Testamenta Vaovao 2023
27 nôvambra–3 desambra. 1–3 Jaona; Joda: “Andriamanitra dia fitiavana”


“27 nôvambra–3 desambra. 1–3 Jaona; Joda: -Andriamanitra dia fitiavana,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Vaovao 2023 (2022)

“27 nôvambra–3 desambra. 1–3 Jaona; Joda,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2023

Sary
i Jesoa Kristy mitsiky sy miara-mipetraka amin’ny zazakely mitsiky

Fitiavana tanteraka, nataon’i Del Parson

27 nôvambra–3 desambra

1–3 Jaona; Joda

“Andriamanitra dia fitiavana”

Eo am-pamakianao ny Epistilin’i Jaona sy ny an’i Joda dia mikatsaha fanentanam-panahy momba ny fomba hanehoanao ny fitiavanao an’ Andriamanitra. Raketo an-tsoratra ny zavatra tsapanao dia ampiharo izany.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Tamin’ny fotoana nanoratan’i Jaona sy i Joda ny epistilin’izy ireo dia efa nanomboka nitondra ny Olomasina maro ho amin’ny apôstazia ny fotopampianarana diso. Ny mpampianatra sandoka sasany dia nampisalasala ny hafa mihitsy ny amin’ny hoe tena tonga “tamin’ny nofo” tokoa ve i Jesoa Kristy (jereo ohatra ny, 1 Jaona 4:1–3; 2 Jaona 1:7). Inona no azon’ny mpitarika ao amin’ny Fiangonana atao eo anatrehan’ny toe-javatra toy izany? Koa dia namaly tamin’ny alalan’ny fizarana ny fijoroany ho vavolombelona manokana momba ny Mpamonjy ny Apôstôly Jaona hoe: “Izao no fijoroana ho vavolombelona omenay momba ilay efa nisy hatrany am-boalohany, dia izay efa renay, izay efa hitan’ny masonay, izay efa nandrandrainay, ary efa notsapain’ny tananay, dia ny Teny Fiainana izany” (jereo ny 1 Jaona 1:1). Avy eo i Jaona dia nampianatra momba ny fitiavana: ny fitiavan’ Andriamanitra antsika sy ny fitiavana tokony hananantsika ho Azy sy ireo zanany. Sady i Jaona rahateo dia vavolombelon’izany ihany koa. Niaina mivantana ny fitiavan’ny Mpamonjy izy (jereo ny Jaona 13:23; 20:2), ary naniry ny mba hahatsapan’ireo Olomasina izany fitiavana izany ihany koa. Ny fijoroana ho vavolombelona sy fampianaran’i Jaona mikasika ny fitiavana dia tena ilaina mihitsy amin’izao fotoana izao, fotoana izay hametrahana fisalasalana momba ny finoana an’i Jesoa Kristy sy hitomboan’ny fampianarana diso. Ny famakiana ny epistilin’i Jaona dia afaka manampy antsika hiatrika amim-kerim-po ireo fahoriana amin’izao fotoana izao, satria “tsy manan-tahotra ny fitiavana; fa ny fitiavana tanteraka mandroaka ny tahotra” (1 Jaona 4:18).

Sary
famantarana ny fandalinan’ny tena manokana

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina

1 Jaona; 2 Jaona

Andriamanitra dia fahazavana, ary Andriamanitra dia fitiavana.

Raha toa ampisafidianana teny iray na roa hamaritana an’ Andriamanitra ianao dia mety ho inona izany? Ao amin’ny epistiliny dia matetika i Jaona no mampiasa ny teny hoe “mazava” sy “fitiavana” (jereo ohatra ny, 1 Jaona 1:5; 2:8–11; 3:16, 23–24; 4:7–21). Eo am-pamakianao ireo epistilin’i Jaona roa voalohany dia saintsaino ireo zavatra niainan’i Jaona tamin’ny fahazavana sy ny fitiavan’ny Mpamonjy. Ohatra, diniho hoe inona no nianaran’i Jaona avy tamin’ny fampianaran’i Jesoa ao amin’ny Jaona 3:16–17; 12:35–36, 46; 15:9–14; 19:25–27. Inona no zavatra mampitovy an’ireo fampianarana ireo amin’ny zavatra ampianarin’ny 1 Jaona momba ny fahazavana sy ny fitiavan’ Andriamanitra? Inona no zavatra niainanao izay nampianatra anao fa fahazavana sy fitiavana Andriamanitra?

1 Jaona 2–4; 2 Jaona

“Raha mifankatia isika, dia mitoetra ato amintsika Andriamanitra.”

Hahita teny mitovy amin’ny hoe “hitoetra” miverimberina ao amin’ireo epistilin’i Jaona ihany koa ianao. Karohy ireo teny ireo, indrindra fa rehefa mamaky ny 1 Jaona 2–4 sy ny 2 Jaona ianao. Inona araka ny eritreritrao ny dikan’ny hoe “mitoetra” ao amin’ Andriamanitra sy ny fotopampianarany? (jereo ny 2 Jaona 1:9). Midika inona aminao izany hoe manana an’ Andriamanitra “mitoetra” ao aminao izany?

1 Jaona 2:243:3

Afaka ny ho lasa tahaka an’i Jesoa Kristy aho.

Moa ve ianao efa nihevitra fa toa sarotra tratrarina ny tanjona mba ho lasa tahaka an’i Kristy? Saintsaino ny torohevitra mifono fankaherezana nomen’i Jaona hoe: “Anaka, tomoera ao aminy, mba hananantsika fahasahiana … [dia] ho tahaka Azy isika” (1 Jaona 2:28; 3:2). Inona no hitanao ao amin’ny 1 Jaona 2:243:3 izay mampahazo toky sy mampionona anao amin’ny maha-mpianatr’i Jesoa Kristy anao? Eo am-pandalinanao ireo epistilin’i Jaona dia mikaroha fitsipika na torohevitra hafa izay afaka manampy anao eo amin’ny ezaka ataonao mba ho lasa tahaka an’i Kristy kokoa.

