Testamenta Vaovao 2023
12–18 jona. Lioka 22; Jaona 18: ”Tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao”


“12–18 jona. Lioka 22; Jaona 18: -Tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Testamenta Vaovao 2023 (2022)

“12–18 jona. Lioka 22; Jaona 18,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2023

Sary
I Kristy sy ireo mpianatra ao Getsemane

Getsemane Grove [Alakely ao Getsemane], nataon’i Derek Hegsted

12–18 jona

Lioka 22; Jaona 18

”Tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao”

Ny fianarana ny ao amin’ny Lioka 22 sy ny ao amin’ny Jaona 18 miaraka amin’ireo ankizy dia fahafahana manampy azy ireo hampitombo ny fitiavany ho an’i Jesoa Kristy sy ny finoany Azy. Diniho am-bavaka ny fomba hanaovanao izany.

Sary
Sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Ampisehoy ny sarin’ireo tranga ao amin’ireo andininy ireo, toy ny I Kristy tao Getsemane (Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 56) sy ireo sary ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana. Asao ireo ankizy mba hitantara ny zavatra mitranga ao amin’ireo sary ireo.

Sary
Sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy kely

Lioka 22:39–46

Niljaly ho ahy i Jesoa satria tiany aho.

Saintsaino ny fomba ahafahanao manampy ny ankizy hahatsapa ny fitiavan’i Jesoa azy ireo eo am-piresahanareo ny tantaran’ny fijaliany tao Getsemane.

Atrikasa azo atao

  • Tantarao amin’ny ankizy ny tantara ao amin’ny Lioka 22:39–46, angamba amin’ny alalan’ny fampiasana ny Toko 51: I Jesoa nijaly tao amin’ny Sahan’i Getsemane,” (ao amin’ny Tantara ao amin’ny Testamenta Vaovao, 129–32, na ny horonan-tsary mifandray amin’izany ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org. Hazavao fa nahatsapa ny fanaintainana sy alahelo rehetra izay tsapan’ny olona rehetra hatramin’izay i Jesoa. Anontanio ny ankizy hoe inona no mety mahatonga ny olona iray hahatsapa ho malahelo, voaratra na tafintohina. Mijoroa ho vavolombelona fa afaka manampy antsika hahatsapa maivamaivana kokoa i Jesoa rehefa mahatsapa toy izany isika.

  • Ampitapitao hojeren’ireo ankizy ny sarin’ny Mpamonjy tao Getsemane (toy ilay ao amin’ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana). Rehefa mihazona ilay sary ny ankizy tsirairay dia teneno hoe: “Nijaly i Jesoa satria Izy tia an’i [anaran’ilay ankizy].” Asao ny ankizy hamerina hilaza ireo teny ireo miaraka aminao.

  • Miaraha mihira hira iray momba ny fitiavan’i Jesoa Kristy antsika, toy ny hoe “Ny fitiavany dia natolony ho ahy” (Bokin-kiran’ny ankizy, 42–43). Ampio izy ireo hieritreritra ny fomba nahatsapany ny fitiavan’i Jesoa.

Lioka 22:41–43

Afaka mivavaka aho rehefa mila fanampiana.

Rehefa nivavaka tao Getsemane i Jesoa dia niseho Taminy mba hankahery Azy ny anjely iray. Ahoana no ahafahanao manampy ireo ankizy ampianarinao hahatakatra fa afaka mivavaka amin’ny Ray any An-danitra ihany koa izy ireo mba hahazoany tanjaka?

Atrikasa azo atao

  • Fintino amin’ny ankizy ny Lioka 22:41–43. Zarao ny zavatra iray niainanao izay nivavahanao mba hahazoanao fanampiana ka nampatanjahan’ny Ray any An-danitra ianao tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina na tamin’ny fandefasana olona iray hanampy anao.

  • Soraty eo amin’ny taratasy nohetezana lavalava ny zavatra vitsivitsy mety holazaintsika ao anaty vavaka, toy ny hoe “Ry Ray any An-danitra” “Misaotra Anao aho” “Mangataka Aminao aho” sy “amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.” Apetraho eo amin’ny tany tsy manaraka filaharana ireo taratasy nohetezana lavalava ireo, ary ampio ireo ankizy handamina azy ireo araka ny filaharana izay mety hitenenantsika azy ao amin’ny vavaka. Inona no azontsika isaorana ny Ray any An-danitra? Inona koa no azontsika lazaina Aminy? Mijoroa ho vavolombelona fa afaka mivavaka amin’ny Ray any An-danitra ireo ankizy amin’ny toerana rehetra sy amin’ny fotoana rehetra.

Sary
I Kristy mivavaka ao Getsemane

Christ Praying in the Garden of Gethsemane [I Jesoa nivavaka tao amin’ny Saha Getsemane], nataon’i Hermann Clementz

Sary
Sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy lehibe

Lioka 22:39–46

Nentin’i Jesoa teo Aminy tao Getsemane ny fahotako sy ny fanaintainako.

