara nataon’i Paoly Apôstôly

Hamoaka printy