Testamenta Vaovao 2023
20–26 nôvambra. 1 sy 2 Petera: “[Miravoravoa] amin’ny fifaliana tsy azo tononina sady be voninahitra”


“20–26 nôvambra. 1 sy 2 Petera: -[Miravoravoa] amin’ny fifaliana tsy azo tononina sady be voninahitra-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Vaovao 2023 (2022)

“20–26 nôvambra. 1 sy 2 Petera,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2023

Sary
Nitory ny filazantsara tao amin’ny tontolon’ny fanahy i Jesoa Kristy

Christ Preaching in the Spirit World [I Kristy mitory ny filazantsara ao amin’ny tontolon’ny fanahy], nataon’i Robert T. Barrett

20–26 nôvambra

1 sy 2 Petera

“[Miravoravoa] amin’ny fifaliana tsy azo tononina sady be voninahitra”

Mety hahazo fahatsapana ianao eo am-pamakianao ireo Epistilin’i Petera. Raketo an-tsoratra avy hatrany izy ireny raha “mbola tsindrian’ny Fanahy” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:80) ianao mba hahafahanao mahazo araka ny tena tokony ho izy ny zavatra ampianarin’ Andriamanitra anao.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Fotoana fohy taorian’ny Fitsanganany tamin’ny maty dia nanao faminaniana izay mety tena nanahiran-tsaina an’i Petera tokoa ny Mpamonjy. Nambarany mialoha fa ho faty maritiora noho ny finoany i Petera, hoentina “amin’izay tsy tia[ny izy] … , [nanambara] ny fomban’ny fahafatesana izay hankalazany an’ Andriamanitra” (Jaona 21:18–19). Taona maro taty aoriana, rehefa nanoratra ny epistiliny i Petera, dia fantany fa efa akaiky ilay fahafatesany ho maritiora izay nambara tamin’ny faminaniana: “Fantatro fa ho avy ny hanesorana ny trano-laiko, dia toy ny nasehon’i Jesosy Kristy Tompontsika tamiko koa” (2 Petera 1:14). Ny teniny anefa dia tsy feno tahotra na fahakiviana. Nampianatra ireo Olomasina kosa izy mba “[hiravoravo],” na dia “[n]ampalahelovina amin’ny fakam-panahy maro samy hafa aza” izy ireo. Nanome torohevitra izy ny mba hahatsiarovana fa “ny fizahan-toetran’ny finoanan[’izy ireo]” dia hitondra amin’ny “fiderana sy voninahitra ary fankalazana ny hisehoan’i Jesosy Kristy” sy ny “famonjena ny fanahin[’izy ireo]” (1 Petera 1:6–7, 9). Mety ho nampionona ireo Olomasina tany aloha ireo ny finoan’i Petera, toy ny fampiononan’izany an’ireo Olomasina ankehitriny, izay “[miombona] fijaliana amin’i Kristy, mba hiravoravoan[tsika] indrindra amin’ny fisehoan’ny voninahiny koa” (1 Petera 4:13).

Sary
famantarana ny fandalinan’ny tena manokana

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina

1 Petera 1:3–9; 2:19–24; 3:14–17; 4:12–19

Afaka mahazo fifaliana aho mandritra ireo fotoana hisian’ny fitsapana sy ny fijaliana.

Tsy mora izany hoe Kristianina tamin’ny fotoana taorian’ny Nanomboana an’i Kristy izany, ary miaiky izany ny epistily voalohany nosoratan’i Petera. Ao amin’ireo toko efatra voalohany dia ho tsikaritrao ireo teny sy andian-teny mamaritra fandalovana fotoan-tsarotra hoe: ampalahelovina, fakam-panahy, alahelo, fizahan-toetra mahamay, ary fijaliana (jereo ny 1 Petera 1:6; 2:19; 4:12–13). Kanefa hahatsikaritra teny toa feno fifaliana koa ianao, ary azonao atao lisitra izay hitanao. Ohatra hoe, rehefa mamaky ny 1 Petera 1:3–9; 2:19–24; 3:14–17; ary 4:12–19 ianao dia inona no manome fanantenana anao fa afaka mahazo fifaliana ihany ianao na dia ao anatin’ny toe-javatra sarotra aza?

