“18–24 septambra. 2 Korintiana 8–13: -Ny mpanome amin’ny fifaliana no tian’ Andriamanitra,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Vaovao 2023 (2022)
“18–24 septambra. 2 Korintiana 8–13,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2023
18–24 septambra
2 Koritiana 8–13
“Ny mpanome amin’ny fifaliana no tian’ Andriamanitra”
Hanampy anao hahatsiaro ny zavatra ianaranao mandritra ny fandalinana ny soratra masina ny fanoratana ireo fahatsapana ara-panahy. Azonao soratana ao anatina diary fandalinana, na marihina eo amin’ny sisin’ny pejin’ny soratra masinao, na marihina ao amin’ny application Bibliothèque de l’Évangile, na raketina am-peo ny eritreritrao.
Raketo ireo zavatra tsapanao
Inona no ho nataonao raha toa ka naheno ianao fa nijaly tao anatin’ny fahantrana ny vondron’ Olomasina amin’ny faritra hafa iray? Izany no tranga nofariparitan’i Paoly tamin’ireo Olomasina tao Korinto ao amin’ny 2 Korintiana 8–9. Nanantena ny handresy lahatra ireo Olomasina tao Korinto izy mba hanome ny tombontsoan’izy ireo ho an’ireo Olomasina sahirana. Fa ankoatra ny fangatahana fanomezana dia ahitana fahamarinana lalina momba ny fanomezana ihany koa ny tenin’i Paoly: “Aoka ny olona rehetra samy hanao araka izay inian’ny fony avy, tsy amin’ny alahelo, na amin’ny faneriterena; fa ny mpanome amin’ny fifaliana no tian’ Andriamanitra” (2 Korintiana 9:7). Amin’izao androntsika izao dia mbola misy ireo Olomasina manerana izao tontolo izao izay sahirana ka mila fanampiana. Indraindray ny zavatra tena farany azontsika atao ho azy ireo dia ny mifady hanina sy manome fanatitra avy amin’ny fifadian-kanina. Amin’ny lafin-javatra hafa dia afaka ny ho mivantana sy manokana kokoa ny fanomezantsika. Na amin’ny endriny ahoana na amin’ny endriny ahoana ny fahafoizan-tena ataontsika dia tsara ny mandinika ny fahavononantsika hanome zavatra. Moa ve maneho fitiavana ny fahafoizan-tenantsika? Sady ny fitiavana no mahatonga ny olona iray ho mpanome amin’ny fifaliana.
Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina
Afaka mizara amim-pifaliana izay ananako aho mba hitahiana ny mahantra sy ny sahirana.
Betsaka loatra ny olona sahirana manerana izao tontolo izao. Ahoana no mety hitondrantsika fanovana eo amin’izany? Nanolotra izao torohevitra izao ny Loholona Jeffrey R. Holland: “Na manan-karena isika na mahantra dia tokony -hanao izay azontsika atao- rehefa sahirana ny hafa [jereo ny Marka 14:6, 8]. … Hanampy sy hitarika anareo [Andriamanitra] amin’ireo asa feno famindrampo atao amin’ny maha-mpianatra rehefa vonona sy mivavaka mafy ianareo ka mikatsaka fomba hitandrovana didy iray izay naverimberiny nomena antsika” (“Moa tsy mpangataka avokoa va isika?,” Liahona, nôv. 2014, 41).
Vakio ny 2 Korintiana 8:1–15; 9:6–15, dia raiso an-tsoratra ireo fitsipika nampianarin’i Paoly momba ny fikarakarana ny mahantra sy ny sahirana. Inona no manentana ny fanahinao rehefa mamaky ny torohevitr’i Paoly ianao? Azonao atao ny mivavaka mba hahazo fitarihana momba ny zavatra azonao atao hitahiana olona iray sahirana. Raketo tsara izay fahatsapana voarainao ary manaova zavatra araka izany.
Jereo koa ny Môzià 4:16–27; Almà 34:27–29; Russell M. Nelson, “Ny didy lehibe faharoa,” Liahona, nôv. 2019, 96–100; Henry B. Eyring, “Tsy izao va no fifadian-[kanina] izay ankasitrahako?,” Liahona, mey 2015, 22–25.
2 Korintiana 11:1–6, 13–15; 13:5–9
“Diniho ny tenanareo, na mitoetra amin’ny finoana hianareo, na tsia.”
Amin’izao fotoana izao, tahaka ny tamin’ny andron’i Paoly, dia ahitana olona izay mikatsaka ny hitarika antsika hiala “amin’ny fahitsiam-po sy ny fahadiovana amin’i Kristy” (2 Korintiana 11:3). Noho izany antony izany dia zava-dehibe ny manao ny zavatra nasain’i Paoly natao hoe: “Diniho ny tenanareo, na mitoetra amin’ny finoana hianareo, na tsia” (2 Korintiana 13:5). Afaka manomboka io dingana io ianao amin’ny alalan’ny fieritreretana ny dikan’izany hoe “mitoetra amin’ny finoana” izany. Ahoana no ahafantaranao raha toa ka mitoetra amin’ny finoana ianao? Mitadiava fotoana handinihanao ny tenanao.
