Testamenta Vaovao 2023
6–12 nôvambra. Hebreo 7–13: “Mpisoronabe ny amin’ny zavatra tsara ho avy’”


“6–12 nôvambra. Hebreo 7–13: -Mpisoronabe ny amin’ny zavatra tsara ho avy,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Testamenta Vaovao 2023 (2021)

“6–12 nôvambra. Hebreo 7–13,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2023

Sary
Mitsodrano an’i Abrama i Melkizedeka

Melchizedeck Blesses Abram [Mitsodrano an’i Abrama i Melkizedeka], nataon’i Walter Rane. Fanomezam-pahasoavan’ny mpanakanto

6–12 nôvambra

Hebreo 7–13

“Mpisoronabe ny amin’ny zavatra tsara ho avy”

Rehefa miverina mijery sy misaintsaina ity rindran-damina ity ianao, dia henoy tsara ireo fitaomana voarainao momba ireo ankizy ampianarinao. Hanampy anao hahita hafatra ho azy ireo ao amin’ny Hebreo 7–13 ny Fanahy Masina.

Sary
Sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Angataho ireo ankizy hizara ireo zavatra izay ataon’izy ireo sy ny fianakaviany mba hianarana ny filazantsara ao an-tokantrano. Asao izy ireo hizara ny sasany amin’ireo traikefa maminy indrindra tamin’ny fianarany ny filazantsara niaraka tamin’ny fianakaviany.

Sary
Sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy kely

Hebreo 7:1–6

Afaka manampy antsika amin’ny fomba maro ny fisoronana.

Ny Hebreo 7:1–6 dia afaka manome fahafahana hampahafantatra ireo ankizy ireo fitahian’ny fisoronana.

Atrikasa azo atao

  • Hazavao fohifohy hoe iza i Abrahama, avy eo dia ampiasao ny Hebreo 7:1–6 mba hampianarana fa i Abrahama dia nandoa fahafolonkarena tamin’i Melkizedeka (jereo ihany koa ny Dikantenin’i Joseph Smith, Genesisy 14:36–40 [any amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina]). Hazavao fa i Melkizedeka dia nihazona ny fisoronana, izay herin’ Andriamanitra, ary nampiasain’i Melkizedeka izany mba hitahiana an’i Abrahama. Mety hahafaly ny ankizy ny milalao an-tsehatra io tantara io miaraka amin’ny fitaovana tsotra, toy ny satroboninahitra sy valopy fasiana fahafolonkarena.

  • Asao ny mpihazona Fisoronana Aharôna iray sy mpihazona Fisoronana Melkizedeka iray mba hamangy ny kilasy sy hilaza amin’ireo ankizy ny fomba nampiasany ny fisoronana mba hitahiana ny hafa. Avy eo dia ampisehoy sarina ôrdônansin’ny fisoronana ireo ankizy (ohatra, jereo ny sary 103–8 ao amin’ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara). Ampio ireo ankizy hamantatra hoe fisoronana inona no ilaina ho an’ireo ôrdônansy tsirairay ary hanome ilay sary mba hohazonin’ilay mpihazona ny fisoronana mifandray amin’izany.

Hebreo 11:1–32

Ny finoana dia ny mino ireo zavatra tsy hitantsika.

Na dia tsy afaka mahita ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy aza isika dia afaka manam-pinoana Azy Ireo sy ny fampanantenan’Izy Ireo, amin’ny fanaharana ny ohatra nasehon’ireo olona mahatoky voalaza ao amin’ny Hebreo 11.

Atrikasa azo atao

  • Manehoa sarin’i Jesoa Kristy iray. Manaparitaha zavatra manerana ny efitrano izay zavatra maneho “porofo” fa tena misy Izy na dia tsy afaka mahita Azy aza isika (toy ny soratra masina, sarin’ny Fahitana Voalohany, ary ny sarin’ny tany). Asao ireo ankizy mba hitady ny toerana misy ireo zavatra ireo, ary zarao amin’izy ireo avy eo ny fomba hanampian’ny zavatra tsirairay antsika mba hanana finoana hoe velona i Jesoa.

