Testamenta Vaovao 2023
9–15 ôktôbra. Filipiana; Kolosiana: “Mahay ny zavatra rehetra aho ao amin’ilay mampahery ahy”


“9–15 ôktôbra. Filipiana; Kolosiana: -Mahay ny zavatra rehetra aho ao amin’ilay mampahery ahy,-” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny Kilonga: Testamenta Vaovao 2023 (2022)

“9–15 ôktôbra. Filipiana; Kolosiana,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2023

Sary
I Paoly mampanoratra taratasy avy ao amin’ny fonja

9–15 ôktôbra

Filipiana; Kolosiana

“Mahay ny zavatra rehetra aho ao amin’Ilay mampahery ahy”

Vako ny Filipiana sy ny Kolosiana, sady eritrereto ny amin’ireo ankizy ampianarinao. Mikatsaha fitaomam-panahy momba ny fomba hampianarana azy ireo ireo fitsipika ao anatin’ireo epistily ireo.

Sary
Sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Anontanio ny ankizy ny zavatra nataon’izy ireo mba hanaovana asa nifanaraka tamin’ny zavatra izay nianaran’izy ireo nandritra ny kilasy tamin’ny herinandro farany teo. Ohatra, tamin’ny fomba ahoana no nanampian’izy ireo olona iray izay nila namana?

Sary
Sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy kely

Filipiana 1:3–4; Kolosina 1:3,9

Tia ahy sy mivavaka ho ahy ireo mpitarika ato amin’ny Fiangonana.

Matetika i Paoly no nanomboka ny epistiliny tamin’ny fanehoana fitiavana ho an’ireo mpikamban’ny Fiangonana sy ny filazana tamin’izy ireo fa nivavaka ho azy ireo izy. Diniho ny fomba ahafahanao manampy ny ankizy hahatakatra fa tia azy ireo ireo mpitarika ato amin’ny Fiangonana.

Atrikasa azo atao

  • Vakio mafy ny Filipiana 1:3–4 sy ny Kolosiana 1:3,9 ary asaivo mamoritra ny tanany sy manondrika ny lohany ny ankizy isaky ny maheno ireo teny hoe mivavaka, fivavahana, sy fangatahana. Hazavao fa ny Apôstôly Paoly dia nivavaka ho an’ireo mpikamban’ny Fiangonana, tahaka ny hivavahan’ireo mpitarika ato amin’ny Fiangonana ho antsika ankehitriny.

  • Mampisehoa sarin’i Jesoa Kristy ary vakio ny sasany amin’ireo andinin-tsoratra masina izy milazalaza momba Azy nivavaka ho an’ny olona iray (ohatra, Lioka 22:32; 3 Nefia 19:21,23). Inona no nangatahin’i Jesoa rehefa nivavaka ho an’ny hafa Izy?

  • Ampio ny ankizy mba hilaza ny anaran’ny sasany amin’ireo mpitarika azy ireo ato amin’ny Fiangonana, toy ny filohan’ny Kilonga, ny eveka, ary ny Filohan’ny Fiangonana. Hazavao fa ireo mpitarika ireo dia mangataka amin’ny Ray any An-danitra mba hitahy ireo zanany sy hanampy azy ireo hiaina amim-pahamarinana. Lazao amin’ny ankizy izay lazainao rehefa mivavaka ho azy ireo ianao.

Filipiana 4:4,8

Afaka mifaly ao amin’ny Tompo aho.

Namporisika ny Olomasina mba hifaly i Paoly, na dia niatrika fisedrana mafy aza izy ireo ary na dia nampidirina am-ponja mihitsy aza i Paoly. Amin’ny fomba ahoana no hanampianao ny ankizy hahita fa mitondra fifaliana ny fanarahana an’i Jesoa Kristy?

Atrikasa azo atao

  • Angataho ny ankizy mba hihaino ny teny iray miverimberina rehefa mamaky ny Filipiana 4:4 ianao. Asaivo asehon’ny ankizy aminao ny zavatra ataon’izy ireo rehefa mifaly izy ireo. Lazao ny ankizy ny antony “[mampifaly anao] amin’ny Tompo”, hoe nahoana ianao no mahatsapa hafaliana noho ny amin’i Jesoa Kristy. Avelao ny ankizy hizara ny zavatra tsapany momba an’i Jesoa.

