Testamenta Vaovao 2023
2–8 ôktôbra. Efesiana: “Ho fanatanterahana ny olona masina”


“2–8 ôktôbra. Efesiana: -Ho fanatanterahana ny olona masina,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Vaovao 2023 (2022)

“2–8 ôktôbra. “Efesiana,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2023

Sary
Fianakaviana mijery sary

2–8 ôktôbra

Efesiana

“Ho fanatanterahana ny olona masina”

Mahita fifandraisana eo amin’ny hafatry ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany sy ny Epistilin’i Paoly ho an’ny Efesiana ve ianao?

Raketo ireo zavatra tsapanao

Rehefa nanomboka niely tao Efesosy ny filazantsara dia niteraka “tabataba be” (Asan’ny Apostoly 19:23) teo anivon’ny Efesiana izany. Ireo mpanao trano sy mpamoron-javatra izay nanamboatra fitaovana sy toeram-pitsaohana ho an’ andriamanin-kafa dia nandray ny finoana Kristianina ho sakana tsy hampiroborobo ny fiveloman’izy ireo, ka vetivety dia lasa “tezitra loatra [izy ireo], … ary nanerana ny tanàna ny tabataba” (jereo ny Asan’ny Apostoly 19:27–29). Alaivo sary an-tsaina fa ianao dia vao niova fo ho an’ny filazantsara ao anatin’izany toe-javatra izany. Efesiana maro no nanaiky sy niaina ny filazantsara tao anatin’izany “tabataba” (Asan’ny Apostoly 19:40) izany, ary i Paoly dia nanamafy tamin’izy ireo fa “ao amin’i Kristy … no fihavanantsika” (Efesiana 2:13–14). Ireo teny ireo sy ny fanasana nataony mba “[hanaisotra] amin’[izy ireo] ny fo lentika rehetra sy ny fahavinirana sy ny fahatezerana sy ny fitabatabana sy ny fitenenan-dratsy ary ny lolompo rehetra” (Efesiana 4:31), dia toa tonga tamin’ny fotoana tena nilàna azy ary mankahery tokoa amin’izao fotoana izao tahaka ny tamin’izany fotoana izany. Ho an’ireo Efesiana sy ho an’ny tsirairay avy amintsika dia tonga “ao amin’ny Tompo sy amin’ny herin’ny faherezany” ny hery hiatrehana ny fahoriana (jereo ny Efesiana 6:10–13).

Sary
famantarana ny fandalinan’ny tena manokana

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina

Efesiana 1:4–11, 17–19

Nisafidy na nanendry ahy mialoha Andriamanitra mba hanatanteraka andraikitra eto an-tany.

Niresaka i Paoly fa misy ireo Olomasina efa “[nofidian’]” Andriamanitra “fony tsy mbola ary ny fanorenan’izao tontolo izao” mba ho vahoakany. Kanefa ny Filoha Henry B. Eyring dia nilaza fa tsy midika izany “fa efa notapahan’ Andriamanitra mialoha izay zanany hovonjeny ka nomeny fahafahana handray ny filazantsara izy ireo, ary ireo izay tsy nandre velively ny filazantsara dia tsy -voafidy- tsotra fotsiny. … Mifono fitiavana bebe kokoa ary mihoatra lavitra noho izany ny drafitr’ Andriamanitra. Maniry ny hanangona sy hitahy ny olona rehetra ao anatin’ny fianakaviany ny Raintsika any An-danitra” (“Manangona ny fianakavian’ Andriamanitra,” Liahona, mey 2017, 20–21). Ny zanak’ Andriamanitra rehetra dia afaka manaiky ny filazantsara sy ireo ôrdônansy ao aminy noho ny asa atao ho an’ny maty any amin’ireo tempoly masina.

Na dia tsy misy olona voalahatra mialoha mba ho voavonjy na tsy ho voavonjy aza dia mampianatra antsika ny fanambarana maoderina fa ny olona sasany dia -efa voatendry mialoha- tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana mba hanatanteraka andraikitra voafaritra ety an-tany mba hanatontosa ireo tanjon’ Andriamanitra eto an-tany. Rehefa mamaky ny Efesiana 1 ianao, dia saintsaino ny fomba iharan’io fahamarinana io aminao.

Efesiana 1:10

“[Hanangona] ny zavatra rehetra ho iray ao amin’i Kristy” Andriamanitra.

Araka ny eritreritrao dia nahoana ny androntsika no antsoina hoe “fitantanana ny fotoam-pahafenoana”? Inona no mety ho dikan’ny hoe “manangona ny zavatra rehetra ho iray ao amin’i Kristy”? Eo am-pisaintsainanao an’ireo andian-teny ireo dia vakio ireto soratra masina manaraka ireto: Efesiana 4:13; 2 Nefia 30:7–8; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110:11–16; 112:30–32; 128:18–21. Mety hahazo fanentanam-panahy ianao hanoratra ny fanazavanao manokana an’ireo andian-teny ireo.

Jereo koa ny Loholona David A. Bednar, “Hanangona ny zavatra rehetra ho iray ao amin’i Kristy”,” Liahona, nôv. 2018, 21–24.

Efesiana 2:19–22; 3:1–7; 4:11–16

Ny Fiangonana dia miorina eo amin’ny fototry ny apôstôly sy ny mpaminany, ary i Jesoa Kristy no vato fehizoro indrindra.

Araka ny Efesiana 2:19–22; 3:1–7; 4:11–16, dia nahoana isika no manana mpaminany sy apôstôly? Eritrereto ireo hafatra avy amin’ireo mpaminany sy apôstôly izay renao nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana. Ahoana no hanatanterahan’ny fampianaran’izy ireo an’ireo tanjona izay noresadresahan’i Paoly? Ohatra hoe, ahoana no nanampian’ireo fampianarana ireo anao tsy ho “ampitambolimbolenin’ny rivotry ny fampianarana samy hafa rehetra”?

