“28 aogositra–3 septambra. 1 Korintiana 8–13: -Hianareo no tenan’i Kristy,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Vaovao 2023 (2022)
“28 aogositra–3 septambra. 1 Korintiana 8–13,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2023
28 aogositra–3 septambra
1 Korintiana 8–13
“Hianareo no tenan’i Kristy”
Eo am-pamakianao ombam-bavaka ny 1 Korintiana 8–13, dia mety hiteny aminao amin’ny fomba malefaka isan-karazany ny Fanahy Masina (jereo ny 1 Mpanjaka 19:11–12). Ny firaketana izany fahatsapana izany dia hanampy anao hahatsiaro ny fahatsapana sy ny eritreritra nanananao nandritra ny fandalinanao.
Raketo ireo zavatra tsapanao
Tamin’ny andron’i Paoly dia foibem-barotra nanan-karena izay nahitana mponina avy amin’ny toerana rehetra manerana ny Fanjakana Romana i Korinto. Noho ny fisian’ny kolontsaina sy fivavahana maro be teo amin’ny tanàna dia sarotra tamin’ireo mpikamban’ny Fiangonana tao Korinto ny nihazona firaisan-kina, koa nikatsaka ny hanampy azy ireo i Paoly mba hahita firasan-kina ao amin’ny finoany an’i Kristy. Izany firaisan-kina izany dia tsy hoe fiaraha-mitoetra amim-pilaminana fotsiny fa mihoatra izany. Tsy nangataka azy ireo hifandefitra amin’ny fahasamihafan’izy ireo fotsiny i Paoly. Fa nampianatra kosa izy fa rehefa miditra ho mpikamban’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ianao dia “[atao batisa] ho tena iray,” ary ny momba ny tena tsirairay dia ilaina (1 Korintiana 12:13). Raha very ny momba ny tena iray, dia mitovy amin’ny very rantsam-batana, ary mihamalemy hatrany ny tena vokatr’izany. Raha mijaly ny momba ny tena iray, dia tokony hahatsapa izany avokoa isika ary manao ny anjarantsika mba hanamaivanana izany fijaliana izany. Ao amin’ity karazana firaisan-kina ity ny tsy fitoviana dia tsy vitan’ny hoe ekena fotsiny ny fisiany fa tena ankamamiana ihany koa, satria raha tsy misy ny momba ny tena izay samy manana ny fanomezam-pahasoavany sy ny fahaiza-manaony dia ho voafetra ny zavatra vitan’ilay tena. Araka izany ary, na efa mahatsapa hatrizay ho mahazo aina ao amin’ny Fiangonana ianao na manontany tena raha toa tena mpikambana ao anatin’izany tokoa, ny hafatr’i Paoly ho anao dia ny hoe: ny firaisan-kina dia tsy hoe fitoviana akory. Mila ireo Olomasina namanao ianao, ary ireo Olomasina namanao dia mila anao.
Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina
Manome lalana hahafahana mandositra ny fakam-panahy Andriamanitra.
Ny traikefa ara-panahy, na dia ireo izay mahagaga aza, dia tsy manafaka antsika amin’ny fakam-panahy izay “zakan’ny olombelona” (1 Korintiana 10:13). Izany angamba no antony nahatonga an’i Paoly nanoratra mikasika ny fahasahiranan’ireo Isiraelita tamin’ny andron’i Mosesy niatrika fakam-panahy na dia nahita fahagagana mahery vaika aza izy ireo (jereo ny Eksodosy 13:21; 14–31). Eo am-pamakianao ny 1 Korintiana 10:1–13, dia fampitandremana inona tamin’ny zavatra niainan’ireo Isiraelita no mety hihatra aminao? Inona no karazana “lalana” handosirana fakam-panahy natolotry ny Ray any An-danitra anao? (jereo koa ny Almà 13:27–30; 3 Nefia 18:18–19).
1 Korintiana 10:16–17; 11:16–30
Ny fanasan’ny Tompo no mampiray antsika amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonan’i Kristy antsika.
Na dia mahakasika ny fanolorantena manokana eo aminao sy ny Tompo aza ny fanasan’ny Tompo, izany ihany koa dia zavatra iainana ifampizaranao amin’ny hafa. Saika miaraka amin’ny hafa foana isika no mandray ny fanasan’ny Tompo, ao anatina vondron’Olomasina. Vakio ny zavatra nampianarin’i Paoly momba ny fanasan’ny Tompo, ary eritrereto ny fomba ahafahan’io ôrdônansy masina io manampy ny “maro” ho “iray” ao amin’i Kristy (1 Korintiana 10:17). Ahoana no hanampian’ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo anao hahatsapa ho akaiky kokoa an’i Kristy sy ireo mpino hafa? Inona no fiantraikan’ireo andininy ireo amin’ny zavatra tsapanao momba ny fanasan’ny Tompo sy ny fomba iomananao amin’izany?
Ao amin’ny drafitr’ Andriamanitra dia mifampila ny lehilahy sy ny vehivavy.
