Testamenta Vaovao 2023
19–25 jona. Matio 27; Marka 15; Lioka 23; Jaona 19: “Vita”


“19–25 jona. Matio 27; Marka 15; Lioka 23; Jaona 19: -Vita,-” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny Kilonga: Testamenta Vaovao 2023 (2022)

“19–25 jona. Matio 27; Marka 15; Lioka 23; Jaona 19,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga 2023

Sary
I Kristy eo anatrehan’i Pilato

Ecce Homo [Indro ilay Lehilahy!], nataon’i Antonio Ciseri

19–25 jona

Matio 27; Marka 15; Lioka 23; Jaona 19

“Vita”

Atombohy ny fiomananao amin’ny alalan’ny famakiana ny Matio 27; Marka 15; Lioka 23; ary Jaona 19. Katsaho ombam-bavaka ny hahatakatra ny zavatra ilain’ny ankizy.

Sary
Sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Avelao ny ankizy tsirairay hifandimby hihazona sary avy ao amin’ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana. Eo am-pihazonana ilay sary dia afaka mizara zavatra eo amin’ilay sary ny ankizy tsirairay.

Sary
Sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy kely

Matio 27:11–66; Lioka 23; Jaona 19

Satria maty ho ahy i Jesoa dia afaka ny hitsangana amin’ny maty aho.

Mety ho tezitra amin’ny tantara mikasika ny Fanomboana an’i Kristy ny ankizy kely. Ny “Toko 52: Ny fitsarana an’i Jesoa” sy ny “Toko 53: Nohomboana tamin’ny hazo fijaliana i Jesoa,” (ao amin’ny Tantara ao amin’ny Testamenta Vaovao, 133–38) dia manolotra maodely tsara mikasika ny fomba mety hahafahanao mizara araka ny tokony ho izy io tantara io amin’izy ireo.

Atrikasa azo atao

  • Asehoy ny sary ao amin’ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana rehefa mitantara momba ny fitsarana an’i Jesoa, sy ny fanomboana Azy teo amin’ny hazo fijaliana, sy ny nandevenana Azy ianao (jereo ihany koa ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 57–58). Asao ny ankizy hizara ny zavatra fantany momba ireo zava-nitranga ireo. Hamafiso fa tamin’ny andro fahatelo dia nitsangana tamin’ny maty i Jesoa. Izany hoe, velona indray Izy.

  • Angataho ny ankizy mba hilaza zavatra vitsivitsy ataon’ny ray aman-dreniny ho azy ireo izay tsy vitan’izy ireo ny manao azy ho an’ny tenan’izy ireo. Asehoy ny sarin’ny Mpamonjy. Hazavao fa noho i Jesoa dia afaka ny hitsangana amin’ny maty isika, zavatra izay tsy vitan’ny tenantsika irery.

  • Mampisehoa sarin’olona iray izay efa maty. Zarao ny fijoroana ho vavolombelona anananao fa noho i Jesoa dia ho velona indray io olona io indray andro any.

Sary
Fandevenana an’i Kristy

Ny Fandevenana an’i Jesoa, nataon’i Carl Heinrich Bloch

Matio 27:26–37; Lioka 23:34

Afaka mamela ny hafa toy ny nataon’i Jesoa aho.

Ahoana no hanampianao ny ankizy hahatakatra ny fomba hamelana ireo olona ratsy fanahy, toy ny nataon’i Jesoa?

Atrikasa azo atao

  • Tantarao ny haratsiam-panah’ireo miaramila tamin’i Jesoa (jereo ny Matio 27:26–37), dia vakio avy eo ny Lioka 23:34. Hazavao fa rehefa mamela heloka ny hafa isika dia tsy tezitra amin’izy ireo intsony ary maneho fitiavana amin’izy ireo.

  • Mizarà tantara izay ahitana olona miteny na manao zavatra feno haratsiam-panahy. Asao ny ankizy hiresaka momba ny fomba ahafahan’izy ireo maneho famelana ao anatin’ireo toe-javatra ireo.

