Testamenta Vaovao 2023
6–12 nôvambra. Hebreo 7–13: “Mpisoronabe ny amin’ny zavatra tsara ho avy’”


“6–12 nôvambra. Hebreo 7–13: -Mpisoronabe ny amin’ny zavatra tsara ho avy,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Vaovao 2023 (2022)

“6–12 nôvambra. Hebreo 7–13,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2023

Sary
Mitsodrano an’i Abrama i Melkizedeka

Melchizedek Blesses Abram [Mitsodrano an’i Abrama i Melkizedeka], nataon’i Walter Rane. Fanomezana avy amin’ilay mpanao zava-kanto

6–12 nôvambra

Hebreo 7–13

“Mpisoronabe ny amin’ny zavatra tsara ho avy”

Eo am-pamakianao ny Hebreo 7–13 dia mety hahazo fahatsapana amin’ny alalan’ny Fanahy Masina ianao. Eritrereto ny fomba azonao hiraketana azy ireny; ohatra, azonao raketina ato amin’ity rindran-damina ity izany, na eny amin’ny sisin’ny pejin’ny soratra masinao, na ao amin’ny kahie na diary iray.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Na ireo Olomasina nahatoky aza tamin’izany fotoana izany dia nijaly “noho ny fanaratsiana sy ny fampahoriana” izay nampihozongozona ny fitokian’izy ireo (jereo ny Hebreo 10:32–38). Fantatr’i Paoly fa ireo Jiosy niova fo ho Kristiana dia nandalo fanenjehana mafy noho ny finoana vaovao nananan’izy ireo. Mba hampaherezana azy ireo hijanona ho marina amin’ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo dia nampahatsiahiviny azy ireo ny fomban’ireo mpino nahatoky efa ela tao amin’ny tantaran’izy ireo: i Abela, i Enoka, i Noa, i Abrahama, i Sara, i Josefa, i Mosesy, “vavolombelona … toy ny rahona” fa tena misy ary mendrika ny andrasana ireo fampanantenanan’ Andriamanitra (jereo ny Hebreo 11; 12:1). Anao ihany koa izany fomban’ny mpino izany. Io lovan’ny finoana io dia ananan’ireo rehetra izay “mijery an’i Jesoa [ho] Tompon’ny finoantsika sy Mpanefa azy” (Hebreo 12:2). Noho Izy dia afaka ny “hanatona amin’ny fo marina sy amin’ny fahatokiana be avy amin’ny finoana” isika isaky ny mitaona antsika “hihemotra” ny fitsapana (Hebreo 10:22, 38). Ho antsika, tahaka ireo Olomasina fahiny, dia i Jesoa Kristy no “Mpisoronabe ny amin’ny zavatra tsara ho avy” (Hebreo 9:11).

Sary
famantarana ny fandalinan’ny tena manokana

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina

Hebreo 7

Mampitodika ahy any amin’i Jesoa Kristy ny Fisoronana Melkizedeka.

Nandritra ny taonjato maro ny Jiosy dia nampiasa ny Fisoronan’i Levy, izay fantatra ihany koa amin’ny hoe Fisoronana Aharôna. Tao anatin’ny fahafenoan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy anefa dia tonga ny fisoronana lehibe kokoa, dia ny Fisoronana Melkizedeka, izay manolotra fitahiana lehibe kokoa. Inona no ianaranao momba ny Fisoronana Melkizedeka avy amin’ny Hebreo 7? Eo am-pihazonana an-tsaina fa ny tanjon’ity epistily ity—toy ny an’ny soratra masina rehetra ihany—dia ny hampiorina finoana an’i Jesoa Kristy, dia azonao raisina an-tsoratra ireo andalan-tsoratra masina mijoro ho vavolombelona momba Azy.

Ireto misy ohatra vitsivitsy amin’ireo fahamarinana izay mety ho hitanao:

Inona no fitahiana efa noraisinao avy tamin’ny Fisoronana Melkizedeka sy ireo “ôrdônansiny”? (Fotopampianarana sy Fanekempihanana 84:20). Ahoana no nanampian’ny Fisoronana Melkizedeka anao hanatona an’i Kristy?

Jereo ihany koa ny Almà 13:1–13; Fotopampianarana sy Fanekempihanana 121:36–46; Sujets de l’Évangile, “Prêtrise de Melchisédek,” topics.ChurchofJesusChrist.org; Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Melkizedeka,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org; Russell M. Nelson, “Ireo harena ara-panahy,” Liahona, nôv. 2019, 76–79; Dallin H. Oaks, “Ny Fisoronana Melkizedeka sy ireo fanalahidy,” Liahona, mey 2020, 69–72.

Hebreo 9; 10:1–22

Manondro an’i Jesoa Kristy ireo ôrdônansy taloha sy ankehitriny.

Ireo Hebreo tany am-boalohany namaky ity epistily ity dia mety ho efa zatra tamin’ny tabernakely fahiny sy ireo ôrdônansy izay nosoritsoritan’i Paoly. Saingy ny sasany dia tsy nahafantatra tanteraka fa ny tanjon’ireo ôrdônansy ireo dia ny hanondro ny sorompanavotan’i Jesoa Kristy.

