Testamenta Vaovao 2023
30 ôktôbra–5 nôvambra. Hebreo 1–6: “Jesoa Kristy, -loharanon’ny famonjena mandrakizay-”


“30 ôktôbra–5 nôvambra. Hebreo 1–6: -Jesoa Kristy, -loharanon’ny famonjena mandrakizay,”-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Vaovao 2023 (2022)

“30 ôktôbra–5 nôvambra. Hebreo 1–6,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2023

Sary
Kristy mijoro miaraka amin’ny ankizivavy iray

Balm of Gilead [Balsama any Gileada], nataon’i Annie Henrie

30 ôktôbra–5 nôvambra

Hebreo 1–6

Jesoa Kristy, “loharanon’ny famonjena mandrakizay”

Manampy anao hahafantatra ny zavatra tian’ny Fanahy Masina hampianarina anao ny firaketana ireo fahatsapana ara-panahy. Ny fanaovana zavatra araka ireo fahatsapana anananao dia maneho ny finoanao ny maha-tena misy ireo fahatsapana ireo.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Isika rehetra dia nila mamoy zavatra mba hanekena ny filazantsaran’i Jesoa Kristy, na izany fahazaran-dratsy, na finoanoam-poana, na fiarahana aman’olona tsy dia mahasoa loatra, na zavatra hafa. Ho an’ireo Jentilisa tany am-piandohan’ny Fiangonana Kristiana, dia matetika nidika hoe fialana amina andriamanitra sandoka ny fiovam-po. Ho an’ny Hebreo (na Jiosy) kosa ny fiovam-po dia toa nanahirana kokoa, ary sarotra mihitsy aza. Sady ny finoana sy ny fomban-drazana mamin’izy ireo dia nifototra tamin’ny fitsaohana an’ilay Andriamanitra marina sy ny fampianaran’ireo mpaminaniny, izay efa nisy an’arivo taonany maro. Na izany aza dia nampianatra ireo Apôstôly fa efa tanteraka tao amin’i Jesoa Kristy ny lalàn’i Mosesy ary ny lalàna ambony kokoa tamin’izay no filamatry ny mpino. Ny fanekena ny Kristianisma ve izany dia hidika fa tsy maintsy handao ny finoan’izy ireo teo aloha sy ny tantarany ny Hebreo? Ny Epistily ho an’ny Hebreo dia nikatsaka ny hanampy amin’ny famaliana ny fanontaniana toy izany amin’ny fampianarana fa ny lalàn’i Mosesy sy ny mpaminany ary ireo ôrdônansy dia manan-danja avokoa, saingy i Jesoa Kristy dia lehibe kokoa (jereo ny Hebreo 1:1–4; 3:1–6; 7:23–28). Raha ny marina, ireo zavatra rehetra ireo dia manondro sy mijoro ho vavolombelona momba an’i Kristy ho ilay Zanak’ Andriamanitra sy ilay Mesia nampanantenaina izay nandrasan’ny Jiosy.

Ny fiovam-po tamin’ireo andro tany am-piandohan’ny Fiangonana ireo sy ankehitriny, dia midika hoe manao an’i Jesoa Kristy ho ivon’ny fivavahantsika sy ny fiainantsika. Izany dia midika hoe mihazona mafy ny fahamarinana ary mandao izay zavatra manelingelina ny fifantohantsika Aminy, satria Izy no “loharanon’ny famonjena mandrakizay ho an’izay rehetra manaraka Azy” (Hebreo 5:9).

Sary
famantarana ny fandalinan’ny tena manokana

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina

Iza no nanoratra ny Epistily ho an’ny Hebreo?

