Testamenta Vaovao 2023
9–15 ôktôbra. Filipiana; Kolosiana: “Mahay ny zavatra rehetra aho ao amin’[i Kristy] ilay mampahery ahy”


“9–15 ôktôbra. Filipiana; Kolosiana: -Mahay ny zavatra rehetra aho ao amin’[i Kristy] ilay mampahery ahy,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Vaovao 2023 (2022)

“9–15 ôktôbra. Filipiana; Kolosiana,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2023

Sary
I Paoly mampanoratra taratasy avy ao amin’ny fonja

9–15 ôktôbra

Filipiana; Kolosiana

“Mahay ny zavatra rehetra aho ao amin’[i Kristy] ilay mampahery ahy”

Oviana ny fotoana farany namakianao ireo fahatsapana ara-panahy noraketinao nandritra ny fandalinanao ny Testamenta Vaovao? Mety hanampy ny mamerina mijery ireo bitsika izay noraisinao.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Fony mbola tany am-ponja i Paoly no nanoratra ny epistiliny ho an’ny Filipiana sy ny Kolosiana. Kanefa ireo taratasy ireo dia tsy mitovy amin’ny taratasy izay mety ho nosoratan’ny olona iray any am-ponja. Niresaka kokoa momba ny fifaliana sy ny fankasitrahana izy fa tsy mba momba ny fahoriana sy ny fitsapana: “Kristy no torina,” hoy izy, “ary mifaly amin’izany aho; eny, mbola hifaly ihany aho” (Filipiana 1:18). Ary “na dia tsy manatrika anareo amin’ny nofo aza aho, dia manatrika anareo ihany amin’ny fanahy ka mifaly sy mijery ny filaminanareo sy ny tsi-fiovan’ny finoanareo an’i Kristy” (Kolosiana 2:5). Azo antoka fa ilay “fiadanan’ Andriamanitra” izay niainan’i Paoly tao anatin’ireo toe-javatra sarotra ireo dia “mihoatra noho ny fahalalana rehetra” (Filipiana 4:7), saingy tena zava-nisy niainany anefa izany. Ao anatin’ny fitsapana atrehantsika isika dia afaka mahatsapa io fiadanana io ka “[hifaly] mandrakariva amin’ny Tompo” (Filipiana 4:4). Afaka miantehitra tanteraka amin’i Jesoa Kristy, “izay ananantsika fanavotana” isika tahaka ny nataon’i Paoly (Kolosiana 1:14). Afaka miteny, tahaka ny nataon’i Paoly, isika hoe, “Mahay ny zavatra rehetra aho ao amin’[i Kristy] ilay mampahery ahy” (Filipiana 4:13; jereo koa ny Kolosiana 1:11).

Sary
famantarana ny fandalinan’ny tena manokana

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina

Filipiana 2:5–11; Kolosiana 1:12–23

Miorina amin’i Jesoa Kristy ny finoako.

Nilaza ny Filoha Russell M. Nelson fa rehefa nampifantoka ny fandalinany soratra masina tamin’ireo andinin-tsoratra masina momba an’i Jesoa Kristy izy dia nisy fiantraikany lehibe tokoa teo aminy izany ka nahatsapa ho niova izy. (“Misintona ny herin’i Jesoa Kristy ho eo amin’ny fiainantsika,” Liahona, mey 2017, 39). Hevero ny hanaraka ny ohatra nasehony eo am-pamakianao ny Filipiana sy ny Kolosiana (jereo indrindra indrindra ny Filipiana 2:5–11; Kolosiana 1:12–23). Inona no nianaranao momba ny Mpamonjy? Ahoana no ahafahan’ireo fahamarinana ireo manampy anao ho lasa lehilahy na vehivavy mahatsapa ho niova?

Filipiana 2:12–13

“[Miasa ve isika] hahatanteraka ny famonjena [antsika]”?

Ny olona sasany dia mampiasa ny andian-teny hoe “miasà … hahatanteraka ny famonjena anareo” (Filipiana 2:12) mba hanohanana ilay hevitra hoe ny ezaka ataontsika ihany no hamonjena antsika. Ny hafa dia mampiasa ny fampianarana hafa nataon’i Paoly hoe “fahasoavana no namonjena anareo amin’ny alalan’ny finoana” (Efesiana 2:8) mba hilazana fa tsy misy asa takina mba hahazoana famonjena. Ny soratra masina anefa, anisan’izany ireo asasoratr’i Paoly, dia mampianatra mazava tsara ny ilana azy roa, dia ny fahasoavan’i Jesoa Kristy sy ny ezaky ny tena manokana mba hahazoana famonjena. Ary na dia manao ny ezaka tsara indrindra vitantsika aza isika mba hiasana ho an’ny famonjena antsika, dia “Andriamanitra no miasa ao anatinareo” (Filipiana 2:13; jereo koa ny Filipiana 1:6; 2 Nefia 25:23; Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Fahasoavana”).

Filipiana 3:4–14

Mendrika ny hanaovana ny fahafoizan-tena rehetra ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

Nahafoy zavatra betsaka i Paoly rehefa niova fo ho amin’i Jesoa Kristy, anisan’izany ilay toerana ambony nohazoniny tao amin’ny fiarahamonina Jiosy tamin’ny naha-Fariseo azy. Tadiavo ao amin’ny Filipiana 3:4–14 ny zavatra azon’i Paoly satria vonona ny hahafoy tena ho an’ny filazantsara izy. Inona no tsapany momba ireo fanoloran-tena nataony?

