“21–27 aogositra, 1 Korintiana 1–7: -[Aoka] ho tafakambana tsara hianareo,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Vaovao 2023 (2022)
“21–27 aogositra, 1 Korintiana 1–7,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2023
21–27 aogositra
1 Korintiana 1–7
“[Aoka] ho tafakambana tsara hianareo”
Raketo ny fahatsapanao eo am-pamakianao ny 1 Korintiana 1–7. Izany fahatsapana izany dia mety ahitana bitsika mba handalina misimisy kokoa hevitra iray, na hizara zavatra izay nianaranao amin’ny hafa, na hitondra fiovana eo amin’ny fiainanao.
Raketo ireo zavatra tsapanao
Nandritra ireo volana nijanonan’i Paoly tao Korinto dia “maro koa ny Korintiana, raha nandre [azy], dia nino ka natao batisa” (Asan’ny Apostoly 18:8). Koa mety nahavaky fo an’i Paoly ny nandre, taona vitsy monja taty aoriana, fa nisy “fisarahana” teo amin’ny Olomasina tany Korinto ary tamin’ny tsy naha-teo azy dia nanomboka nanaraka ny “fahendren’izao tontolo izao” izy ireo (1 Korintiana 1:10–11, 20). Ho setrin’izany i Paoly dia nanoratra ilay taratasy izay antsointsika ankehitriny hoe 1 Korintiana. Feno fotopampianarana lalina izy io, na dia hita fa toa diso fanantenana aza i Paoly satria tsy vonona ny handray ny fotopampianarana rehetra izay tiany homena azy ireo ny Olomasina. “Ary izaho, ry rahalahy, tsy nahazo niteny taminareo tahaka ny amin’izay araka ny Fanahy,” hoy ny fitarainany, “fa mbola araka ny nofo ihany hianareo” (1 Korintiana 3:1–3). Rehefa miomana ny hamaky ny tenin’i Paoly isika dia mety hanampy ny fandinihana ny fahavononantsika handray fahamarinana, tafiditra ao anatin’izany ny fahavononantsika hanaraka ny Fanahy sy hiezaka ny hiray hina amin’ny fianakaviantsika, amin’ny Olomasina namantsika, ary amin’ Andriamanitra.
Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina
Tokony hiezaka ny hiray hina ny mpikambana ao amin’ny Fiangonan’i Kristy.
Tsy fantatsika ny antsipiriany rehetra momba ny tsy fahampian’ny firaisan-kina teo anivon’ireo Olomasina tany Korinto, saingy fantatsika kosa ny tsy fahampian’ny firaisan-kina amin’ny fifandraisantsika manokana aman’olona. Mieritrereta fifandraisana iray eo amin’ny fiainanao izay mety ho tsara kokoa raha misy firaisan-kina. Dia tadiavo avy eo izay nampianarin’i Paoly ao amin’ny 1 Korintiana 1:10–17; 3:1–11 momba ny fisaraham-bazana teo amin’ireo Olomasina tany Korinto. Inona no hevi-baovao afaka ny ho azonao momba ny fomba hikolokoloana firaisan-kina tsaratsara kokoa amin’ny hafa?
Jereo ihany koa ny Môzià 18:21; 4 Nefia 1:15–17; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 38:23–27; 105:1–5; Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Firaisan-kina,” topics.ChurchofJesusChrist.org.
Mba hanatanterahana ny asan’ Andriamanitra dia mila ny fahendren’ Andriamanitra aho.
Na dia tsara aza, ary amporisihina mihitsy isika, ny mikatsaka fahendrena na aiza na aiza ahitantsika izany (jereo ny 2 Nefia 9:29; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:118), dia nanome fampitandremana mafy an-tsoratra i Paoly momba ny fahendren’olombelona izay tsy tonga lafatra, izay nantsoiny hoe “ny fahendren’izao tontolo izao.” Eo am-pamakianao ny 1 Korintiana 1:17–25 dia saintsaino ny mety ho dikan’io andian-teny io. Inona araka ny eritreritrao no tian’i Paoly holazaina amin’ny hoe “fahendren’ Andriamanitra”? Nahoana isika no mila ny fahendren’ Andriamanitra mba hanatanterahana ny asany?
Teo amin’ny fiezahanao hanatanteraka ireo andraikitrao amin’ny fanatanterahana ny asan’ Andriamanitra, moa ve efa nisy fotoana nahatsapanao “fahatahorana [sy] fangovitana be” izay tsapan’i Paoly rehefa nampianatra ny Olomasina tany Korinto izy? (1 Korintiana 2:3). Inona no hitanao ao amin’ny 1 Korintiana 2:1–5 izay mankahery anao? Eritrereto ny fomba azonao hanehoana fa matoky kokoa ny “herin’ Andriamanitra” mihoatra noho ny “fahendren’olombelona ianao.”
Jereo ihany koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:17–28.
