Testamenta Vaovao 2023
27 martsa–2 aprily. Matio 14; Marka 6; Jaona 5–6: “Aza matahotra”


“27 martsa–2 aprily. Matio 14; Marka 6; Jaona 5–6: -Aza matahotra,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Vaovao 2023 (2022)

“27 martsa–2 aprily. Matio 14; Marka 6; Jaona 5–6,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2023

Sary
I Jesoa miara-mandeha amin’ny mpianany mitondra sobika feno mofo

27 martsa–2 aprily

Matio 14; Marka 6; Jaona 5–6

“Aza matahotra”

Eo am-pamakianao ny Matio 14; Marka 6; ary ny Jaona 5–6 dia mitadiava fahamarinana izay manan-danja aminao. Mety hametraka fanontaniana toy izao amin’ny tenanao ianao: “Ahoana no ifandraisan’ny tantara ao amin’ireo toko ireo amiko?” “Inona no hafatra hitako ho an’ny fiainako?” na “Inona no tiako hozaraina amin’ny fianakaviako na amin’ny hafa?”

Raketo an-tsoratra ireo zavatra tsapanao

Inona no mety nitaona an’i Petera hiala an’ilay sambony izay azo antoka teny afovoan’ny ranomasin’i Galilia nandritra ny tafio-drivotra mafy iray? Inona no nitarika azy hino fa raha afaka nandeha teny ambony rano i Jesoa dia ho afaka hanao izany koa izy? Tsy ho fantatsika tanteraka izany saingy takatr’i Petera angamba fa ny Zanak’ Andriamanitra dia tsy tonga hanao zava-mahagaga fotsiny ihany fa hanome hery ny olona toa an’i Petera mba hanao zava-mahagaga ihany koa. Sady ny fanasan’i Jesoa rahateo moa dia hoe “Avia, manaraha Ahy” (Lioka 18:22). Efa nanaiky ny fanasany i Petera indray mandeha, ary mbola vonona ny hanaiky izany indray izy, na dia nidika aza izany fa hiatrika ny tahony sy hanao zavatra izay toa tsy ho vita izy. Ny Tompo angamba tsy hangataka antsika hiala ny sambo iray eo anivon’ny tafio-drivotra na hanolotra ny mofo kely izay ananantsika rehefa noana ny vahoaka an’arivony, fa mety hangataka antsika Izy mba hanaiky ireo torolalana na dia tsy azontsika tanteraka aza izany. Na inona na inona fanasana omeny antsika dia mety toa tsy hampoizina izany na hampatahotra mihitsy aza. Saingy afaka mitranga ireo fahagagana raha toa ka avelantsika ny tahotsika sy ny ahiahintsika ary ny fahatakarantsika voafetra, tahaka ny nataon’i Petera, dia manaraka Azy isika.

Sary
famantarana ny fandalinan’ny tena manokana

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina

Jaona 5:16–47

Manome voninahitra ny Rainy i Jesoa Kristy.

Ny fifandraisana eo amin’ny Ray any An-danitra sy ireo zanany tsirairay dia natao ho masina. Ao amin’ireo andininy ireo i Jesoa Kristy dia nanome antsika ohatra tena tsara tokony harahina ao amin’ny fifandraisantsika amin’ny Ray any An-danitra. Vakio ny Jaona 5:16–47, dia asio marika na soraty izay rehetra ahitana ny teny hoe Ray. Amin’ny fomba ahoana no hanajan’ny Zanaka ny Ray, ary ahoana no ahafahanao manaraka izany ohatra asehony izany? Inona no ianaranao mikasika ny zavatra tsapan’ny Ray momba ny Zanaka? Inona no tsapanao fa tokony hataonao mba hanamafisana ny fifandraisanao amin’ny Rainao any An-danitra?

Jereo ihany koa ny Jaona 17.

