Testamenta Vaovao 2023
13–19 nôvambra. Jakoba: “Aoka ho mpankatò ny teny hianareo, fa aza mpihaino fotsiny ihany”


“13–19 nôvambra. Jakoba: -Aoka ho mpankatò ny teny hianareo, fa aza mpihaino fotsiny ihany,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Testamenta Vaovao 2023 (2021)

“13–19 nôvambra. Jakoba,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2023

Sary
zatovo manadio rindrina

13–19 nôvambra

Jakoba

“Aoka ho mpankatò ny teny hianareo, fa aza mpihaino fotsiny ihany”

Ny Epistilin’i Jakoba dia ahitana fahamarinana maro izay afaka mitahy ireo ankizy ampianarinao. Araho ny Fanahy Masina mba hamaritana hoe inona avy ireo fahamarinana hozarainao amin’izy ireo. Afaka manampy ireo hevitra ato anatin’ity rindran-damina ity.

Sary
Sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Asao ireo ankizy mba hizara fitsipika iray ao amin’ny filazantsara izay tsaroan’izy ireo fa nianarany niaraka tamin’ny fianakaviany nandritra ny herinandro lasa na avy tao amin’ny kilasin’ny sekoly Alahadiny tao amin’ny Kilonga. Rehefa avy mizara ny ankizy tsirairay dia asao ny ankizy iray hafa ao amin’ny kilasy hamintina izay nozaraina.

Sary
Sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy kely

Jakoba 1:5–6

Afaka mangataka ny Ray any An-danitra mba hanampy ahy hianatra ny marina aho.

Ampio ny ankizy ampianarinao hahatakatra fa afaka mangataka fahendrena amin’ny Ray any An-danitra izy ireo. Tena hitahy azy ireo rehefa miatrika fanontaniana sarotra ny fanaovana izany.

Sahanasa azo atao

  • Ampio ny ankizy hamerimberina ilay andian-teny hoe: “Raha misy ianareo tsy manam-pahendrena, aoka izy hangataka amin’ Andriamanitra” (Jakoba 1:5). Ahoana no fomba ametrahantsika fanontaniana amin’ Andriamanitra? Amin’ny fomba ahoana no hamaliany antsika?

  • Mampisehoa sarin’ny Fahitana Voalohany (Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 90), na alefaso ilay horonan-tsary atao hoe “La première vision de Joseph Smith” (ChurchofJesusChrist.org). Hazavao hoe rehefa namaky ny Jakoba 1:5 i Joseph Smith dia voataona izy hangataka amin’ny Ray any An-danitra mba hanampy azy amin’ny fanontaniana iray nananany (jereo ny Joseph Smith—Tantara 1:1–20). Zarao ny fijoroana ho vavolombelona anananao fa mamaly vavaka Andriamanitra, ary mijoroa ho vavolombelona fa afaka mivavaka Aminy ny ankizy rehefa manana fanontaniana izy ireo. Avelao ny ankizy hanao ny sarin’i Joseph Smith mamaky ny Jakoba 1:5 sy mivavaka amin’ny Ray any An-danitra.

Jakoba 3:1–13

Afaka miteny amin-katsaram-panahy aho.

Araka ny nijoroan’i Jakoba ho vavolombelona, ny tsy filazana afa-tsy ireo zavatra feno hatsaram-panahy amin’ny hafa dia hanampy antsika ho tonga tahaka an’i Jesoa Kristy (jereo ny Jakoba 3:2).

Sahanasa azo atao

  • Mampisehoa sarina zavatra mamy sy zavatra marikivy. Ampio izy ireo hahatakatra fa ny Ray any An-danitra dia mangataka antsika hampiasa ny lelantsika mba hilazana teny mamy (na feno hatsaram-panahy) fa tsy zavatra marikivy (na ratsy fanahy) (jereo ny Jakoba 3:10). Ampio izy ireo hieritreritra ohatra amin’ireo zavatra feno hatsaram-panahy azontsika lazaina amin’ny hafa.

  • Omeo sarina olona miteny ny ankizy tsirairay. Asao ny ankizy hihazona izany ambony rehefa milaza zavatra feno hatsaram-panahy azontsika lazaina ianao (toy ny filazana ny marina, fandokadokafana, ary fanolorana fanampiana amin’ny olona iray) ary hampidina izany rehefa milaza zavatra izay tsy tokony holazaintsika (toy ny filazana lainga, manompa, ary mandà ny hankatò ny ray na reny).