Ao amin’ny 1 Korintiana 11:4–15, i Paoly dia nanonona fombafomba ara-kolontsaina izay tsy arahintsika ankehitriny. Saingy nampianatra fahamarinana manan-danja izay mihatra mandrakizay ihany koa i Paoly, ka izany dia hita ao amin’ny andininy 11. Inona araka ny hevitrao ny dikan’io andininy io, ary nahoana izany no manan-danja? Nampianatra ny Loholona David A. Bednar hoe, “Ny lehilahy sy ny vehivavy dia natao mba hianatra avy amin’ny tsirairay, hifankahery, hifampitahy, ary hifameno” (“Mino isika fa tokony ho madio fitondrantena,” Liahona, mey 2013, 42). Inona no tokony ho fiantraikan’io fahamarinana io eo amin’ny fanambadiana iray? Inona no tokony ho fiantraikan’izany amin’ny fomba anompoantsika ato amin’ny Fiangonana?
Jereo ihany koa ny Jean B. Bingham, “Miray hina amin’ny fanatanterahana ny asan’ Andriamanitra,” Liahona, mey 2020, 60–63.
Ny fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy dia nomena mba ho tombontsoan’ny zanaky ny Ray any An-danitra rehetra.
Ny lisitry ny fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy hita ao amin’ny 1 Korintiana 12–13 dia tsy lisitra feno. Saingy tsara hoenti-manomboka izany rehefa mamantatra sy misaintsaina ireo fanomezam-pahasoavana nomen’ny Ray any An-danitra anao ianao. Ilay lahatsoratra “Dons spirituels” ao amin’ny Sujets de l’Évangile (topics.lds.org) dia afaka manampy anao hahatakatra tsara kokoa ny momba ireo fanomezam-pahasoavana ireo. Eo am-pamakianao ny lisitr’ireo fanomezam-pahasoavana nataon’i Paoly dia mety hanampy zavatra hafa izay tsikaritrao ao amin’ny hafa, ao aminao, na ao amin’ny olona ao amin’ny soratra masina ianao. Raha efa nahazo ny tsodranon’ny patriarika ianao dia mety hilaza fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy sasany izay anananao koa izany. Ahoana no fomba hanampian’ireo fanomezam-pahasoavana ireo anao mba hitahy ny hafa? Eritrereto ny zavatra hataonao hikatsahana “fatratra ny fanomezam-pahasoavana lehibe indrindra” (1 Korintiana 12:31).
Jereo koa ny 1 Korintiana 14; Môrônia 10:8–21, 30; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 46:8–26; Fanekem-pinoana 1:7.
Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy
-
1 Korintiana 9:24–27.Koa satria nampitahain’i Paoly tamin’ny fihazakazahana ny fiainana ny filazantsara dia azonao atao ny manao fifaninanana hazakazaka ao amin’ny fianakavianao mba hanehoana ny heviny. Omeo satro-boninahitra izay rehetra mahavita ny hazakazaka, ary ifampiresaho ny fomba hahazoan’ireo izay mazoto amin’ny fanarahana an’i Jesoa Kristy ilay loka “tsy mety ho lò” (1 Korintiana 9:25; jereo ihany koa ny 2 Timoty 4:7–8). Inona no zavatra mety ataon’ny mpihazakazaka mba hiomanana amin’ny fifaninana iray? Inona no azontsika atao mba hiomanana hiverina any amin’ny Ray any An-danitra?
-
1 Korintiana 12:1–11.Aorian’ny fiarahana mamaky ireo andininy ireo, dia azonao omena tapa-taratasy misy ny anaran’ny olona hafa ao amin’ny fianakaviana voasoratra eny amin’ny farany ambony ny tsirairay. Asaivo mitanisa ireo fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy izay tsikaritr’izy ireo fa ananan’izany olona izany ny tsirairay. Azonao ampitapitaina miodina ny taratasy mandrapahazoan’ny tsirairay fahafahana manoratra momba ny fanomezam-pahasoavana ananan’ny olona tsirairay ao amin’ny fianakaviana.
-
1 Korintiana 12:3.Nahoana no ilaina ny Fanahy Masina mba hahazoana fijoroana ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy? Inona no azontsika atao mba hanasana ny Fanahy Masina hampatanjaka ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika momba an’i Jesoa Kristy?
-
1 Korintiana 12:12–27.Afaka ny ho fomba iray tsy hay hadinoina ifanakalozana hevitra momba ny firaisan-kina ao amin’ny fianakaviana ny fifanahafana nataon’i Paoly momba ny tena. Ohatra, azon’ny fianakaviana atao ny manao sarina vatana iray izay vita amin’ny maso na sofina fotsiny (jereo ny andininy 17). Inona no ampianarin’ireo andininy ireo momba ny fomba tokony hifampitondrantsika ao amin’ny fianakaviana?
-
1 Korintiana 13:4–8.Mety hanome teny filamatra manentana fanahy ho an’ny fianakavianao ny famaritan’i Paoly ny fiantrana. Azonao omena andraikitra mba handalina andian-teny iray ao amin’ny andininy 4–8 ny tsirairay ao amin’ny fianakavianao, dia ampianaro ny sisa amin’izy ireo ny dikan’izany amin’ny alalan’ny fampiasana famaritana sy ohatra ary traikefa manokana. Nahoana ny Mpamonjy no ohatra amin’ireo toetra ireo? Azonareo atao ihany koa ny miaraka manao petadrindrina ho an’ny tsirairay avy amin’ireo andian-teny ireo ary mampiranty izany manerana ny tranonareo. Mahaiza mamorona!
Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.
Hira aroso mba hohiraina: “Fitia no ao,” Bokin-kiran’ny ankizy, 102.