Testamenta Vaovao 2023
16–22 ôktôbra. 1 sy 2 Tesaloniana: “Hahatanteraka ny tsy ampy amin’ny finoanareo”


“16–22 ôktôbra. 1 sy 2 Tesaloniana: -Hahatanteraka ny tsy ampy amin’ny finoanareo,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Vaovao 2023 (2022)

“16–22 ôktôbra. 1 sy 2 Tesaloniana,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2023

Sary
misiônera vavy miresaka amin’ny lehilahy iray

16–22 ôktôbra

1 sy 2 Tesaloniana

“Hahatanteraka ny tsy ampy amin’ny finoanareo”

Raha tsy raketintsika ireo fahatsapana azontsika avy amin’ny Fanahy dia mety hanadino azy ireny isika. Inona no zavatra bitsihin’ny Fanahy anao mba horaketina eo am-pamakiana ny 1 sy 2 Tesaloniana?

Raketo ireo zavatra tsapanao

Tao Tesalonika i Paoly sy i Silasy dia voampanga ho “namadika izao tontolo izao” (Asan’ny Apostoly 17:6). Nahatezitra ny mpitarika sasany teo anivon’ireo Jiosy ny fampianaran’izy ireo, ary ireo mpitarika ireo no nahatonga ny vahoaka hitroatra (jereo ny Asan’ny Apostoly 17:1–10). Vokatr’izany dia notoroina hevitra hiala an’i Tesalonika i Paoly sy i Silasy. Nanahy ny amin’ireo Tesaloniana vao niova fo sy ny fanenjehana natrehan’izy ireo i Paoly, saingy tsy afaka niverina hitsidika azy ireo izy. “Izaho koa, raha tsy naharitra intsony,” hoy ny nosoratany, “dia naniraka hahafantatra ny finoanareo.” Ho valin’izany dia “nilaza teny soa taminay ny amin’ny finoanareo sy ny fitiavanareo” i Timoty, mpiara-miasa mpanampy an’i Paoly, izay nanompo tany Tesalonika (1 Tesaloniana 3:5–6). Eny tokoa, ireo Olomasina tao Tesalonika dia fantatra ho ohatra ho an’ “ny mino rehetra” (1 Tesaloniana 1:7), ary niparitaka tany amin’ireo tanàna ivelany hafa ny vaovao momba ny finoan’izy ireo. Alaivo sary an-tsaina ny hafaliana sy ny fahamaivanana tsapan’i Paoly raha nandre fa “tsy foana” (1 Tesaloniana 2:1) ny asa nataony teo anivon’izy ireo. Saingy fantatr’i Paoly fa tsy ampy hahavelona ara-panahy amin’ny hoavy ny fahatokiana tamin’ny lasa, sady nampiahiahy azy ny fitaomana entin’ireo mpampianatra sandoka teo anivon’ireo Olomasina (jereo ny 2 Tesaloniana 2:2–3). Ny hafany ho azy ireo, sy ho antsika, dia ny hanohizana “hahatanteraka ny tsy ampy amin’ny [finoantsika]” sy “hitombo bebe kokoa” amin’ny fitiavana (jereo ny 1 Tesaloniana 3:10; 4:10).

Sary
famantarana ny fandalinan’ny tena manokana

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina

1 Tesaloniana 1–2

Ireo mpianatr’i Kristy dia manompo ny hafa amin’ny fahatsoram-po sy fitiavana.

Ao amin’ny 1 Tesaloniana dia sady maneho fanahiana no maneho ny hafalian’ny olona iray izay nanolo-tena tanteraka hanompo ireo zanak’ Andriamanitra ny tenin’i Paoly. Ianao dia hahita, indrindra fa ao amin’ireo toko roa voalohany ao amin’ny 1 Tesaloniana, teny sy andian-teny izay manoritsoritra ny toe-tsaina sy zavatra ataon’ny mpianatry ny Tompo. Ohatra, inona no ianaranao avy amin’ny 1 Tesaloniana 1:5–8; 2:1–13 mikasika ny fanompoana ny Tompo?