  • Mampisehoa zavatra na sary izay maneho ireo zavatra izay manampy anao “[hifaly … ] amin’ny Tompo” (Filipiana 4:4), toy ireo zavaboariny, tempoly iray, ny Fitsanganany tamin’ny maty, na fianakaviana iray. Avelao ny ankizy hifandimby hisafidy sary na zavatra iray, dia lazao amin’izy ireo hoe nahoana izany no mahatonga anao ho faly. Asao izy ireo mba hizara ireo zavatra izay mety hanampy azy ireo hifaly ao amin’ny Tompo.

  • Iaraho mamaky ny Filipiana 4:8, ary ampio ireo ankizy mba hieritreritra ireo zavatra izay mifandray amin’ireo famaritana ao amin’ilay andininy (jereo ihany koa ny Fanekem-pinoana 1:13). Asao ireo ankizy hanao sary mahakasika ireo zavatra ireo.

Kolosiana 1:23; 2:6–7

Tokony ho “mafy orina” ao amin’i Jesoa Kristy ny finoako.

Raha manorina ny fiainany sy ny finoany eo amin’ny Mpamonjy ny ankizy dia ho afaka ny hahatohitra ireo tafiotry ny fiainana izy ireo.

Atrikasa azo atao

  • Ampisehoy ilay sarina hazo ao amin’ny rindran-dramina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana eo am-pamakiana ireo andian-teny manan-danja avy ao amin’ny Kolosiana 1:232:6–7.  Inona no hitranga amin’io hazo io raha toa ka tonga ny tafiotra iray kanefa tsy nanana faka matanjaka ilay hazo? Avelao ny ankizy mba hijoro sy mody hanao toy ny hazo iray izay manana faka malemilemy, ary avy eo hazo iray izay manana faka matanjaka. Mijoroa ho vavolombelona fa ny Mpamonjy dia manampy antsika ho toa ilay hazo manana faka matanjaka. Amin’izay isika dia afaka hahatohitra ireo “tafiotra” ara-panahy, toy ireo fakam-panahy sy ireo fotoan-tsarotra.

  • Asao ny ankizy iray mba hanao sarina hazo iray eny amin’ny solaitrabe. Asaivo lazain’ny ankizy ireo zavatra azon’izy ireo atao mba ho “mafy orina” ao amin’i Jesoa Kristy. Isaky ny milaza zavatra iray ny ankizy iray dia asao izy mba hanampy faka iray eo amin’ilay sary.

Sary
Sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy lehibe

Filipiana 4:4–13

Afaka ny ho faly aho na dia mandritra ny fotoan-tsarotra aza raha toa ka manana finoana an’i Jesoa Kristy.

Niaritra fitsapana maro i Paoly, saingy faly izy satria nanana finoana an’i Jesoa Kristy.

Atrikasa azo atao

  • Asaivo alain’ny ankizy sary an-tsaina hoe any am-ponja izy ireo, tahaka ny Apôstôly Paoly rehefa nanoratra ny Epistily ho an’ny Filipiana izy. Vakio miaraka amin’ny ankizy ny Filipiana 4:4–13 ary asaivo mitady ireto teny manaraka ireto izy ireo: “mifalia,” “fiadanana,” “tsy hierina.” Nahoana no afaka nifaly sy nahatsapa fiadanana i Paoly na dia tany am-ponja aza? Ampio ny ankizy hitady ireto teny hoe: “Tompo,” “Andriamanitra,” ary “Kristy” ao amin’ireo andininy ireo. Ampio izy ireo hahatakatra fa ny finoan’i Paoly an’i Jesoa Kristy dia nahatonga azy ho afaka nifaly.

  • Asao ny ankizy hanampy anao hameno ireo fehezan-teny tahaka izao manaraka izao: “Mety ho ao anatin’ny maizina aho kanefa mbola mahita ihany raha toa aho ka manana Mety ho eny ivelan’ny trano aho mandritra ny andro mahamay kanefa mbola mahatsapa ho mangatsiatsiaka ihany raha toa aho ka manana Mety handalo fotoan-tsarotra aho kanefa mbola mahita fifaliana ihany raha toa aho ka .” Inona no aroson’ny Filipiana 4:4–13 fa azontsika atao mba hahitana fifaliana? Asao ny ankizy hizara hira fihirana na soratra masina momba an’i Jesoa izay afaka manampy azy ireo hahatsapa fifaliana mandritra ny fotoan-tsarotra.

