Testamenta Vaovao 2023
1–7 mey. Lioka 12–17; Jaona 11: “Avia hiara-mifaly amiko; fa efa hitako ilay ondriko very”


“1–7 mey. Lioka 12–17; Jaona 11: -Avia hiara-mifaly amiko; fa efa hitako ilay ondriko very,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Vaovao 2023 (2022)

“1–7 mey. Lioka 12–17; Jaona 11,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2023

Sary
lehilahy mamihina ny zanany lahy

Ilay zanaka adala, nataon’i Liz Lemon Swindle

1–7 mey

Lioka 12–17; Jaona 11

“Avia hiara-mifaly amiko; fa efa hitako ilay ondriko very”

Eo am-pamakianao ny Lioka 12–17 sy ny Jaona 11 dia katsaho ombam-bavaka ny zavatra tian’ny Ray any An-danitra ho fantatrao sy hataonao. Ny fandalinanao ireo toko ireo dia afaka manokatra ny fonao handray ireo hafatra izay natao ho anao manokana.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Saika amin’ny toe-javatra rehetra, ny 99 amin’ny 100 dia raisina ho tena tsara, saingy tsy izany no izy rehefa maneho ireo zanaka malalan’ Andriamanitra ireo isa ireo (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:10). Amin’io lafiny io, na dia fanahy iray aza dia mendrika ny hokarohina lalina sy mafy “mandra-pahita[ntsika] azy” (Lioka 15:4), araka ny nampianarin’ny Mpamonjy ao amin’ny fanoharana momba ilay ondry very. Izay vao afaka manomboka ny firavoravoana, satria “hisy fifaliana toy izany any an-danitra ny amin’ny mpanota iray izay mibebaka noho ny amin’ny olona marina sivy amby [sivifolo], izay tsy misy tokony hibebahany” (Lioka 15:7). Na dia toa tsy rariny aza izany dia ilaina ny mahatsiaro fa, raha ny marina, dia tsy misy olona tsy mila fibebahana. Mila famonjena avokoa isika rehetra. Ary afaka mandray anjara amin’ilay fanavotana avokoa isika, miara-mifaly ho an’ny fanahy tsirairay izay avotra (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:15–16).

Sary
famantarana ny fandalinan’ny tena manokana

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina

Lioka 12; 14–16

Voatahy aho rehefa mametraka ny foko amin’ireo zavatra izay manan-danja mandrakizay.

Nahoana Andriamanitra no niteny hoe “Ry adala” tamin’ny olona niasa mafy sy nahomby izay nanorina trano fitehirizana lehibe ary nameno izany tamin’ny vokatry ny asany? (jereo ny Lioka 12:16–21). Ao amin’ireo toko ao amin’ny Lioka ireo ny Mpamonjy dia nampianatra fanoharana maro izay afaka manampy antsika hampifantoka ny saintsika mihoatra ny zavatr’izao tontolo izao ka mankany amin’ny mandrakizay. Voatanisa eto ny sasany amin’izany fanoharana izany. Ahoana no hamintinanao ny hafatra ampitain’ny tsirairay amin’izany? Inona araka ny eritreritrao no lazain’ny Tompo aminao?

Jereo koa ny Matio 6:19–34; 2 Nefia 9:30; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 25:10.

Lioka 15

Faly ny Ray any An-danitra rehefa hita ireo izay very.

Eo am-pamakianao ireo fanoharana nampianarin’i Jesoa ao amin’ny Lioka 15, dia inona no ianaranao momba ny zavatra tsapan’ny Ray any An-danitra momba ireo izay nanota na hoe “very” amin’ny heviny hafa? Inona no tokony ho tsapan’ny mpitarika ara-panahy iray, na isika tsirairay, momba azy ireo? Diniho hoe ahoana no mety ho namalian’ireo Fariseo sy Sadoseo an’ireo fanontaniana ireo (jereo ny Lioka 15:1–2). Ny valin-tenin’i Jesoa dia azo jerena ao amin’ireo fanoharana telo ao amin’ny Lioka 15. Rehefa mamaky ianao dia eritrereto ny zavatra nampianarin’i Jesoa an’ireo mpanoradalàna sy Fariseo tamin’ny alalan’ireo fanoharana ireo.

Azonao atao ihany koa ny manao lisitra ahitana ireo zavatra itoviana sy maha-samy hafa an’ireo fanoharana. Ohatra, azonao faritana hoe inona no very ao amin’ny fanoharana tsirairay ary nahoana izany no very, ahoana no nahitana azy, ary inona no fihetsika nasehon’ny olona rehefa hita indray izany. Inona no hafatr’i Jesoa ho an’ireo izay “very”, tafiditra ao anatin’izany ireo izay tsy mieritreritra hoe very? Inona no hafany ho an’ny olona izay mitady ireo very?

Jereo koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:10–16.

Sary
vehivavy mitady vola very

The Lost Piece of Silver [Ilay farantsakely very], nataon’i James Tissot

Lioka 16:1–12

Inona no nampianarin’i Kristy ao amin’ilay fanoharana momba ilay mpitandrina tsy marina?

