Testamenta Vaovao 2023
15–21 mey. Matio 21–23; Marka 11; Lioka 19–20; Jaona 12: “Indro, ny Mpanjakanao avy”


“15–21 mey. Matio 21–23; Marka 11; Lioka 19–20; Jaona 12: -Indro, ny Mpanjakanao avy ho anao,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Testamenta Vaovao 2023 (2022)

“15–21 mey. Matio 21–23; Marka 11; Lioka 19–20; Jaona 12,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2023

Sary
Lehilahy iray eo ambony hazo eo am-panatonan’i Jesoa

Zacchaeus in the Sycamore Tree [Zakaiosy eo ambony aviavy], nataon’i James Tissot

15–21 mey

Matio 21–23; Marka 11; Lioka 19–20; Jaona 12

“Indro, ny Mpanjakanao avy”

Rehefa mamaky ny Matio 21–23; Marka 11; Lioka 19–20; ary Jaona 12 ianao dia henoy tsara ireo fahatsapana azonao avy amin’ny Fanahy Masina. Jereo ny “Manome ireo zavatra ilain’ny ankizy kely” any amin’ny fiandohan’ity boky torolalana ity hahitana ireo zavatra tokony hotsaroana rehefa mampianatra ireo fitsipika ireo ianao.

Sary
Sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Ampisehoy ilay sary ao amin’ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana, ary asao ireo ankizy mba hizara ny zavatra fantatr’izy ireo momba ny zavatra miseho eo amin’ilay sary.

Sary
Sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy kely

Lioka 19:1–10

Mahafantatra ahy amin’ny anarako ny Ray any An-danitra sy i Jesoa.

Rehefa namaky mikasika ny resaka nataon’ny Mpamonjy tamin’i Zakaiosy ianao dia inona ireo hafatra hitanao fa mety hitahy ireo ankizy ampianarinao?

Atrikasa azo atao

  • Asehoy ilay sary Zacchaeus in the Sycamore Tree [I Zakaiosy teo ambony aviavy] (ato amin’ity rindran-damina ity na ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org). Ampio ny ankizy hahita an’ i Zakaiosy ary hilaza ny anarany. Mamoròna fihetsika mba hataon’ireo ankizy eo am-pitantaranao ilay tantaran’i Zakaiosy sy i Jesoa. Ohatra: mitsingitsingina amin’ny loharantsan-tongony mba hahita ao anatin’ny vahoaka marobe na mody mianika hazo iray. Hazavao fa nahita an’i Zakaiosy ny Mpamonjy ary niantso azy tamin’ny anarany. Mijoroa ho vavolombelona fa mahafantatra ny ankizy tsirairay sy ny anaran’izy ireo ny Mpamonjy.

  • Mitondrà fitoeran-tsary iray tsy misy na inona na inona ao an-dakilasy, na manamboara anankiray vita amin’ny taratasy. Asao ny ankizy tsirairay mba hifandimby hihazona ilay fitoeran-tsary manodidina ny tarehiny ka ny ankizy ambiny dia hilaza hoe: “Ny Ray any An-danitra sy i Jesoa dia mahafantatra an’i [anaran’ilay ankizy].”

  • Miaraha mihira hira iray momba ny fitiavan’ny Ray any An-danitra, toy ny “Tia ahy ny Ray any An-danitra” (Bokin-kiran’ny ankizy, 16–17). Ampio ny ankizy handre ireo zavatra izay manampy azy ireo hahafantatra fa tia azy ireo ny Ray any An-danitra.

Matio 21:12–14

Ny tempoly dia toerana masina.

Ny fanajana ananan’i Jesoa ho an’ny tempoly, araka ny voalazalaza ao anatin’ireo andininy ireo, dia afaka manampy ny ankizy ampianarinao hahatakatra fa ny tempoly dia toerana masina.

Atrikasa azo atao

  • Ampisehoy ilay sary hoe Mandroaka ny mpivarotra teo amin’ny Kianjan’ny tempoly i Jesoa (Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah.51), ary tantarao ilay tantara voarakitra ao amin’ny Matio 21:12–14. Ampio ny ankizy mba hitady sarina vola sy biby ao anatin’ilay sary. Dia ifampiresaho avy eo hoe nahoana no tian’ny Mpamonjy handao ny tempoly ireo mpanakalo vola sy ireo olona nivarotra biby.

