Testamenta Vaovao 2023
22–28 mey. Joseph Smith—Matio 1; Matio 24–25; Marka 12–13; Lioka 21: “[Ho] tonga ny Zanak’olona”


“22–28 mey. Joseph Smith—Matio 1; Matio 24–25; Marka 12–13; Lioka 21: -[Ho] tonga ny Zanak’olona,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Testamenta Vaovao 2023 (2022)

“22–28 mey. Joseph Smith—Matio 1; Matio 24–25; Marka 12–13; Lioka 21,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2023

Sary
Fiaviana Fanindroany

The Second Coming [Ny Fiaviana Fanindroany], nataon’i Harry Anderson

22–28 mey

Joseph Smith—Matio 1; Matio 24–25; Marka 12–13; Lioka 21

“[Ho] tonga ny Zanak’olona”

Saintsaino ny zavatra ilain’ny ankizy ampianarinao fantarina ao amin’ny Joseph Smith—Matio 1; Matio 24–25; Marka 12–13; ary Lioka 21. Aza misalasala manamboatra ireo hevitra ho an’ny ankizy lehibe ato amin’ity rindran-damina ity mba ho an’ny ankizy kely, sy ny mifamadika amin’izay.

Sary
Sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Mitondrà zavatra iray na sary iray ao an-dakilasy izay mifandray amin’ny iray amin’ireo fanoharana na tantara ao amin’ny vakiteny ho amin’ity herinandro ity (toy ny diloilo mba hanehoana ireo virijiny folo na vola vy mba hanehoana ny talenta na ny farantsakelin’ilay mpitondratena). Angataho ny ankizy mba hizara ny zavatra fantany mikasika ilay fanoharana na tantara.

Sary
Sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy kely

Joseph Smith—Matio 1:31.

Mialoha ny hahatongavan’i Jesoa indray dia hotorina manerana izao tontolo izao ny filazantsara.

Famantarana iray hoe hiverina tsy ho ela i Jesoa ny fitoriana ny filazantsarany manerana izao tontolo izao. Afaka manatanteraka io faminaniana io ny ankizy amin’ny alalan’ny fizarana ny filazantsara.

Atrikasa azo atao

  • Mampisehoa sarintany, na bolantany, na sarin’ny tany (jereo ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah.3) dia ampio ny ankizy hiteny hoe: “Ity [Filazantsara] ity … dia hotorina manerana izao tontolo izao” (Joseph Smith—Matio 1:31). Nahoana no tian’ Andriamanitra haheno ny filazantsara ny zanany rehetra?

  • Asao ireo ankizy handehandeha eo amin’ny toerany sady miara-manao hira momba ny fizarana ny filazantsara ianareo, toy ny “Mba te ho misiônera aho izao” na “Voantso hanampo” (Bokin-kiran’ny ankizy, 90, 94).

  • Inona avy ireo fomba vitsivitsy ahafahantsika mizara ny filazantsara?

Sary
Ny tany hita avy eny amin’ny habakabaka

Hotorina manerana izao tontolo izao ny filazantsara. Sary nahazoana lalana tamin’ny NASA Johnson Space Center

Matio 25:14-30

Afaka mampiasa ireo talenta nomen’ Andriamanitra ahy aho.

Manomboka mahita ireo fanomezam-pahasoavana sy fahaiza-manao ananany ny ankizy kely. Ampio izy ireo hahatakatra fa avy amin’ny Ray any An-danitra ireo fanomezam-pahasoavana sy fahaiza-manao ireo.

Atrikasa azo atao

  • Mitondrà vola vy maromaro rehefa mitantara ny fanoharana momba ny talenta ianao, izay hita ao amin’ny Matio 25:14–30. Afaka mangataka ankizy telo ianao mba hilalao an’ireo mpanompo telo. Hazavao fa tamin’ny andron’i Jesoa dia talenta no niantsoana ny vola, saingy ankehitriny dia mety midika hoe ny fanomezam-pahasoavana sy ny fahaiza-manao ananantsika ny talenta.

