Testamenta Vaovao 2023
25 septambra–1 ôktôbra. Galatiana: “Mandehana araka ny Fanahy”


“25 septambra–1 ôktôbra. Galatiana: -Mandehana araka ny Fanahy,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Vaovao 2023 (2022)

“25 septambra–1 ôktôbra. Galatiana,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2023

Sary
I Kristy niseho tamin’i Paoly tao am-ponja

Ny Mpamonjy efa nitsangana tamin’ny maty dia nitsidika an’i Paoly tao an-tranomaizina (jereo ny Asan’ny Apostoly 23:11). Afaka manafaka antsika amin’ny “zioga fanandevozana” i Jesoa Kristy (Galatiana 5:1).

25 septambra–1 ôktôbra

Galatiana

“Mandehana araka ny Fanahy”

Eo am-pamakianao ny Galatiana dia raketo an-tsoratra ireo fahatsapana voarainao. Ny fanaovanao izany dia hanampy anao hahatsiaro sy hisaintsaina izany amin’ny hoavy.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia manolotra fahafahana amin’ny fanandevozana ara-panahy. Saingy indraindray ny olona izay efa niaina ny fahafahana avy amin’ny filazantsara dia mivadika amin’izany ary te hiverina hanompo indray (Galatiana 4:9). Izany no nataon’ny Olomasina Galatiana sasany, nivadika tamin’ny fahafahana izay natolotr’i Kristy ho azy ireo izy ireo (jereo ny Galatiana 1:6). Ny Epistilin’i Paoly ho an’ny Galatiana, noho izany, dia antso avo mba hiverenana indray amin’ny “fahafahana [izay] nanafahan’i Kristy antsika” (Galatiana 5:1). Izany antso izany dia antso mila rentsika sy harahantsika ihany koa satria na dia miova aza ny toe-javatra iainana dia mbola mitohy hatrany ny tolona misy eo amin’ny fahafahana sy ny fanandevozana. Araka ny nampianarin’i Paoly dia tsy ampy ny hoe “efa nantsoina ho amin’ny fahafahana” (Galatiana 5:13); fa tsy maintsy “[mitoetra]” ao amin’izany (Galatiana 5:1) amin’ny alalan’ny fianteherana amin’i Kristy isika.

Sary
famantarana ny fandalinan’ny tena manokana

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina

Galatiana 1–5

Ny lalàn’i Kristy dia manafaka ahy.

Nanoratra tamin’ireo Olomasina Galatiana i Paoly rehefa nahare fa nania noho ny fampianarana diso izy ireo (jereo ny Galatiana 1:6–9). Anisan’ireo fampianarana diso ireo ny hoe nila noforàna sy nitandrina ny fomba fanao hafa tao amin’ny lalàn’i Mosesy ny Jentilisa izay nanaiky ny filazantsara, izay vao azo novonjena (jereo ny Galatiana 2). Nantsoin’i Paoly hoe “zioga fanandevozana” ireo fomba fanao ireo (Galatiana 5:1). Rehefa mamaky ny torohevitr’i Paoly ho an’ny Galatiana ianao dia mitadiava fitsipika izay afaka manampy anao hahatakatra ny dikan’ny hoe fahafahana marina. Azonao atao ihany koa ny misaintsaina ireo fomba fanao diso na zioga fanandevozana hafa mety hisy eo amin’ny fiainanao. Misy zavatra izay manakana anao hiaina ny fahafahana atolotry ny filazantsara ve? Ahoana no “[nanafahan’]” i Kristy sy ny filazantsarany anao? (Galatiana 5:1).

Jereo koa ny 2 Nefia 2:27; 9:10–12.

Galatiana 3

Mpandova ireo fitahiana nampanantenaina an’i Abrahama aho.

Sahiran-tsaina ireo Olomasina Galatiana sasany satria noho izy ireo tsy (“taranak’”) i Abrahama ara-bakiteny dia tsy handray ireo fitahiana nampanantenaina an’i Abrahama izy ireo, ary tafiditra ao anatin’izany ny fisandratana. Araka ny Galatiana 3:7–9, 13–14, 27–29, dia inona no fepetra maha-“taranak’” i Abrahama ny olona iray?

Mba hianarana momba ireo fitahiana nampanantenaina an’i Abrahama sy ireo fitahiana izay azontsika lovaina amin’ny maha-taranany antsika, dia jereo ny Sujets de l’Évangile, “Alliance abrahamique,” topics.ChurchofJesusChrist.org. Inona avy ireo fitahiana nampanantenaina an’i Abrahama manan-danja aminao?

Galatiana 3:6–25

Nanana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy i Abrahama.

Nanazava ny Mpaminany Joseph Smith hoe: “Tsy azontsika inoana fa ireo olona fahiny tamin’ny vanim-potoana rehetra dia tena tsy nahalala na inona na inona momba ny rafitry ny lanitra tahaka ny heverin’ny maro, satria ireo rehetra izay novonjena dia novonjena tamin’ny alalan’ny herin’io drafitry ny fanavotana lehibe io, na talohan’ny nahatongavan’i Kristy izany na hatramin’ny nahatongavany. … Nanao fanatitra i Abrahama, fa na dia teo aza izany, dia notoriana taminy ny filazantsara” (“The Elders of the Church in Kirtland to Their Brethren Abroad,” The Evening and the Morning Star, Mar. 1834, 143, JosephSmithPapers.org). Nahoana araka ny eritreritrao no zava-dehibe tamin’ireo Olomasina tamin’ny andron’i Paoly ny nahafantatra fa i Abrahama sy ireo mpaminany hafa taloha dia nanana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy? Nahoana no zava-dehibe aminao ny mahafantatra izany? (Jereo ny Helamàna 8:13–20; Mosesy 5:58–59; 6:50–66.)

