Testamenta Vaovao 2023
5–11 jona. Jaona 14–17: “Tomoera amin’ny fitiavako ianareo”


“5–11 jona. Jaona 14–17: -Tomoera amin’ny fitiavako ianareo,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Testamenta Vaovao 2023 (2022)

“5–11 jona. Jaona 14–17,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2023

Sary
Fanasana farany

Ilay Fanasana farany, nataon’i William Henry Margeston

5–11 jona

Jaona 14–17

“Tomoera amin’ny fitiavako ianareo”

Mivavaha mba hahafantarana ny zavatra ilain’ireo ankizy ampianarinao eo am-pamakianao ny Jaona 14–17. Ny fandalinanao ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana sy ity rindran-damina ity dia afaka mampitsiry hevitra momba ny fomba hampianarana ireo ankizy ao amin’ny kilasinao.

Sary
Sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Mba hanampiana ny ankizy hizara ny zavatra ianarany any an-tokantrano dia avelao ny ankizy tsirairay hanana anjara hihazona taratasy iray miendrika fo sy hizara amin’ny hafa ny zavatra ataony entina hanehoana fitiavana ny hafa.

Sary
Sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy kely

Jaona 14:15

Maneho ny fitiavako an’i Jesoa Kristy aho amin’ny alalan’ny fitandremana ny didiny.

Ampio ny ankizy hahatakatra fa afaka mampiseho ny fitiavany ny Mpamonjy izy ireo amin’ny alalan’ny fitandremana ny didiny.

Sahanasa azo atao

  • Ampio ny ankizy hamerina hiteny ny Jaona 14:15. Asaivo miteny izy ireo hoe “Raha tia Ahy ianareo” rehefa mihazona ambony ilay taratasy miendrika fo ianao. Asaivo miteny izy ireo hoe “Dia hitandrina ny didiko” rehefa mihazona ambony ny soratra masina ianao.

  • Ampio ny ankizy hieritreritra ny sasany amin’ireo didy nomen’i Jesoa. Asao izy ireo mba hanolotra hevitra ny amin’ireo fomba ahafahan’izy ireo mitandrina ny didy tsirairay. Mijoroa ho vavolombelona fa ny fanaovana ireo zavatra ireo dia maneho ny fitiavantsika an’i Jesoa Kristy.

  • Miaraha mihira hira momba ny didy, toy ny “Hajao ireo didy” (Bokin-kiran’ny ankizy, 68).

  • Ataovy ilay lalao ao amin’ny pejy misy ny atrikasa ho an’ity herinandro ity.

Jaona14:26–27; 15:26; 16:13–14

Manampy ahy ny Fanahy Masina.

Nampianatra ireo mpianany ireo fahamarinana manan-danja momba ny Fanahy Masina i Jesoa. Saintsaino ny fomba mety hitahian’ireo fahamarinana ireo ireo ankizy ampianarinao.

Sahanasa azo atao

  • Ampisehoy ilay sary hoe Ilay Fanasana farany (Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 54). Hazavao amin’ny ankizy fa tamin’ny Fanasana farany dia nampianatra ny mpianany momba ny Fanahy Masina i Jesoa. Zarao ny sasany amin’ireo fahamarinana nampianariny ao amin’ny Jaona 14:26–27; 15:26; 16:13–14.

    Sary
    I Jesoa miresaka amin’ireo mpianany

    The Last Supper [Ilay Fanasana farany], nataon’i Clark Kelley Price

  • Zarao ny zavatra niainana iray izay nankaherezan’ny Fanahy Masina anao, na nitarihany anao na nanampiany anao hahafantatra ny fahamarinana. Mijoroa ho vavolombelona fa afaka manampy ny ankizy toy izany koa ny Fanahy Masina.

  • Miaraha mihira amin’ny ankizy hira iray momba ny Fanahy Masina, toy ny “Ny Fanahy Masina” (Bokin-kiran’ny ankizy, 56). Asao izy ireo mba hihaino ireo zavatra ataon’ny Fanahy Masina izay voalaza ao amin’ilay hira.

Jaona 17:3

Afaka mahafantatra ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy aho.

Nampianatra i Jesoa Kristy fa ny “fiainana mandrakizay” dia ny mahafantatra “Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesoa Kristy.” Rehefa mahafantatra Azy Ireo ny ankizy ampianarinao dia hahita hery ara-panahy izay hitahy azy ireo mandritra ny fiainany manontolo sy hanampy azy ireo hahazo ny fiainana mandrakizay izy ireo.

Sahanasa azo atao

  • Vakio ny Jaona 17:3, ary asaivo henoin’ireo ankizy hoe iza no tian’i Jesoa mba henointsika. Mampisehoa sary vitsivitsy izay maneho ireo fomba ahafahantsika mahafantatra ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy, toy ireo sary ao amin’ny soratra masina, sy sarina fianakaviana miara-mianatra, ary olona iray manompo olona iray hafa. Ahohofy ireo sary ireo ary asao ny ankizy hifandimby hamadika azy ireo sy hamariparitra ny zavatra hitany eo amin’ny sary. Ahoana no hanampian’ireo zavatra ireo antsika hahafantatra ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?

