“01–07 mey. Lioka 12–17; Jaona 11: -Avia hiara-mifaly amiko; fa efa hitako ilay ondriko very,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Testamenta Vaovao 2023 (2022)
“01–07 mey. Lioka 12–17; ; Jaona 11,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2023
1–7 mey
Lioka 12–17; Jaona 11
“Avia hiara-mifaly amiko; fa efa hitako ilay ondriko very”
Vakio ombam-bavaka ny Lioka 12–17 sy ny Jaona 11, ary tadiavo ny fomba ahafahanao manampy ny ankizy ampianarinao mba hahatakatra ireo fahamarinana ao amin’ireo toko ireo sy hahatsapa ny fitiavan’ny Ray any An-danitra.
Asao mba hizara
Ampahatsiahivo ny ankizy ny sasany amin’ireo fanoharana sy tantara hita ao amin’ny Lioka 12–17 sy Jaona 11 ary asao izy ireo mba hizara ny zavatra fantatr’izy ireo momba ireo tantara ireo.
Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy kely
Tian’ny Ray any An-danitra hiverina any Aminy ny zanany rehetra.
Eritrereto ireo ankizy ao amin’ny kilasinao, anisan’izany ireo izay mety tsy manatrika matetika. Ahoana no ahafahanao manampy azy ireo hahatsapa ny fitiavan’ny Ray any An-danitra? Ahoana no ahafahanao mitaona ireo ankizy ampianarinao mba hanampy anao hanolo-tanana azy ireo amim-pitiavana?
Atrikasa azo atao
-
Omeo vola madinika iray ny ankizy iray, omeo sarina ondry ny ankizy iray hafa, ary omeo ny sarin’ilay zanaka adala ny ankizy iray hafa (jereo ny ChurchofJesusChrist.org na ny pejy misy ny atrikasa ho an’ity herinandro ity). Tantarao ireo fanoharana telo hita ao amin’ny Lioka 15 ary asao ny ankizy hampakatra ambony ny volany, na ny sariny rehefa tononinao izany. Azonao atao ny manasa ireo ankizy hamerina hitantara amin’izy samy izy ireo fanoharana ireo amin’ny tenin’izy ireo manokana.
-
Asao ny ankizy hizara momba ny fotoana iray izay nahavery zavatra iray izy ireo. Tamin’ny fomba ahoana no nahitan’izy ireo izany? Hazavao fa ny olona dia mety ho very ara-panahy rehefa tsy manaraka ny Ray any An-danitra. Mijoroa ho vavolombelona fa tian’ Andriamanitra ny hankanesan’ireo izay very any Aminy, ary afaka manampy azy ireo isika.
-
Asao ny ankizy mba hieritreritra ireo ankizy hafa izay tsy tonga manatrika ny Kilonga. Ampio izy ireo handoko na hanoratra taratasy misy teny fohy izay manasa ireo ankizy ireo mba hanatrika ny Kilonga na ny fiaraha-mientan’ny Kilonga. Amin’ny fomba ahoana ihany koa no ahafahantsika manampy ireo ankizy ireo hahatsapa ny fitiavan’ny Ray any An-danitra azy ireo?
Afaka mampiseho ny fitiavako ny Ray any An-danitra aho amin’ny alalan’ny fankasitrahana ireo fitahiana azoko.
Mety hamporisika ny ankizy mba hankasitraka ny tantaran’ireo boka folo, amin’ny fomba ahoana?
Atrikasa azo atao
-
Tantarao ny tantaran’ireo boka folo izay nositranin’i Jesoa. Ampisehoy ilay sary hita ao amin’ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana ary asao ireo ankizy mba hanisa hatramin’ny folo eo amin’ny rantsantanany. Dia asaivo mamoritra ny rantsantanany sivy izy ireo mba hampisehoana ilay boka iray izay nisaotra an’i Jesoa. Ampio ny ankizy hieritreritra olona iray azon’izy ireo isaorana noho ny asa feno hatsaram-panahy na asa fanampiana iray.
-
Asao ny ankizy tsirairay mba hanao fihetsika mikasika ireo zavatra izay ankasitrahan’izy ireo ary asaivo mamantatra izany ny ankizy ambiny. Angataho ny ankizy hizara ireo fomba ahafahantsika mampiseho ny Ray any An-danitra fa mankasitraka noho ireo fitahiana azontsika isika.
Mino isika fa i Jesoa no Zanak’ Andriamanitra.
I Marta, izay anabavin’i Lazarosy, dia niteny tamin’i Jesoa hoe: “Mino aho fa Hianao no Kristy, Zanak’ Andriamanitra” (Jaona 11:27). Ny tantaran’i Maria sy i Marta ary i Lazarosy dia afaka mampatanjaka ny fijoroana ho vavolombelona ananan’ny ankizy momba an’i Jesoa Kristy.
Atrikasa azo atao
-
Fintino ny tantaran’i Jesoa nanangana an’i Lazarosy tamin’ny maty (jereo ihany koa ny “Toko 43: Namelona indray an’i Lazarosy i Jesoa,” Tantara ao amin’ny Testamenta Vaovao, 107–9). Ampisehoy ny ankizy ny sarina rantsan-kazo maina iray sy zava-maniry iray, ary anontanio azy ireo hoe iza amin’ireo no maty dia iza no velona. Zarao ny fijoroana ho vavolombelona anananao fa noho ny herin’i Jesoa Kristy, ireo olona izay efa nodimandry dia hitsangana amin’ny maty sy hiaina mandrakizay.