Jereo koa ny Enseignements des présidents de l’église: Joseph Smith (2007), 49–62.

Galatiana 5:13–26; 6:7–10

Raha “[mandeha] araka ny Fanahy” aho dia handray ny “vokatry ny Fanahy.”

Ny fandalinana ireo andininy ireo dia afaka manampy anao hanombatombana ny hoe mandeha araka ny Fanahy tanteraka ve ianao. Miaina ireo vokatry ny Fanahy voalaza ao amin’ny andininy 22–23 ve ianao? Inona ireo voa, na vokatra hafa, avy amin’ny fananana fiainana araka ny Fanahy izay tsikaritrao? Saintsaino ny zavatra mila ataonao mba hikolokoloana izany voa izany bebe kokoa. Mety hanatsara ireo fifandraisana manan-danja eo amin’ny fiainanao amin’ny fomba ahoana ny fikolokoloana izany voa izany?

Sary
paoma eo amin’ny hazo

Tsy maintsy mikatsaka ny “vokatry ny Fanahy” eo amin’ny fiainako aho.

Raha toa ianao ka miezaka ny handeha araka ny Fanahy, kanefa toa tsy mety mamokatra ny voa nampanantenaina ny ezaka ataonao, dia vakio ny Galatiana 6:7–10. Inona no hafatra tsapanao fa atolotry ny Tompo ho anao ao amin’ireo andininy ireo?

Jereo koa ny Almà 32:28, 41–43; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:32–34.

Sary
famantarana ny fandalinan’ny mpianakavy

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Galatiana 3:11.Inona no dikan’ny hoe “miaina amin’ny finoana”? Ahoana no iainantsika mianakavy amin’ny finoana?

Galatiana 4:1–7.Azonao atao ny mampahafantatra ny Galatiana 4 amin’ny alalan’ny fanaovana fifanakalozan-kevitra momba ny fahasamihafana misy eo amin’ny mpanompon’ny mpanjaka iray sy ny zanany. Inona avy ireo fahafahana na tombontsoa izay tsy afaka ny ho azon’ny mpanompo fa natokana ho an’ny zanaky ny mpanjaka ihany? Eritrereto izany eo am-piarahanareo mamaky ny andininy 1–7. Mampianatra inona momba ny fifandraisantsika amin’ny Ray any An-danitra ireo andininy ireo?

Galatiana 5:16–26.Hevero ny hifanakalo hevitra mikasika ny maha-samy hafa ny hoe “asan’ny nofo” sy ny “vokatry ny Fanahy.” Mba hahafinaritra ny fifanakalozan-kevitra dia azon’ny fianakavianao atao ny manome anarana voankazo samihafa ny teny ampiasain’i Paoly hanoritsoritana ny vokatry ny Fanahy. Avy eo dia afaka misafidy iray ny olona tsirairay ao amin’ny fianakaviana, mamaritra ilay izy, ary miresaka momba ny olona iray izay manana betsaka an’io vokatry ny Fanahy io. Izany dia mety hitondra ho amin’ny resadresaka momba ny fomba ahafahan’ny fianakavianareo manasa ny Fanahy ao amin’ny tokantranonareo ary mikolokolo izany vokatry ny Fanahy izany. Aorian’ny resadresaka dia azonareo atao ny miara-mihinana saladim-boankazo.

Galatiana 6:1–2.Mety hisy fotoana ho “azon’ny ota tsy nahy” ny olona iray ao amin’ny fianakavianao. Inona no torohevitra hitanao ao amin’ny Galatiana 6:1–2 momba ny zavatra tokony hatao manoloana ny toe-javatra toy izany?

Galatiana 6:7–10.Raha toa ka efa namboly zavatra niaraka ny olona rehetra ao amin’ny fianakavianao dia azonao ampiasaina izany zavatra niainana izany mba hanazavana ilay fitsipika manao hoe “fa izay afafin’ny olona no hojinjainy” (andininy 7). Na koa azonao anontaniana ny olona ao amin’ny fianakaviana ny voankazo na legioma ankafiziny indrindra dia resaho ny zavatra ilaina atao mba hanirin’ny voa mamokatra izany sakafo izany. (Jereo ny sary any am-paran’ity rindran-damina ity.) Azonareo resahina ny fitahiana antenain’ny fianakavianareo sy ny fomba “hijinjana” izany fitahiana izany.

Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.

Hira aroso mba hohiraina: “Ampianaro aho,” Bokin-kiran’ny ankizy, 70.

Manatsara ny fampianarantsika

Ampio ny fianakavianao mba hampitaha ny soratra masina amin’ny tenan’izy ireo. Hoy i Nefia hoe: “Efa nampihariko taminay ny tenin’ny soratra masina rehetra mba ho tombontsoanay sy ho fianarana ho anay” (1 Nefia 19:23). Mba hanampiana ny fianakavianao hahavita izany dia azonao atao ny manasa azy ireo hisaintsaina ireo fotoana izay niainany ny vokatry ny Fanahy nosoritsoritana ao amin’ny Galatiana 5:22–23. (Jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy21.)

Sary
poara eo amin’ny hazo

Nampianatra i Paoly fa rehefa mandeha araka ny Fanahy isika dia hiaina ny “vokatry ny Fanahy” eo amin’ny fiainantsika.

Hamoaka printy