Testamenta Vaovao 2023
23–29 ôktôbra. 1 sy 2 Timoty; Titosy; Filemona: “Aoka ho tonga fianarana ho an’ny mino ianao”


“23–29 ôktôbra. 1 sy 2 Timoty; Titosy; Filemona: -Aoka ho tonga fianarana ho an’ny mino ianao,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Vaovao 2023 (2022)

“23–29 ôktôbra. 1 sy 2 Timoty; Titosy; Filemona,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2023

Sary
Vehivavy telo mandeha eo ivelan’ny tempoly

23–29 ôktôbra

1 sy 2 Timoty; Titosy; Filemona

“Aoka ho tonga fianarana ho an’ny mino ianao”

Indraindray dia mety hanampy ny fanaovana ny fandalinanao soratra masina miaraka amin’ny fanontaniana iray na maromaro ao an-tsaina. Asao ny Fanahy hitarika anao amina valim-panontaniana eo am-pandalinanao sy eo am-pandraisanao an-tsoratra izay fanentanam-panahy mety ho azonao.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Ao amin’ireo epistilin’i Paoly nosoratany ho an’i Timoty sy i Titosy ary i Filemona dia mahita santionan-javatra ao am-pon’ny mpanompon’ny Tompo isika. Ireo epistily ireo dia tsy mitovy amin’ny epistilin’i Paoly hafa izay nalefany ho an’ny fiangonana manontolo, fa nosoratana kosa ho an’olona tsirairay, dia ireo namana sy mpiara-manompo akaiky amin’i Paoly ao amin’ny asan’ Andriamanitra izany; ary ny famakiana azy ireo dia toy ny mihaino resadresaka. Hitantsika ao ny fankaherezan’i Paoly an’i Timoty sy i Titosy, izay mpitarika roa tao amin’ny fiangonana, tamin’ny fanompoan’izy ireo tao amin’ny Fiangonana. Hitantsika ao ihany koa ny famporisihany an’i Filemona namany hihavana tamin’ny Olomasina namana iray sy handray azy ho tahaka ny rahalahy ao amin’ny filazantsara. Tsy natao ho antsika mivantana ny tenin’i Paoly, ary mety tsy ho nampoiziny mihitsy ny hoe olona maro no hamaky izany indray andro any. Na dia izany aza dia torohevitra sy fankaherezana ho antsika no hitantsika ao amin’ireo epistily ireo, na inona na inona fanompoana ataontsika manokana amin’ny fanompoana an’i Kristy.

Sary
famantarana ny fandalinan’ny tena manokana

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina

Iza moa i Timoty sy i Titosy?

Nanompo niaraka tamin’i Paoly tamin’ny dia fitoriana sasany nataony i Timoty sy i Titosy. Nandritra ny fanompoan’izy ireo dia lasa mendrika ny fanajana sy fitokisan’i Paoly izy ireo. Taty aoriana dia nantsoina ho mpitarika tao amin’ny Fiangonana tao Efeso i Timoty, ary i Titosy dia nantsoina ho mpitarika tao Kreta. Ao amin’ireo epistily ireo dia nanome torolalana sy fankaherezana an’i Timoty sy i Titosy mahakasika ny andraikitr’izy ireo i Paoly, ary anisan’izany ny fitoriana ny filazantsara sy ny fiantsoana lehilahy mba ho lasa eveka.

Jereo ihany koa ny, “Epistilin’i Paoly,” “Timoty,” “Titosy.”

Sary
Misiônera roa miresaka amin’ny lehilahy iray

“Aoka tsy hisy olona hanao tsinontsinona anao noho ny hatanoranao; fa aoka ho tonga fianarana ho an’ny mino ianao” (1 Timoty 4:12).

1 Timoty 4:10–16

“Aoka ho tonga fianarana ho an’ny mino ianao.”

