Testamenta Vaovao 2023
31 jolay–6 aogositra. Asan’ny Apostoly 22–28: “Ho mpanompo sy ho vavolombelona”


“31 jolay–6 aogositra. Asan’ny Apostoly 22–28: -Ho mpanompo sy ho vavolombelona,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Vaovao 2023 (2022)

“31 jolay–6 aogositra. Asan’ny Apostoly 22–28,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2023

Sary
I Paoly ao an-tranomaizina

31 jolay–6 aogositra

Asan’ny Apostoly 22–28

“Ho mpanompo sy ho vavolombelona”

Ny fahatsapana avy amin’ny Fanahy Masina dia mazàna tony ary matetika dia tsy maharitra. Ny firaketana ny zavatra tsapanao dia manome fahafahana anao hisaintsaina azy ireny lalindalina kokoa. Eo am-pamakianao ny Asan’ny Apostoly 22–28 dia soraty ireo eritreritra sy fahatsapana tonga ao aminao ary makà fotoana hisaintsainana azy ireny.

Raketo ireo zavatra tsapanao

“Rehefa irahin’ny Tompo isika,” hoy ny nampanantenain’ny Filoha Thomas S. Monson, “dia tokony hahazo ny fanampian’ny Tompo” (Mianara, manaova, meteza,” Liahona, nôv. 2008, 62). Tsy natao hiaina fiainana tsisy olana sy feno fahombiazana tsisy farany anefa isika. Ho porofon’izany dia mila mijery an’i Paoly Apôstôly fotsiny isika. Ny iraka nomen’ny Mpamonjy azy dia ny “fitondrana ny anara[ny] eo anatrehan’ny jentilisa sy ny mpanjaka ary ny Zanak’isiraely” (Asan’ny Apostoly 9:15). Ao amin’ny toko 22–28 ao amin’ny Asan’ny Apostoly isika dia mahita an’i Paoly manatanteraka io iraka io sy miatrika fanoherana: famatorana amin’ny rojo vy, fampidirana am-ponja, fampijaliana ara-batana, rendrika an-tsambo, ary hatramin’ny fanafihan’ny bibilava mihitsy aza. Fa mahita an’i Jesoa ihany koa isika “nitsangana teo anilany … ka nanao hoe: Matokia” (Asan’ny Apostoly 23:11). Ireo zavatra niainan’i Paoly dia fampahatsiahivana mankahery fa ny antson’ny Tompo mba “hanambara ny filazantsara[ny] amin’ny feom-pifaliana,” dia ahitana ny fampanantenana hoe: “Asandrato ny fonareo, ary mifalia fa eo afovoanareo Aho,” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:4–5; jereo ihany koa ny Matio 28:19–20).

Sary
famantarana ny fandalinan’ny tena manokana

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina

Asan’ny Apostoly 22:1–21; 26:1–29

Ny mpianatr’i Jesoa Kristy dia mizara amim-pahasahiana ny fijoroana ho vavolombelona ananany.

Tamin’i Paoly nizara ireo fijoroana ho vavolombelona mahery vaika voarakitra ao amin’ny Asan’ny Apostoly 22 sy 26 dia voatazon’ireo miaramila Romana am-ponja izy. Nanana fahefana hanameloka azy ho faty ireo olona izay noresahiny. Fa mbola nisafidy ny hijoro ho vavolombelona tamim-pahasahiana momba an’i Jesoa Kristy sy “ny fahitana avy tany an-danitra” (Asan’ny Apostoly 26:19) azony izy. Inona no manentana ny fanahinao mahakasika ireo teniny ireo? Eritrereto ireo fahafahana anananao hizara ny fijoroana ho vavolombelona anananao. Ohatra, moa ve fantratr’ireo namanao ny zavatra tsapanao momba an’i Jesoa Kristy? Na koa hoe oviana ianao no niteny farany tamin’ny fianakavianao ny fomba nahazoanao ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny filazantsara?

Rehefa noesoesoina i Joseph Smith zazalahy noho ny fitantarany ny Fahitany Voalohany dia ny fomba nijoroan’i Paoly ho vavolombelona momba ny fahitana hitany no nahazoany hevitra (jereo ny Joseph Smith—Tantara 1:24–25). Ahoana no hamintinanao ny zavatra nianaran’i Joseph Smith avy tamin’i Paoly? Inona no ianaranao avy amin’ireo vavolombelon’i Jesoa Kristy roa ireo?

Jereo ihany koa ny Neil L. Andersen, “Miresaka an’i Kristy isika,” Liahona, nôv. 2020, 88–91.

Asan’ny Apostoly 23:10–11; 27:13–25, 40–44

Mijoro eo anilan’ireo izay miezaka manompo Azy ny Tompo.

Araka ny asehon’ny asa fanompoan’i Paoly mazava tsara dia tsy famantarana ny tsy fankatoavan’ Andriamanitra ny asa izay ataontsika ireo fahasarotana misy eo amin’ny fiainantsika. Raha ny marina dia indraindray mandritra ireo fotoan-tsarotra no tena hahatsapantsika mafy ny fanampiany. Mety hahaliana ny mamerina mijery ny zavatra izay efa novakinao tato ho ato mikasika ny asa fanompoan’i Paoly sy ny mitanisa ny sasany amin’ireo zavatra niaretany (jereo ohatra ny Asan’ny Apostoly 14:19–20; 16:19–27; 21:31–34; 23:10–11; 27:13–25, 40–44). Tamin’ny fomba ahoana no nijoroan’ny Tompo teo anilany? Tamin’ny fomba ahoana no nijoroany teo anilanao?

