Testamenta Vaovao 2023
11–17 desambra. Apokalypsy 6–14: “Ary izy ireo naharesy … noho ny amin’ny ran’ny Zanak’ondry”


“11–17 desambra. Apokalypsy 6–14: -Ary izy ireo naharesy … noho ny amin’ny ran’ny Zanak’ondry,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Vaovao 2023 (2022)

“11–17 desambra. Apokalypsy 6–14,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2023

Sary
i Jesoa Kristy eo anivon’ireo kintana

Zava-kanto noforonon’i Eric Johnson: The Grand Council [Ilay Filankevitra Lehibe], nataon’i Robert T. Barrett; andiana kintana nahazoana lalana mba ho ampiasaina avy amin’ny European Space Agency

11–17 desambra

Apokalypsy 6–14

“Ary izy ireo naharesy … noho ny amin’ny ran’ny Zanak’ondry”

Nanoro hevitra ny Filoha Boyd K. Packer fa: “Raha toa ka hafahafa aminao ny teny ampiasaina ao amin’ny soratra masina amin’ny voalohany, dia tohizo ihany ny famakiana. Vetivety ihany ianao dia hahatsikaritra ny hatsarana sy hery voarakitra ao anatin’ireo pejy ireo” (“Ny fanalahidy ho an’ny fiarovana ara-panahy,” Liahona, nôv. 2013, 27).

Raketo ireo zavatra tsapanao

Alaivo sary an-tsaina ny vehivavy iray, “mihetsi-jaza izy ka mitaraina, satria marary fatratra efa hiteraka.” Dia alaivo sary an-tsaina indray izao ny “dragona mena lehibe manan-doha sy tandroka fito” iray eo ambonin’ilay vehivavy, vonona “handrapaka ny zanany, raha vao teraka” (Apokalypsy 12:2–4). Mba hahatakarana ireo andininy ao amin’ny Apokalypsy an’i Jaona ireo dia tsarovy fa ireo sarin-teny ireo dia milaza ny Fiangonana sy ny fanjakan’ Andriamanitra ary ny loza hohatrehan’izy ireo. Ho an’ireo Olomasina izay niaina fanenjehana izaitsizy nandritra ny vaninandron’i Jaona dia kely ihany ny tokinaina hoe ho resy ny ratsy. Izany fandresena izany koa dia mety ho sarotra ninoana ny hitrangany amin’ny vaninandro toy ny antsika; satria ny fahavalo dia “[m]iady [a]min’ny olona masina” ary manana “fahefana … [a]min’ny olona sy ny samy hafa fiteny ary ny firenena rehetra” (Apokalypsy 13:7). Saingy ny fiafaran’ny fanambarana feno voninahitr’i Jaona dia mampiseho fa ny tsara dia handresy ny ratsy. Ho lavo i Babylona. Ary ireo Olomasina dia ho “avy tamin’ny fahoriana lehibe” hanao akanjo fotsy—tsy hoe tsy voaloto mihitsy ny akanjon’izy ireo fa noho ireo Olomasina kosa nanana ny “akanjony nosasany sy nofotsiany tamin’ny ran’ny Zanak’ondry” (Apokalypsy 7:14).

Sary
famantarana ny fandalinan’ny tena manokana

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina

Apokalypsy 6–11

Nahita zavatra maro hitranga eo amin’ny tantaran’ny tany i Jaona, indrindra fa ireo izay hitranga mandritra ny andro farany.

