Testamenta Vaovao 2023
14–20 aogositra. Romana 7–16: “Reseo amin’ny soa ny ratsy”


“14–20 aogositra. Romana 7–16: -Reseo amin’ ny soa ny ratsy,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Vaovao 2023 (2022)

“14–20 aogositra. Romana 7–16,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2023

Sary
Sisa tavela tamin’i Roma fahiny

14–20 aogositra

Romana 7–16

“Reseo amin’ ny soa ny ratsy”

Fitsipiky ny filazantsara vitsy ao amin’ny Romana 7–16 ihany no tafiditra ato amin’ity lesona ity, koa aza mionona fotsiny amin’izay resahina ato. Mifantoha amin’ny fitaomam-panahy azonao eo am-pandalinanao.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Teo am-panombohany ny epistiliny ho an’ny Romana dia niarahaba ireo mpikamban’ny Fiangonana tany Roma i Paoly tamin’ny fiantsoana azy ireo hoe “malalan’ Andriamanitra” izay “voantso ho masina.” Nilaza izy fa “efa re eran’izao tontolo izao ny lazan’ny [finoan’izy ireo]” (Romana 1:7–8). Na dia naompan’i Paoly tamin’ny fanitsiana ireo hevi-diso sy fitondran-tena tsy mendrika aza ny ankabetsahan’ny epistiliny dia toa hita ihany koa fa naniry ny hanamafy tamin’ireo Kristiana vaovao vao niova fo ireo izy fa tena Olomasina malalan’ Andriamanitra izy ireo. Ny toroheviny feno fitiavana dia mitahy antsika rehetra izay sahirana amin’ny fahatsapana ny fitiavan’ Andriamanitra sy ho an’ireo izay mahatsapa fa sarotra dia sarotra ho azy izany ho tonga Olomasina izany. Tao anaty fahatsoram-po feno fanetrentena no naneken’i Paoly fa efa nisy fotoana nahatsapany ho “olo-mahantra” (Romana 7:24), saingy ny filazantsaran’i Jesoa Kristy no nanome azy hery handresena ny fahotana (jereo ny Dikantenin’i Joseph Smith, Romana 7:22–27 [ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina]). Miaraka amin’izany hery izany, ny hery manavotry ny Mpamonjy, dia afaka mandresy ny ratsy, na ny faharatsiana eto amin’izao tontolo izao izany na ny ao anatintsika, “amin’ny soa” isika (Romana 12:21).

Sary
famantarana ny fandalinan’ny tena manokana

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina

Romana 7–8

Ireo izay manaraka ny Fanahy dia afaka ny ho tonga “mpiray lova amin’i Kristy.”

Na dia efa nanomboka “fiainam-baovao” tamin’ny alalan’ny ôrdônansin’ny batisa (Romana 6:4) aza ianao, dia angamba efa nahatsapa ilay ady ao anaty izay nofaritan’i Paoly ao amin’ny Romana 7, ilay olona araka ny nofo “miady” amin’ireo faniriana tsara ananantsika (Romana 7:23). Fa niresaka momba ny fanantenana ihany koa i Paoly ao amin’ny Romana 8:23–25. Inona avy ny antony hitanao ao amin’ny toko 8 izay mahatonga io fanantenana io? Azonao atao ihany koa ny mitady ireo fitahiana izay tonga rehefa “ny Fanahin’ Andriamanitra no mitoetra ao anatina[o]” (Romana 8:9). Ahoana no ahafahanao mikatsaka ny fananana ny Fanahy Masina ho namana bebe kokoa eo amin’ny fiainanao?

Romana 8:16–39

Lehibe lavitra noho ny fitsapana lalovako eto an-tany ny fanomezan’ny voninahitra mandrakizay.

Taona vitsy monja taorian’ny nanoratan’i Paoly an’ity epistily ity dia nijaly noho ny fanenjehana mahatsiravina ny Olomasina tany Roma. Inona no zavatra hitanao ao amin’ny Romana 8:16–39 izay mety nanampy ireo Olomasina ireo rehefa tonga ny fanenjehana? Ahoana no mety hampiharana ireo teny ireo aminao sy amin’ireo fitsapana izay atrehinao amin’izao?

Tadiavo ny ifandraisan’ireo andininy ireo amin’ity torohevitra avy amin’ny Rahavavy Linda S. Reeves ity: “Tsy fantatro ny antony mahatonga ireo fitsapana maro eo amintsika, saingy ny fahatsapako manokana ry rahavavy isany dia hoe, lehibe tokoa, mandrakizay sy tsy manam-petra mihitsy, ary tena mahafinaritra sy mihoatra noho ny fahatakarantsika ilay valisoa hany ka amin’io andro handraisana valisoa io dia hilaza amin’ny Raintsika feno famindram-po sy be fitiavana isika hoe: –Izay fotsiny ve ny zavatra notakina?– Mino aho fa raha afaka mahatsiaro sy mahatsapa isan’andro ny halalin’ny fitiavan’ny Raintsika any An-danitra sy ny Mpamonjintsika antsika isika, dia ho vonona ny hanao izay hangatahany amintsika isika mba hiverenana eo anatrehan’Izy Ireo indray. Inona moa izay fijaliantsika tety … raha toa ka amin’ny farany, ireo fitsapana ireo no tena hahatonga antsika ho mendrika ny hahazo ny fiainana mandrakizay sy ny fisandratana faratampony ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra miaraka amin’ny Raintsika any An-danitra sy ny Mpamonjy antsika? (“Mendrika ireo fitahiana nampanantenaina antsika,” Liahona, nôv. 2015, 11). Tapaho izay zavatra hataonao hahatonga anao ho “mahatsiaro sy mahatsapa isan’andro” ny fitiavan’ Andriamanitra anao.