Tamin’ny andron’ny baiboly, isaky ny fety fanao isan-taona nantsoina hoe Andro Fanavotana, dia miditra ao amin’ny toerana masina indrindra (na fitoerana masina indrindra) tao amin’ny tempolin’i Jerosalema ny mpisorona avo iray dia manao sorona zanak’osy na zanak’ondry hanavotana an’i Isiraely.

Rehefa mamaky ny fanoritsoritan’i Paoly an’ireo ôrdônansy ireo ianao dia tadiavo ireo tandindona sy fampianarana izay manampy anao hahatakatra kokoa ny iraka fanavotana nampanaovina ny Mpamonjy.

Ireo ôrdônansy ataontsika amin’izao fotoana dia tsy mitovy amin’izay natao tamin’ny andron’i Paoly, saingy mitovy anefa ny tanjon’izy ireo. Mijoro ho vavolombelona aminao momba an’i Jesoa Kristy amin’ny fomba ahoana ireo ôrdônansy ankehitriny?

Hebreo 11

Ny finoana dia mitaky fatokiana ireo fampanantenan’ Andriamanitra.

Raha misy olona iray manontany anao mba hamaritra ny atao hoe finoana, dia inona no holazainao? Ny Rahavavy Anne C. Pingree dia niainga avy amin’ny teny ao amin’ny Hebreo 11 mba hanomezana ity famaritana iray momba ny finoana ity: “Ny fahaizana ara-panahy ho resy lahatra ny amin’ireo fampanantenana izay hita avy -eny lavitra eny- nefa mety tsy ho tanteraka mandritra ity fiainana ity” (“Seeing the Promises Afar Off,” Liahona, Nov. 2003, 14).

Azonao atao ny mamolavola famaritana anao manokana momba ny finoana rehefa misaintsaina ireo hevitra ao amin’ny Hebreo 11 ianao. Inona no zavatra ampianarin’ny ohatra asehon’ireo olona voalaza ao amin’io toko io anao momba ny finoana? (Jereo koa ny Etera 12:6–22.)

Inona avy ireo fampanantenana hitanao avy “eny lavitra eny”? Ahoana no anehoanao amin’ny Tompo fa ianao dia “ravoravo niarahaba [izany], dia nanaiky [izany]”? (Hebreo 11:13).

Jereo ihany koa ny Almà 32:21, 26–43.

Sary
famantarana ny fandalinan’ny mpianakavy

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Hebreo 10:32–36.Azonao atao ny manasa ny ao amin’ny fianakavianao hizara traikefa ara-panahy rehefa nahatsapa ho “nohazavaina” tamin’ny finoana izy ireo. Ahoana no hanampian’ireo traikefa ireo antsika tsy “[h]anary ny fahasahian[tsika]” mandritra ny fotoam-pitsapana na fisalasalana?

Hebreo 11.Ahoana no ahafahanao manampy ny olona ao amin’ny fianakavianao hianatra zavatra avy amin’ireo ohatra feno finoana voalaza ao amin’ny Hebreo 11? Mety ho mahafinaritra ny milalao an-tsehatra ireo tantara sasany ao amin’ireo ohatra ireo. Azonareo iverenana jerena ny sasany amin’ireo tantara ao amin’ny Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha. Na azon’ny fianakavianao atao tsara ny manao fifanakalozan-kevitra momba ny ohatry ny olona mahatoky hafa izay fantatrao, tafiditra ao anatin’izany ireo razambe, ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana, ary ireo mpikambana eo amin’ny fiarahamonina misy anao. Azonareo hiraina koa ny hira iray momba ny finoana, toy ny “Finoana” (Bokin-kiran’ny ankizy, 96).

Hebreo 12:2.Araka io andininy io dia nahoana i Jesoa no vonona hiaritra ny fanaintainana sy ny fijaliana teo amin’ny hazofijaliana? Inona no ampianarin’izany antsika momba ny fomba hiaretantsika ireo fitsapana antsika? Ny Filoha Russell M. Nelson dia nitondra hevi-baovao vitsivitsy izay manampy mikasika io andininy io ao amin’ilay hafany manao hoe “Fifaliana sy fahavelomana ara-panahy” (Liahona, nôv. 2016, 81–84).

Hebreo 12:5–11.Nahoana ny Tompo no manafay sy manitsy antsika? Inona no tsikaritsika ao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo mikasika ny fomba fijerin’ny Tompo ny famaizana? Inona no fiantraikan’ireo andininy ireo amin’ny fomba famaizanao na ny fandraisanao famaizana?

Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.

Hira aroso mba hohiraina: “Finoana,” Bokin-kiran’ny ankizy, 96.

Manatsara ny fampianarantsika

Mampiasà mozika mba hanasana ny Fanahy ary hianarana fotopampianarana. Nilaza ny Fiadidiana Voalohany hoe, “Manana hery tsy misy fetra hanetsika [antsika] ho any amin’ny ara-panahy ambony kokoa ny mozika” (“Préface de la Première Présidence,” Cantiques, x). Angamba ny fihirana iray mikasika ny finoana, toy ilay hoe “Vas-tu faiblir, ô jeunesse” (Cantiques, no. 164), dia afaka manamafy ny fifanakalozan-kevitry ny fianakaviana momba ny Hebreo 11.

Sary
Sarin’ny tanànan’i Jerosalema fahiny

Ireo tandindona sy ôrdônansy ao amin’ny tempoly fahiny dia nampianatra momba ny anjara asan’i Jesoa Kristy.

Hamoaka printy