Eritrereto ireo fahafahana manokana anananao hanompoana an’ Andriamanitra sy ireo zanany. Inona no hitanao ao amin’ireo toko ireo ka manentana anao hanatsara ny asa fanompoanao? Hevero ny hametraka fanontaniana amin’ny tenanao miainga avy amin’ny zavatra hitanao, toy ny hoe: “Moa ve aho fianarana ho an’ny hafa ny amin’ireo zavatra izay fantatro?” (jereo ny 1 Tesaloniana 1:7).

1 Tesaloniana 3:7–13; 4:1–12

“Hampitombo sy hampandroso anareo amin’ny fifankatiavana.”

Nifaly tamin’ny fahatokian’ireo Olomasina Tesaloniana i Paoly (jereo ny 1 Tesaloniana 3:7–9). Naniry azy ireo mba “[hampitombo] bebe kokoa” izany fahatokiana izany koa izy (1 Tesaloniana 4:1). Eo am-pamakianao ny 1 Tesaloniana 3:7–13; 4:1–12, dia saintsaino ireo fomba hahafahanao “[hitombo] bebe kokoa” ara-panahy (1 Tesaloniana 4:10). Ohatra, mariho fa nampiasa teny toy ny hoe “fahamasinana” sy “hanamasinana” i Paoly. Inona no ianaranao avy amin’ny zavatra nosoratan’i Paoly mikasika ny dikan’ireo teny ireo? Ahoana no hanampian’ny Mpamonjy anao mba ho lasa masina kokoa sy hohamasinina?

Jereo koa ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Masina,” “Fanamasinana,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org.

1 Tesaloniana 4:16–18; 5:1–10; 2 Tesaloniana 1:4–10

Raha mahatoky sy mitandrina aho dia ho vonona ho amin’ny Fiavian’ny Mpamonjy fanindroany.

Ao amin’ny 1 Tesaloniana 5:1–10, i Paoly dia mampiasa fanoharana maro mba hampianarana fahamarinana manan-danja momba ny fotoana hiverenan’i Jesoa eto an-tany. Rehefa mandalina ireo fanoharana ireo ianao dia eritrereto ny hanoratra ireo fahatsapana izay tonga ao aminao mahakasika ny Fiavian’i Jesoa Kristy fanindroany:

  • “Mpangalatra amin’ny alina”:

  • “Ny fahararian’ny vehivavy raha miteraka”:

  • Fanoharana hafa hitanao:

Inona avy ireo fahamarinana fanampiny ianaranao ao amin’ny 1 Tesaloniana 4:16–18; 5:1–10; 2 Tesaloniana 1:4–10? Inona no bitsihin’ny Fanahy fa tokony hataonao mba hiambenana sy hiomanana ho amin’ny fiavian’ny Mpamonjy?

Jereo ihany koa ny D. Todd Christofferson, “Miomana ho amin’ny fiverenan’ny Tompo,” Liahona, mey 2019, 81–84.

2 Tesaloniana 2

Hisy Apôstazia, na fihemorana amin’ny fahamarinana, naminaniana hialoha ny Fiaviana Fanindroany.

Teo anivon’ireo fanenjehana tsy nitsaha-nitombo dia maro tamin’ireo Olomasina tao Tesalonika no nino fa tsy maintsy efa akaiky ny Fiavian’ny Mpamonjy fanindroany. Saingy nahafantatra anefa i Paoly fa mialoha ny hiverenan’i Jesoa eto an-tany dia hisy apôstazia, izay fikomiana na “fihemorana” amin’ny fahamarinana (jereo ny 2 Tesaloniana 2:1–4). Afaka mampitombo ny fahatakaranao ny Apôstazia lehibe, sy ny fankasitrahanao ny Famerenana amin’ny laoniny ianao amin’ny alalan’ny fisaintsainana ny sasany amin’ireto manaraka ireto:

