Testamenta Vaovao 2023
7–13 aogositra. Romana 1–6: “Herin’ Andriamanitra ho famonjena”


“7–13 aogositra. Romana 1–6: -Herin’ Andriamanitra ho famonjena,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Vaovao 2023 (2022)

“7–13 aogositra. Romana 1–6,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2023

Sary
I Paoly manoratra epistily iray

7–13 aogositra

Romana 1–16

“Ny herin’ Andriamanitra ho famonjena”

Ny firaketana ny fitaomam-panahy azonao dia hanampy anao hahatsiaro ny zavatra ampianarin’ny Fanahy anao. Azonao atao ihany koa ny mirakitra ny zavatra tsapanao momba ireny fitaomam-panahy ireny.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Tamin’ny fotoana nanoratan’i Paoly ny epistiliny ho an’ireo mpikamban’ny Fiangonana Romana, izay nahitana vondrona Jiosy sy Jentilisa isan-karazany, dia efa nitombo lavitra nihoatra noho ilay andiana mpino avy tao Galilia ny Fiangonan’i Jesoa Kristy. Tokony ho teo amin’ny 20 taona taorian’ny Fitsanganan’ny Mpamonjy tamin’ny maty dia saika nahitana vondrona Kristianina avokoa ny toerana rehetra izay azon’ny Apôstôly naleha, ary tafiditra tamin’izany i Roma, renivohitry ny fanjakana lehibe iray. Kanefa, raha nampitahaina tamin’ny halehiben’ny fanjakana Romana ny Fiangonana dia mbola bitika ihany ary matetika no niharan’ny fanenjehana. Tao anatin’ny toe-javatra toy izany, dia mety nahatsapa ho “menatra ny filazantsara[n’i Kristy]” ny sasany, saingy mazava ho azy fa tsy mba toy izany i Paoly. Fantany ary nijoroany ho vavolombelona fa ny hery marina, ny “herin’Andriamanitra ho famonjena,” dia hita ao amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy (Romana 1:16).

Sary
famantarana ny fandalinan’ny tena manokana

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina

Inona ireo epistily ary ahoana no nandaminana azy ireo?

Ny epistily dia taratasy nosoratan’ireo mpitarika tao amin’ny Fiangonana ho an’ireo Olomasina tany amin’ny faritra isan-karazany teto amin’izao tontolo izao. Ny Apôstôly Paoly no nanoratra ny ankamaroan’ireo epistily ao amin’ny Testamenta Vaovao—manomboka amin’ny Romana ka hatramin’ny Hebreo. Ireo epistiliny dia nalamina araka ny halavany afa-tsy ny epistily ho an’ny Hebreo ihany (jereo ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Epistilin’i Paoly”). Na dia ny Romana aza no epistily voalohany ao amin’ny Testamenta Vaovao dia nosoratana fotoana fohy talohan’ny fiafaran’ireo dia fitoriana nataon’i Paoly izany.

Romana 1–16

“Ny marina amin’ny finoana no ho velona.”

Ireto famaritana manaraka ireto dia mety hanampy anao hahatakatra tsara kokoa ny Epistily ho an’ny Romana:

Ny lalàna.Rehefa manoratra hoe “ny lalàna” i Paoly dia ny lalàn’i Mosesy no tiany hambara. Ny teny hoe “asa” ao amin’ny asasoratr’i Paoly dia niresaka ireo zavatra atao ety ivelany izay mifandray amin’ny lalàn’i Mosesy. Saintsaino ny tsy mampitovy ny lalàn’i Mosesy sy ny asa notakina tao anatin’izany amin’ny “lalàn’ny finoana” izay fariparitana ao amin’ny Romana 3:23–31.

Voafora, tsy voafora.Fahiny dia famantarana na fanehoana ny fanekempihavanana nataon’ Andriamanitra tamin’i Abrahama ny famorana. Nampiasa ny teny hoe “voafora” i Paoly mba hiantsoana ny Jiosy (ny vahoakan’ny fanekempihavanana) ary ny “tsy voafora” mba hiantsoana ny Jentilisa. Saintsaino ny zavatra ampianarin’ny Romana 2:25–29 momba ny tena dikan’izany hoe vahoakan’ny fanekempihavanan’ Andriamanitra izany. Fantaro fa tsy fomba famantarana ny fanekempihavanana ataon’ Andriamanitra amin’ny vahoakany intsony ny famorana (jereo ny Asan’ny Apostoly 15:23–29).

Fanamarinana, manamarina, voamarina.Ireo teny ireo dia manambara ny fahazoana famelan-keloka. Rehefa voamarina isika dia voavela heloka, voambara fa tsy manan-tsiny, ary afaka amin’ny sazy tsy manam-pahataperana noho ny fahotantsika. Rehefa mahita ireo teny ireo ianao dia jereo ny zavatra nampianarin’i Paoly momba ny fahafahana manatanteraka ny fanamarinana (jereo koa ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Fanamarinana; Manamarina,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org.

