Testamenta Vaovao 2023
13–19 nôvambra. Jakoba: “Aoka ho mpankatò ny teny hianareo fa aza mpihaino fotsiny ihany”


“13–19 nôvambra. Jakoba: -Aoka ho mpankatò ny teny hianareo, fa aza mpihaino fotsiny ihany,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Vaovao 2023 (2022)

“13–19 nôvambra. Jakoba,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2023

Sary
Zatovo manadio rindrina

13–19 nôvambra

Jakoba

“Aoka ho mpankatò ny teny hianareo fa aza mpihaino fotsiny ihany”

Eo am-pamakianao ny Epistilin’i Jakoba dia jereo tsara izay andian-teny manaitra anao. Inona no mamporisika anao ho “mpankatò” ireo teny ireo? (Jakoba 1:22).

Raketo ireo zavatra tsapanao

Indraindray dia andininy iray ihany ao amin’ny soratra masina dia afaka manova izao tontolo izao. Ny Jakoba 1:5 dia toa torohevitra tsotra kely, hoe raha mila fahendrena ianao dia mangataha amin’ Andriamanitra. Kanefa rehefa namaky izany i Joseph Smith fony izy 14 taona dia “toy ny niditra tamin-kery tany amin’ny tsiratsiraky ny [fony] rehetra izany” (Joseph Smith—Tantara 1:12). Raha nentanim-panahy i Joseph dia nanao zavatra araka ny torohevitr’i Jakoba izy ka nikatsaka fahendrena tamin’ Andriamanitra tamin’ny alalan’ny vavaka. Dia nanome malalaka tokoa Andriamanitra, tamin’ny fanomezana an’i Joseph ny iray amin’ireo fitsidihana avy any an-danitra izay nahatalanjona indrindra tamin’ny tantaran’ny olombelona, dia ny Fahitana Voalohany. Nanova ny fiainan’i Joseph io fahitana io ary nitarika tamin’ny Famerenana amin’ny laoniny indray ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto an-tany. Voatahy isika rehetra ankehitriny satria namaky ny Jakoba 1:5 i Joseph Smith ary nanao zavatra araka ny voalaza tao.

Inona no ho hitanao rehefa mandalina ny Epistilin’i Jakoba ianao? Mety hanova anao na olona iray izay tianao angamba ny andininy iray na roa. Mety hahazo fitarihana ianao rehefa mikatsaka ny hanatanteraka ny asa nanirahana anao amin’ny fiainanao. Mety hahita famporisihana mba hiresaka amin-katsaram-panahy na mba haharitra kokoa ianao. Mety hahatsapa ho voataona hampifanaraka tsara ny zavatra ataonao amin’ny finoanao ianao. Na inona na inona mitondra fanentanam-panahy ho anao dia avelao izany teny izany “hiditra any amin’ny tsiratsiraky ny fonao rehetra.” Ary avy eo, rehefa “[manaiky] amin’ny fahalemem-panahy ny teny” ianao araka izay nosoratan’i Jakoba, dia meteza ho mpankatò ny teny fa tsy mpihaino fotsiny ihany (jereo ny Jakoba 1:21–22).

Sary
famantarana ny fandalinan’ny tena manokana

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina

Iza moa i Jakoba?

Betsaka no mino fa ny mpanoratra ny Epistilin’i Jakoba dia zanakalahin’i Maria, ny renin’i Jesoa Kristy, ka noho izany dia rahalahin’ny Mpamonjy hafa ray Aminy izy. I Jakoba dia voaresaka ao amin’ny Matio 13:55; Marka 6:3; Asan’ny Apostoly 12:17; 15:13; 21:18; ary Galatiana 1:19; 2:9. Hita avy amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo fa i Jakoba dia mpitarika tao amin’ny Fiangonana tao Jerosalema ary nantsoina ho Apôstôly (jereo ny Galatiana 1:19).

Jakoba 1:2–4; 5:7–11

Ny mizaka amim-paharetana dia mitarika ho amin’ny fahatanterahana.

Rehefa avy namaky ny Jakoba 1:2–4; 5:7–11 ianao, dia inona hoy ianao no hafatra fototra nomen’i Jakoba momba ny faharetana? Mety hanampy ny misaintsaina ny zavatra nianaran’ny fianakavian’ny Loholona Jeremy R. Jaggi momba ny faharetana avy amin’ireo andininy ireo (jereo ny “Aoka ny faharetana hisy asa tanteraka, ary raiso ho fifaliana ny zava-drehetra!,” Liahona, nôv. 2020, 99–101). Inona ilay “asa tantera[ky]” ny faharetana? (Jakoba 1:4). Ahoana no anehoanao amin’ny Tompo fa vonona ny hanana faharetana ianao?

Jakoba 1:3–8, 21–25; 2:14–26; 4:17

Mitaky asa ny finoana.

Ahoana no ahafantaranao fa manam-pinoana an’i Jesoa Kristy ianao? Amin’ny fomba ahoana no hanehoan’ny asa ataonao ny finoanao an’ Andriamanitra? Saintsaino ireo fanontaniana ireo eo am-pandalinanao ireo fampianaran’i Jakoba mikasika ny finoana. Mety ho mahaliana ihany koa ny mamaky ny tantaran’i Abrahama sy i Rahaba, ohatra roa izay nolazain’i Jakoba (jereo ny Genesisy 22:1–12; Josoa 2). Ahoana no nanehoan’izy ireo fa nanam-pinoana an’ Andriamanitra izy ireo?