Nampisalasala ny manam-pahaizana sasany ny hoe i Paoly tokoa ve no nanoratra ny Epistily ho an’ny Hebreo. Ny endriky ny literatiora ao amin’ny Hebreo dia toa tsy mitovy amin’ireo taratasy hafa nosoratan’i Paoly, ary ny endrika tranainy indrindra an’ilay asasoratra dia tsy manonona anaran’ny mpanoratra. Na izany aza, satria mifanaraka amin’ireo fampianarana hafa nomen’i Paoly ny hevitra voalaza ao amin’ny Hebreo dia neken’ny Olomasin’ny Andro Farany amin’ny ankapobeny, raha ny fomban-drazana Kristiana no arahana, fa farafaharatsiny dia nandray anjara tamin’ny fanoratana ity epistily ity i Paoly.

Jereo ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Epistilin’i Paoly.”

Hebreo 1–5

I Jesoa Kristy dia “endriky ny tenan’” ny Ray any An-danitra.

Maro ny Jiosy no nahita fa sarotra ny manaiky an’i Jesoa Kristy ho Zanak’ Andriamanitra. Mariho fa ny Epistily ho an’ny Hebreo dia mijoro ho vavolombelona momba Azy. Eo am-pamakianao ireo toko dimy voalohany dia afaka manao lisitra iray misy ireo anarana fiantsoana, andraikitra, toetra, ary asan’i Jesoa Kristy izay hitanao voatonona ao ianao. Inona no ampianarin’ireo zavatra ireo anao momba ny Mpamonjy? Inona no ampianarin’izany anao momba ny Ray any An-danitra?

Inona no zavatra mampitombo ny fahatakaranao ireo fampianarana ao amin’ireo toko ireo ao amin’ity teny manaraka nolazain’ny Loholona Jeffrey R. Holland ity? “I Jesoa dia … tonga mba hampivoatra ny fijerin’ny olombelona an’ Andriamanitra sy hiangavy azy ireo mba hitia ny Rainy any An-danitra tahaka ny nitiavany azy ireo hatrany sy ho mandrakariva. … Ka rehefa namahana ny noana, nanasitrana ny marary, niteny mafy ny fihatsarambelatsihy, ary niangavy ny olona mba hino i Jesoa Kristy—dia izay ilay Kristy maneho amintsika ny fomban’ny Ray” (The Grandeur of God,” Liahona, nôv. 2003,72).

Hebreo 2:9–18; 4:12–16; 5:7–8

Niaritra ny zavatra rehetra i Jesoa Kristy mba hahafahany mahatakatra izay mahazo ahy sy manampy ahy rehefa mijaly aho.

Tsapanao ve fa ianao dia afaka “hanatona ny seza fiandrianan’ny fahasoavana amin’ny fahasahiana” ary hikatsaka famindrampo? (Hebreo 4:16). Ny hafatra iray ao amin’ny Epistily ho an’ny Hebreo dia hoe na inona na inona fahotana sy fahalemena ananantsika, dia azo hatonina Andriamanitra ary ny fahasoavany dia azo tratrarina. Inona no zavatra hitanao ao amin’ny Hebreo 2:9–18; 4:12–16; 5:7–8 izay manamafy ny fatokianao fa i Jesoa Kristy dia hanampy anao amin’ireo olanao mandritra ny fiainana an-tany? Soraty ao anaty diary iray ireo eritreritra sy fahatsapana anananao momba ny zavatra nataon’ny Mpamonjy ho anao.

Jereo ihany koa ny Môzià 3:7–11; Almà 7:11–13; 34; Matthew S. Holland, “Ilay fanomezana tena fatratra an’ilay Zanakalahy,” Liahona, nôv. 2020, 45–47.

Hebreo 3:74:11

Afaka mahazo ny fitahian’ Andriamanitra ireo izay “[tsy] manamafy ny [fony].”

Rehefa namerina nitantara ny tantaran’ireo Isiraelita fahiny i Paoly dia nanantena ny handresy lahatra ny Jiosy izy mba hisoroka ny fahadisoana nataon’ireo razambeny, dia ny mandà ireo fitahian’ Andriamanitra noho ny tsy finoana. (Azonao atao ny mamaky ny tantara izay tian’i Paoly holazaina ao amin’ny Nomery 14:1–12, 26–35.)

