Testamenta Vaovao 2023
24–30 aprily. Jaona 7–10: “Izaho no Mpiandry Tsara”


“24–30 aprily. Jaona 7–10: -Izaho no Mpiandry Tsara,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Vaovao 2023 (2022)

“24–30 aprily. Jaona 7–10,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2023

Sary
I Jesoa eo akaikin’ny vehivavy iray mianjera amin’ny tany

Neither Do I Condemn Thee [Izaho koa tsy manameloka anao], nataon’i Eva Koleva Timothy

24–30 aprily

Jaona 7–10

“Izaho no Mpiandry Tsara”

Eo am-pamakianao ny Jaona 7–10 dia mety hahazo fahatsapana avy amin’ny Fanahy Masina ianao momba ireo fitsipika ara-potopampianarana ato amin’ireto toko ireto. Ny firaketana ireo fahatsapanao dia afaka manampy anao hanao drafitra hanatanterahana asa araka izany.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Na dia tonga aza i Jesoa Kristy mba hitondra “fiadanana ho etỳ ambonin’ny tany amin’ny olona” (Lioka 2:14), dia “nisara-tsaina ny amin’i Jesoa ny vahoaka” (Jaona 7:43). Ireo olona izay nanatri-maso ireo tranga ireo dia lasa nanana tsoa-kevitra tena tsy mitovy momba ny hoe iza i Jesoa. Ny sasany nanatsoaka fa, “Tsara fanahy Izy,” raha ny hafa kosa nilaza fa “mamitaka ny vahoaka Izy” (Jaona 7:12). Rehefa nanasitrana jamba iray tamin’ny andro Sabata Izy dia nanizingizina ny sasany hoe, “tsy avy amin’ Andriamanitra izany Lehilahy izany, satria tsy mitandrina ny Sabata Izy” ary ny hafa kosa nanontany hoe, “Hataon’ny lehilahy mpanota ahoana no fahay manao fahagagana toy izany?” (Jaona 9:16). Na dia teo aza anefa izany tsy fitovian-kevitra izany, ireo izay nikatsaka fahamarinana dia nahafantatra ny hery tao anatin’ny teniny, satria “tsy mbola nisy olona niteny tahaka izany” (Jaona 7:46). Rehefa nanontany an’i Jesoa ireo Jiosy hoe “lazao marimarina aminay” raha Izy no ilay Kristy, dia nanambara fitsipika iray izay afaka manampy antsika hanavaka ny fahamarinana amin’ny fahadisoana Izy: “Ny ondriko mihaino ny feoko,” hoy Izy, “ary Izaho mahalala azy, ary izy manaraka Ahy” (Jaona 10:24, 27).

Sary
famantarana ny fandalinan’ny tena manokana

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina

Jaona 7:14–17

Rehefa miaina ireo fahamarinana nampianarin’i Jesoa aho dia hahafantatra fa marina izy ireny.

Nahatalanjona an’ireo Jiosy ny fahaizan’i Jesoa satria olona tsy nandia fianarana Izy (jereo ny andininy 15), na izany na tsy izany aloha raha amin’ny fomba izay mahazatra azy ireo. Tao anatin’ny valin-teniny i Jesoa dia nampianatra fomba ahafantarana fahamarinana iray hafa izay vitan’ny olon-drehetra, na inona na inona fianarana na fomba nanabeazana azy. Araka ny Jaona 7:14–17, ahoana no fomba ahafahanao mahafantatra fa marina ny fotopampianarana nampianarin’i Jesoa? Ahoana no nanampian’io dingana io anao hampivoatra ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny filazantsara?

Jaona 8:2–11

Natao ho antsika rehetra ny famindram-pon’ny Mpamonjy.

Raha niresaka momba ny nihaonan’i Jesoa tamin’ilay vehivavy tratra nijangajanga ny Loholona Dale G. Renlund dia nilaza hoe: “Azo antoka fa tsy namela ny hanaovana fijangajangana ny Mpamonjy. Kanefa tsy nanameloka ilay vehivavy koa Izy. Namporisika azy hanova ny fiainany Izy. Vonona ny hiova izy noho ny famindram-po sy ny fahasoavany. Ny Baiboly Dikantenin’i Joseph Smith dia manamarina ny nahalasa mpianatra azy taorian’izay: -Ary nanomboka tamin’izay ora izay dia nanome voninahitra an’ Andriamanitra ilay vehivavy, sady nino ny anarany- (“Ilay Mpiandry Tsarantsika,” Liahona, mey 2017, 30).

Oviana ianao no efa nahatsapa tahaka ilay vehivavy ka nahazo famindram-po fa tsy fanamelohana avy amin’ny Mpamonjy? Oviana ianao no efa tahaka ireo mpanora-dalàna sy ireo Fariseo, nanameloka sy nitsara ny hafa na dia mpanota aza ianao? (jereo ny Jaona 8:7). Inona koa no azonao ianarana avy amin’ny fomba nihaonan’i Mpamonjy tamin’ireo mpanora-dalàna sy Fariseo ary ilay vehivavy tratra nijangajanga? Inona no ianaranao momba ny famelan-keloky ny Mpamonjy rehefa mamaky ireo andininy ireo ianao?

Jaona 9

Raha manam-pinoana isika dia afaka maneho ny asany ao anatin’ny fahoriantsika Andriamanitra.

