Testamenta Vaovao 2023
15–21 mey. Matio 21–23; Marka 11; Lioka 19–20; Jaona 12: “Indro, ny Mpanjakanao avy”


“15–21 mey. Matio 21–23; Marka 11; Lioka 19–20; Jaona 12: -Indro, ny Mpanjakanao avy,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Vaovao 2023 (2022)

“15–21 mey. Matio 21–23; Marka 11; Lioka 19–20; Jaona 12,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2023

Sary
Lehilahy iray eo ambony hazo eo am-panatonan’i Jesoa

Zacchaeus in the Sycamore Tree [Zakaiosy eo ambony aviavy], nataon’i James Tissot

15–21 mey

Matio 21–23; Marka 11; Lioka 19–20; Jaona 12

“Indro, ny Mpanjakanao avy”

Mialoha ny hamakiana ireo hevitra aroso ato amin’ity rindran-damina ity dia vakio ny Matio 21–23; Marka 11; Lioka 19–20; ary Jaona 12. Raketo an-tsoratra ireo fahatsapana izay azonao zaraina amin’ny fianakavianao na ny kilasinao ao am-piangonana.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Noana ny Mpamonjy rehefa nandeha avy tany Betania nankany Jerosalema, ary nisy aviavy iray teny lavitra izay toa ahitana zavatra azo hanina. Saingy rehefa nanatona ilay hazo i Jesoa dia nahita fa tsy namoa izany (jereo ny Matio 21:17–20; Marka 11:12–14, 20). Misy fomba itovian’ilay aviavy amin’ireo mpitondra fivavahana mpihatsaravelatsihy tao Jerosalema: ny fampianarana tsy misy dikany sy ny fampisehoana ivelany ny fahamasinana izay nataon’izy ireo dia tsy namelona ara-panahy. Ny Fariseo sy ny mpanora-dalàna dia niseho ho mpitandrina didy maro kanefa tsy nitandrina ny didy roa lehibe indrindra: ny mitia an’ Andriamanitra sy ny mitia ny namanao tahaka ny tenanao (jereo ny Matio 22:34–40; 23:23).

Etsy ankilany dia olona maro no nanomboka nahatsikaritra ny voa tsaran’ny fampianaran’i Jesoa. Rehefa tonga tao Jerosalema Izy dia notsenain’ny olona tamin’ny sampan-kazo napetraka tamin’ny lalany, sady faly izy ireo satria tanteraka ihany nony farany ilay voalazan’ny faminaniana fahiny hoe “Mpanjakanao avy” (Zakaria 9:9). Eo am-pamakianao mandritra ity herinandro ity dia eritrereto ny voan’ny fampianaran’ny Mpamonjy sy ny sorompanavotany eo amin’ny fiainanao ary ny fomba hahatonga izany “hahavokatra be” (Jaona 12:24).

Sary
famantarana ny fandalinan’ny tena manokana

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina

Lioka 19:1–10

Tsy mitsara amin’ny endrika ivelany ny Tompo fa amin’ny fanirian’ny fo.

Tamin’ny andron’i Jesoa dia nihevitra ny olona maro fa ny mpamory hetra dia tsy marin-toetra ary nangalatra tamin’ny olona. Koa satria nanan-karena i Zakaiosy, ilay lehiben’ny mpamory hetra, dia vao mainka mety ho nahiahiana izy. Saingy ny Tompo dia nijery ny fon’i Zakaiosy. Inona no ambaran’ny Lioka 19:1–10 momba ny fon’i Zakaiosy? Azonao raisina an-tsoratra ireo teny ao amin’ireo andininy ireo izay mamariparitra ny zavatra nataon’i Zakaiosy mba hanehoana ny fanolorantenany tamin’ny Mpamonjy. Inona no fanirian’ny fonao? Inona no ataonao mba hikatsahana ny Mpamonjy, tahaka ny nataon’i Zakaiosy?

Jereo koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 137:9.

Matio 23; Lioka 20:45–47

Manameloka ny fihatsarambelatsihy i Jesoa.

Ny fiarahan’ny Mpamonjy tamin’ireo mpanora-dalàna sy Fariseo dia maneho zavatra mifanohitra amin’ny fifaneraserany tamin’i Zakaiosy izay mahavariana. Nanazava ny Filoha Dieter F. Uchtdorf hoe: “Naneho fahatezerana marina [i Jesoa] tamin’ireo mpihatsaravelatsihy toy ireo mpanora-dalàna sy Fariseo ary Sadoseo, dia ireo izay niezaka niseho ho marina mba hahazoana ny dera sy ny laza ary ny haren’izao tontolo izao, kanefa sady nampahory ireo vahoaka izay tokony ho notahiany” (“Ny amin’ny hoe tsisy fitaka,” Liahona, mey 2015, 81).

Ao amin’ny Matio 23 ny Mpamonjy dia nampiasa fanoharana maro mba hamaritana ny fihatsarambelatsihy. Azonao asiana marika na atao lisitra ireo fanoharana ireo ary raketo an-tsoratra ny zavatra ampianarin’izany momba ny fihatsarambelatsihy. Inona no mahasamihafa ny fihatsarambelatsihy amin’ireo fahalemena amin’ny maha-olona izay mahazo antsika rehetra rehefa miezaka miaina ny filazantsara isika? Mitaona anao hanova inona amin’ny zavatra ataonao ny fampianaran’ny Mpamonjy?

Matio 21:1–11; Marka 11:1–11; Lioka 19:29–44; Jaona 12:1–8, 12–16

I Jesoa Kristy no Mpanjakako.