  • Miaraha mihira hira momba ny famelan-keloka, toy ny “Ray ô! Ampio aho” (Bokin-kiran’ny ankizy, 52). Mametraha fanontaniana izay voavalin’ilay hira, toy ny hoe “Iza no tokony havelantsika ny helony?” na “Iza no afaka manampy antsika rehefa sarotra ny mamela heloka?”

  • Mitadiava laharana gazetiboky Namana nivoaka vao haingana hitadiavana tantara iray momba-na ankizy iray namela olona iray. Zarao amin’ny ankizy izany tantara izany.

Lioka 23:32–33, 39–43

Satria nijaly sy maty ho ahy i Jesoa dia afaka ny hibebaka sy ho voavela aho.

Na dia tsy mbola tompon’andraikitra aza ny ankizy latsaky ny valo taona, dia zava-dehibe ho azy ireo ny manomboka mianatra dieny izao ny fomba hibebahana amin’ny safidy ratsy ataon’izy ireo.

Atrikasa azo atao

  • Fintino ny Lioka 23:32–33, 39–43 ary ampio ny ankizy hahita ireo mpangalatra roa lahy ao amin’ny sary 57 ao amin’ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara. Hazavao fa raha nanaraby an’i Jesoa ilay mpangalatra voalohany, dia niaiky kosa ilay mpangalatra faharoa fa nanao zavatra tsy nety. Nanomboka nibebaka izy.

  • Vakio amin’ny ankizy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:6. Nahoana i Jesoa no nijaly ho antsika?

  • Hazavao fa afaka mivavaka amin’ny Ray any An-danitra isika ary Izy dia afaka manampy antsika handamina ny fahotantsika sy ny fahadisoansika sy hahazo famelan-keloka.

  • Avelao ny ankizy hanisy teboteboka amin’ny tsaoka eny amin’ny solaitrabe mba hanehoana ireo safidy ratsy. Dia angataho izy ireo mba hamafa ny solaitrabe mba hanehoana ny fibebahana. Mampisehoa sarin’ny Mpamonjy, dia mijoroa ho vavolombelona fa afaka mibebaka isika noho Izy.

Sary
Sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy lehibe

Matio 27:11–66; Lioka 23; Jaona 19

Maty ho ahy i Jesoa satria tia ahy Izy.

Nahoana ianao no feno fankasitrahana fa maty ho anao i Jesoa Kristy? Diniho ny fomba ahafahanao manampy ny ankizy hahatakatra ny dikan’ny sorona nataon’ny Mpamonjy ho azy ireo.

Atrikasa azo atao

  • Soraty amina sombin-taratasy samy hafa ireo tranga manan-danja avy ao amin’ny Matio 27:11–66 (ho fanampiana amin’ny fanaovana izany dia jereo ny “Toko 52: Ny fitsarana an’i Jesoa” sy ny “Toko 53: Nohomboana tamin’ny hazo fijaliana i Jesoa,” ao amin’ny Tantara ao amin’ny Testamenta Vaovao, 133–38). Asao ny ankizy mba handalina ireo andininy ireo sy hametraka araka ny filaharany ireo zava-niseho

  • Angataho ny ankizy iray hamaky ny Matio 27:54, dia asao ny ankizy hizara ireo zavatra mikasika an’i Jesoa izay manampy azy ireo hahafantatra fa Zanak’ Andriamanitra Izy.

  • Anontanio ny ankizy ny zavatra nianarany mikasika ny Fanomboana avy ao amin’ny “Voyez: Il meurt, le Rédempteur,” (Cantiques, no.115) na hiran’ny fanasan’ny Tompo iray hafa. Nahoana i Jesoa no nanaiky an-tsitram-po nijaly ho antsika? (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:10–11; 19:16).

Matio 27:26–37; Lioka 23:34

Afaka mamela ny hafa toy ny nataon’i Jesoa aho.

