Testamenta Vaovao 2023
5–11 jona. Jaona 14–17: “Tomoera amin’ny fitiavako hianareo”


“5–11 jona. Jaona 14–17: -Tomoera amin’ny fitiavako hianareo,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Vaovao 2023 (2022)

“5–11 jona. Jaona 14–17,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2023

Sary
Fanasana farany

The Last Supper [Ny fanasana farany], nataon’i William Henry Margeston

5–11 jona

Jaona 14–17

“Tomoera amin’ny fitiavako hianareo”

Eo am-pamakianao ny fampianaran’ny Mpamonjy ao amin’ny Jaona 13–17 dia hanampy anao ny Fanahy Masina hahita ireo hafatra natao ho anao. Raketo ireo fahatsapana voarainao.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Ankehitriny izany dia antsointsika hoe “Fanasana farany,” saingy tsy fantatsika raha tena tsapan’ny mpianatr’i Jesoa, rehefa tafavory izy ireo ho amin’ny fetin’ny Paska fanao isan-taona, fa izany no sakafo farany hiarahan’izy ireo mihinana amin’ny Mpampianany mialoha ny hahafatesany. I Jesoa anefa dia nahafantatra “fa tonga ny fotoan[y]” (Jaona 13:1). Tsy ho ela Izy dia hizaka ilay fijaliana tao Getsemane, ny famadihana sy ny fandavan’ny namany akaiky indrindra, ary ilay fahafatesana feno fanaintainana teo amin’ny hazofijaliana. Na dia nananontanona aza ireo zavatra rehetra hitranga Aminy ireo dia tsy nifantoka tamin’ny Tenany i Jesoa fa tamin’ny fanompoana ireo mpianany. Inona no ilain’izy ireo fantarina any amin’ireo andro sy taona any aoriana any? Ny fampianarana feno fangorahana nomen’i Jesoa ao amin’ny Jaona 14–17 dia manambara ny zavatra tsapany momba ireo mpianany, tamin’izany ary amin’izao. Isan’ireo fahamarinana mankahery nozarainy ny fanomezana toky fa tsy handao antsika velively Izy amin’ny lafiny iray. “Raha mitandrina ny didiko hianareo,” hoy ny fampanantenany “dia hitoetra amin’ny fitiavako” (Jaona 15:10).

Sary
famantarana ny fandalinan’ny tena manokana

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina

Jaona 14–15

Maneho ny fitiavako an’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny fitandremana ny didiny aho.

Rehefa mamaky ny Jaona 13–15 ianao, dia azonao raisina an-tsoratra na asiana marika ny fampiasana tsirairay ny teny hoe fitiavana. Mety tsikaritrao fa ny teny hoe didy dia matetika miverimberina miaraka amin’ny teny hoe fitiavana ao amin’ireo toko ireo. Inona no azonao ianarana mikasika ny fifandraisana misy eo amin’ny fitiavana sy ny didy avy amin’ny fampianaran’ny Mpamonjy? Inona no teny na andian-teny hafa hitanao fa mifandray amin’ny fitiavana ao amin’ireo toko ireo?

Saintsaino hoe inona no fiantraikan’ny fitiavan’ny Mpamonjy teo aminao.

Jereo koa ny Jaona 13:34–35; D. Todd Christofferson, “Hitoetra amin’ny fitiavako,” Liahona, nôv. 2016, 48–51.

Sary
I Jesoa miresaka amin’ireo mpianany

The Last Supper [Ny Fanasana farany], nataon’i Clark Kelley Price

Jaona 14–16

Manampy ahy hanatanteraka ny tanjoko amin’ny maha-mpianatr’i Jesoa Kristy ahy ny Fanahy Masina.

Mety ho nandratra ny fo mihitsy ho an’ireo mpianatra ny nahare fa efa mby hifarana ny fotoana iarahan’izy ireo amin’ny Mpamonjy. Mety ho niahiahy ihany koa izy ireo ny amin’ny hoe ahoana no hifandraisana am-po rehefa tsy eo intsony Izy. Eo am-pamakianao ny Jaona 14–16 dia jereo ny zavatra nolazain’ny Mpamonjy mba hankaherezana azy ireo. Mariho manokana ny zavatra nampianariny azy ireo mikasika ny Fanahy Masina. Inona no ianaranao mikasika ny Fanahy Masina avy amin’ireo tenin’ny Mpamonjy ao amin’ireto andininy manaraka ireto?

Nahoana ireo mpianatra no nila io karazana fanampiana avy amin’ny Fanahy Masina io? Ahoana no nanatanterahan’ny Fanahy Masina ireo anjara andraikitra ireo ho anao? Diniho ny zavatra azonao atao mba hampatanjaka kokoa ny fitaomany eo amin’ny fiainanao.

Jereo ihany koa ny 3 Nefia 19:9; 27:20; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 11:12–14; Mosesy 6:61; Michelle D. Craig, “Fahafahana ara-panahy,” Liahona, nôv. 2019, 19–21.

Jaona 15:1–8

Rehefa mitoetra ao amin’i Kristy aho dia hamoa voa tsara.

Inona araka ny hevitrao ny dikan’ny hoe “tomoera ao amin[’i Kristy]”? (Jaona 15:4). Inona no “voa” mampiseho fa mifamatotra amin’ilay sampana, izay maneho an’i Jesoa Kristy, ianao?

Jaona 17

I Kristy no mpanalalana ho an’ireo mpianany.