Rehefa tonga tany Jerosalema andro vitsy monja talohan’ny nanatanterahany ny Sorompanavotany i Jesoa, ireo izay nanaiky Azy ho ny Mpamonjiny dia nampiseho ny fanajany Azy tamin’ny alalan’ny fanosorana Azy tamin’ny diloilo, fametrahana akanjo sy sampan-drofia teo amin’ny lalany ho any Jerosalema, ary ny fihikana dera ho Azy. Diniho hoe ahoana no ahafahan’ireto loharanom-pitaovana manaraka ireto mampitombo ny fahatakaranao ireo trangan-javatra ireo, izay nanomboka tamin’ny herinandro farany teo amin’ny fiainan’ny Mpamonjy.

  • Ohatra fahiny amin’ny fanosorana diloilo ny mpanjaka iray: 2 Mpanjaka 9:1–6, 13

  • Faminaniana fahiny momba ny fidirana tamim-boninahitra: Zakaria 9:9

  • Ny dikan’ny teny hoe hosana: “Hosana” ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina (scriptures.ChurchofJesusChrist.org)

  • Faminaniana momba ny hoe ahoana no hiverenan’ny Mpamonjy indray: Apokalypsy 7:9–12

Ahoana no ahafahanao manaja sy mandray ny Mpamonjy ho ny Tompo sy Mpanjakanao?

Jereo koa ny Gerrit W. Gong, “Hosana sy Haleloia!—Ilay Jesoa Kristy Velona: Ivon’ny Famerenana amin’ny laoniny sy ny Paska,” Liahona, mey 2020, 52–55.

Matio 22:34–40

Ny didy roa lehibe indrindra dia ny mitia an’ Andriamanitra sy ny mitia ny hafa tahaka ny tenako.

Raha mahatsiaro ho reraka ianao eo am-piezahanao manaraka an’i Jesoa Kristy dia afaka manampy anao ny tenin’ny Mpamonjy tamin’ireo mpahay lalàna ao amin’ny Matio 22 mba hanamora ny maha-mpianatra anao sy hampifantoka izany. Ity misy fomba iray hanaovana izany: Manaova lisitra ahitana didin’ny Tompo maromaro. Inona no ifandraisan’ny zavatra tsirairay ao amin’ilay lisitra amin’ireo didy roa lehibe indrindra? Hanampy anao hitandrina didy hafa amin’ny fomba ahoana ny fifantohana amin’ireo didy roa lehibe indrindra?

Sary
famantarana ny fandalinan’ny mpianakavy

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Matio 21:12–14.Amin’ny fomba ahoana no hanehoan’ny teny sy ny zavatra nataon’i Jesoa ao amin’ny Matio 21:12–14 ny zavatra tsapany momba ny tempoly? Ahoana no fomba anehoantsika ny zavatra tsapantsika momba ny tempoly? Inona no azontsika “[roasina]” (andininy 12) hiala eo amin’ny fiainantsika mba hahatonga ny tokantranontsika ho lasa toy ny tempoly kokoa? Azonareo iarahana mihira ny hira iray momba ny tempoly, toy ilay hoe “Mahita ny tempoly no mahafinaritra ahy” (Bokin-kiran’ny ankizy, 99).

Matio 21:28–32.Lesona inona avy amin’ilay fanoharana momba ny lehilahy manan-janaka roa no mety hanampy ny fianakavianao? Ohatra, azonao ampiasaina ilay tantara mba hiresahana ny maha-zava-dehibe ny fankatoavana sy ny fibebahana amin-kitsim-po. Azon’ny fianakavianao atao tsara ny manoratra tantara mba hamelomana an-tsehatra ilay fanoharana ary hifandimby hitana anjara mpilalao eo amin’ny toeran’ny olona samihafa ny rehetra.

Matio 22:15–22; Lioka 20:21–26.Mety hahafinaritra ny ankizy ny manamboatra vola tsy tena izy ahitana ny “sary sy soratr[’i Jesoa]” eo amin’izany. Azon’izy ireo soratana ao ambadiky ny vola ny zavatra “izay an’ Andriamanitra” (Matio 22:21) azontsika omena Azy. Azonareo atao ihany koa ny miresaka momba ny dikan’ny hoe manana ny “sary sy soratr[y ny Mpamonjy]” eo amintsika (Matio 22:20; jereo ihany koa ny Môzià 5:8; Almà 5:14).

Jaona 12:1–8.Ahoana no fomba nampisehoan’i Maria ny fitiavany ny Mpamonjy? Ahoana no fomba hanehoantsika ny fitiavantsika Azy?

Sary
Vehivavy namaoka ny tongotr’i Jesoa tamin’ny volony

Washing Jesus’s Feet [Manasa ny tongotr’i Jesoa], nataon’i Brian Call

Jaona 12:42–43.Vokany ara-piarahamonina inona no indraindray manakivy antsika amin’ny firesahana na fiarovana ny finoantsika an’i Kristy? Raha hijery ohatra ahitana olona tsy nanaraka ny tsindry nataon’ny fiarahamonina dia jereo ny Daniela 1:3–20; 3; 6; Jaona 7:45–53; 9:1–38; ary Môzià 17:1–4. Ahoana no ahafahantsika maneho fanajana ny hafa rehefa miresaka na miaro ny finoany ara-pivavahana izy ireo?

Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.

Hira aroso mba hohiraina: “Hosanna au grand Roi!,” Cantiques, no. 34.

Manatsara ny fampianarantsika

Mampiasà zavakanto mba handrisihana ny fianakaviana handray anjara. “Ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara sy ny Médias de l’Évangile ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org dia ahitana sary sy horonan-tsary izay afaka manampy ny [fianakavianao] hahita endri-javatra na zava-miseho” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy22).

Sary
fidiran’i Kristy tamim-boninahitra

Triumphal Entry [Ny fidirana tamim-boninahitra], nataon’i Walter Rane

Hamoaka printy