Azonao vakina koa ny hafatry ny Filoha Russell M. Nelson hoe “Fifaliana sy fahavelomana ara-panahy” (Liahona, nôv. 2016, 81–84) dia tadiavo izay itovian’ny zavatra nampianarin’i Paoly amin’ny zavatra nampianarin’ny Filoha Nelson. Inona no zavatra manome fifaliana anao mahakasika ny drafitry ny famonjena sy ny filazantsaran’i Jesoa Kristy?

Jereo koa ny Ricardo P. Giménez, “Mahita fialofana amin’ireo tafiotry ny fiainana,” Liahona, mey 2020, 101–3.

1 Petera 3:18–20; 4:1–6

Notoriana tamin’ireo efa nodimandry ny filazantsara mba hahafahana mitsara azy ireo ara-drariny.

Indray andro any dia hijoro eo anoloan’ny fitsarana ny olona tsirairay avy ary “hampamoahin’ Ilay efa vonona hitsara ny velona sy ny maty” (1 Petera 4:5). Ahoana no ahafahan’ Andriamanitra mitsara ny olona rehetra araka ny rariny kanefa dia tena tsy mitovy mihitsy ny fahafahana ananan’izy ireo hahatakatra sy hiaina ny filazantsara? Jereo ny fomba anampian’ilay fotopampianarina ampianarin’i Petera ao amin’ny 1 Petera 3:18–20; 4:6 amin’ny famaliana io fanontaniana io. Mankahery ny finoanao ny rariny sy ny fahamarinan’ Andriamanitra amin’ny fomba ahoana ireo andininy ireo?

Mba handalinana misimisy kokoa ity fotopampianarana ity, dia halalino ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138, izay fanambarana iray noraisin’ny Filoha Joseph F. Smith teo am-pisaintsainany ny zavatra nosoratan’i Petera. Inona no fahamarinana fanampiny nianaran’ny Filoha Smith?

2 Petera 1:1–11

Amin’ny alalan’ny herin’i Jesoa Kristy dia afaka mampikolokolo ny toetra araka an’ Andriamanitra ao amiko aho.

Mba mahatsapa ve ianao fa tsy azo heverina ny ho lasa tahaka an’i Jesoa Kristy sy ny mampivoatra toetra tahaka ny Azy? Nanolotra izao teny fankaherezana momba ny fomba hahafahana mampivoatra ireo toetra tahaka ny an’i Kristy izao ny Loholona Robert D. Hales: “Ny toetran’ny Mpamonjy … dia toetra mifamatotra, mifameno, izay mitombo ao anatintsika amin’ny fomba mifandray. Raha lazaina amin’ny teny hafa dia tsy afaka mahazo toetran’i Kristy iray isika ka tsy hahazo sy haneho toetrany hafa koa. Rehefa mihamafy ny toetra iray, dia ho toy izany koa ny maro hafa” (“Lasa mpianatr’i Jesoa Kristy Tompontsika,” Liahona, mey 2017, 46).

Sary
Karipetra voatenona mifampidimpiditra

Ny toetra tahaka ny an’i Kristy tsirairay izay ezahantsika hananana dia manampy antsika handrary karipetra ara-panahin’ny maha-mpianatra.

Rehefa mamaky ny 2 Petera 1:1–11 ianao dia saintsaino ireo toetra izay “araka an’ Andriamanitra” voatanisa ao amin’ireo andininy ireo. Araka ny zavatra niainanao dia ahoana no maha-“mifamatotra” azy ireo araka ny nofaritan’ny Loholona Hales? Ahoana no hifampatanjahan’izy ireo? Inona koa no ianaranao avy amin’ireo andininy ireo mikasika ny dingana hahatongavana kokoa tahaka an’i Kristy?