Mbola azo lazaina fa tanora i Timoty, saingy nahafantatra anefa i Paoly fa afaka ny ho mpitarika lehibe ao amin’ny Fiangonana izy na dia teo aza ny fahatanorany. Inona no torohevitra nomen’i Paoly an’i Timoty ao amin’ny 1 Timoty 4:10–16? Ahoana no hanampian’izany torohevitra izany anao amin’ny fitarihana ny hafa hankany amin’ny Mpamonjy sy ny filazantsarany?

Jereo ihany koa ny Almà 17:11.

2 Timoty

“Fa tsy nomen’ Andriamanitra fanahy osa isika, fa fanahy mahery sy fitiavana ary fahononan-tena.”

Inoana fa ny 2 Timoty no epistily farany indrindra nosoratan’i Paoly, ary toa tsapa fa nahafantatra izy fa efa mby akaiky ny fotoana hialany amin’ity fiainana ity (jereo ny 2 Timoty 4:6–8). Inona no mety ho tsapan’i Timoty, noho ny fahafantarana fa ho lasa tsy ho ela ilay mpampianatra sy mpitarika natokisany? Inona no nolazain’i Paoly mba hankaherezana azy? Azonao atao koa ny mamaky izany sady mieritreritra ihany ireo olana sy tahotrao manokana. Inona no hafatra mifono fanantenana sy fankaherezana avy amin’ny Tompo ho anao ao amin’ny 2 Timoty?

Jereo ihany koa ny Kelly R. Johnson, “Hery maharitra,” Liahona, nôv. 2020, 112–14.

2 Timoty 3

Ny fiainana ny filazantsara dia mitondra fiarovana amin’ireo loza ara-panahin’ny andro farany.

Miaina ao amin’ilay hoe “any am-parany any” izay noresahin’i Paoly isika, ary efa tonga ny “andro mahory” (2 Timoty 3:1). Eo am-pamakianao ny 2 Timoty 3, dia soraty ireo lozan’ny andro farany izay voatanisa ao (jereo koa ny 1 Timoty 4:1–3):

Misy ohatra amin’ireo loza mitranga ao amin’ny tontolo manodidina anao, na koa eo amin’ny fiainanao, izay tonga ao an-tsainao ve? Tahaka ireo olona voalaza ao amin’ny andininy 6, dia ahoana no “[hisokosokoan’ireny loza ireny] miditra [ao an-tranonao] ka mahalasa [anao] ho babo”? Inona no torohevitra hitanao ao amin’ny 2 Timoty 3, ary amin’ny toerana hafa ao amin’ireo epistily ireo, izay hiaro anao sy ny fianakavianao amin’ireo loza ara-panahy ireo? (jereo, ohatra, ao amin’ny, 1 Timoty 1:3–11; 2 Timoty 2:15–16; Titosy 2:1–8).

Iza moa i Filemona?

Kristiana niova fo ho an’ny filazantsara tamin’ny alalan’i Paoly i Filemona. I Filemona dia nanana andevo antsoina hoe Onesimosy, izay toa hoe nitsoaka tany Roma. Tany no nihaonan’i Onesimosy tamin’i Paoly ary niova fo ho an’ny filazantsara izy. Naverin’i Paoly tany amin’i Filemona i Onesimosy miaraka amin’ny taratasy mamporisika an’i Filemona handray an’i Onesimosy “tsy toy ny andevo intsony anefa, fa efa mihoatra noho ny andevo, dia rahalahy malala” (Filemona 1:16).

Filemona

Ny mpianatr’i Jesoa Kristy dia mifampitondra toy ny mpirahalahy sy mpirahavavy.

Rehefa mamaky ny epistilin’i Paoly ho an’i Filemona ianao dia saintsaino ny fomba hampiharanao ny toroheviny amin’ny fifandraisanao amin’ny hafa. Ireto ambany ireto misy fanontaniana vitsivitsy azonao dinihana:

  • Andininy 1–7: Milaza inona aminao mahakasika ny fifandraisana eo anivon’ny Olomasina ny teny hoe “mpiara-miasa” sy “miaramila nama[na]”? Oviana ianao no nahatsapa ho “[novelombelomin’]” ny rahalahy na rahavavy iray ao amin’i Kristy?