  • Hamafiso ilay hafatra ao amin’ny Jakoba 3:1–13 amin’ny alalan’ny fihirana ny hira iray momba ny hoe tsara fanahy, toy ny “Tsara fanahy” (Bokin-kiran’ny ankizy, 83).

Jakoba 5:7–11

Mitaky faharetana ny mandray fitahiana avy amin’ Andriamanitra.

Tsy tonga ho azy foana ny faharetana, indrindra ho an’ny ankizy. Saintsaino ny fomba ahafahanao mampiasa ny torohevitr’i Jakoba mba hanampiana ny ankizy ampianarinao hianatra faharetana.

Sahanasa azo atao

  • Ampio ny ankizy hieritreritra ireo fotoana tsy maintsy niandrasan’izy ireo zavatra iray izay tena nirian’izy ireo. Zarao ny zavatra niainana iray izay tsy maintsy niandrasanao. Hazavao fa antsoina hoe faharetana ny fiandrasana tsy am-pimonomononana zavatra iray izay irintsika.

  • Fintino amin’ny teninao manokana ny Jakoba 5:7, dia mampisehoa sarina voa na voly kely. Nahoana isika no mila faharetana rehefa mamboly? Inona no zavatra hitranga raha toa ka miezaka misintona ilay voly kely isika mba hitomboan’izany haingana? Azonao atao ny miresaka amin’ny ankizy momba ny dikan’ny hoe manam-paharetana amin’ny hafa sy amin’ny tenantsika. Mijoroa ho vavolombelona fa afaka manampy antsika hanam-paharetana Andriamanitra.

  • Zarao ny tantaran’i Joba izay voatonona ao amin’ny Jakoba 5:11 mba hakana ohatra amin’ny faharetana (jereo ny hoe “Joba,” ao amin’ny Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha, na ny horonan-tsary mifandray amin’izany ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org). Inona no fitahiana azon’i Joba noho ny faharetany?

Sary
Sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy lehibe

Jakoba 1:5–6

Hanampy ahy hianatra fahamarinana ny Ray any An-danitra raha toa ka mikatsaka ny fanampiany aho.

Ireo ankizy ampianarinao dia zandrin’i Joseph Smith kely fotsiny tamin’izy namaky ny Jakoba 1:5 ka nentanim-panahy hanatona ny Ray any An-danitra tamin’ny alalan’ny vavaka. Saintsaino ny fomba ahafahanao manampy ny ankizy ampianarinao hanorina ny finoan’izy ireo fa Andriamanitra dia hanampy azy ireo rehefa tsy manam-pahendrena izy ireo.

Sahanasa azo atao

  • Asaivo tantarain’ny ankizy aminao amin’ny tenin’izy ireo manokana ny tantaran’ny Fahitana Voalohany an’i Joseph Smith (jereo ny Joseph Smith—Tantara 1:5–19; jereo ihany koa ilay horonan-tsary atao hoe “La première vision de Joseph Smith” ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org). Nanampy an’i Joseph tamin’ny fomba ahoana ny famakiana ny Jakoba 1:5? Ampio ny ankizy hieritreritra ohatra ny amin’ireo olona hafa ao amin’ny soratra masina izay nahazo valim-bavaka, toa an’i Nefia (jereo ny 1 Nefia 11:1–6) sy ny rahalahin’i Jareda (jereo ny Etera 2:18–3:9). Inona ireo zavatra sasantsasany izay azontsika angatahana amin’ny Ray any An-danitra amin’ny alalan’ny vavaka?

  • Iaraho mamaky amin’ny ankizy ny Joseph Smith—Tantara 1:10–14. Asao ny ankizy hitady ireo zavatra nataon’i Joseph mba hahazoana valin’ireo fanontaniany. Ahoana no ahafahantsika manaraka ny ohatra nasehon’i Joseph Smith rehefa manana fanontaniana isika?

Jakoba 1:22–27; 2:14–26

“Maty […] ny finoana, raha tsy misy asa.”

Ahoana no fomba hanampianao ny ankizy hahita ny fifandraisana eo amin’izay inoan’izy ireo sy ny zavatra ataon’izy ireo?