  • Mitondrà taratasy fikopahana, ary avelao ireo ankizy hifandimby hahatsapa ny rivotra mitsoka ny tarehin’izy ireo. Ampianaro azy ireo fa tsy afaka mahita ny rivotra isika, kanefa afaka mahatsapa izany. Mitovitovy amin’izany koa, tsy afaka mahita ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy isika, kanefa afaka mahatsapa ny fitiavany sy manana finoana fa tena misy Izy ireo.

  • Zarao ny tantaran’ny olona iray na maromaro izay voalaza ao amin’ny Hebreo 11:4–32. Afaka mahita tantara momba ireny olona ireny ianao ao amin’ny Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha. Inona no nataon’ireo olona ireo mba hanehoany fa nino zavatra izay tsy hitany izy ireo? Zarao ireo fitahiana sasany izay azonao noho ny finoanao.

Hebreo 13:5–6

Hanampy antsika ary tsy handao antsika mihitsy ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

Inona ireo fitsapana mety holalovan’ireo ankizy? Ahoana no mety hanampian’ilay hafatra ao amin’ny Hebreo 13:5–6 azy ireo?

Atrikasa azo atao

  • Avereno jerena ny sasany amin’ireo tantara ao amin’ny Testamenta Vaovao izay nianaran’ireo ankizy tamin’ity taona ity ka ahitana ny Mpamonjy manampy ny hafa, toa ilay tantara momba ny nanasitranany ilay lehilahy nararin’ny paralysisa (jereo ny Lioka 5:18–26) na ny namahanany ny olona 5.000 (jereo ny Matio 14:15–21). Ampio ireo ankizy hianatra ny andian-teny hoe: “Jehovah no Mpamonjy ahy” (Hebreo 13:6).

  • Asao ny ankizy hanao sary maneho ny fotoana izay nampitonian’ny olona azy ireo rehefa natahotra izy ireo. Vakio amin’izy ireo ny Hebreo 13:5–6 ary mijoroa ho vavolombelona fa ny Ray any An-danitra dia hanampy antsika ary tsy handao antsika mihitsy. Ampio ny ankizy hanety taratasy miendrika fo izay afaka manakona ilay sary nataony. Inona avy ireo zavatra vitsivitsy izay mety hanampy antsika hahatsapa ho akaikin’ny Ray any An-danitra bebe kokoa? Soraty eo amin’ireo fo ny sasany amin’izany.

  • Ampianaro ny ankizy ny hira iray momba ny fitiavana sy ny fanampian’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa antsika, toy ny “Tompo ô! Mivavaka Aminao aho” (Bokin-kiran’ny ankizy, 75). Ahoana no ahafahantsika mahafantatra fa eo akaikintsika ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy? Mitantarà momba ny fotoana iray izay nahatsapanao fa ny Tompo no nanampy anao.

Sary
Sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy lehibe

Hebreo 7:1–4

Ireo mpitarika ato amin’ny Fiangonana dia manaraka ny Tompo.

Ahoana no ahafahanao mampiasa ireo andininy ireo mba hanampiana ny ankizy hahatakatra fa ireo izay voantso hanompo ao amin’ny Fiangonan’ny Tompo dia tokony ho mahatoky sy manompo ny hafa tahaka ny nataony?

Atrikasa azo atao

  • Ampio ireo ankizy hanao ny lisitry ny zavatra fantatr’izy ireo momba an’i Abrahama sy Melkizedeka izay mpitarika tsara. Afaka mahita fanampiana izy ireo ao amin’ny Hebreo 7:1–4; Abrahama 1:1–2; ary ny Dikantenin’i Joseph Smith, Genesisy 14:25–40 (ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina). Inona ireo toetra araka an’i Kristy izay nananan’ireo lehilahy ireo ka nanampy azy ireo hanaja ny fisoronana?

  • Angataho ireo ankizy hamaky ny Hebreo 7:1–2 sy hitady ny anaram-boninahitra nampiasaina mba hamariparitana an’i Melkizedeka. Nahoana no mampahatsiahy antsika an’i Jesoa Kristy ireo anaram-boninahitra ireo? Ampio izy ireo hieritreritra ireo fomba maha-“Mpanjakan’ny fiadanana” an’i Jesoa. Asao izy ireo hiresaka momba-na mpihazona fisoronana hafa izay ohatra ihany koa amin’ny fanarahana ny Mpamonjy.

