Testamenta Vaovao 2023
29 mey–4 jona. Matio 26; Marka 14; Jaona 13: “Ho fahatsiarovana”


“29 mey–4 jona. Matio 26; Marka 14; Jaona 13: -Ho fahatsiarovana,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga 2023 (2022)

“29 mey–4 jona. Matio 26; Marka 14; Jaona 13,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2023

Sary
Fanasana Farany

In Remembrance of Me [Ho fahatsiarovana Ahy], nataon’i Walter Rane

29 mey–4 jona

Matio 26; Marka 14; Jaona 13

“Ho fahatsiarovana”

Eo am-pamakianao ny Matio 26; Marka 14; ary ny Jaona 13, dia tadiavo ireo fitsipika izay tsapanao fa hitahy ireo ankizy izay ampianarinao.

Sary
Sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Ampisehoy ny sarin’ireo zava-nitranga ao amin’ireo toko ireo, toy ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 54–55, ary asao ny ankizy mba hilaza ny zava-nitranga tao anatin’ireo sary.

Sary
Sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy kely

Matio 26:26–29; Marka 14:22–24

Manampy ahy hieritreritra momba an’i Jesoa ny fanasan’ny Tompo.

Ampio ireo ankizy hahatakatra fa ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo dia fahafahana iray hahatsiarovana ny zavatra nataon’i Jesoa ho antsika.

Atrikasa azo atao

  • Fintino ny tantaran’i Jesoa nanolotra ny fanasan’ny Tompo. Azonao atao ny mampiasa ny “Toko 49: Ilay Fanasan’ny Tompo Voalohany” (ao amin’ny Tantara ao amin’ny Testamenta Vaovao, 124–26, na ny sary mifandray amin’izany ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org). Nahoana isika no mandray ny fanasan’ny Tompo? Ampio ireo ankizy hahatakatra fa mahatsiaro an’i Jesoa isika mandritra ny fanasan’ny Tompo.

  • Mampisehoa sombi-mofo sy kaopy misy rano amin’ireo ankizy. Anontanio azy ireo raha fantany hoe maneho inona ny mofo sy ny rano amin’ny fanasan’ny Tompo. Hazavao fa ireo tandindona ireo dia manampy antsika hahatsiaro fa maty ho antsika sy nitsangana tamin’ny maty i Jesoa.

  • Asaivo mikimpy ireo ankizy ka hieritreritra olona iray izay tian’izy ireo, ary asao izy ireo mba hilazalaza momba izany olona izany. Asaivo mikimpy indray izy ireo, ka hieritreritra momba ny Mpamonjy, ary avy eo hizara ireo zavatra fantany momba Azy. Amporisiho izy ireo mba hieritreritra momba an’i Jesoa mandritra ny fanasan’ny Tompo isan-kerinandro.

  • Asao ireo ankizy hampiseho aminao ny zavatra azony atao mba hahatsiarovana an’i Jesoa sy haneho fanajana lalina mandritra ny fanasan’ny Tompo. Ampio ireo ankizy hanamboatra ilay kiboky voalaza ao amin’ny pejy misy ny atrikasa ho an’ity herinandro ity ary hampiasa izany mba hanampiana azy ireo hieritreritra momba an’i Jesoa mandritra ny fanasan’ny Tompo. Na avelao izy ireo hikaroka gazetibokin’ny Fiangonana vitsivitsy hahitana sarin’i Jesoa ka hanamboatra sary maromaro napetapetaka izay azon’izy ireo jerena mandritra ny fivoriana fanasan’ny Tompo.

Jaona 13:34–35

Afaka mitia ny hafa toy ny nataon’i Jesoa aho.

Nampiseho ny fitiavany i Jesoa amin’ny fikarakarana ireo izay manodidina Azy. Inona avy ireo fahafahana ananan’ireo ankizy izay ampianarinao mba hampisehoany ny fitiavany ny hafa?

Atrikasa azo atao

  • Mampisehoa sary maneho tantara nianaran’ireo ankizy tamin’ity taona ity izay nanehoan’i Jesoa ny fitiavany ny hafa (jereo ireo rindran-damina taloha ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana). Vakio ny Jaona 13:34–35, ary ampio ireo ankizy hamerina ilay andian-teny hoe “Tahaka ny fitiavako anareo no mba hifankatiavanareo kosa.” Ahoana no ahafahantsika mampiseho fitiavana ny namantsika sy fianakaviantsika?

  • Asao ny ankizy iray hitazona ny sarin’ny Mpamonjy eo am-pihiran’ny iray kilasy hira iray momba ny fitiavan’ny Mpamonjy, toy ny “Mifankatiava” (Bokin-kiran’ny ankizy, 74). Omeo taratasy miendrika fo ireo ankizy ary asao izy ireo hanao ny sarin’ny tenany eo am-panaovana zavatra mba hanehoana ny fitiavany olona iray hafa.

Sary
Sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy lehibe

Matio 26:26–29; Marka 14:22–24

Manampy ahy hahatsiaro an’i Jesoa Kristy sy ny sorona nataony ho ahy ny fanasan’ny Tompo.

Ahoana no fomba ahafahanao manampy ny ankizy hanana traikefa manan-danja kokoa rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo?

Atrikasa azo atao

  • Asao ny ankizy hifandimby hamaky ireo andininy ao amin’ny Matio 26:26–29 na ny Marka 14:22–24 (jereo ihany koa ny Dikantenin’i Joseph Smith, Marka 14:20–24 [ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina]) sy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:75–79. Inona ireo teny sy andian-teny mitovitovy ao amin’ireo andinin-tsoratra masina roa ireo?