Sahanasa azo atao

  • Ampisehoy ny ankizy ny jiro pika iray tsy misy vatoaratra, ny pensilihazo iray tsy misy tsinainy, na zavatra hafa iray izay tsy azo ampiasaina intsony na “maty.” Asaivo vakin’ny ankizy ny Jakoba 2:14–17. Ahoana no hanehoan’ireo zavatra ireo ny fahamarinana ao anatin’ireo andininy ireo?

  • Asao ny sasany amin’ireo ankizy mba hamaky mora ny Jakoba 1:22–27 ary ny sasany hamaky ny 2:14–18. Avy eo dia asao izy ireo mba hizara ny zavatra azony atao mba hampisehoana fa mpanatanteraka ny teny izy ireo. Ohatra, ahoana no hitandreman’izy ireo ny fanekempihavanana nataony tamin’ny batisa? Moa ve izy ireo mahafantatra olona izay marary na manirery izay azon’izy ireo vangiana? Ahoana no ahafahan’izy ireo manompo kokoa ny fianakaviany? Azonao atao ihany koa ny mampahatsiahy azy ireo ireo teny izay mety ho ren’izy ireo tao amin’ny fivorian’ny fanasan’ny Tompo androany. Ahoana no ahafahantsika ho tonga mpanatanteraka ireo teny ireo?

Sary
I Abrahama mivavaka eo ivelan’ny trano lainy

“Ary i Abrahama nino an’ Andriamanitra” (Jakoba 2:23). Abrahama on the Plains of Mamre [I Abrahama teo amin’ny lemak’i Mamre], nataon’i Grant Romney Clawson

Jakoba 3:1–13

Afaka misafidy ny hiteny amin-katsaram-panahy aho.

Mety ho toy ny tsy manan-danja ny teny hifampiresahantsika, kanefa i Jakoba dia nijoro ho vavolombelona fa afaka misy fiantraikany lehibe izy ireny, na amin’ny tsara izany na amin’ny ratsy.

Sahanasa azo atao

  • Moa ve misy olona ao amin’ny paroasy, angamba iray amin’ireo ankizy ampianarinao, izay nikarakara soavaly na mahafanta-javatra momba ny sambo? Azonao atao ny manasa azy hanome hevitra momba ireo fampianaran’i Jakoba ao amin’ny Jakoba 3:3–4 momba ny fampiasana teny feno hatsaram-panahy. Na manomeza ny sasany amin’ireo hevitrao manokana. Inona no ianarantsika momba ny fifehezana ny lelantsika avy amin’ireo ohatra ireo?

  • Asao ny ankizy hamaky ny Jakoba 3:1–13 ary hanao ny sarin’ny zavatra hitan’izy ireo fa mampianatra momba ny fifehezana ny lelantsika. Omeo fotoana izy ireo hizarany ny sary nataony sy ny zavatra nianarany. Iarahao mihira ny hira iray momba ny fampiasana teny feno hatsaram-panahy, toy ny “Sachons dire un mot gentil” (Cantiques lah. 150).

  • Rehefa avy miara-mamerina ny Jakoba 3:1–13ianareo dia avereno jerena ireo fitsipika ho an’ny fiteny ao amin’ny Ho zatovo mahery! ([kiboky, 2022], 12). Ampio ireo ankizy hametraka tanjona mba hanatsara ny fomba firesahany amin’ny hafa ary amporisiho izy ireo hangataka amin’ny Ray any An-danitra mba hanampy azy amin’izany tanjona izany.

Sary
Sary famantarana ny fianarana

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Asao ny ankizy mba hanao zavatra amin’ity herinandro ity izay mampihatra ny zavatra nianarany tao an-dakilasy, toy ny mivavaka amin’ny Ray any An-danitra hahazoana valim-panontaniana na miezaka ny hanana faharetana kokoa. Asaivo mizara ny zavatra niainany izy ireo mandritra ny fotoam-mpianarana manaraka.

Manatsara ny fampianarantsika

Ampio ny ankizy mba havitrika. “Rehefa mampianatra ny ankizy ianao dia omeo fahafahana hanamboatra zavatra, hanao sary, handoko, sy hanoratra ary hamorona izy ireo. Mifono zavatra bebe kokoa noho ny hoe atrikasa mahafinaritra fotsiny ireo zavatra ireo. Tena ilaina amin’ny fianarana izy ireo” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 25).

Hamoaka printy