Mety ho sarotra ny mamela ny hafa. Ny ankizy ampianarinao dia ho voatahy rehefa manaraka ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy ary mianatra ny mamela ny hafa.

Atrikasa azo atao

  • Asao ny ankizy hifandimby hamaky mikasika ireo miaramila nampiseho haratsiam-panahy tamin’i Jesoa ao amin’ny Matio 27:26–37 sy i Jesoa namela azy ireo ao amin’ny Lioka 23:34.

  • Soraty eny amin’ny solaitrabe ny hoe Inona no azonao atao mba hamelana olona iray izay ratsy fanahy taminao? Avelao ny ankizy hifandimby hanoratra hevitra eny amin’ny solaitrabe, toy ny hoe Mivavaha mba hanana fahatsapan-javatra tsara mikasika ilay olona na Mieritrereta zavatra tsara mikasika ilay olona.

Lioka 23:32–33, 39–43

Satria nijaly sy maty ho ahy i Jesoa dia afaka ny hibebaka sy ho voavela aho.

Ity lesona ity dia fotoana tsara hijoroana ho vavolombelona fa noho i Jesoa Kristy dia afaka mibebaka amin’ny fahotantsika sy afaka ny ho voavela isika.

Atrikasa azo atao

  • Manasà ankizy iray hamaky amin’ny feo mafy ny Lioka 23:32–33, 39–43. Hazavao fa ireo olona roa nohomboana niaraka tamin’i Jesoa dia mpangalatra. Ahoana no fomba nampisehoan’ny iray tamin’ireo mpangalatra fa nanomboka nibebaka izy? Inona no azontsika atao mba hampisehoana ny Mpamonjy fa mibebaka isika? (Jereo ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Fibebahana,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org.)

  • Soraty eny amin’ny solaitrabe ity fehezan-teny manaraka ity, dia asio banga eo amin’ny toerana tokony hisy ireo teny natao sora-mandry: “Afaka ny ho voavela aho rehefa mibebaka noho ny Sorompanavotana nataon’i Jesoa Kristy.” Omeo fampahalalana kely ny ankizy mba hanampiana azy ireo hameno ny banga.

  • Manasà ankizy iray hihazona harona iray, dia fenoy vato kely izany eo am-pitanisan’ireo ankizy ambiny ireo safidy ratsy mety ataon’ny olona. Ampio ny ankizy hampitaha ilay harona amin’ny enta-mavesatra ara-panahy izay lanjaintsika rehefa manota isika. Nahoana ny fibebahana no mitovy amin’ny fanalana vato avy ao anaty harona? Azonao ampahatsiahivina ny ankizy fa ny fibebahana tsy zava-mitranga indray mandeha fa dingana arahina isan’andro.

  • Mitadiava laharana gazetiboky Namana nivoaka vao haingana hitadiavana tantara iray na hafatra iray momba ny fibebahana, ary zarao amin’ny ankizy izany.

Sary
Sary famantarana ny fianarana

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Amporisiho ny ankizy hieritreritra olona iray izay ilain’izy ireo avela sy hanapa-kevitra mikasika ny zavatra iray izay hataon’izy ireo mba hampisehoana an’ilay olona fa namela azy izy ireo.

Manatsara ny fampianarantsika

Mianara mamantatra fanambarana. Matetika “andalana hanampy andalana” (2 Nefia 28:30), no fomba ahatongavan’ny fanambarana fa tsy hoe tonga indray mandeha avokoa. Rehefa mivavaka sy misaintsaina ny soratra masina ary ity rindran-damina ity ianao dia hahita fa ireo hevitra sy zavatra tsapa dia afaka ny ho tonga amin’ny fotoana rehetra ary na aiza na aiza, rehefa mandeha miasa ianao, na rehefa manao ireo raharaha ao an-tokantrano, na rehefa mifanerasera amin’ny fianakaviana sy ny namana.

Hamoaka printy