Mila ny Fanahy Masina aho mba hahafahako mahatakatra izay an’ Andriamanitra.
Raha te hianatra misimisy kokoa momba ny zavatra toy ny mekanika mikasika ny fiara na ny hairafitrano fahagola ianao dia ahoana no hanaovanao izany? Araka ny 1 Korintiana 2:9–16, inona no maha-samihafa ny mianatra “ny ao am-pon’ Andriamanitra” sy ny mianatra “ny ao am-pon’ny olona”? Nahoana isika no tsy maintsy manana ny Fanahy Masina mba hahafahantsika mahatakatra izay an’ Andriamanitra? Rehefa avy mamaky ireo andininy ireo ianao dia inona araka ny fahatsapana anananao no tokony hataonao mba hahatakatra zavatra ara-panahy bebe kokoa? Ahoana no ahafahan’ireo tenin’i Paoly manampy olona iray izay manana fahasahiranana amin’ny fijoroany ho vavolombelona?
Masina ny vatako.
Ny ankamaroan’ireo olona tany Korinto dia nahatsapa fa azo ekena ny fahalotoana ara-pitondrantena ary ny vatan’izy ireo dia natao voalohany indrindra hahazoana fahafinaretana. Raha lazaina amin’ny teny hafa, i Korinto dia tsy dia niavaka loatra amin’izao tontolo ankehitriny izao. Inona no nampianarin’i Paoly ao amin’ny 1 Korintiana 6:13–20 ka mety hanampy anao hanazava amin’ny hafa ny antony itiavanao miaina fiainana madio ara-pitondrantena?
Tahaka an’i Paoly, ny Rahavavy Wendy W. Nelson dia namporisika ireo Olomasina mba hadio ara-pitondrantena; jereo ny hafany manao hoe “Fitiavana sy fanambadiana” (fampaherezam-panahy maneran-tany ho an’ny tanora tokan-tena sy mpivady vao herotrerony, 8 jan. 2017, broadcasts.ChurchofJesusChrist.org). Araka ny voalazan’ny Rahavavy Nelson dia inona avy ireo fitahiana azo avy amin’ny fiainana ireo fitsipiky ny Tompo mahakasika ny fitiavana sy ny fiarahana lalina?
Nampianatra ve i Paoly fa tsara kokoa ny tsy manambady noho ny manambady?
Andininy maromaro ao amin’ny 1 Korintiana 7 no toa mandroso ny hevitra fa na dia tsara aza ny manambady, dia aleo kokoa mijanona ho tsy manambady sy mifady tanteraka ny firaisana ara-nofo. Ny Dikantenin’i Joseph Smith, 1 Korintiana 7:29–33 kosa anefa (jereo ny Torolalana ho an’ny soratra masina) dia manampy antsika hahatakatra fa ireo izay voantso hitory ny filazantsara amin’ny fotoana feno no noresahan’i Paoly, izay nanao fanamarihana fa afaka nanompo an’ Andriamanitra tsara kokoa izy ireo raha nijanona ho tsy nanambady nandritra ny asa fitoriany. Nampianatra ny Tompo tamin’ny alalan’ireo mpanompony, tafiditra ao anatin’izany i Paoly, fa ny fanambadiana dia tafiditra ao anatin’ny drafiny mandrakizay ary ilaina amin’ny fisandratana (jereo ny 1 Korintiana 11:11; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 131:1–4).
Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy
-
1 Korintiana 1:10–17; 3:1–11.Eo am-pamakian’ny fianakavianao ireto andininy ireto dia asao izy ireo hitady hevitra iray izay afaka manampy azy ireo hiray hina kokoa.
-
1 Korintiana 3:1–2.Azonareo atao ihany koa ny mamaky ireto andininy ireto eo am-pisotroana ronono sy eo am-pihinana venti-kanina. Azonao atao ny mampitaha ny fomba fitomboana ara-panahy amin’ny fomba fitomboan’ny zazakely ho lasa olon-dehibe.
-
1 Korintiana 3:4–9.Nampitaha ny asa fitoriana ataony tamin’ny fambolena voa i Paoly. Inona no ampianarin’io fampitahana io antsika mikasika ny fizarana ny filazantsara?
-
1 Korintiana 6:19–20.Ny fampitahana ny tenantsika amin’ny tempoly, tahaka ny nataon’i Paoly, dia afaka ny ho fomba iray mahomby hampianarana ny fahamasinan’ny vatantsika. Mety afaka ny hampiseho sarina tempoly ianao, tahaka ireo izay nampiarahana amin’ity rindran-damina ity. Nahoana no masina ny tempoly? Inona no itovian’ny vatantsika amin’ny tempoly? Inona no azontsika atao mba hitondrana ny vatantsika ho toy ny tempoly?
Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.
Hira aroso mba hohiraina: “Ny Tompo dia nanome ahy tempoly,” Bokin-kiran’ny ankizy, 73.