Testamenta Vaovao 2023
19–25 jona. Matio 27; Marka 15; Lioka 23; Jaona 19: “Vita”


“19–25 jona. Matio 27; Marka 15; Lioka 23; Jaona 19: -Vita,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Vaovao 2023 (2022)

“19–25 jona. Matio 27; Marka 15; Lioka 23; Jaona 19,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2023

Sary
I Kristy eo anatrehan’i Pilato

Ecce Homo [Indro ilay Lehilahy], nataon’i Antonio Ciseri

19–25 jona

Matio 27; Marka 15; Lioka 23; Jaona 19

“Vita”

Ny Matio 27; Marka 15; Lioka 23; ary ny Jaona 19 dia ahitana ny fanazavana ireo ora farany niainan’ny Mpamonjy teto an-tany. Katsaho ny hahatsapa ny fitiavany anao rehefa mandalina ny sorona nataony sy ny fahafatesany ianao.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Tamin’ny teny sy ny zavatra rehetra nataon’i Jesoa Kristy dia naneho fitiavana madio Izy, izay nantsoin’i Paoly Apôstôly hoe fiantrana (jereo ny 1 Korintiana 13). Nandritra ireo ora farany niainan’ny Mpamonjy teto an-tany izany no tena niseho. Ny fahanginana mendri-kaja nasehony teo anatrehan’ireo fanendrikendrehana dia naneho fa Izy dia “tsy mora sosotra” (1 Korintiana 13:5). Ny fahavononany hanaiky ny kapoka sy ny fanarabiana ary ny fanomboana, nefa sady nanakana ihany koa ny heriny tsy hampitsahatra ny fijaliany, dia naneho fa Izy dia “mahari-po” sy “mandefitra ny zavatra rehetra” (1 Korintiana 13:4, 7). Ny fangorahany ny reniny sy ny famindram-po nasehony ho an’ireo izay nanombo Azy, na nandritra ny fijaliany izay tsy misy toy izany aza, dia nanambara fa Izy dia “tsy mitady ny azy” (1 Korintiana 13:5). Tao anatin’ireo fotoana farany niainany teto an-tany i Jesoa dia nanao izay efa nataony nandritra ny asa fanompoany teto an-tany, dia ny nampianatra tamin’ny alalan’ny fisehoana ho ohatra. Eny tokoa, ny fiantrana dia ny “fitiavana madion’i Kristy” (Môrônia 7:47).

Sary
famantarana ny fandalinan’ny tena manokana

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina

Matio 27; Marka 15; Lioka 23; Jaona 19

Ny fahavononan’i Jesoa Kristy hijaly dia maneho ny fitiavany ny Ray sy antsika rehetra.

Na dia nanana ny hery hiantsoana “anjely [amin’ny] legiona” (Matio 26:53) aza ny Mpamonjy dia nisafidy an-tsitrapo ny hiaritra fitsarana tsy rariny sy fanesoana mafy ary fanaintainana ara-batana Izy. Nahoana Izy no nanao izany? “Noho ny lemim-panahiny sy ny fitiavany,” hoy i Nefia, “ary ny faharipony amin’ny zanak’olombelona” (1 Nefia 19:9).

Sary
I Kristy milanja hazofijaliana

“Ary Izy nitondra ny hazo fijaliany, dia nankany … Golgota” (Jaona 19:17).

Azonao atomboka amin’ny famakiana ny 1 Nefia 19:9 ny fandalinanao ireo ora farany niainan’ny Mpamonjy. Aiza ao amin’ny Matio 27; Marka 15; Lioka 23; ary Jaona 19 no ahitanao ny ohatry ny zavatra tsirairay nolazain’i Nefia fa nozakain’i Jesoa?

  • “Hihevitra Azy ho tsinontsinona [izy ireo]”

  • “Karavasiny Izy”

  • “Asiany Izy”

  • “Rorany Izy”

Inona ny andinin-tsoratra masina manampy anao hahatsapa ny lemim-panahy sy ny fitiavan’ny Mpamonjy? Inona koa ny eritreritra sy fahatsapana tonga ao aminao rehefa mamaky ireo tantara ireo? Hevero ny handray an-tsoratra na hizara azy ireny amina olona.

Matio 27:27–49, 54; Marka 15:16–32; Lioka 23:11, 35–39; Jaona 19:1–5

Tsy afaka manova ny marina ny fanarabiana.

Raha nizaka fanesoana i Jesoa nandritra ny asa fanompoany dia nihamafy kokoa izany nandritra ny fikapohana sy ny fanomboana Azy. Saingy izany fanesoana izany dia tsy nanova ilay fahamarinana hoe: i Jesoa no Zanak’ Andriamanitra. Eo am-pamakianao ny fanalam-baraka nozakain’i Jesoa dia eritrereto ny fanoherana sy fanesoana ny asany amin’izao fotoana izao. Inona no hevi-baovao azonao momba ny fiaretana fanoherana? Inona no manaitra anao amin’ny tenin’ilay kapiteny ao amin’ny Matio 27:54?

Matio 27:46; Marka 15:34

Niaritra fijaliana irery i Jesoa Kristy mba tsy hahatonga ahy ho voatery hiaritra izany.