  • Resaho miaraka amin’ny ankizy ny zavatra ataon’izy ireo mba hahafantarana tsara kokoa ny naman’izy ireo. Amin’ny fomba ahoana no ahafahantsika mahafantatra kokoa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy? Zarao ireo fomba nanaovanao izany.

Sary
Sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy lehibe

Jaona 14:15; 15:10–14

Maneho ny fitiavako an’i Jesoa Kristy aho amin’ny alalan’ny fitandremana ny didiny.

Rehefa mamaky ireo andinin-tsoratra masina ireo mandritra ny fandalinanao manokana ianao dia eritrereto ny momba ireo ankizy ampianarinao. Inona no fitahiana ho azon’izy ireo rehefa takatr’izy ireo fa ny fankatoavany ny Mpamonjy dia famantarana iray fa tia Azy izy ireo?

Sahanasa azo atao

  • Asao ny ankizy hizara ireo fomba nanehoan’i Jesoa fa nankatò ny Ray any An-danitra Izy. Mampisehoa sary avy amin’ny fiainan’ny Mpamonjy mba hanampiana azy ireo (jereo ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 34–35, 56–57). Angataho ny ankizy hiresaka ny amin’ireo fotoana nankatoavan’izy ireo ny Ray any An-danitra.

  • Asao ny ankizy iray hamaky ny Jaona 14:15. Avelao hifandimby hanao sary izay maneho olona iray mitandrina didy iray ny ankizy, ary ny ankizy ambiny kosa dia mamantatra izay sary ataony. Mba hahitana ohatra-na didy dia jereo ny kiboky Ho zatovo mahery! (2022). Ny fitandremana ireo didy ireo dia mampiseho amin’ny Mpamonjy fa tiantsika Izy, amin’ny fomba ahoana?

Jaona 14:26; 15:26; 16:13

Ny Fanahy Masina dia mitarika sy mankahery ary mijoro ho vavolombelona momba ny fahamarinana.

Efa nandray ny fanomezana ny Fanahy Masina ve ireo ankizy ampianarinao? Inona no zavatra fantatr’izy ireo ny amin’ny fomba ahafahan’ny Fanahy Masina manampy azy ireo? Diniho ny fomba hanampianao azy ireo hahatakatra ireo anjara asan’ny Fanahy Masina.

Sahanasa azo atao

  • Omeo ny ankizy mba hovakiny tsiroaroa ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto: Jaona 14:26; 15:26; ary 16:13. Asaivo mitady teny izay mampianatra azy ireo ny zavatra ataon’ny Fanahy Masina izy ireo. Soraty eny amin’ny solaitrabe ireo teny.

  • Mizarà zavatra niainana iray izay nitarihan’ny Fanahy Masina anao na nankaherezany anao na nampitandremany anao na nijoroany ho vavolombelona taminao momba ny fahamarinana. Asao ny ankizy mba hizara izay zavatra niainany. Ahoana no namantarany ny fitarihan’ny Fanahy Masina?

  • Asao ny ankizy tsirairay mba hanao ny sarin’ny tarehiny eo amin’ny harona vita amin’ny taratasy iray. Mandreheta jiro pika iray, izay maneho ny Fanahy Masina, ao anatin’ny harona tsirairay. Dia asio zavatra izay manakana ilay hazavana ao anatin’ireo harona, toy ny tapa-damba, mba hampianarana fa ireo safidy diso ataontsika dia afaka manakana ny fitaoman’ny Fanahy Masina eo amin’ny fiainantsika. Avelao hanala ireo zavatra ireo avy ao amin’ny haron’izy ireo ny ankizy mba hanehoana ny fibebahana.

Jaona 15:1–9; 17:3

Tian’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa hahafantatra Azy Ireo aho.

Hitahy ny fiainan’ireo ankizy ianao amin’ny fanampiana azy ireo hanjary hahafantatra tsara kokoa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

Sahanasa azo atao

  • Mampisehoa zava-maniry iray (na sarina zava-maniry) rehefa mifandimby mamaky ireo andininy ao amin’ny Jaona 15:1–9 ny ankizy. Ahoana no maha-tahaka ny voaloboka an’i Jesoa Kristy? Ahoana no maha-tahaka ny rantsana antsika? Inona no azontsika atao mba hitoerana ao amin’ny Mpamonjy, na hijanona ho akaiky Azy?

  • Vakio mafy ny Jaona 17:3. Anontanio ny ankizy izay ataon’izy ireo mba hahafantarana ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Zarao ny fomba nahafantaranao Azy Ireo.

Sary
Sary famantarana ny fianarana

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Amporisiho ny ankizy hizara amin’ny fianakaviany ny hira iray izay nianaran’izy ireo vao haingana tao amin’ny kilasy na nandritra ny fotoam-pihirana.

Manatsara ny fampianarantsika

Ampifanaraho amin’ny zava-misy ireo atrikasa. Raha toa ka mampianatra ankizy kely ianao dia mety hahita hevitra fanampiny izay azonao amboarina ho an’ny kilasinao ato anatin’ity fizarana ato amin’ny rindran-damina ho an’ny ankizy lehibe ity. Torak’izany koa, azo amboarina mba hampianarana ankizy lehibe ireo atrikasa ho an’ny ankizy kely.

Hamoaka printy