Ny tenin’i Jesoa voarakitra ao amin’ny Jaona 17 dia fantatra amin’ny hoe Vavaka fanalalanana. Ao amin’io vavaka io i Jesoa dia nivavaka ho an’ireo Apôstôliny sy “ho an’izay mino [Azy] koa noho ny teniny” (Jaona 17:20). Midika izany fa nivavaka ho anao Izy. Inona no nangatahin’i Jesoa tamin’ny Rainy ho anao sy ho an’ireo mpino rehetra? Inona no ampianarin’izany anao momba ny zavatra tsapany momba anao?

Io vavaka io ihany koa dia mampianatra fahamarinana lalina sy mandrakizay. Inona no fahamarinana hitanao? Eo am-pamakianao an’io toko io dia hevero ny handray an-tsoratra izay ianaranao momba ireto zavatra manaraka ireto:

  • Vavaka

  • Ny fifandraisan’ny Mpamonjy amin’ny Rainy

  • Ny fifandraisan’ny Mpamonjy amin’ireo mpianany

  • Ny fomba tokony hiavahan’ireo mpianatra amin’izao tontolo izao

  • Fahamarinana hafa izay nanaitra anao

Jaona 17:11, 21–23

Ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy dia miray hina tanteraka.

Ao amin’ny vavaka nataony ao amin’ny Jaona 17, i Jesoa dia nanantitrantitra ny firaisany hina amin’ny Ray. Amin’ny fomba ahoana avy no maha-“iray” ny Ray sy ny Zanaka? (Jaona 17:11, 21–23). Mariho fa ny Mpamonjy dia nivavaka mba haha-iray an’ireo mpianany “tahaka ny,” na mitovy amin’ny maha-iray Azy sy ny Rainy (Jaona 17:22). Midika inona izany aminao? Eritrereto ny fifandraisanao amin’ny hafa—ohatra, amin’ny vadinao na ny olona hafa ao amin’ny fianakavianao, ireo mpikambana ao amin’ny paroasinao, ary ireo Kristiana hafa namanao. Inona no ezaka tokony hataonao mba hahatongavana amin’ilay karazana firaisan-kina ananan’i Jesoa amin’ny Ray?

Jereo ihany koa ny Quentin L. Cook, “Fo mifamihina ao amin’ny fahamarinana sy firaisan-kina,” Liahona, nôv. 2020, 18–22; Sharon Eubank, “Amin’ny alalan’ny fiombonam-pihetseham-po no ahazoantsika hery amin’ Andriamanitra,” Liahona, nôv. 2020, 55–57.

Sary
famantarana ny fandalinan’ny mpianakavy

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Jaona 14:5–6.Mety ho tian’ny olona ao amin’ny fianakaviana ny hifandimby hitarika ny fianakavianao eo amin’ny lalana iray. Amin’ny fomba ahoana no maha-“ny lalana” an’i Jesoa? Aiza no itarihany antsika?

Jaona 14:26–27.Inona no maha-samy hafa ny fiadanana atolotr’i Jesoa amin’ny karazana fiadanana “fanomen’izao tontolo izao”? Ireo olona ao amin’ny fianakaviana dia afaka mizara ny fomba nahitan’izy ireo fiadanana sy fampiononana tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina.

Jaona 15:1–8.Mety hahafinaritra ny mamaky ireo andininy ireo any ivelany eo akaikina hazom-boaloboka, na hazo, na zava-maniry hafa. Inona no mitranga amin’ny sampan-kazo iray raha tsoahina amin’ilay zava-maniry? Azonareo resahina ny hoe inona no mampitovy antsika amin’ny sampan-kazo ary ny dikan’ny hoe “tomoera” ao amin’ny Mpamonjy ary “mamoa.”

Jaona 15:17–27; 16:1–7.Nahoana araka ny eritreritrao no nampitandrina ireo mpianany amin’ny fanenjehana i Jesoa Kristy? Amin’ny fomba ahoana no anenjehana ny mpianatr’i Jesoa Kristy ankehitriny? Ahoana no ahafahan’ny torohevitry ny Mpamonjy ao amin’ireo andininy ireo manampy antsika rehefa miatrika fanenjehana isika?

Jaona 16:33.Ahoana no nandresen’i Jesoa Kristy an’izao tontolo izao? Amin’ny fomba ahoana no itondran’ny Sorompanavotany fiadanana sy fankaherezana ho antsika? (jereo koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 68:6).

Jaona 17:21–23.Inona no mety hanampy ny fianakavianao hianatra ny ho iray kokoa tahaka an’i Jesoa Kristy sy ny Ray any An-danitra? Azonareo atao angamba ny miresaka momba-na ekipam-panatanjahantena ankafizina indrindra iray ary ny fomba fiarahan’izy ireo miasa mba hahatratrarana tanjona iombonana iray. Na azonareo atao ny mihaino amboaram-peo na ôrkestra ary mifanakalo hevitra momba ny firaisan-kinan’ireo mpanao mozika mba hanomezana mozika kanto.

Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.

Hira aroso mba hohiraina: “Ny Fanahy Masina,” Bokin-kiran’ny ankizy, 56.

Manatsara ny fampianarantsika

Mampiasà raki-peo. Rehefa mampianatra ny soratra masina amin’ny fianakavianao ianao dia azonao atao ny mihaino ny soratra masina amin’ny endrika raki-peo, izay hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org na ao amin’ny application Bibliothèque de l’Évangile. Ny fihainoana ny Jaona 14–17 dia tena mety hahery vaika noho ny fisian’ny teny maro avy amin’ny Mpamonjy ao amin’ireo toko ireo.

Sary
Voaloboka eo amin’ny hazom-boaloboka

Nampianatra i Jesoa hoe “Izaho no voaloboka, hianareo no sampany” (Jaona 15:5).

Hamoaka printy