Nanazava lesona iray azontsika ianarana avy amin’ilay fanoharana ny Loholona James E. Talmage: “Manàna fahazotoana, satria tsy ho ela dia ho dila ny fotoana ahafahanao mampiasa ny harenanao eto an-tany. Mandraisa lesona na dia avy amin’ireo tsy marin-toetra sy ireo ratsy fanahy aza. Raha toa izy ireo ka malina tokoa amin’ny fitsinjovana na dia ny hoavy fotsiny ihany aza, tsy mainka va ianao izay mino ny hoavy mandrakizay no tokony ho malina kokoa ka hitsinjo izany! Raha tsy nianatra fahendrena sy fahamalinana ianao tamin’ny fampiasana ny -mamôna tsy marina,- ahoana no ahafahana matoky anao amin’ny harena maharitra kokoa?” (Jesus the Christ [1916], 464). Inona koa no lesona hafa hitanao ao amin’io fanoharana io?

Lioka 17:11–19

Ny fankasitrahana noho ireo fitahiana azoko dia hitondra ahy hanakaiky kokoa an’ Andriamanitra.

Raha anisan’ny iray tamin’ireo boka folo ianao, mety niverina ve ianao araka ny eritreritrao mba hisaotra ny Mpamonjy? Inona no fitahiana fanampiny azon’ilay boka velom-pankasitrahana noho ny fanehoany fisaorana?

Azonao saintsainina ihany koa ny tenin’ny Mpamonjy hoe: “ny finoanao no efa nahavonjy anao” (andininy 19). Araka ny hevitrao dia inona no ifandraisan’ny fankasitrahana sy ny finoana? Ahoana no hanampian’ireo zavatra roa ireo antsika mba ho sitrana?

Jereo ihany koa ny Dale G. Renlund, “Saintsaino ny hatsaram-po sy ny halehibeazan’ Andriamanitra,” Liahona, mey 2020, 41–44.

Jaona 11:1–46

I Jesoa Kristy no Fananganana amin’ny maty sy Fiainana.

Ny fahagagana tamin’ny fananganana an’i Lazarosy tamin’ny maty dia vavolombelona matanjaka sy tsy azo lavina fa i Jesoa dia tena Zanak’ Andriamanitra marina sy ilay Mesia nampanantenaina. Teny na andian-teny na antsipirian-javatra inona ao amin’ny Jaona 11:1–46 no manamafy orina ny finoanao fa i Jesoa Kristy no “fananganana ny maty sy fiainana”? Midika inona aminao izany hoe i Jesoa no “fananganana ny maty sy fiainana”?

Sary
famantarana ny fandalinan’ny mpianakavy

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Lioka 15:1–10.Takatry ny ao amin’ny fianakavianao ve hoe ahoana izany very zavatra izany, na hoe very? Ny firesadresahana ny zavatra niainan’izy ireo dia mety hanomboka fifanakalozan-kevitra mikasika ny fanoharana momba ilay ondry very sy ilay farantsakely very. Na azonareo atao ny manao kilalao fangalampiery. Ahoana no hanampian’io lalao io antsika hahatakatra ireo fanoharana ireo?

Lioka 15:11–32.Ahoana no ahafahantsika ho tahaka ilay raim-pianakaviana ao amin’io tantara io rehefa misy olona akaiky antsika very? Inona no azontsika ianarana avy amin’ny zavatra niainan’ilay zanaka lahimatoa izay afaka manampy antsika ho tahaka an’i Kristy kokoa? Amin’ny fomba ahoana no itovian’ilay raim-pianakaviana ao amin’io fanoharana io amin’ny Ray any An-danitra?

Lioka 17:11–19.Mba hanampiana ny olona ao amin’ny fianakavianao hampihatra ny tantaran’ireo boka folo, dia azonao asaina izy ireo hifamela hafatra miafina mirakitra fankasitrahana ho an’ny tsirairay. Azonareo iarahana mihira ihany koa ilay hira hoe “Isao ireo fitahiana” (Fihirana sy hiran’ny ankizy, lah. 16) sady mitanisa ireo fitahiana azon’ny fianakavianao.

Jaona 11:1–46.Azon’ny olona ao amin’ny fianakaviana atao ny mizara ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo momba an’i Jesoa Kristy.

Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.

Hira aroso mba hohiraina: “Au Berger elles sont chères,” Cantiques, no. 142.

Manatsara ny fampianarantsika

Mampiasà tantara sy ohatra mba hampianarana fitsipiky ny filazantsara. Matetika ny Mpamonjy no mampianatra ireo fitsipiky ny filazantsara amin’ny alalan’ny fampiasana tantara sy fanoharana. Mieritrereta ohatra sy tantara teo amin’ny fiainanao manokana izay hahatonga ny fitsipiky ny filazantsara iray ho azon’ny fianakavianao ampiharina (jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy22).

Sary
lehilahy mandohalika mankasitraka an’i Jesoa

Where Are the Nine [Fa aiza ny sivy], nataon’i Liz Lemon Swindle

Hamoaka printy