Asan’ny Apostoly 24:24–27; 26:1–3, 24–2927

Ahitana fiarovana sy fiadanana ny fihainoana ny tenin’ireo mpanompon’ Andriamanitra.

Nandritra ny asa fanompoany dia nizara fijoroana ho vavolombelona mahery vaika momba an’i Jesoa Kristy i Paoly. Vahoaka maro no nanaiky ny fijoroany ho vavolombelona, saingy tsy ny rehetra anefa. Eo am-pamakianao ny Asan’ny Apostoly 24:24–27 sy ny Asan’ny Apostoly 26:1–3, 24–29, dia tadiavo ireo teny na andian-teny izay maneho ny fomba nandraisan’ireto mpanapaka Romana manaraka ireto ny fampianaran’i Paoly:

  • Feliksa

  • Festosy

  • Mpanjaka Agripa

Raha nandeha an-tsambo nankany Roma mba hotsarain’i Kaisara i Paoly dia naminany izy fa hisy “fahasimbana sy fatiantoka be” ilay sambo sy ireo mpandeha (Asan’ny Apostoly 27:10). Vakio ny toko 27 mba hahitana ny fihetsik’ireo mpiray sambo tamin’i Paoly nanoloana ny fampitandremany. Mahita lesona ho anao manokana ve ianao ao amin’ny zavatra niainan’izy ireo?

Efa nanao fihetsika tahaka ny nataon’ny iray tamin’ireo olona ireo ve ianao rehefa nahare ny fampianaran’ireo mpitarika ato amin’ny Fiangonana? Inona no mety ho vokatry ny fihetsika toy izany? Inona no ianarana avy amin’ireo tantara ireo mikasika ny fanarahana ny torohevitry ny Tompo amin’ny alalan’ireo mpanompony?

Jereo koa ny 2 Nefia 33:1–2; D. Todd Christofferson, “Ny feo fampitandremana,” Liahona, mey 2017, 108–11; “Suivre le prohète vivant,” Enseignements des présidents de l’Église: Ezra Taft Benson (2014), 157–66.

Sary
famantarana ny fandalinan’ny mpianakavy

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Asan’ny Apostly 24:16.Talohan’ny fiovam-pony dia be dia be ny fanoherana an’Andriamanitra efa nataon’i Paoly. Saingy noho izy vonona ny hibebaka dia afaka niteny hoe: “Mikely aina koa aho mba hanana fieritreretana tsy manameloka ahy na amin’ Andriamanitra na amin’ olombelona mandrakariva” (jereo koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 135:4–5). Ahoana no ahafahantsika manaisotra ny fanoherana an’Andriamanitra sy ny hafa ao an-tsaintsika?

Asan’ny Apostoly 26:16–18.Nantsoin’ Andriamanitra hanao inona i Paoly ao amin’ireo andininy ireo? Inona avy ny fotoana ananantsika mba hanaovana zavatra mitovy amin’izany?

Asan’ny Apostoly 28:1–9.Misy olona tia bibilava ve ao amin’ny fianakavianao? Azonao atao ny mangataka an’izay olona izay na olona iray hafa ao amin’ny fianakavianao mba hitantara ireo tantara hita ao amin’ny Asan’ny Apostoly 28:1–9. Mety ho tian’ireo zanakao ny manao ny sarin’ireo tantara ireo na milalao izany an-tsehatra. Inona avy ireo lesona azontsika ianarana avy amin’ireo tantara ireo? Ny iray amin’izany dia mety hoe manatanteraka ny tanjony amin’ireo mpanompony ny Tompo. Ohatra, azonao ampitahaina amin’ireo fampanantenana nomena ao amin’ny Marka 16:18 ny fahatanterahan’izany tamin’ireo zavatra niainan’i Paoly. Afaka mitady lahateny iray nandritra ny fihaonambe maneran-tany farany koa ianao izay milaza fampanantenana nomen’ny iray amin’ireo mpanompon’ny Tompo, ary asehoy ao an-tokantranonao izany. Ahoana no ahafahantsika maneho ny finoantsika fa ho tanteraka io fampanantenana io?

Sary
Bibilava misy poizina

Niaro an’i Paoly Andriamanitra rehefa nokaikerin’ny bibilava misy poizina izy.

Asan’ny Apostoly 28:22–24.Tahaka ny Fiangonana tamin’ny andron’i Paoly (antsoina hoe “sekta” ao amin’ny andininy 22), dia mazàna ny Fiangonana amin’izao fotoana izao no “ratsy laza.” Rehefa nanaratsy ny Mpamonjy sy ny Fiangonany ny olona, dia inona no fihetsik’i Paoly nanoloana izany. Inona no zavatra azontsika ianarana avy amin’ny zavatra niainan’i Paoly?

Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.

Hira aroso mba hohiraina: “Il vit, mon Rédempteur,” Cantiques, no. 72.

Manatsara ny fampianarantsika

Mifantoha amin’ireo fitsipika izay hitahy ny fianakavianao. Rehefa mandalina ny soratra masina ianareo dia manontania tena hoe: “Inona no hitako ato ka tena manan-danja manokana amin’ny fianakaviako?” (Jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy17.)

Sary
I Paoly teo anatrehan’ny Mpanjaka Agripa

I Paoly teo anatrehan’ny Mpanjaka Agripa. Valiant in the Testimony of Jesus Christ [Maherifo amin’ny tenivavolombelon’i Jesoa Kristy], nataon’i Daniel A. Lewis

Hamoaka printy