Romana 8:29–30; 9–11

Inona no tian’i Paoly nolazaina tamin’ny hoe “notendreny” sy ny hoe “fifidianana” ary ny hoe “fantany rahateo”?

Nampiasa ny teny hoe “notendreny,” “fifidianana,” ary “fantany rahateo” i Paoly mba hampianarana fa nifidy ny sasany tamin’ireo zanany Andriamanitra talohan’ity fiainana ity mba ho isan’i Isiraely, ny vahoakan’ny fanekempihavanany. Midika izany fa hahazo fitahiana sy andraikitra manokana izy ireo mba hahafahany mitahy ny olona rehetra eto amin’izao tontolo izao (jereo ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Fifidianana,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org). Na izany aza dia nohamafisin’i Paoly ao amin’ny Romana 9–11 fa ny zanak’ Andriamanitra rehetra dia afaka ny ho tonga vahoakan’ny fanekempihavanany, ary samy mahazo ny fiainana mandrakizay amin’ny fomba mitovy isika rehetra, amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesoa Kristy sy ny fankatoavana ny didiny.

Jereo koa ny Efesiana 1:3–4; 1 Petera 1:2; Almà 13:1–5.

Romana 12–16

Manasa ahy ho lasa tena Olomasina sy mpanaradia marina an’i Jesoa Kristy i Paoly.

Ny toko dimy farany ao amin’ny Romana dia ahitana fampianarana voafaritra tsara am-polony mikasika ny fomba tokony hiainan’ny Olomasina ny fiainany. Fomba iray handalinana ireo fampianarana ireo ny mijery ireo lohahevitra izay miverimberina. Ahoana no hamintinanao ny torohevitr’i Paoly?

Mety tsy ho afaka ny hampihatra indray mandeha ireo torohevitra rehetra ireo ianao, kanefa afaka manampy anao ny Fanahy hahita iray na roa izay azonao hatomboka atao androany. Zarao amin’ny Rainao any An-danitra ao anatin’ny vavaka ny fanirianao dia angataho Izy hanampy anao.

Sary
famantarana ny fandalinan’ny mpianakavy

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Romana 8:31–39.Inona no zavatra hitantsika ao amin’ny Romana 8:31–39 izay mampianatra mikasika ny zavatra tsapan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa momba antsika? Oviana isika no nahatsapa ny fitiavan’ Andriamanitra?

Mba hanehoana ny andininy 38–39, dia azon’ny olona ao amin’ny fianakaviana atao ny mitady ohatra ana-zavatra tsy afa-misaraka, toy ny hoe isika sy ny fitiavan’ Andriamanitra.

Sary
Raim-pianakaviana sy ny zanany vavy mandihy

Nampianatra ny Loholona Wilford W. Andersen hoe: “Ny feon-kiran’ny filazantsara dia … fahatsapana ara-panahy mahafinaritra izay avy amin’ny Fanahy Masina.”

Romana 9:31–32.Ny hafatry ny Loholona Wilford W. Andersen hoe “Ny feon-kiran’ny filazantsara” (Liahona, mey 2015, 54–56, dia afaka manampy antsika haneho ny zavatra ampianarin’i Paoly momba ny lalàna sy ny asa ary ny finoana. Rehefa avy mifanakalo hevitra momba ny lahateniny dia afaka miezaka mandihy tsy misy hira ny fianakavianao. Ahoana no ahafahan’ny finoana manampy antsika hahatsapa ny fifaliana avy amin’ny filazantsara?

Romana 10:17.Apetaho amin’ny vera maromaro misy rano ny anaran’ireo zavatra izay ahitantsika ny tenin’ Andriamanitra (toy ny soratra masina, ireo ny fanambarana ho an’ny tena manokana, ary ny fihaonamben’ny Fiangonana). Ifanakalozy hevitra ny fomba hampitomboan’ny tenin’ Andriamanitra ny finoantsika eo am-pandrotsahanao ny rano anaty vera tsirairay ao anatin’ny fitoeran-javatra izay nomena anarana hoe “Finoana.”

Romana 12.Inona ny dikan’ny hoe manao ny tenantsika ho “fanatitra velona, masina, sitrak’ Andriamanitra”? (andininy 1).

Romana 14:13–21.Mety hahasoa ny fianakavianao ny mandalina ny torohevitr’i Paoly momba ny fitsarana sy ny fiadian-kevitra momba ny zavatra tian’ny hafa manokana. Azonareo atao ohatra ny miresadresaka ireo fihetsika tokony haseho rehefa manao safidy tsy mitovy amin’ny anao ny hafa, isan’izany ny olona ao amin’ny fianakaviana. Ahoana no ahafahantsika “[m]iezaka [m]itady ny momba ny fiadanana”? (andininy 19).

Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.

Hira aroso mba hohiraina: “Ny fitiavany dia natolony ho ahy,” Bokin-kiran’ny ankizy, 42–43.

Manatsara ny fampianarantsika

Omeo fahafahana haneho ny fahaizan’izy ireo mamorona ny ankizy. “Rehefa manasa ny ankizy mba hamorona zavatra mifandray amin’ny fitsipiky ny filazantsara anankiray ianao dia manampy azy ireo hahatakatra tsara kokoa ilay fitsipika. … Omeo fahafahana hanamboatra zavatra, hanao sary, handoko, sy hanoratra ary hamorona izy ireo,” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy,25).

Sary
I Kristy maninjitra ny tanany

Abide with Me [Tomoera eto Amiko], nataon’i Del Parson

Hamoaka printy