Ny fahafantarana momba ny zavatra nataon’i Jesoa ho antsika tao Getsemane dia afaka manampy ny ankizy hibebaka amin’ny fahotan’izy ireo sy hitodika amin’ny Mpamonjy rehefa miaina fitsapana sarotra izy ireo.

Atrikasa azo atao

  • Asao ny ankizy hamaky ny Lioka 22:39–46, ary hitady ireo teny na andian-teny izay mamariparitra ny fahatsapan’i Jesoa tao Getsemane. Inona no zavatra niainan’i Jesoa izay nahatonga Azy hahatsapa toy izany? (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:16–19). Omeo fahafahana ny ankizy mba hizara ny fahatsapan’izy ireo mikasika an’i Jesoa sy ny sorona nataony ho antsika.

  • Asao ny ankizy hizara momba ny fotoana iray ka nalahelo na tao anatin’ny fanaintainana izy ireo. Anontanio izy ireo raha toa ka mahafantatra olona iray izay nahatsapa toy izany. Asao izy ireo hamaky ny Almà 7:11–12. Mampianatra antsika inona momba an’i Jesoa Kristy sy ny fijaliany ho antsika ireo andininy ireo?

  • Omeo tsora-kazo iray izay lava kokoa noho ny sakan’ny varavaran’ny efitrano fianarana ny ankizy iray, dia asaivo mihazona izany mitsivalana izy ka hiezaka hiditra ilay varavarana. Hazavao fa ilay tsora-kazo dia maneho ireo fahotantsika, izay mahatonga antsika tsy afaka miditra ny fanjakan’ Andriamanitra. Esory ilay tsora-kazo mba hampisehoana fa nentin’i Jesoa teo Aminy ny fahotantsika mba ho voavela isika rehefa mibebaka.

Lioka 22:39–44

Afaka manaraka ny ohatra nasehon’i Jesoa aho amin’ny alalan’ny fankatoavana ny Ray any An-danitra.

Nampiseho fankatoavana ny Ray i Jesoa rehefa niteny hoe: “Nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao” (Lioka 22:42). Amin’ny fomba ahoana no ahafahanao manampy ny ankizy hianatra avy amin’ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy?

Atrikasa azo atao

  • Ampio ny ankizy hanao tsianjery ilay andian-teny hoe: “Nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao” (Lioka 22:42) ary ifampiresaho ny dikan’izany. Inona no azontsika atao mba hankatoavana ny sitrapon’ny Ray any An-danitra.

  • Ampio ireo ankizy hahita antony vitsivitsy mahatonga ny fanaovana ny sitrapon’ny Ray any An-danitra ho sarotra indraindray. Inona ireo fitahiana azontsika tamin’ny fankatoavana ny Ray any An-danitra, na dia sarotra aza izany?

Lioka 22:50–51

Nitia ireo fahavalony i Jesoa.

Tsy mora ny mianatra ho tonga mpampihavana, indrindra rehefa tsy tsara fanahy amintsika ireo hafa. Mitaona ireo ankizy izay ampianarinao ho tsara fanahy na inona na inona mitranga amin’ny fomba ahoana ny tantara ao amin’ny Lioka 22:50–51?

Atrikasa azo atao

  • Asao ny ankizy hamaky ny Lioka 22:50–51. Inona no ianarantsika momba an’i Jesoa avy amin’io tantara io? Mandritra ny herinandro, mangataha ray aman-drenin’ankizy vitsivitsy mba hitantara aminao ireo fotoana izay nanehoan’ny zanany hatsaram-panahy na dia sarotra aza ny nanao izany. Zarao amin’ny mpianatra ireo tantara ireo. (Ampahatsiahivo ireo ankizy fa ny manao tsara fanahy dia tsy midika hoe mamela ny hafa handratra azy ireo; tokony hiresaka amin’ny ray aman-dreniny izy ireo na olon-dehibe hafa atokisana raha misy olona mandratra azy ireo.)

  • Miaraha mihira hira iray momba ny hatsaram-panahy, toy ny “Tsara fanahy” (Bokin-kiran’ny ankizy, 83). Inona no ampianarin’io hira io momba ny hatsaram-panahy? Ahoana no ahafahantsika mampiseho hatsaram-panahy amin’ny hafa tahaka ny nataon’ny Mpamonjy?

Sary
Sary famantarana ny fianarana

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Asao ireo ankizy hizara amin’ny fianakaviany ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo momba ny Mpamonjy. Azon’izy ireo atao koa ny mangataka ny olona ao amin’ny fianakaviany hizara ny fijoroan’izy ireo ho vavolombelona momba Azy.

Manatsara ny fampianarantsika

Asao ireo ankizy hizara ny zavatra fantany. “Angataho [ireo ankizy] mba hizara aminao ny eritreriny sy ny zavatra tsapany ary ny zavatra niainany izay mifandray amin’ireo fitsipika ampianarinao. Ho hitanao fa manana hevi-baovao izay tsotra sy madio ary mafonja izy ireo” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy26).

Hamoaka printy