Azonao saintsainina ihany koa ilay “teny fikasana sady soa no lehibe indrindra” izay omen’ Andriamanitra an’ireo Olomasina, ary isan’izany ianao (2 Petera 1:4). Ny hafatry ny Loholona David A. Bednar hoe “Fampanantenana sady soa no lehibe indrindra” (Liahona, nôv. 2017, 90–93) dia afaka manampy anao hahatakatra hoe inona ireo fampanantenana ireo ary ahoana no hahazoana izany.

Sary
famantarana ny fandalinan’ny mpianakavy

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

1 Petera 2:5–10.Eo am-pamakianao an’ireo andininy ireo miaraka amin’ny fianakavianao dia azonao atao ny mampiasa vato mba hanampiana ny olona ao amin’ny fianakavianao hahatakatra ny fampianaran’ny Mpamonjy fa ny Mpamonjy no “fehizoro[ntsika].” Ahoana no hitoviantsika amin’ny “vato velona” izay ampiasain’ Andriamanitra amin’ny fanorenana ny fanjakany? Inona no zavatra ianarantsika avy amin’i Petera momba ny Mpamonjy sy ny anjara asantsika ao amin’ny fanjakany? Inona no hafatr’i Petera ho an’ny fianakavianao?

1 Petera 3:8–17.Ahoana no hahafahantsika ho “vonona mandrakariva hamaly izay manontany” antsika momba ny finoantsika? Mety hankafy ny filalaovana an-tsehatra ny fianakavianao, ka ny olona iray dia hanatona ny hafa mba hametraka fanontaniana momba ny filazantsara.

1 Petera 3:18–20; 4:6.Inona no azon’ny fianakavianao atao mba hahatsapany ho mifandray amin’ireo razambenareo? Azonareo atao angamba ny mankalaza ny tsingerin-taona nahaterahan’ireo razambe efa nodimandry amin’ny alalan’ny fikarakarana ny sakafo tian’izy ireo indrindra, ny fijerena sary, na ny fitantarana zavatra avy amin’ny fiainan’izy ireo. Raha azo atao dia azonareo atao koa ny manao drafitra mba handray ôrdônansy ho an’ireo razambenareo any amin’ny tempoly (raha mila fanampiana ny amin’izany dia tsidiho ny FamilySearch.org).

2 Petera 1:16–21.Ao amin’ireo andininy ireo dia mampahatsiahy ny Olomasina ny zavatra niainany tao an-Tendrombohitry ny Fiovan-tarehy i Petera (jereo ihany koa ny Matio 17:1–9). Inona no ianarantsika avy amin’ireo andininy ireo momba ny fampianaran’ireo mpaminany? (jereo koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:38). Inona no mitondra fahatokian-tena ho antsika mba hanaraka ny mpaminanintsika velona amin’izao fotoana izao?

Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.

Hira aroso mba hohiraina: “Hanao ny tantaram-pianakaviana aho,” Bokin-kiran’ny ankizy, 100.

Manatsara ny fampianarantsika

“Mivonona mandrakariva.” Mety handalo sy hiserana tampoka ireo fotoana tsotsotra azo ampianarana ao an-tokantrano; noho izany dia zava-dehibe ny manararaotra azy ireny rehefa miseho. Ahoana no hahafahanao ho “vonona mandrakariva” mba hampianatra ireo fahamarinan’ny filazantsara amin’ny olona ao amin’ny fianakavianao ary mizara “ny fanantenana ao anatina[o]” (1 Petera 3:15) rehefa miseho ny fahafahana mampianatra? (Jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy16.)

Sary
I Petera mampianatra andian’olona

Na dia niatrika fanenjehana sy fanoherana betsaka aza i Petera dia nijanona ho mahatoky tamin’ny fijoroany ho vavolombelona momba an’i Kristy izy.

Hamoaka printy