Fahasoavana.Ny fahasoavana dia “fomba masina entina hanampiana na hanomezana hery, omena amin’ny alalan’ny famindram-po sy ny fitiavan’i Jesoa Kristy mitafotafo.” Amin’ny alalan’ny fahasoavana dia hitsangana amin’ny maty sy handray ny tsy fahafatesana ny olona rehetra. Ankoatra izany, “ny fahasoavana dia hery manampy izay manome fahafahana ny lehilahy sy ny vehivavy mba hahazo ny fiainana mandrakizay sy ny fisandratana rehefa nanao ny ezaka tsara indrindra avy aminy izy ireo.” Tsy mahazo fahasoavana amin’ny alalan’ny ezaka ataontsika isika, fa ny fahasoavana kosa no manome antsika “tanjaka sy fanampiana mba hanao asa tsara izay tsy ho vitantsika tohizana amin’ny fomba hafa” (Bible Dictionary, “Grace”; jereo koa ny 2 Nefia 25:23; Dieter F. Uchtdorf, “Ny fanomezampahasoavan’ny famindram-po,” Liahona, mey 2015, 107–10). Rehefa mamaky ny Romana ianao dia raiso an-tsoratra ny zavatra ianaranao momba ny famindram-pon’ny Mpamonjy.

Romana 2:17–29

Tokony hahitana taratra ny fiovam-poko sy mampitombo izany ny zavatra ataoko.

Ny sasany tamin’ireo Jiosy Kristianina tao Roma dia hita nibaribary fa mbola nino fa mitondra famonjena ireo fomba amam-panao tamin’ny lalàn’i Mosesy. Toa olana tsy mihatra amintsika intsony izany satria tsy miaina araka ny lalàn’i Mosesy intsony isika. Saingy rehefa mamaky ny zavatra nosoratan’i Paoly ianao, indrindra indrindra ny Romana 2:17–29, dia diniho ny ezaka ataonao manokana mba hiaina ny filazantsara. Mampitombo ny fiovam-ponao sy mampatanjaka ny finoanao an’i Kristy ve ny zavatra ivelany ataonao, toy ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo na ny fankanesana any amin’ny tempoly? (jereo ny Almà 25:15–16). Misy ve zavatra tokony hovainao mba hitondra ho amin’ny fiovam-po ireo zavatra ivelany ataonao?

Romana 3:10–315

Afaka mahazo famelan-keloka aho amin’ny alalan’i Jesoa Kristy.

Ny olona sasany dia mety hahatsiaro ho kivy rehefa maheno ny filazana feno fahasahiana nataon’i Paoly fa “tsy misy marina na dia iray akory aza” (Romana 3:10). Saingy ahitana hafatra feno fanantenana ihany koa anefa ao amin’ny Romana. Tadiavo ao amin’ny toko 3 sy 5 izany, dia diniho hoe nahoana ny fahatsiarovana hoe “samy efa nanota izy rehetra ka tsy manana ny voninahitra avy amin’ Andriamanitra” (Romana 3:23) no dingana lehibe iray mankany amin’ny fianarana “[m]ifaly amin’ny fanantenana” amin’ny alalan’i Jesoa Kristy (Romana 5:2).

Romana 6

Manasa ahy “[handeha] … amin’ny fiainam-baovao” i Jesoa Kristy.

Nampianatra i Paoly fa tokony hampiova ny fomba fiainantsika ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Inona no teny nambara ao amin’ny Romana 6 izay mamariparitra ny fomba nanampian’ny fanarahana ny Mpamonjy anao “[handeha] … amin’ny fiainam-baovao”? (andininy 4).

Sary
famantarana ny fandalinan’ny mpianakavy

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Romana 1:16–17.Ahoana no hanehoantsika fa “tsy menatra ny filazantsara” isika?

Romana 3:23–28.Rehefa mamaky ireo andininy ireo ianareo dia azonareo atao ny mifanakalo hevitra momba ny fahasamihafan’ny fananana ny fahasoavan’ Andriamanitra, izay tsy ho azontsika atao na oviana na oviana, sy ny fandraisana izany, izay tsy maintsy ataontsika. Oviana isika no nahatsapa ny famindram-pon’ Andriamanitra? Ahoana no ahafanantsika mandray izany tanteraka?

Romana 5:3–5.Inona no fahoriana efa niainantsika? Ahoana no nanampian’ireny fahoriana ireny antsika hampitombo faharetana sy traikefa ary fanantenana?

Romana 6:3–6.Inona no voalazan’i Paoly ao amin’ireo andininy ireo momba ny tandindon’ny batisa? Angamba azon’ny fianakavianao atao ny manao drafitra mba hanatrika fivoriana fanaovam-batisa iray ho avy. Na ny olona iray ao amin’ny fianakavianao dia afaka mizara sary na fahatsiarovana momba ny batisany. Manampy antsika “handeha amin’ny fiainam-baovao” amin’ny fomba ahoana ny fanaovana sy fitandremana ny fanekempihavanan’ny batisa?

Sary
Lehilahy iray manao batisa ao amina farihy iray

Tandindon’ny fiantombohan’ny fiainam-baovao amin’ny maha-mpianatr’i Kristy ny batisa.

Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.

Hira aroso mba hohiraina: “Rehefa atao batisa aho,” Bokin-kiran’ny ankizy, 53.

Manatsara ny fandalinana manokana

Mametraha fanontaniana eo am-pandalinana. Eo am-pandalinanao ny soratra masina dia mety hisy fanontaniana tonga ao an-tsaina. Saintsaino ireo fanontaniana ireo dia mitadiava valiny. Ohatra, ao amin’ny Romana 1–6 dia afaka mitady ny valin’ilay fanontaniana manao hoe “Inona no atao hoe fahasoavana?” ianao.

Sary
I Kristy misintona zazavavy iray avy ao anaty rano

Be Not Afraid [Aza matahotra], nataon’i Greg K. Olsen

Hamoaka printy