Filipiana 4:8

Afaka mihevitra ireo zavatra izay marina sy mahitsy ary madio aho.

Matetika ny ankizy no tafiatrika zavatra ratsy sy tsy madio. Afaka manampy azy ireo ianao mba hikatsaka ireo zavatra izay mahate-ho-tia sy misy hatsaram-panahy.

Atrikasa azo atao

  • Asaivo mamaky mafy ny Filipiana 4:8 ny ankizy iray ka mandritra izany ny ankizy hafa dia mitady teny mitovy na sahala amin’izany ao amin’ny Fanekem-pinoana 1:13. Manasà olona iray mba hanoratra ireo teny ireo eny amin’ny solaitrabe. Anontanio ny ankizy ny dikan’ireo teny ireo, ary ampio izy ireo hamaritra azy ireo raha ilaina. Nahoana isika no tokony hihevitra ireo teny ireo? Ahoana no fomba hikatsahantsika azy ireny?

  • Asaivo milaza ireo zavatra izay mifanaraka amin’ireo famaritana ao amin’ny Filipiana 4:8 ny ankizy. Asao izy ireo mba hanao ny lisitr’ireo zavatra izay mety ho tsikaritr’izy ireo amin’ity herinandro ity ka mifanaraka amin’ireo famaritana ireo. Amporisiho izy ireo mba hitondra ny lisitr’izy ireo ao amin’ny Kilonga amin’ny herinandro manaraka ka hizara ny zavatra hitan’izy ireo.

Kolosiana 1:23; 2:6–7

Tokony ho “mafy orina” ao amin’i Jesoa Kristy ny finoako.

Miezaka ny hampalemy ny finoan’ny ankizy i Satana amin’ny alalan’ireo fakam-panahy sy fotopampianaran-diso. Inona no fomba ahafahanao mitaona ny ankizy mba hampatanjaka ny finoan’izy ireo ny Mpamonjy ka “tsy mety hafindra hiala amin’ny fanantenana avy amin’ny filazantsara” izy ireo? (Kolosiana 1:23).

Atrikasa azo atao

  • Asao ny ankizy mba hanao sary izay maneho ireo fahamarinana hita ao amin’ny Kolosiana 1:23; 2:6–7. Avelao izy ireo mba hizara ny sariny amin’ny iray kilasy ary hanazava ireo fahamarinana asehon’ny sary nataon’izy ireo.

  • Inona avy ireo fakam-panahy sy fotopampianaran-diso eto amin’izao tontolo izao ankehitriny izay mety handemy ny finoantsika? Amporisiho ny ankizy hanoratra zavatra iray azon’izy ireo hatao mba hampatanjahana ny finoan’izy ireo mba hahafahan’izy ireo “ [hiorina] mafy” (Kolosiana 2:7) ao amin’i Jesoa Kristy. Asaivo apetak’izy ireo amina toerana ahafahan’izy ireo mahita izany isan’andro izany.

Sary
Sary famantarana ny fianarana

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Asao ny ankizy mba hizara amin’ny fianakaviany ny zavatra nianaran’izy ireo momba an’i Jesoa Kristy. Azon’izy ireo ampiasaina ny pejy misy ny atrikasa ho an’ity herinandro ity na ny soratra masina iray izay novakin’izy ireo nandritra ny fampianarana androany.

Manatsara ny fampianarantsika

Liana sy tia mianatra amin’ny alalan’ny fomba vaovao sy isan-karazany ny ankizy. Manaova atrikasa izay manampy ny ankizy hihetsiketsika, sy hampiasa ny retsi-pamantarany rehetra, sy hamantatra, ary hanandrana zavatra vaovao. Afaka manampy ireo tolo-kevitra ao amin’ny “Manome ireo zavatra ilain’ny ankizy kely” any amin’ny fiantombohan’ity loharanom-pitaovana ity. (Jereo ihany koa ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 25–26).

Hamoaka printy