  • Anontanio ny ankizy ny zavatra ataon’izy ireo izay manampy azy ireo hieritreritra momba an’i Jesoa mandritra ny fanasan’ny Tompo. Ampio izy ireo hitady soratra masina na teny avy ao amin’ireo fihirana natokana ho an’ny fanasan’ny Tompo izay azon’izy ireo vakina mandritra ny fanasan’ny Tompo, dia hitanisa izany eo amin’ny karatra iray izay azon’ny ankizy jerena amin’ny fotoana manaraka handraisan’izy ireo ny fanasan’ny Tompo. Iaraho mihira amin’ny ankizy ny sasany amin’ireo hira ireo ( Fihirana sy hiran’ny ankizy, lah. 32–53).

    Sary
    Ankizy mandray ny fanasan’ny Tompo

    Manampy antsika hahatsiaro an’i Jesoa Kristy sy ny sorona nataony ho antsika ny fanasan’ny Tompo.

  • Soraty eny amin’ny solaitrabe ireo teny manan-danja avy ao amin’ireo vavaky ny fanasan’ny Tompo, ary ampio ny ankizy hanao tsianjery izany. Inona no dikan’ireo andian-teny ireo? Nahoana no manan-danja ny manavao isan-kerinandro ny fanekempihavanana nataontsika tamin’ny batisa?

  • Manasà mpihazona ny Fisoronana Aharôna iray mba hilaza amin’ny ankizy momba ny zavatra iainany rehefa manomana sy mitsodrano ary mizara ny fanasan’ny Tompo. Inona no manampy azy hiomana mba hanao izany? Inona no zavatra tsapany rehefa manao izany izy? Amin’ny fomba ahoana no hoe mampatsiahy azy momba ny Mpamonjy ny mofo sy ny rano?

  • Asao ireo ankizy izay efa vita batisa mba hizara ny zavatra tadidiny momba ny batisan’izy ireo. Inona no tsapan’izy ireo? Inona avy ireo fanekem-pihavanana izay nataony? (jereo ny Môzià 18:8–10). Lazao azy ireo fa rehefa mandray isan-kerinandro ny fanasan’ny Tompo isika dia azo ampitoviana amin’ny hoe atao batisa indray izany. Afaka ny ho voavela amin’ny fahotantsika isika, ary manavao ireo fanekempihavanana nataontsika isika.

Jaona 13:1–17

Nasehon’i Jesoa Kristy ahy ny fomba hanompoana ny hafa.

Ny tantaran’ny Mpamonjy manasa ny tongotr’ireo mpianany dia afaka mitaona ireo ankizy izay ampianarinao hanompo am-pitiavana ny olona manodidina azy ireo.

Atrikasa azo atao

  • Andro vitsivitsy mialoha dia mangataha iray amin’ireo ankizy mba hamaky ny Jaona 13:4–9 sy hizara ilay tantara amin’ny iray kilasy araka ny fijerin’i Petera. Inona no niezahin’ny Mpamonjy nampianarina an’i Petera sy ireo Apôstôly hafa? Afaka resahan’ireo ankizy ny zavatra nianarany momba an’i Jesoa Kristy avy amin’ity tantara ity. Inona no ianarantsika momba ny fanompoana ny hafa?

  • Iaraho mamaky ny Jaona 13:12–17. Angataho ireo ankizy mba samy hanoratra momba ny fotoana iray izay nanompoan’ny Mpamonjy olona iray hafa. Amporisiho izy ireo mba hampiditra ny zavatra nianarany avy amin’ny ohatra asehony. Asao izy ireo hizara ny zavatra nosoratany amin’ny iray kilasy.

Jaona 13:34–35

Ireo mpianatr’i Jesoa Kristy dia mitia ny hafa tahaka izay nataony.

Rehefa atao batisa isika, dia manao fanekempihavanana mba ho lasa mpianatr’i Jesoa Kristy. Ao amin’ny Jaona 13:34–35, dia lazalazain’ny Mpamonjy ny fomba ahafahantsika maneho fa mpianany isika.

Atrikasa azo atao

  • Soraty eny amin’ny solaitrabe hoe aoka ho tahaka ny anareo no mba kosa (Jaona 13:34). Asaivo mijery ao anatin’ny soratra masina ireo ankizy ary hameno ny banga. Inona koa no azontsika atao mba hanehoana fa mpianatr’i Kristy isika? Afaka mieritreritra teny hafa afaka hamenoana ilay fehezan-teny eny amin’ny solaitrabe, toy ny fanompoako sy hifanompoanareo na fampianarako ary hifampianaranareo ireo ankizy.

  • Asao ny ankizy hamaky ny Jaona 13:35 sy hieritreritra olona fantatr’izy ireo izay ohatra amin’ny maha-mpianatr’i Jesoa Kristy. Angataho izy ireo hizara hoe maneho fitiavana ho an’ny hafa tahaka ny nataon’ny Mpamonjy amin’ny fomba ahoana ireo olona ireo.

Sary
Sary famantarana ny fianarana

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Asao ny ankizy hizara amin’ny fianakaviany ny zavatra izay hataony noho izay nianarany tao an-dakilasy. Ohatra, afaka mizara izy ireo hoe ahoana no hahatsiarovany an’i Jesoa Kristy mandritra ny fanasan’ny Tompo.

Manatsara ny fampianarantsika

Zarao amin’ny mpianatrao ny fijoroana ho vavolombelona anananao. Ny fijoroana ho vavolombelona dia mety ho tsotra toy ny hoe “Fantatro fa tia anareo tsirairay ny Ray any An-danitra” na “Mahatsapa zava-mahafinaritra ao anaty aho rehefa mianatra momba an’i Jesoa Kristy.”

Hamoaka printy