  • Mampisehoa sarina tempoly (jereo ohatra ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 117–19), ary angataho ny ankizy hizara ny zavatra tsapan’izy ireo rehefa mahita tempoly. Mety hanazava ianao fa ny tempoly dia toerana iray izay handehanantsika mba hanaovana fampanantenana amin’ Andriamanitra, hikatsahana valiny amin’ireo vavaka ataontsika, sy hahatsapantsika ho akaiky an’ Andriamanitra. Ampio ny ankizy hamantatra ireo fahatsapana avy amin’ny Fahany Masina izay milaza amin’izy ireo fa ny tempoly dia toerana miavaka. Asaivo manao fihetsika toy ny hoe ao anatin’ny tempoly ny ankizy. Ohatra, afaka mibitsibitsika izy ireo rehefa miresaka sy mipetraka amim-panajana.

  • Miaraha mihira hira iray momba ny tempoly, toy ny “Mahita ny tempoly no mahafinaritra ahy” (Bokin-kiran’ny ankizy, 99), ary asao ny ankizy hanao tanjona ny hiditra ny tempoly indray andro any.

Sary
Tempolin’i Fort Collins, Colorado

Ny tempoly dia tranon’ny Tompo.

Matio 21:28–32

Afaka ny ho mpankatò aho.

Tian’ny Ray any An-danitra ho mpankatò isika. Ilay fanoharana momba ireo zanakalahy roa dia manome fahafahana tsara hampianarana momba ny maha-manan-danja ny fankatoavana.

Atrikasa azo atao

  • Manaova sarina zanakalahy roa eny amin’ny solaitrabe, ary ampiasao ireo sary nataonao eo am-pitantarana ilay fanoharana ao amin’ny Matio 21:28–32. Iza tamin’ireo zanakalahy no nanao ny mety tamin’ny farany? Anontanio ny ankizy ireo zavatra azon’izy ireo atao mba ho mpankatò any an-tokantrano. Avelao hanao ny sariny manao ny iray amin’ireo zavatra ireo izy ireo.

  • Asao ny ankizy hizara ny zavatra niainany momba ny fankatoavany ny ray aman-dreniny. Inona no fitahiana azon’izy ireo noho izy ireo mpankatò?

Sary
Sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy lehibe

Lioka 19:1–10

Rehefa mikatsaka ny Mpamonjy aho dia hahita Azy.

Azonao ampiasaina ny tantaran’i Zakaiosy mba hanampiana ny ankizy hieritreritra ireo zavatra azon’izy ireo atao mba hanatonana akaiky kokoa ny Mpamonjy.

Atrikasa azo atao

  • Vakio ny Lioka 19:1–10, ka miatoa kely isaky ny andininy vitsivitsy mba hifampiresahana mikasika ny zavatra ambaran’ireo andininy ireo momba an’i Zakaiosy. Inona no nataon’i Zakaiosy mba hahafahany mahita an’i Jesoa? Inona no navaliny rehefa nangataka azy mba hidina avy teny amin’ny hazo i Jesoa? Angataho ny ankizy mba hizara antony iray hanirian’izy ireo mba hahita an’i Jesoa. Raha tamy mankaty an-tanànantsika ny Mpamonjy dia inona no ho ataontsika mba hiomanana?

  • Asao ny ankizy mba hieritreritra olona fantatr’izy ireo izay mety mikatsaka ny Mpamonjy, tahaka an’i Zakaiosy. Anontanio ny ankizy izay azon’izy ireo atao mba hanampiana ny olona iray mba hianatra momba ny Mpamonjy.

  • Asao ireo ankizy hizara zavatra niainana izay nahatsapan’izy ireo fa mahafantatra azy ireo sy tia azy ireo ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

Matio 21:12–14

Ny tempoly dia toerana masina tokony hajaiko.