Ao amin’ireo toko ireo dia hamaky momba ny boky iray izay misy tombo-kase fito ianao. Tsy ianao irery akory no manontany tena hoe inona no dikan’izany. Ny Mpaminany Joseph Smith ihany koa dia nanontany tena momba izany. Ny Tompo dia nanambara tamin’i Joseph fa io boky io ary ny tombo-kase eo amin’ny vohony dia maneho ny tantaran’ny “fotoam-pisian[’],”ny tany ka ny tombo-kase tsirairay dia maneho arivo taona (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 77:6–7). Mety hahaliana anao ny hahafantatra fa ireo zava-nitranga tao amin’ny tombo-kase efatra voalohany dia voafintina ao amin’ny fahitan’i Jaona ao anatin’ny andininy valo fotsiny (Apokalypsy 6:1–8). Ireo andininy telo manaraka dia mamariparitra ny tombo-kase fahadimy (andininy 9–11). Ny zava-mitranga mandritra ireo tombo-kase roa farany dia mandany ny ampahany lehibe amin’ny ambin’ny bokin’ny Apokalypsy. Raha lazaina amin’ny fomba hafa dia ny andro farany—ny androntsika, no zavatra fototra ifantohan’ny fahitan’i Jaona. Eo am-pamakianao dia saintsaino hoe nahoana no manan-danja ny mahafantatra ny zavatra nosoratan’i Jaona mikasika ny andro farany.

Rehefa mamaky momba ireo zava-nitranga izay naminanian’i Jaona ianao dia diniho ireto soso-kevitra sy fanontaniana manaraka ireto:

Apokalypsy 12–13

Ilay Ady tany An-danitra dia mbola mitohy ety an-tany.

Tsy mahafantatra betsaka momba ilay Ady tany An-danitra isika, saingy misy fanoritsoritana fohy nefa mafonja momba izany ao amin’ny Apokalypsy 12:7–11. Eo am-pamakianao an’ireo andininy ireo dia alaivo sary an-tsaina ny tenanao mandray anjara amin’izany ady talohan’ny nahaterahana izany. Inona no ianaranao mikasika ny fomba handresena an’i Satana? (jereo ny andininy 11).

Ilay ady izay nanomboka tany an-danitra dia mitohy ety an-tany, satria i Satana dia mikiry “hiady [a]min’[ireo izay] … mitana ny filazana an’i Jesosy” (Apokalypsy 12:17). Inona no ianaranao avy amin’ny Apokalypsy 13 momba ny fomba anaovany an’io ady io amin’izao vaninandrontsika izao? Ahoana no hanohizan’ny “ran’ny Zanak’ondry” sy “ny ten[ivavolombelonao]” (Apokalypsy 12:11) manampy anao ao amin’io ady io?

Jereo ihany koa ny 1 Nefia 14:12–14; Môrônia 7:12–13; Mosesy 4:1–4; Fotopampianarana sy Fanekempihanana 29:36–37.

Apokalypsy 14:6–7

“Ary hitako fa, indro, nisy anjely iray koa … nanana filazantsara mandrakizay.”

Ny fomba iray ahatanterahan’ilay faminaniana ao amin’ireo andininy ireo dia nitranga rehefa niseho tamin’i Joseph Smith i Môrônia, dia nitarika azy ho any amin’ireo rakitsoratra izay nadikan’i Joseph Smith sy navoaka ho ny Bokin’i Môrmôna. Io boky io dia ahitana ny “filazantsara mandrakizay” izay nanomezana andraikitra antsika mba hotoriana amin’ny “firenena sy ny fokom-pirenena sy ny samy hafa fiteny ary ny olona rehetra” (Apokalypsy 14:6).

Mba hianarana momba ireo anjely hafa izay nandray anjara tamin’ny famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara mandrakizay, dia jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihanana 13; 27:5–13; 110:11–16; 128:20–21.

Jereo koa ny “Ny Famerenana amin’ny laoniny ny fahafenoan’ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy: Fanambarana ho an’izao tontolo izao nandritra ny fankalazana ny faha-roanjato taona,” ChurchofJesusChrist.org.

Sary
famantarana ny fandalinan’ny mpianakavy

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Apokalypsy 7:9, 13–15.Inona no ampianarin’ireo andininy ireo antsika momba ny antony mahatonga antsika miakanjo fotsy rehefa manatanteraka ny ôrdônansin’ny batisa na ireo ôrdônansin’ny tempoly?