Azonao ampidirina ao anatin’ny fandinihan-tena ataonao koa ny misaintsaina ilay andian-teny hoe “amin’ny fahitsiam-po sy ny fahadiovana amin’i Kristy” (2 Korintiana 11:3). Ahoana no nahazoanao fahitsiam-po sy fahadiovana amin’i Kristy sy ny filazantsarany? Ahoana no mety haha-“simba [ny sainao] hiala [amin’izany] fahitsiam-po sy fahadiovana [izany]”? Inona no torohevitra manampy hitanao ao amin’ny 2 Korintiana 11:1–6, 13–15?
Diniho ihany koa ity torohevitra avy amin’ny Filoha Dieter F. Uchtdorf ity: “Raha toa ka mieritreritra ianao fa tsy mandaitra loatra aminao ity filazantsara ity dia manasa anao aho mba hiato kely, hanombantombanana ny fiainanao amin’ny fijery avo avy eny amin’ny fiaramanidina ary hanatsotra ny [fanantomoranao] ny hoe maha-mpianatra. Mifantoha amin’ireo fotopampianarana, fitsipika ary fampiharana fototry ny filazantsara. Mampanantena anao aho fa hitarika sy hitahy anao eo amin’ilay lalana izoranao hahatongavana any amin’ilay fiainana feno fahombiazana Andriamanitra, ary hitondra soa ho anao tokoa ny filazantsara” (Mitondra soa izany!,” Liahona, nôv. 2015, 22).
Ampy mba hanampy ahy hahazo hery ao anatin’ny fahalemeko ny fahasoavan’ny Mpamonjy.
Tsy fantatsika hoe inona “ny tsilo tamin’ny nofo[n’i]” Paoly, kanefa samy manana ny tsilontsika avy isika rehetra izay tian’ Andriamanitra esorina eo amin’ny fiainantsika. Eritrereto ireo tsilonao rehefa mamaky ny 2 Korintiana 12:5–10 ianao ary saintsaino ny zavatra nianaranao momba an’i Jesoa Kristy ao amin’ireo andininy ireo. Inona no nampianarin’i Paoly ao amin’ireo andininy ireo mikasika ny fitsapana sy ny fahalemena? Midika inona aminao ny hoe “ampy ho anao ny fahasoava[n’]” Andriamanitra?
Jereo koa ny Môzià 23:21–24; 24:10–15; Etera 12:27; Môrônia 10:32–33.
Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy
-
2 Korintiana 8–9.Inona no hitantsika ao amin’ireo toko ireo izay mandrisika antsika hanolo-tanana ny mahantra sy ny sahirana? Afaka ny ho fotoana tsara hanaovana drafitra izany hanaovana asa fanompoana miaraka amin’ny fianakavianao ho an’ny olona iray izay mila fanampiana.
-
2 Korintiana 9:6–7.Mahafantatra olona izay azo faritana ho “mpanome amin’ny fifaliana” ve ny fianakavianao? Inona no azontsika atao hahatonga ny fanompoantsika ho amin’ny fifaliana kokoa? Afaka manao marika fanao eo amin’ny tratra misy soratra hoe “mpanome amin’ny fifaliana aho” ireo zandriolona ao amin’ny fianakaviana. Azonao omena mba ho valisoa ho an’ireo olona ao amin’ny fianakaviana ireo marika fanao eo amin’ny tratra isak’izay hitanao mifanompo amim-pifaliana izy ireo.
-
2 Korintiana 10:3–7.Ahoana no mety hampianaranao ny fianakavianao momba ny ady ataontsika amin’ny fahalemena? Mety ho ankafizin’ny fianakavianao ve ny manorina rindrina na manda amin’ny alalan’ny seza sy bodofotsy? Mety hitarika amin’ny fanaovana fifanakalozan-kevitra momba ny fomba hiadiana amin’ireo zavatra izay mitarika antsika hiala amin’ Andriamanitra sy ny fomba “[hambaboana] ny hevitra rehetra hanaiky an’i Kristy” izany. Inona avy ireo “fiadiana” ara-panahy izay ampiasaintsika mba hifehezana ny eritreritsika? Jereo ny Efesiana 6:11–18).
-
2 Korintiana 11:3.Inona no azon’ny fianakavianao atao mba hifantohana kokoa “amin’ny fahitsiam-po sy ny fahadiovana amin’i Kristy”?
Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.
Hira haroso mba hohiraina: “Hoy ilay rano kely hoe -Manomeza-,” Bokin-kiran’ny ankizy, 116.