Amin’ny fomba ahoana no hanampian’ilay tantara momba an’i Jesoa nanadio ny tempoly anao mba hampianatra ireo ankizy momba ny fahamasinan’ny tempoly.

Atrikasa azo atao

  • Asaivo vakin’ny ankizy ny Matio 21:12–14. Ampisehoy ilay sary hoe Mandroaka ny mpivarotra teo amin’ny kianjan’ny tempoly i Jesoa (Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah.51), dia anontanio azy ireo hoe inona no andininy naseho eo amin’ilay sary.

  • Asao ny mpianatra hizara ny fahatsapan’izy ireo rehefa niditra tao anatin’ny tempoly, na nitsidika ny tokontanin’ny tempoly, na nijery ny sarin’ny tempoly. Inona no nanampy azy ireo hahafantatra fa ny tempoly dia toerana masina? Azonao atao ny mizara amin’ny ankizy ny antony itiavanao ny tempoly. Nahoana ny tempoly no masina aminao?

  • Manasà zatovo iray na maromaro mba ho ao amin’ny kilasy ary hilaza momba ny fomba niomanan’izy ireo hiditra ny tempoly. Raha toa ka efa tany amin’ny tempoly izy ireo dia angataho mba hilaza momba ny fahatsapany rehefa tao anatin’izany.

  • Tapatapaho ho lasa piozila ny sarin’ny tempoly iray, ary omeo ampahany kely iray avy ny ankizy tsirairay. Asaivo soratan’ny ankizy ao an-damosin’ny ampahany kely amin’ilay piozila ny zavatra azon’izy ireo atao mba hiomanana hiditra ny tempoly. Rehefa mizara hevitra iray ny ankizy tsirairay dia ampidiro eo amin’ilay piozila ny ampahany kely tany aminy.

  • Soraty eny amin’ny solaitrabe izao manaraka izao: dia afaka manampy ahy hiomana hanompo ao amin’ny tempoly. Asao ny mpianatra hanolotra hevitra hamenoana io fehezan-teny io. Mety ho isan’ireo hevitra ny hoe “Ny fitandremana ireo fanekempihavanana nataoko tamin’ny batisa” na “Ny Fanahy Masina.”

Matio 23:25–28

Tian’i Jesoa ho marina aho amin’ireo asa ataoko sy faniriako.

Nampianatra ireo mpanora-dalàna sy Fariseo momba ny maha-manan-danja ny fiainana marina ny filazantsara i Jesoa, fa tsy mody hoe marina fotsiny . Inona no hanampy ny ankizy hahakatatra izany fahamarinana izany?

Atrikasa azo atao

  • Rehefa mamaky miaraka amin’ny ankizy ny Matio 23:25–28 ianao dia hevero ny hizara ity famaritana momba ny mpihatsaravelatsihy ity: “Olona iray izay milaza ho mpivavaka kanefa tsy mpivavaka.” Nahoana no ratsy ny hoe mpihatsaravelatsihy?

  • Ampisehoy ny ankizy ny kaopy iray izay madio ety ivelany fa maloto kosa ao anatiny mba hanampiana amin’ny fanazavana ilay fanoharana ao amin’ny Matio 23:25. Ahoana no fomba hakantsika antoka fa madio sy tsy misy pentina isika ao anaty?

Sary
Sary famantarana ny fianarana

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Ampio ny ankizy hieritreritra zavatra iray nianaran’izy ireo nandritra ny fotoam-pianarana izay azon’izy ireo zaraina amin’ny fianakavian’izy ireo any an-trano.

Manatsara ny fampianarantsika

Tohano ireo ray aman-drenin’ny ankizy. “Ny ray aman-dreny no mpampianatra filazantsara manan-danja indrindra ho an’ny zanany—izy ireo dia samy tompon’andraikitra voalohany eo amin’ny fitarihana ny zanany ary manana izany hery tena lehibe izany (jereo ny Deoteronomia 6:6–7). Rehefa mampianatra ny ankizy any am-piangonana ianao dia mivavaha mba hahita fomba hanohanana ny ray aman-dreny amin’ilay anjara asa lehibe hazonin’izy ireo ” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 25).

Hamoaka printy