Saintsaino ny fomba iharan’ny Hebreo 3:74:11 aminao. Mba hanaovana izany dia afaka misaintsaina fanontaniana toy izao ianao:

  • Ahoana no nihantsian’ny Isiraelita ny Tompo? (jereo ny Hebreo 3:8–11). Inona avy no vokatry ny fanamafisam-po?

  • Oviana aho no efa namela ny foko ho lasa mafy? Misy fitahiana ve tian’ Andriamanitra omena ahy izay tsy azoko noho ny tsy fahampian’ny finoako?

  • Inona no azoko atao mba hananako fo malefaka sy manenina? (jereo ny Etera 4:15; Ohabolana 3:5–6; Almà 5:14–15).

Jereo ihany koa ny 1 Nefia 2:16; 15:6–11; Jakôba 1:7–8; Almà 12:33–36; Neill F. Marriott, “Manolotra ny fontsika ho an’ Andriamanitra,” Liahona, nôv. 2015, 30–32.

Sary
famantarana ny fandalinan’ny mpianakavy

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Hebreo 1:8–9.Tamin’ny fomba ahoana no nanehoan’i Jesoa fa tia ny fahamarinana ary mankahala ny fahotana Izy? Raha manana faniriana ratsy isika dia inona no azontsika atao mba hanovana izany?

Hebreo 2:1–4.Afaka mieritreritra lesona maneho ohatra mivaingana ve ianao hoenti-manampy ny fianakavianao hahatakatra ny dikan’ny fifikirana mafy amin’ireo fahamarinan’ny filazantsara “izay efa rentsika”? Azonao aseho amin’ny alalan’ny zavatra izay sarotra hazonina izany. Inona no mampitovy an’ireo ezaka ataontsika hihazonana ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika amin’ny fakana sy ny fitazonana io zavatra io? Ahoana no hahazoantsika antoka fa tsy “hiala” amintsika ny zavatra “izay efa rentsika”? (andininy 1).

Hebreo 2:9–10.Mba hamakafakana ilay andian-teny hoe “Tompon’ny famonjena” dia azonao atao ny manomboka amin’ny fifanakalozan-kevitra momba ny hoe inona no atao hoe Tompo (na kapiteny). Inona no dikan’ny hoe famonjena? Nahoana i Jesoa Kristy no toy ny kapitenintsika sy kapitenin’ny famonjena antsika?

Hebreo 5:1–5.Ireo andinin-tsoratra masina ireo dia afaka manampy anareo hifanakalo hevitra momba ny dikan’ny hoe antsoin’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny olona manana fahefana. Inona no zavatra azontsika ianarana avy amin’ny ohatr’i Jesoa Kristy momba ny fandraisana sy ny fanekena antso?

Sary
I Mosesy manokana an’i Aharôna

“Ary tsy misy maka izany voninahitra izany ho an’ny tenany afa-tsy izay antsoin’ Andriamanitra tahaka an’i Arona” (Hebreo 5:4). Moses Calls Aaron to the Ministry (I Mosesy miantso an’i Aharôna ho amin’ny fanompoana), nataon’i Harry Anderson

Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.

Hira aroso mba hohiraina: “Mila Anao aho,” Fihirana sy hiran’ny ankizy, lah. 23.

Manatsara ny fandalinan’ny tena manokana

Manandrama fomba hafa. Mitadiava fomba fandalinana samihafa fa aza mandalina ny soratra masina amin’ny fomba iray foana. Mba hahitana hevitra vitsivitsy dia jereo ny “Hevitra hanatsarana ny fandalinanao manokana ny soratra masina” eny am-piandohan’ity loharanom-pitaovana ity.

Sary
Jesoa Kristy

Light of the World [Fahazavan’izao tontolo izao], nataon’i Walter Rane

Hamoaka printy