  • Mizarà zavatra niainana iray izay nampatanjahana ny finoanao ny Mpamonjy noho ny asa fanompoana nataona mpihazona fisoronana marina iray. Ampio ny ankizy hieritreritra fomba nitahian’ny fisoronana azy ireo.

Hebreo 11

Manome valisoa ho an’ireo izay manam-pinoana ny Ray any An-danitra.

Ny Hebreo 11 dia ahitana ohatra maro izay maneho olona notahiana rehefa nanao asa tamim-pinoana. Iza amin’ireo tantara ireo no hankahery indrindra na hanampy indrindra ireo ankizy ampianarinao?

Atrikasa azo atao

  • Asao ny ankizy hanao lisitra eny amin’ny solaitrabe ireo zavatra izay nianarany momba ny finoana ao amin’ny Hebreo 11:1–3,6. Omeo ny ankizy tsirairay ny anaran’olona iray resahina ao amin’ny Hebreo 11, ary asao izy ireo hamaky ireo andininy mifanaraka amin’io olona io. Asaivo mizara fampahafantarana kely momba ilay olona izy ireo mba hahafahan’ny ankizy hafa mamantatra hoe iza izany. Ahoana no fomba nanehoan’ireo olona ireo finoana, ary ahoana no nanomezan’ny Ray any An-danitra valisoa ho azy ireo? (Mba hahitana ny sarin’ireo olona ireo, dia jereo ny fizarana momba ny Testamenta Taloha ao amin’ny Boky mirakitra sary momba ny Filazantsara.)

  • Rehefa avy mamaky momba ny sasany amin’ireo ohatra maneho fahatokiana ao amin’ny Hebreo 11, dia angataho ny ankizy mba hanoratra momba ny olona fantany izay naneho finoana. Manasà ankizy maromaro hizara amin’ireo mpianatra ny ohatra alainy tahaka.

Hebreo 12:5–11

Manafay ireo izay tiany ny Tompo.

Afaka manampy ny ankizy ireo andininy ireo mba hahatakatra fa ny Ray any An-danitra, sy ny ray aman-drenin’izy ireo, ary ireo hafa dia manitsy azy ireo satria tiany izy ireo ary tiany hianatra avy amin’ny fahadisoany izy ireo.

Atrikasa azo atao

  • Iaraho vakina ny Hebreo 12:5–11, ary angataho ireo ankizy mba hitady ny antony hamaizan’ny Ray any An-danitra antsika (hanitsiany na hifehezany antsika). Inona no ampianarin’izany antsika mikasika ny antony mahatonga ireo ray aman-dreny ety an-tany hanitsy antsika? Inona no tokony ho havalintsika raha misy fanitsiana am-pitiavana?

  • Mizarà ohatra maneho olona ao amin’ny soratra masina izay nofaizin’ny Tompo ka nibebaka (ohatra, jereo ny 1 Nefia 16:25–27; Etera 2:13–15). Nahoana izy ireo no ohatra tsara maneho ireo fitsipika ao amin’ny Hebreo 12:5–11?

  • Rehefa avy mamaky ny Hebreo 12:5–11, dia asao ireo ankizy hanoratra zavatra vitsivitsy izay ho ezahin’izy ireo hotsaroana rehefa misy manitsy izy ireo noho ny hadisoany.

Sary
Sary famantarana ny fianarana

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Asao ny ankizy hanoratra na hanao sari-na zavatra nianaran’izy ireo tao am-pianarana. Amporisiho izy ireo hampiasa izany mba hizarany amin’ny fianakaviany ny zavatra nianarany.

Manatsara ny fampianarantsika

Ampiasao ny pejy misy ny atrikasa. Eo am-panatontosan’ny ankizy ny atrikasa ao amin’ireo pejy misy ny atrikasa mandritra ny fotoam-pianarana, dia ampiasao ny fotoana mba hamerenana mijery ireo fitsipika avy ao amin’ny lesona.

Hamoaka printy