Inona no mampitovy an’i Jesoa Kristy amin’ny vato fehizoro ho an’ny Fiangonana? Ahoana no maha-vato fehizoro Azy eo amin’ny fiainanao?

Jereo koa ny Asan’ny Apostoly 4:10–12.

Sary
Vato fehizoron’ny trano iray

I Jesoa Kristy no vato fehizoron’ny Fiangonana.

Efesiana 5:216:4

Ny fanarahana ny ohatry ny Mpamonjy dia afaka manamafy orina ny fifandraisana ao amin’ny fianakaviako.

Rehefa mamaky ny Efesiana 5:216:4 ianao dia eritrereto ny fomba ahafahan’ireo torohevitra ao amin’ireo andininy ireo manamafy orina ny fifandraisan’ny fianakavianao.

Zava-dehibe ny manamarika fa ny tenin’i Paoly ao amin’ny Efesiana 5:22–24 dia nosoratana tao anatin’ny sahan-kevitry ny fomba fanao teo amin’ny fiarahamonina tamin’ny fotoanandrony. Ireo mpaminany sy apôstôly ankehitriny dia mampianatra fa ny lehilahy dia tsy omen-danja kokoa noho ny vehivavy ary ny mpivady dia tokony ho “mpiara-miasa mitovy lenta” (jereo “Ny fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao,” ChurchofJesusChrist.org). Na dia eo aza izany dia mbola afaka mahita torohevitra manan-danja ihany ianao ao amin’ny Efesiana 5:25–33. Ohatra, ahoana no hanehoan’i Kristy ny fitiavany an’ireo Olomasina? Midika inona izany eo amin’ny fomba tokony ifampitondran’ny mpivady, amin’ny maha-mpiara-miasa mitovy lenta azy ireo? Inona no tsapanao fa hafatra ho anao manokana ao amin’ireo andininy ireo?

Efesiana 6:10–18

Ny fiadian’ Andriamanitra dia hanampy amin’ny fiarovana ahy amin’ny ratsy.

Eo am-pamakianao ny Efesiana 6:10–18, dia diniho hoe nahoana i Paoly no nanome anarana ny fitaovam-piadiana amam-piarovana tsirairay avy araka ny nataony. Miaro anao amin’ny inona ny “fiadian’ Andriamanitra [rehetra]”? Inona no azonao atao mba hitafiana feno kokoa hatrany isan’andro ny fitaovam-piadiana amam-piarovana tsirairay avy?

Jereo koa ny 2 Nefia 1:23; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 27:15–18.

Sary
famantarana ny fandalinan’ny mpianakavy

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Efesiana 1:10.Mba hampianarana io andininy io dia nampiasa ohatra momba ny tady iray ny Loholona David A. Bednar (jereo ny “Hanangona ny zavatra rehetra ho iray ao amin’i Kristy”). Hevero ny hampiseho tady an’ireo olona ao amin’ny fianakaviana dia avelao izy ireo hihazona sy handinika izany eo am-pizaranao ny ampahany amin’ny hafatry ny Loholona Bednar. Ahoana no hanangonan’ Andriamanitra ny zavatra rehetra ho iray ao amin’i Kristy? Inona no fitahiana azontsika noho io fanangonana io?

Efesiana 2:4–10; 3:14–21.Asao ireo olona ao amin’ny fianakaviana hizara traikefa izay nahatsapany ny fitiavana sy famindram-pon’ Andriamanitra sy i Jesoa Kristy izay voalazalaza ao amin’ireo andininy ireo.

Efesiana 2:12–19.Mety ho ankafizin’ny fianakavianao ny manangana rindrina vita amin’ny ondana na zavatra hafa ao an-trano dia mandrodana izany avy eo. Raha toa i Paoly ka niresaka ilay “efitra” nanasaraka ny Jentilisa sy ny Jiosy, dia inona no karazana efitra manasaraka ny olona amin’izao fotoana izao? Ahoana no nandravan’i Jesoa Kristy ireo efitra na rindrina ireo? Ahoana no “[hampihavanany] antsika … amin’ Andriamanitra”? (andininy 16).

Efesiana 6:10–18.Azon’ny fianakavianao atao ny mamorona ny “fiadian’ Andriamanitra” izay azy ireo manokana amin’ny alalan’ny fitaovana fampiasa ao an-tokantrano. Miaro antsika amin’ny lafiny ara-panahy amin’ny fomba ahoana ireo fitaovam-piarovana amam-piadiana tsirairay avy? Inona no azontsika atao mba hifanampiana isan’andro amin’ny “[fitafiana] ny fiadian’ Andriamanitra” (Efesiana 6:11)?

Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.

Hira aroso mba hohiraina: “Ô vaillants guerriers d’Israël,” Cantiques, no. 169.

Manatsara ny fandalinan’ny tena manokana

Avelao ny Fanahy hitarika ny fandalinanao. Henoy tsara ny Fanahy eo am-pitarihany anao amin’ireo zavatra izay mila ianaranao isan’andro, na dia mitarika anao amin’ny fandalinana lohahevitra izay tsy nokasainao hohalalinina aza izany.

Sary
Lehilahy mitafy fitaovam-piarovana amam-piadiana tamin’ny andron’ny Testamenta Vaovao

Ny fitafiana ireo fitaovam-piarovana amam-piadian’ Andriamanitra dia afaka miaro antsika ara-panahy.

Hamoaka printy