Apokalypsy 7:14–17.Hevero ny hanasa olona ao amin’ny fianakaviana hizara ny zavatra tsapany momba ny fampanantenan’ny Tompo ao amin’ireo andininy ireo. Ahoana no hanampian’ny fampanantenany antsika rehefa ao anaty “fahoriana lehibe” isika? (andininy 14).

Apokalypsy 12:7–11; 14:6.Ny olona sasany ao amin’ny fianakaviana dia mety hankafy hanao sary ireo fahitana tantaraina ao amin’ny Apokalypsy. Ohatra, ny fanaovana sary izay miainga avy amin’ny Apokalypsy 12 dia mety hitarika amin’ny fifanakalozan-kevitra momba ny Ady tany An-danitra (jereo ny andininy 7–11). Ireo sary miainga avy amin’ny Apokalypsy 14:6 dia mety hitarika amina fifanakalozan-kevitra mikasika ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara.

Aorian’ny fiarahana mamaky ny Apokalypsy 14:6 dia azonao atao ny mampiseho sarin’ny anjely Môrônia sy ireo anjely hafa izay nanampy namerina tamin’ny laoniny ny filazantsara amin’izao androntsika izao (jereo ireo sary any am-paran’ity rindran-damina ity). Azon’ny olona ao amin’ny fianakaviana atao tsara ny mifandimby mihazona ambony ny iray amin’ireo sary ary mizara ny antony maha-velom-pankasitrahana azy fa nisy anjely tonga “nanana filazantsara mandrakizay hotorina [amintsika].”

Apokalypsy 12:11.Inona no mety ho dikan’ilay andian-teny hoe “ny teny filazana Azy”? Manampy antsika handresy an’i Satana amin’ny fomba ahoana ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika momba an’i Jesoa Kristy?

Apokalypsy 13:11–14.Inona no eritreritra ananan’ny fianakavianao momba ilay bibidia mamitaka? Ahoana no hamantarantsika sy hialantsika amin’ireo fitaka izay hitantsika eo amin’izao tontolo izao ankehitriny?

Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.

Hira aroso mba hohiraina: “Ho mpanompo mazoto aho,” Bokin-kiran’ny ankizy, 85.

Manatsara ny fandalinan’ny tena manokana

Milomanosa ao amin’ny soratra masina. Nampianatra ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “Ny filomanosana isan’andro ao amin’ny tenin’ Andriamanitra dia zava-dehibe ho an’ny fiavotana ara-panahy, indrindra fa ao amin’izao andro hisian’ny fiovana sarotra tsy mitsaha-mitombo izao” (“Henoy Izy,” Liahona, mey 2020, 89). Midika inona aminao izany hoe “filomanosana ao amin’ny tenin’ny Andriamanitra” izany?

Sary
I Kristy mandondòna varavarana

Manaraka ny fiodidin’ny famataranandro manomboka eo ambony ankavia:Moroni Delivering the Golden Plates [I Môrônia manome ireo takela-bolamena], nataon’i Gary L. Kapp; Upon You My Fellow Servants [Ianareo ry mpiara-manompo amiko], nataon’i Linda Curley Christensen sy Michael T. Malm (I Jaona Mpanao Batisa manome ny Fisoronana Aharôna amin’i Joseph Smith); Keys of the Kingdom [Ireo fanalahidin’ny fanjakana], nataon’i Linda Curley Christensen sy Michael T. Malm (I Petera sy Jakoba ary Jaona manolotra ny Fisoronana Melkizedeka amin’i Joseph Smith; Vision in the Kirtland Temple [Fahitana tao amin’ny tempolin’i Kirtland], nataon’i Gary E. Smith (I Mosesy, sy i Elià, ary i Elia miseho amin’i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery).

Hamoaka printy