-
Ampio ny ankizy hanao tsianjery ilay andian-teny izay nolazain’i Jesoa tamin’i Marta manao hoe: “Izaho no fananganana ny maty sy fiainana” (Jaona 11:25). Hazavao fa noho ny fitsanganan’ny Mpamonjy tamin’ny maty dia hahita ireo olona ankamamiantsika izay efa nodimandry indray isika.
Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy lehibe
Afaka manampy an’i Jesoa hitady ireo ondriny very aho.
Isika rehetra dia samy mahafantatatra olona izay toy ilay ondry very, na ilay farantsa very, na ilay zanaka adala tao amin’ireo fanoharana nataon’ny Mpamonjy. Saintsaino ny fomba ahafahanao mitaona ny ankizy hanampy ireny olona ireny am-pitiavana.
Atrikasa azo atao
-
Ampio ny ankizy hamaky ny fanoharana momba ilay ondry very na ny fanoharana momba ilay farantsa very, izay hita ao amin’ny Lioka 15:1–10, ka hizara ny zavatra nianarany.
-
Soraty eny amin’ny solaitrabe ireto anarana ireto: ray, zanaka lahimatoa, ary faralahy. Inona no zavatra tsapan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa momba ireo izay nanota?
-
Angataho ny ankizy iray mba hivoaka ny efitrano, dia manafina vola madinika iray na ondry iray vita amin’ny taratasy ny ankizy ambiny. Asaivo miverina ilay ankizy, dia mitady ilay vola madinika na ilay ondry. Amin’ny fomba toy ny ahoana avy no mety hahatsapan’ny olona ho toy ilay farantsa kely na ondry “very”? Asao ny ankizy hanolotra fomba ahafahan’izy ireo manampy azy ireny. Iaraho hiraina amin’ny ankizy ny hira iray mifandray amin’izany, toy ny “Au Berger elles sont chères,” Cantiques, lah.142, ary mijoroa ho vavolombelona momba ny fifaliana izay tonga rehefa miverina amin’ Andriamanitra ny olona.
-
Hazavao fa i Jesoa dia nampiasa ny ondry very sy ny farantsa kely very ary ny zanaka adala mba hanehoana ireo olona izay “very” satria tsy manana ireo fitahiana avy amin’ny filazantsara izy ireo. Asao ny ankizy mba hieritreritra olona fantatr’izy ireo izay tsy manana ireo fitahiana ireo eo amin’ny fiainany. Inona no azon’izy ireo atao mba hanampiana ireo olona ireo hahatsapa ny fitiavan’ny Ray any An-danitra azy ireo?
Afaka mampiseho ny fitiavako ny Ray any An-danitra aho amin’ny alalan’ny fankasitrahana ireo fitahiana azoko.
Ny tantaran’ireo boka folo dia mety ho fomba tsara iray hitaomana ny ankizy haneho fankasitrahana ny Ray any An-danitra noho ireo fitahiana azony.
Atrikasa azo atao
-
Vakio miaraka ny tantaran’ireo boka folo. Ahoana no nitahiana ilay boka izay nanolotra fisaorana noho ny fanehoany fankasitrahana? Nahoana no zava-dehibe ny misaotra an’ Andriamanitra noho ireo fitahiana azontsika?
-
Asao ny ankizy hitanisa ireo zavatra izay mahavelom-pankasitrahana azy ireo izay miantomboka amin’ny tarehintsoratra tsirairay ao amin’ny anaran’izy ireo.
-
Angataho ny ankizy mba hanoratra teny fisaorana fohy ho an’ny Ray any An-danitra noho ireo fitahiana nomeny azy ireo. Azon’izy ireo ahantona eo akaikin’ny fandriany ilay karatra mba hampahatsiahy azy ireo mba haneho fankasitrahana rehefa mivavaka izy ireo.
Mino isika fa i Jesoa no Zanak’ Andriamanitra.
Amin’ny fomba ahoana no ahafahanao mampiasa ny tantaran’i Maria sy i Marta ary i Lazarosy mba hanampiana ny ankizy hahafantatra, tahaka an’i Marta, fa i Jesoa no “ilay Kristy, Zanak’ Andriamanitra”? (Jaona 11:27).
Atrikasa azo atao
-
Soraty eny amin’ny solaitrabe ireo teny sasantsasany izay nolazain’ireo olona ao amin’ny Jaona 11. Asaivo fantarin’ny ankizy ny olona nilaza ny teny tsirairay, ary asao izy ireo hikaroka ao amin’ny Jaona 11 mba hanamarinana ny valin-tenin’izy ireo. Ahoana no ho fahatsapan’izy ireo raha teo amin’ny toeran’ i Jesoa na i Marta na i Maria na i Lazarosy izy ireo? Amin’ny fomba ahoana no hanampian’ny finoana an’i Jesoa antsika rehefa malahelo na matahotra isika?
-
Vakio ny fijoroan’i Marta ho vavolombelona, izay hita ao amin’ny Jaona 11:20–27. Angataho ireo mpianatra hitady ireo teny sy andian-teny izay mampiseho fa nanana finoana an’i Jesoa Kristy i Marta. Inona no azontsika atao mba hananana finoana Azy?
-
Ampio ny ankizy hitadidy tsianjery ny Jaona 11:25. Hazavao fa hitsangana amin’ny maty ny rehetra, saingy ireo olo-marina ihany no hahazo fiainana mandrakizay sy hiaina miaraka amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy indray.
Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano
Omeo taratasy vitsivitsy azon’izy ireo ampiasaina mba hanoratana na hanaovana ny sarin’ireo zavatra mahavelom-pankasitrahana azy ireo mandritra ny herinandro ny ankizy.