  • Angataho ny ankizy mba hitanisa fomba nanampian’ny ray aman-dreniny na ny mpiray tam-po aminy na ny mpampianatra azy ireo na ny naman’izy ireo. Inona avy ireo fahaiza-manao nananan’ireo olona ireo izay nanampy azy ireo mba hanompo ny hafa?

  • Manorata teny fohy amin’ny taratasy ho an’ny ankizy izay milaza amin’izy tsirairay mikasika ny fanomezam-pahasoavana na ny fahaiza-manao tsikaritrao fa ananan’izy ireo. Eo am-pizaranao amin’ny ankizy tsirairay ny fanomezam-pahasoavana hitanao ao aminy, dia amporisiho izy ireo hampivoatra ny fanomezam-pahasoavany sy hampiasa izany mba hanompoana ny hafa.

Matio 25:31–46

Tian’i Jesoa hanompo ny hafa aho.

Manompo ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy isika amin’ny alalan’ny fanompoana ny olona manodidina antsika. Ampio ireo ankizy hieritreritra fomba vitsivitsy ahafahany manompo ny hafa.

Atrikasa azo atao

  • Fintino ny fanoharana ao amin’ny Matio 25:34-46. Ampio ny ankizy hahatakatra fa rehefa manompo ny hafa isika dia manompo an’i Jesoa.

  • Hazony ambony ny sarina ankizy iray ary asio sarin’i Jesoa Kristy miafina ao ambadik’izany. Inona no azontsika atao hanompoana io ankizy io? Esory ny sarin’ilay ankizy dia hazavao fa rehefa mifanompo isika dia manompo an’i Jesoa.

  • Asao ny ankizy mba hanao ny sarin’ny tenan’izy ireo manompo ny hafa amin’ny fomba nofaritan’ny Mpamonjy ao amin’ny Matio 25:35–36. Angataho ny ankizy hafa hamantatra ny zavatra ataon’izy ireo sary.

  • Asao ny ankizy hizara ny zavatra niainany rehefa nanompo azy ireo na ny fianakaviany tahaka ny nataon’i Kristy ny olona iray.

Sary
Sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy lehibe

Joseph Smith—Matio 1:31.

Mialoha ny hahatongavan’i Jesoa indray dia hotorina manerana izao tontolo izao ny filazantsara.

Ny ankizy ampianarinao dia afaka manampy amin’ny fitoriana ny filazantsara manerana an’izao tontolo izao mialoha ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany.

Atrikasa azo atao

  • Asao ny ankizy hizara ireo fitahiana noraisin’izy ireo na horaisin’izy ireo satria mpikambana ao amin’ny Fiangonan’i Kristy izy ireo. Iaraho mamaky Joseph Smith—Matio 1:31, dia anontanio ny ankizy hoe ahoana no ahatsapan’izy ireo fa hitahy ireo zanak’ Andriamanitra manerana an’izao tontolo izao ny filazantsara.

  • Mampisehoa sarintanin’izao tontolo izao na sarintanin’ny firenenao amin’ny ankizy, dia ampio izy ireo hitady ireo toerana izay nitorian’ny olona iray ao amin’ny fianakaviana na namana iray ny filazantsara tamin’ny fotoana feno.

  • Manasà ankizy vitsivitsy mba ho tonga miaraka amin’ny fahavononana hizara ny fomba nahafantaran’ireo olona ao amin’ny fianakavian’izy ireo na ny razamben’izy ireo ny filazantsara.

  • Angataho ny ankizy tsirairay mba hanoratra ny anaran’ny olona iray azon’izy ireo resahina momba an’i Jesoa Kristy na azon’izy ireo asaina hiangona. Angataho koa ny ankizy mba hitanisa ireo zavatra azon’izy ireo atao mba ho misiônera amin’izao fotoana izao.

Matio 25:1–13

Tompon’andraikitra amin’ny fiovam-poko manokana ho amin’i Jesoa Kristy aho.