Jereo koa ny Môrônia 7:48; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:67–68; Scott D. Whiting, “Ho tonga tahaka Azy,” Liahona, nôv. 2020, 12–14.

1 Jaona 4:12

“Tsy mbola nisy olona … nahita an’ Andriamanitra na oviana na oviana”?

Ny Dikantenin’i Joseph Smith ho an’ny 1 Jaona 4:12 dia mitondra fanazavana fa “tsy misy olona nahita an’ Andriamanitra na oviana na oviana, afa-tsy ireo izay mino” (ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina; jereo koa ny Jaona 6:46; 3 Jaona 1:11). Voarakitra ao amin’ny soratra masina ny tranga vitsivitsy nisehoan’ Andriamanitra Ray tamina olona mahatoky, tafiditra tamin’izany i Jaona (jereo ny Apokalypsy 4; jereo koa ny Asan’ny Apostoly 7:55–56; 1 Nefia 1:8; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:23; Joseph Smith—Tantara 1:16–17).

1 Jaona 5

Rehefa mampihatra finoana an’i Jesoa Kristy sy nateraka indray aho dia afaka handresy izao tontolo izao.

Eo am-pamakianao ny 1 Jaona 5, dia tadiavo ny zavatra tsy maintsy ataontsika mba handresena izao tontolo izao sy hahazoana fiainana mandrakizay. Mety ho toy ny ahoana ny fisehon’ny fandresena izao tontolo izao eo amin’ny fiainanao? Afaka hahita valim-panontaniana sy hevi-baovao ihany koa ianao ao amin’ny hafatry ny Loholona Neil L. Andersen manao hoe “Mandresy izao tontolo izao” (Liahona, mey 2017, 58–62).

Joda 1

“[Mandrosoa] amin’ny finoanareo masina indrindra.”

Inona no ampianarin’ny Joda 1:10–19 anao mikasika an’ireo izay miady amin’ Andriamanitra sy ny asany? Inona no ianaranao avy amin’ireo andininy 20–25 mikasika ny fomba hihazonana ny finoanao an’i Kristy ho matanjaka hatrany?

Sary
famantarana ny fandalinan’ny mpianakavy

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

1 Jaona 2:8–11.Mba hanampiana ny fianakavianao hisaintsaina ny fampianaran’i Jaona dia mivoria ao amin’ny efitrano maizina iray ary avelao ny olona ao amin’ny fianakaviana hampitaha ny fahasamihafan’ny fandehanana “ao amin’ny haizina” sy ny fandehanana “ao amin’ny mazava.” Nahoana ny fankahalana no mahatonga antsika handeha ao amin’ny haizina ary ho tafintohina? Mitondra hazavana eo amin’ny fiainantsika amin’ny fomba ahoana ny fifankatiavana?

1 Jaona 3:21–22.Inona ao amin’ireo andininy ireo no mampitombo ny toky ananantsika amin’ Andriamanitra sy amin’ny fahafahantsika handray valiny amin’ireo vavaka ataontsika?

Sary
Fianakaviana miara-mandohalika mivavaka

Ny fitandremana ny didin’ Andriamanitra dia manampy antsika handresy izao tontolo izao.

1 Jaona 5:2–3.Misy didy izay raisintsika ho “mavesatra” na sarotra arahina ve? Ahoana no hanovan’ny fitiavantsika an’ Andriamanitra ny zavatra tsapantsika momba ny didiny?

3 Jaona 1:4.Inona no dikan’ny hoe “mandeha araka ny fahamarinana”? Azonao araraotina ity fotoana ity hilazana amin’ny olona ao amin’ny fianakavianao ny fomba nahitanao azy ireo nandeha araka ny fahamarinana ary hiresahana momba ny fifaliana hoentin’izany aminao. Ny olona ao amin’ny fianakaviana dia mety hankafy hanoratra momba ny fahamarinana nianarany na hanao sary ny fahamarinana izay nianarany amina taratasy miendrika dian-tongotra ka hampiasa izany mba hanaovana lalana azon’ny fianakavianao hiarahana mandeha.

Joda 1:3–4.Misy loza ara-panahy “[m]iditra misokosoko” ao amin’ny fiainantsika sy ao amin’ny fianakaviantsika ve? (Joda 1:4). Ahoana no hanarahantsika ny famporisihan’i Joda ny amin’ny tokony “[hiezahana] mafy hiaro ny finoana” sy hiarovana amin’izany loza izany? (Joda 1:3). Ahoana no hahazoantsika antoka fa “hampitomboina ho [antsika] ny fiadanana ary ny fitiavana” ao amin’ny fianakaviantsika? (Joda 1:2).

Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.

Hira aroso mba hohiraina: “Raha tsapa fa ao ny fitia,” Bokin-kiran’ny ankizy, 76–77.

Manatsara ny fandalinan’ny tena manokana

Mahita ny fitiavan’ Andriamanitra. Nampianatra ny Loholona M. Russell Ballard fa “ny filazantsara dia filazantsaran’ny fitiavana, izany hoe fitiavana an’ Andriamanitra sy fifankatiavana” (“God’s Love for His Children,” Ensign, May 1988, 59). Eo am-pamakianareo ny soratra masina dia azonareo atao ny mandray an-tsoratra ireo porofo mampiseho ny fitiavan’ Andriamanitra.

Sary
I Kristy mandeha eo amoron’ny farihy iray

Walk with Me [Miaraha Amiko], nataon’i Greg K. Olsen

Hamoaka printy