Inona no ampianarin’ny Jaona 9:1–3 anao momba ireo olana sy fahoriana eo amin’ny fiainana? Rehefa mamaky ny Jaona 9 ianao dia saintsaino ny fomba “[n]anehoana ny asan’ Andriamanitra” teo amin’ny fiainan’ilay lehilahy teraka jamba. Ahoana no nanehoana izany teo amin’ny fiainanao, tafiditra ao anatin’izany ny fotoana niainanao fahoriana?

Jaona 10:1–30

I Jesoa Kristy no Mpiandry Tsara.

Na dia tsy mahafantatra zavatra mikasika ny ondry sy ny fiandrasana ondry aza ianao dia afaka mampianatra anao fahamarinana manan-danja momba ny Mpamonjy ny famakiana ny Jaona 10, izay nilazan’ny Mpamonjy hoe: “Izaho no Mpiandry Tsara”. Mba hahitana ireo fahamarinana ireo dia mitadiava andian-teny mamariparitra ny atao hoe mpiandry tsara ary avy eo dia saintsaino ny fomba azo hampiharana ireo andian-teny ireo amin’ny Mpamonjy. Misy ohatra vitsivitsy ireto ambany ireto:

  • Andininy 3: “Izay ondriny tokoa dia antsoiny amin’ny anarany avy ka entiny mivoaka.”

  • Andininy 11: “Manolotra ny ainy hamonjy ny ondry” Izy.

  • Andininy 16: “Ho tonga andiany iray izy, sady iray ihany ny Mpiandry.”

Ireto misy fanontaniana fanampiny vitsivitsy hanampiana anao hisaintsaina io toko io: Inona no mampitovy an’i Jesoa amin’ny vavahady? (jereo ny andininy 7–9). Ahoana no nanomezany anao “fiainana … be dia be”? (andininy 10). Oviana ianao no nahatsapa fa mahafantatra anao manokana Izy? (jereo ny andininy 14). Ahoana no hamantaranao ny feon’ny Mpiandry Tsara? (Jereo ny andininy 27).

Jereo koa ny Salamo 23; Ezekiela 34; Almà 5:37–39; 3 Nefia 15:21–16:5; Gerrit W. Gong, “Mpiandry Tsara, Zanakondrin’ Andriamanitra,” Liahona, mey 2019, 97–101.

Sary
famantarana ny fandalinan’ny mpianakavy

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Jaona 7:24.Mba hanampiana ny fianakavianao hahatakatra ny fampianaran’i Jesoa ao amin’ny Jaona 7:24, dia azonao atao ny mampiseho azy ireo zavatra iray izay hafa ny endriny ety ivelany ary hafa ny ao anatiny. Na azon’ny olona ao amin’ny fianakaviana atao ny mizara zavatra niainana izay nampianatra azy ireo tsy hitsara olona amin’izay hitany avy ety ivelany. Azonareo atao koa ny manao lisitra ny toetra tsara tsy hita maso izay ananan’ny olona tsirairay ao amin’ny fianakaviana (jereo koa ny 1 Samoela 16:7; Thomas S. Monson, “Mijery ny hafa araka izay mety hahatongavany,” Liahona, nôv. 2012, 68–71).

Jaona 8:31–36.Inona no dikan’ny hoe “mpanompon’ny devoly”? (jereo koa ny Môrônia 7:11). Fahamarinana inona nampianarin’i Jesoa no afaka manafaka antsika?

Sary
I Kristy manasitrana lehilahy iray jamba

I Jesus Healing the Bling [I Jesoa manasitrana ilay lehilahy jamba], nataon’i Carl Heinrich Bloch

Jaona 9.Ahoana no ahafahanao manampy ny fianakavianao haka sary an-tsaina ny tantaran’i Jesoa manasitrana ilay lehilahy jamba ao amin’ny Jaona 9? Azonareo atao ny miara-milalao an-tsehatra ilay tantara. Ampiatoy tsindraindray ilay tantara mba hahafahan’ny olona ao amin’ny fianakaviana mamaky ireo andinin-tsoratra masina mifandray amin’izany avy ao amin’ny Jaona 9. Asao izy ireo handray an-tsoratra izay lesona nianaran’izy ireo avy amin’ilay tantara, toy ny hoe inona no dikan’ny hoe miova fo amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

Jaona 10:1–18, 27–29.Mba hampandraisana anjara ny mpianakavy amin’ny fianarana avy amin’ny fanoharana momba ilay Mpiandry Tsara dia asao ny tsirairay avy amin’izy ireo hanao sary ny iray amin’ireto manaraka ireto: mpangalatra, vavahady, mpiandry ondry, mpikarama (mpiasa iray karamaina), amboadia, ary ondry. Asao izy ireo hamaky ny Jaona 10:1–18, 27–29 avy eo dia miaraha mifanakalo hevitra amin’ny maha-fianakaviana mikasika ny zavatra nampianarin’ny Mpamonjy momba ireo zavatra nataon’izy ireo sary ireo.

Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.

Hira aroso mba hohiraina: “L’Eternel est mon berger,” Cantiques,no. 57.

Manatsara ny fandalinana manokana

Mitadiava teny sy andian-teny manentana ny fanahy. Rehefa mamaky ianao dia mety hanisy teny na andian-teny ao an-tsainao ny Fanahy izay manentana ny fanahinao sy mandrisika anao hanao zavatra na toa nosoratana ho anao mihitsy. Raiso an-tsoratra izay teny na andian-teny manentana ny fanahinao ao amin’ny Jaona 7–10.

Sary
I Kristy miaraka amin’ny ondry iray

Lost No More [Tsy ho very intsony], nataon’i Greg K. Olsen

Hamoaka printy