Ny fanoharana ny amin’ny virijiny folo dia mampianatra fa tsy afaka mindrana ny fiovam-pontsika amin’ny filazantsara any amin’ny olona hafa isika. Ahoana no ahafahanao manampy ny ankizy mba handray andraikitra mikasika ny fiovam-pony manokana?

Atrikasa azo atao

  • Mangataha ankizy iray hivonona hizara ny fomba nianarany ny fanoharana momba ny virijiny folo tao an-tokantrano nandritra ity herinandro ity.

  • Manaova sarina jiro mandeha amin’ny solitany iray eny amin’ny solaitrabe dia omeo anarana hoe fijoroana ho vavolombelona izany. Omeo taratasy iray miendrika tete iray ana solitany avy ny ankizy tsirairay, dia angataho ny ankizy hanoratra eo amin’izany ny zavatra izay hataony mba hahatonga azy hiova fo bebe kokoa amin’ny Mpamonjy. Apetaho manodidina ilay sarina jiro mandeha amin’ny solitany eny amin’ny solaitrabe ireo sarina tete ana solitany avy amin’izy ireo.

  • Asao ny ankizy mba hanampy anao hanao ny lisitry ny zavatra hatao mba hiomanana amin’ny fahatongavan’ny mpamangy manokana iray. Inona no mampitovy na maha-samy hafa ireo zavatra ireo amin’ireo fomba ahafahantsika miomana amin’ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany?

  • Soraty eo amin’ny taratasy lavalava miisa dimy ireo zavatra izay tsy azo indramina. Soraty eo amin’ny taratasy lavalava miisa dimy ireo zavatra izay azo indramina. Afangaroy ireo taratasy lavalava ireo dia angataho ny ankizy mba handamina azy ireo ao anatin’ireo sokajy roa ireo. Iaraho mamaky ny Matio 25:1–13. Nahoana no zava-dehibe ny tsy fianteherana amin’ny hafa eo amin’ny fiovam-pontsika amin’ny Jesoa Kristy?

Matio 25:14–46

Amin’ny Fitsarana Farany, dia hanao tatitra ny amin’ny fiainantsika amin’ny Tompo isika.

Aorian’ny Fitsanganana amin’ny maty dia hitsara antsika araka izay fankatoavantsika ireo didiny sy izay fanekentsika ny sorompanavotany ny Tompo. Ny fanoharana momba ny talenta sy ny fanoharana momba ny ondry sy ny osy dia mampianatra antsika mikasika ny Fitsarana Farany.

Atrikasa azo atao

  • Asao ny antsasaky ny kilasy hamaky ny Matio 25:14–30 ary ny antsasany hafa hamaky ny Matio 25:31–46. Angataho ireo vondrona ireo hilalao an-tsehatra ireo fanoharana ireo. Inona no ampianarin’ny Tompo antsika ao amin’ireo fanoharana ireo?

  • Asao ny ankizy hamaky tsiroaroa ny Matio 25:35–36 sy hitanisa ireo zavatra izay azon’izy ireo atao mba hampisehoana ny fitiavany an’i Jesoa Kristy.

Sary
Sary famantarana ny fianarana

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Angataho ny ankizy mba hizara amin’ny fianakaviana ireo fomba ahafahan’izy ireo ho misiônera tsara kokoa sy hiresaka amin’ny fianakaviany mikasika ireo olona azon’izy ireo hizarana ny filazantsara.

Manatsara ny fampianarantsika

Mihaino tantara na milalao an-tsehatra tantara iray. Satria tia tantara ny ankizy dia mitadiava fomba hampandraisana anjara azy ireo amin’ny tantara ao amin’ny soratra masina izay zarainao. Afaka mihazona sary na zavatra izy ireo, na manao sary mikasika ilay tantara, na milalao an-tsehatra ilay tantara na manampy amin’ny fitantarana ilay tantara. Avereno ilay tantara mba hanampiana azy ireo hahafantatra ireo antsipirian-javatra manan-danja sy ireo fampianaran’ny filazantsara.

Hamoaka printy