Nandritra ny iray tamin’ireo fotoana nahonena indrindra niainan’i Jesoa teo amin’ny hazofijaliana dia nahatsapa ho nafoy tampoka teo Izy, izay efa zatra niantehitra foana tamin’ny Ray any An-danitra. Ny famakiana izany dia mety hitarika anao hieritreritra ireo fotoana nahatsapanao ho lavitra an’ Andriamanitra. Mety hosaintsaininao ny fomba hanampian’ny sorona nataon’ny Mpamonjy anao ho afaka handresy izany elanelana izany. Nijoro ho vavolombelona ny Loholona Jeffrey R. Holland hoe: “Noho i Jesoa nandeha irery tanteraka tamin’ny lalana lavitra sy manirery tahaka izany, dia tsy voatery hanao toy izany isika. … Nolazaina mafy toy ny feon’ny anjomara avy eny an-tampon’i Kalvary ilay fahamarinana fa isika dia tsy mba havela irery na oviana na oviana na tsy hampiana, na dia mety mahatsiaro ho toy izany aza isika indraindray” (“Fa tsy mba nisy niaraka taminy,” Liahona, mey 2009, 88). Eritrereto ny fomba azon’ny Mpamonjy hanampiana anao handresy ny fahatsapana ho irery rehefa mamaky ny sisa tavela amin’ny hafatry ny Loholona Holland ianao.

Lioka 23:34

Ny Mpamonjy no ohatry ny famelan-keloka ho antsika.

Inona no tsapanao rehefa mamaky ny tenin’ny Mpamonjy ao amin’ny Lioka 23:34 ianao? Raha niresaka momba ny tenin’ny Mpamonjy ny Filoha Henry B. Eyring dia nampianatra hoe: “Tokony hamela heloka sy tsy hitazona lolom-po amin’ireo izay nanafintohina antsika isika. Nampiseho ohatra ho antsika teo amin’ny hazofijaliana ny Mpamonjy. … Tsy fantatsika izay ao am-pon’ireo olona manafintohina antsika” (“That We May Be One,” Ensign, May 1998, 68). Ahoana ny hanampian’io andininy io anao rehefa manana olana amin’ny famelana olona ianao?

Sary
famantarana ny fandalinan’ny mpianakavy

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Matio 27; Marka 15; Lioka 23; Jaona 19.Mba hanampiana ny fianakavianao hahafantatra ireo zava-nitranga ao amin’ireo toko ireo dia azonao atao ny mizara amin’izy ireo ny “Toko 52: Ny fitsarana an’i Jesoa” sy ny “Toko 53: Nohomboana tamin’ny hazo fijaliana i Jesoa” (ao amin’ny Tantara ao amin’ny Testamenta Vaovao, 133–38). Na azonareo irahana mijery ireo horonan-tsary maneho ireo tranga ireo: “Jésus est condamné devant Pilate” sy ny “Jésus est flagellé et crucifié” ChurchofJesusChrist.org). Azonao atao ny manasa ireo ankizy hamerina hitantara amin’ny tenin’izy ireo manokana. Azon’ny olona ao amin’ny fianakaviana atao ny mizara ny zavatra tsapany ho an’ny Mpamonjy noho ny zavatra niaretany ho antsika.

Matio 27:11–26; Marka 15:1–15; Lioka 23:12–25; Jaona 19:1–16.Nahoana i Pilato no nandefa an’i Jesoa mba hohomboana, na dia fantany aza fa tsy nanan-tsiny i Jesoa? Inona no lesona ianarantsika avy amin’ny zavatra niainan’i Pilato momba ny fijoroana amin’ny zavatra fantatsika fa marina? Mety hanampy ny fianakavianao ny milalao an-tsehatra ireo tantara izay manome fahafahana azy ireo hijoro amin’ny fahamarinana.

Matio 27:46; Lioka 23:34, 43, 46; Jaona 19:26–28, 30.Azonao atao angamba ny manome andraikitra ny olona tsirairay ao amin’ny fianakaviana mba hamaky ny iray na ny maromaro amin’ireo teny nambaran’ny Mpamonjy teo amin’ny hazo fijaliana izay hita ao amin’ireo andininy ireo. Angataho izy ireo hizara ny zavatra nianarany avy amin’ireo teny nambara momba ny Mpamonjy sy ny asa nanirahana Azy ireo.

Marka 15:39.Rehefa namaky momba ny Fanomboana tamin’ny hazo fijaliana ianao dia ahoana no nampatanjahan’izany ny fijoroanao ho vavolombelona fa i Jesoa no ilay “Zanak’ Andriamanitra”?

Jaona 19:25–27.Inona no ianarantsika ao amin’ireo andininy ireo mikasika ny fomba ahafahantsika mitia sy manohana ireo olona ao amin’ny fianakaviana?

Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.

Hira aroso mba hohiraina: “C’est sur la croix,” Cantiques, no. 108.

Manatsara ny fampianarantsika

Makà tahaka ny fiainan’ny Mpamonjy. “Tena manampy ny mandalina ireo fomba nampianaran’ny Mpamonjy, ireo fomba nampiasainy sy ireo zavatra nolazainy. Saingy ilay herin’ny Mpamonjy nentiny nampianatra sy nampitraka ny hafa dia avy amin’ny fomba niainany sy ny toetrany. Rehefa miezaka amim-pahavitrihana bebe kokoa ny hiaina tahaka an’i Jesoa Kristy ianao, dia hanana fahafahana bebe kokoa mba hampianatra tahaka Azy” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy,13).

Sary
I Jesoa eo amin’ny hazo fijaliana

Christ on the Cross [I Jesoa eo amin’ny hazo fijaliana], nataon’i Carl Heinrich Bloch

Hamoaka printy