Dia diniho avy eo ny fanarahanao dia an’i Jesoa Kristy. Inona no efa nafoinao ho an’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy? Inona no azonao? Misy fahafoizana fanampiny ve tsapanao fa ilainao atao mba hahatonga anao ho lasa mpanaradia ny Mpamonjy be fanoloran-tena kokoa?

Jereo koa ny 3 Nefia 9:19–20; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58:2–5; Taylor G. Godoy, “Andro iray sisa,” Liahona, mey 2018, 34–36.

Filipiana 4:1–13

Afaka mahita fifaliana aho, na inona na inona toe-javatra iainako.

Ny fiainan’i Paoly dia ohatra tsara momba ilay fahamarinana nolazain’ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “Rehefa amin’i Jesoa Kristy … no fifantohan’ny fiainantsika dia afaka mahatsapa fifaliana isika na inona na inona zava-mitranga—na tsy mitranga—eo amin’ny fiainantsika. Avy Aminy sy noho ny Aminy ny fifaliana” (“Fifaliana sy fahavelomana ara-panahy,” Liahona, nôv. 2016, 82).

Eo am-pamakianao ny Filipiana, indrindra fa ny toko 4 dia tadiavo ireo fehezan-teny izay mety hanampy anao hahita fifaliana amin’ny zava-mitranga amin’ny fiainanao. Oviana ianao no efa niaina “ny fiadanan’ Andriamanitra” nandritra ny fotoan-tsarotra? (andininy 7). Oviana ianao no nahazo hery “[t]ao amin’i Kristy” mba hanao zavatra sarotra? (andininy 13). Nahoana araka ny eritreritrao no manan-danja ny “tsy [mierina]” na mifaly foana na inona na inona toe-java-mitranga? (andininy 11). Manampy anao hahita fifaliana ao amin’ny toe-javatra iainanao amin’ny fomba ahoana ny fampiharana ireo toetra ao amin’ny andininy 8?

Jereo ny Almà 33:23; Dieter F. Uchtdorf, “Mahay mankasitraka na inona na inona toe-javatra misy,” Liahona, mey 2014, 70–77.

Kolosiana 3:1–17

Lasa “vaovao” ny mpanaradia an’i Jesoa Kristy rehefa miaina ny filazantsarany izy ireo.

Ahoana no ahafantaranao raha toa ka manampy anao ho lasa lehilahy na vehivavy “vaovao” i Jesoa Kristy? Fomba iray ahafahana misaintsaina izany ny mamakafaka ny Kolosiana 3:1–17 ary manao lisitra ireo fomba sy toetra ary fihetsika ao amin’ny “toetra taloha” sy lisitra iray hafa ahitana ireo fomba sy toetra ary fihetsika ao amin’ilay “toetra vaovao.”

Raketo ireo eritreritrao mikasika ny fomba hanovan’ny Mpamonjy anao, mba hahafahanao mijery izany indray amin’ny ho avy ary saintsaino ny halehiben’ny fivoaranao.

Sary
famantarana ny fandalinan’ny mpianakavy

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Filipiana.Mety ho tsikaritry ny fianakavianao miverimberina ao amin’ny Filipiana ny teny hoe fifaliana na mifaly. Isaky ny mahita ny iray amin’ireo teny ireo ianareo dia azonareo atao ny mijanona dia mifanakalo hevitra ny amin’ny zavatra nampianarin’ny Paoly momba ny fomba hahazoana fifaliana.

Filipiana 2:14–16.Ahoana no ahafahantsika miseho “tahaka ny fanazavana eo amin’izao tontolo izao”?

Filipiana 4:8.Azon’ny olona ao amin’ny fianakavianao atao ny mamantatra zavatra tokony hoheverina izay mifanaraka amin’izay voalazalaza ao amin’io andininy io (jereo koa ny Fanekem-pinoana 1:13). Inona no mety ho fitahiana ho azon’ny fianakavianao avy amin’ny fanarahana ny torohevitr’i Paoly?

Kolosiana 1:23; 2:7.Azon’ny fianakavianao atao angamba ny mamaky ireo andininy ireo sady mipetraka manodidina ny hazo iray na mijery sarina hazo iray (tahaka ilay iray nampiarahana amin’ity rindran-damina ity). Inona no dikan’ny hoe “mafy orina” sy “mamaka tsara” ao amin’i Kristy? Ahoana no ahafahantsika mifanampy amin’ny fanamafisana ny fakantsika ara-panahy?

Kolosiana 2:2–3.Mety ho tian’ny fianakavianao ny “hikaroka harena miafina” amin’ny alalan’ny zavatra izay maneho ny “harena” sy ny “rakitry ny fahendrena sy ny fahalalana” izay hitanareo ao amin’ny filazantsara.

Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.

Hira aroso mba hohiraina: “Hosanna au grand Roi!,” Cantiques, no. 34.

Manatsara ny fampianarantsika

Iaino ny fijoroana ho vavolombelona anananao. Ny Loholona Neal A. Maxwell dia nampianatra hoe: “Ny toetranao dia hita taratra any amin’ny fampianarana ampitainao.” “Ho tsaroana kokoa ireo toetranareo … noho ny fahamarinana miavaka iray nampitaina nandritra ny lesona iray” (ao amin’ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy,13).

Sary
Hazo misy fakany maro

Nampianatra i Paoly fa ny finoantsika dia tokony ho “mamaka tsara” ao amin’i Jesoa Kristy (Kolosiana 2:7).

Hamoaka printy