  • Soratra masina izay naminany ny Apôstazia: Isaia 24:5; Amosa 8:11–12; Matio 24:4–14; 2 Timoty 4:3–4

  • Soratra masina izay maneho fa efa nanomboka tamin’ny andron’i Paoly ny Apôstazia: Asan’ny Apostoly 20:28–30; Galatiana 1:6–7; 1 Timoty 1:5–7

  • Fandinihan’ireo Kristiana mpanavao momba ny Apôstazia lehibe:

    Martin Luther: “Tsy nikatsaka afa-tsy ny hanavao ny Fiangonana hifanaraka amin’ny Soratra Masina aho. … Milaza fotsiny aho hoe nijanona tsy nisy intsony ny Kristianisma teo anivon’ireo izay tokony ho nitahiry izany” (ao amin’ny E. G. Schweibert, Luther and His Times: The Reformation from a New Perspective [1950], 590).

    Roger Williams: “Ny Apôstazia … dia efa nanimba ny rehetra ka tsy ho afaka ny hisy fanasitranana amin’izany apôstazia izany intsony raha tsy mandefa apôstôly vaovao i Kristy mba hanorina indray ny fiangonana” (ao amin’ny Philip Schaff, The Creeds of Christendom [1877], 851).

Jereo ihany koa ny 2 Nefia 28; Sujets de l’Évangile, “Apostasie,” topics.ChurchofJesusChrist.org.

Sary
famantarana ny fandalinan’ny mpianakavy

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

1 Tesaloniana 3:9–13.Inona no manaitra anao amin’ny fahatsapana nananan’i Paoly ho an’ireo namany? Ahoana no hahafahantsika “hampitombo sy hampandroso [antsika] amin’ny fifankatiavana”? (andininy 12).

1 Tesaloniana 4:13–18.Andian-teny inona ao amin’ireo andinin-tsoratra masina momba ny Fitsanganana amin’ny maty ireo no mankahery anao?

1 Tesaloniana 5:14–25.Eo am-pandinihanao ny torohevitr’i Paoly ao amin’ny 1 Tesaloniana 5:14–25, dia asao ny olona tsirairay ao amin’ny fianakaviana hitady andian-teny iray izay azon’ny fianakaviana ifantohana. Mitadiava fomba hafa kely hanehoana ireo andian-teny ireo ao an-tokantranonareo mba ho fampahatsiahivana. Ohatra, ny olona tsirairay dia mety hahita sary na hanao sary izay maneho na manamafy ilay andian-teny nosafidiany.

2 Tesaloniana 3:13.Efa nahatsapa ho “ketraka amin’ny fanaovan-tsoa” ve isika, na angamba mahatsapa ho be atao be noho ny zavatra takina amin’ny maha-mpianatry ny Tompo? Inona no manampy antsika rehefa manana fahatsapana toy izany isika? (Jereo ny Galatiana 6:9; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:33.) Ahoana no ahafahantsika mifanohana rehefa mitranga izany toe-javatra izany?

Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.

Hira aroso mba hohiraina: “Miezaka aho ho toa an’i Jesoa,” Bokin-kiran’ny ankizy,, 40–41.

Manatsara ny fandalinan’ny tena manokana

Mikatsaha fanambarana isan’andro. Matetika “andalana hanampy andalana” (2 Nefia 28:30), no fomba ahatongavan’ny fanambarana fa tsy hoe tonga indray mandeha avokoa. … Aza eritreretina ho toy ny zavatra anokananao fotoana ny [fandalinana ny filazantsara] fa ho toy ny zavatra ataonao foana” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy12).

Sary
i Kristy eny amin’ny rahona

Resurrected Christ [I Kristy efa nitsangana tamin’ny maty], nataon’i Robert T. Barrett

Hamoaka printy