  • Andininy 8–16: Inona no hevitry ny hoe “handidy” sy “miangavy”? Nahoana in Paoly no nisafidy ny [h]iangavy an’i Filemona fa tsy hoe handidy azy? Inona no nantenain’i Paoly hotanterahina amin’ny fandefasana an’i Onesimosy hiverina any amin’i Filemona?

  • Andininy 16: Inona no dikan’ny hoe “rahalahy [na rahavavy] malala … amin’ny Tompo”? Mahafantatra olona mila raisinao sahala amin’izany ve ianao?

Sary
famantarana ny fandalinan’ny mpianakavy

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

1 Timoty 2:9–10.Inona no dikan’ny hoe “[hamp]iravaka [ny tenantsika] … amin’ny asa tsara”? Inona ny asa tsara azon’ny fianakavianao atao mandritra ity herinandro ity? Azonareo atao ny miara-mihira fihirana iray mikasika ny fanaovana asa tsara, toy ny “Répands le soleil” (Cantiques, no. 146).

1 Timoty 4:12.Mba hanampiana ny olona ao amin’ny fianakavianao haniry ny ho “fianarana ho an’ny mino,” dia azonao atao ny manasa azy ireo hanao sary ireo olona izay naneho ohatra tsara tamin’izy ireo. Ahoana no nanentanan’ireo olona ireo antsika mba hanara-dia an’i Jesoa Kristy? Ny hafatry ny Filoha Thomas S. Monson hoe “Aoka ianao ho ohatra sy fahazavana” (Liahona, nôv. 2015, 86–88) dia afaka manome hevitra vitsivitsy ny amin’ny hoe inona no atao mba ho lasa ohatra ho an’ny hafa.

1 Timoty 6:7–12.Nahoana “ny fitiavam-bola” no heverina fa “fototry ny ratsy rehetra”? Inona no loza ateraky ny fampifantohantsika ny fiainantsika amin’ny vola sy ny fananana? Ahoana no hahafahantsika mionona amin’ny fitahiana ananantsika?

2 Timoty 3:14–17.Araka ny voalaza ao amin’ireo andininy ireo dia inona no fitahiana hirotsaka amin’ireo izay mahafantatra sy mandalina ny soratra masina? Azon’ny olona ao amin’ny fianakavianao atao angamba ny mizara soratra masina izay hitan’izy ireo fa “[n]ahasoa” azy ireo manokana.

Filemona 1:17–21.Vonona ny hanao inona ho an’i Onesimosy i Paoly? Inona no itovian’izany amin’ny zavatra izay nataon’ny Mpamonjy an-tsitrapo ho antsika? (jereo ihany koa ny 1 Timoty 2:5–6; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:3–5). Ahoana no hanarahantsika ny ohatr’i Paoly sy ny Mpamonjy?

Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.

Hira aroso mba hohiraina: “Mamirata,” Bokin-kiran’ny ankizy,, 96.

Manatsara ny fampianarantsika

Mampianara fotopampianarana mazava sy tsotra. Ny filazantsaran’ny Tompo dia mahafinaritra ao anatin’ny fahatsorany (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 133:57). Tsy tokony hiezaka loatra ny hampifalifaly ny fianakavianao amin’ny lesona mitaky fiomanana be ianao fa tokony hiezaka kosa hampianatra fotopampianarana madio sy tsotra (jereo ny 1 Timoty 1:3–7).

Sary
Ankizy roa mandalina soratra masina

“Fa hatry ny fony vao zaza hianao dia efa nahalala ny Soratra Masina, izay nampahahendry anao ho amin’ny famonjena amin’ny finoana izay ao amin’i Kristy Jesosy” (2 Timoty 3:15).

Hamoaka printy