Ny famakiana ny Jakoba 1:3–8, 21–25; 2:14–26; 4:17 dia mety hanampy anao hieritreritra fomba hahafahanao ho mpankatò tsara kokoa ny teny. Raketo izay fahatsapana voarainao, ary manaova drafitra hanaovana zavatra araka izany.

Jereo koa ny Almà 34:27–29; 3 Nefia 27:21.

Sary
I Abrahama mivavaka eo ivelan’ny trano lainy

“Ary Abrahama nino an’ Andriamanitra, ka nisaina ho fahamarinany izany” (Jakoba 2:23). Abrahama on the Plains of Mamre [I Abrahama teo amin’ny lemak’i Mamre], nataon’i Grant Romney Clawson

Jakoba 1:263:1–18

Ny teny izay lazaiko dia manana hery handratra na hitahy ny hafa.

Ao anatin’ireo sarin-teny ampiasain’i Jakoba ao amin’ny epistiliny, ny sasany amin’ireo fiteniny mazava indrindra dia hita ao amin’ny toroheviny mikasika ny fiteny. Manaova lisitr’ireo fomba rehetra izay anoritsoritan’i Jakoba ny lela na ny vava. Inona no ampianarin’ny fampitahana na sary tsirairay momba ireo teny izay lazaintsika? Mieritrereta zavatra izay azonao atao mba hitahiana olona amin’ny teninao (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 108:7).

Jakoba 2:1–9

Amin’ny maha-mpianatr’i Jesoa Kristy ahy dia tokony ho tia ny olona rehetra aho na manao ahoana na manao ahoana toe-piainany.

Nampitandrina manokana ny Olomasina i Jakoba mba tsy ho tia kokoa ny mpanan-karena ary hankahala ny mahantra, saingy afaka mihatra amin’izay fanavakavahana na fitsaratsarana mety hananantsika amin’ny hafa ny hafany. Eo am-pamakianao ombam-bavaka ny Jakoba 2:1–9 dia, diniho ny fonao ary henoy ny bitsiky ny Fanahy Masina. Mety hanampy ny manolo andian-teny ao amin’ireo andininy ireo, toy ny hoe “olona malahelo miakanjo ratsy” (andininy 2), amin’ny teny na andian-teny hafa mamaritra olona izay mety hotsarainao amin’ny fomba tsy ara-drariny. Mahatsapa ve ianao fa misy fanovana tokony hataonao eo amin’ny fomba fitondranao sy fieritreretanao ny hafa?

Sary
famantarana ny fandalinan’ny mpianakavy

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Jakoba 1:5.Rehefa avy mamaky ny Jakoba 1:5, dia azon’ny fianakavianao fintinina ny tantaran’ny Fahitana Voalohany (jereo ny Joseph Smith—Tantara 1:8–20). Asao ny ao amin’ny fianakavianao mba hizara ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo momba ny Mpaminany Joseph Smith sy ny fotoana izay namalian’ny Ray any An-danitra ny vavaka nataon’izy ireo.

Jakoba 1:26–27. Vakio ny famaritan’i Jakoba ny “fivavahana madio” ao amin’ny Jakoba 1:26–27, ka mifanakaloza hevitra mikasika ny fomba ahafahan’ny fianakavianao hampadio kokoa ny fomba fivavahanareo.

Jakoba 3.Ny Jakoba 3 dia ahitana hevitra betsaka izay mety hanome aingam-panahy hanaovana lesona maneho ohatra mivaingana mba hanampiana ny fianakavianao hahatadidy ny hiresaka amin-katsaram-panahy. Ohatra hoe, afaka miara-mandrehitra afo ianareo dia miresaka mikasika ny fomba mety hiterahan’ny teny mandratra fo olana lehibe (jereo ny andininy 5–6). Na afaka mandroso zavatra marikivy ao anatina zavatra izay fampiasa amin’ny sakafo mamy ianao, ohatra hoe ranom-boasary makirana atao anaty boatin-tantely. Afaka mitarika fifanakalozan-kevitra momba ny fampiasana teny feno fitiavana sy mampahery izany (jereo ny andininy 9–14).

Jakoba 4:5–8.Nahoana isika no tokony “[hanatona] an’ Andriamanitra” (Jakoba 4:8) rehefa miatrika fakam-panahy?

Jakoba 5:14–16.Nampianatra ny Filoha Dallin H. Oaks fa “tokony hanao izay hisian’ny tsodranon’ny fisoronana bebe kokoa ao amin’ny fianakaviana ireo ray aman-dreny” (“Ny herin’ny fisoronana,” Liahona, mey 2018, 67). Mety hamporisika ny fianakaviana hangataka tsodrano angamba ny famakiana ny Jakoba 5:14–16 sy ny fizarana zavatra niainana momba ny fandraisana tsodranon’ny fisoronana rehefa marary na mila tanjaka ara-panahy izy ireo.

Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.

Hira aroso mba hohiraina: “Sachons dire un mot gentil,” Cantiques, no. 150.

Manatsara ny fandalinana manokana

Manaova zavatra araka ny zavatra nianaranao. Eo am-pandalinanao dia henoy ireo bitsika avy amin’ny Fanahy momba ny fomba azonao hampiharana ny zavatra ianaranao amin’ny fiainanao. Manolora tena mba hanaraka ireo bitsika ireo sy hiaina feno kokoa ny filazantsara. (Jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy35.)

Sary
I Joseph Smith mamaky Baiboly

Nanome fitaomam-panahy an’i Joseph Smith hikatsaka fahendrena avy amin’ Andriamanitra ny torohevitr’i Jakoba mba “hangataka amin’ Andriamanitra” (Jakoba 1:5). Sary nalain’i Christina Smith.

Hamoaka printy