Sary
Mofo sy hazandrano

Namahana tamin’ny fomba mahagaga olona dimy arivo tamin’ny alalan’ny mofo dimy sy hazandrano roa i Jesoa.

Matio 14:15–21; Marka 6:33–44; Jaona 6:5–14

Afaka mampitombo ny fanatitra ataoko amim-panetrentena mba hanatontosana ny asany ny Mpamonjy.

Efa nahatsapa ho tsy nahavita azy ve ianao teo amin’ny fanomezana ny zavatra rehetra ilain’ny olona nanodidina anao, tao an-tokantranonao na tamin’ny fifandraisanao tamin’ny olona na teo amin’ny fiarahamonina? Tsy maintsy ho nahatsapa ho tsy nahavita azy ireo mpianatr’i Jesoa rehefa nangatahiny hanome sakafo ireo vahoaka noana dimy arivo raha mofo dimy sy hazandrano roa ihany no nisy. Rehefa mamaky ny tantaran’ny fahagagana izay niseho nanaraka izany ianao dia saintsaino ny fomba mety hampiasan’ Andriamanitra ny asa fanompoana feno fanetrentena atolotrao mba hitahiana ireo manodidina anao. Tamin’ny fomba ahoana no nampitomboany ny ezaka nataonao rehefa nanompo Azy ianao? Diniho ity teny avy amin’ny Rahavavy Michelle D. Craig ity: “Izaho sy ianao dia afaka manome an’i Kristy izay ananantsika, dia Izy no hampitombo ny ezaka ataontsika. Izay zavatra omenao dia efa ampy, na dia eo aza ny tsy fahatanterahana sy fahalemenao amin’ny maha-olona anao—raha toa ianao ka miantehitra amin’ny fahasoavan’ Andriamanitra.” (“Tsy fahafaham-po araka an’ Andriamanitra,” Liahona, nôv. 2018, 54).

Matio 14:22–33; Marka 6:45–52; Jaona 6:15–21

Manasa ahy hamela ny tahotro sy ny ahiahiko i Jesoa Kristy ary hampihatra finoana Azy.

Alaivo sary an-tsaina ny antsipirian’ny zavatra mitranga voasoritra ao amin’ny Matio 14:22–33 sy ny Marka 6:45–52 ary ny Jaona 6:15–21. Eritrereto ny mety ho fahatsapana nananan’i Petera sy ireo mpianatra hafa. Inona no ianaranao mikasika ny maha-mpianatra avy amin’ny zavatra nolazain’ny Mpamonjy sy ny zavatra nataony ao amin’ireo andininy ireo? Inona no ianaranao avy amin’ny zavatra nolazain’i Petera sy ny zavatra nataony? (Jereo koa ny 1 Nefia 3:7.) Inona no zavatra asain’ny Tompo ataonao izay mety hitovy amin’ny fivoahana avy ao anatin’ilay sambo? Inona no hitanao ao amin’ireo andininy ireo izay mankahery anao hampihatra finoana an’i Jesoa Kristy?

Jaona 6:22–71

Amin’ny maha-mpianatr’i Jesoa Kristy ahy dia tsy maintsy vonona ny hino sy hanaiky ny fahamarinana aho, na dia sarotra aza ny manao izany.

Rehefa niantso ny Tenany ho ny “mofon’aina” (Jaona 6:48) i Jesoa, dia betsaka no nilaza hoe “sarotra izany teny izany” (Jaona 6:60). Ahoana no hanampian’ny tenin’i Petera ao amin’ny Jaona 6:68–69 anao mandritra ireo fotoana izay toa maha-sarotra ny fanekena na ny fiainana ny fotopampianaran’ny Mpamonjy? Inona no manaitra anao amin’ny fijoroana ho vavolombelona nataon’i Petera? Inona avy ireo “tenin’ny fiainana mandrakizay” (Jaona 6:68) sasantsasany izay manampy anao hijanona amin’ny fanolorantenanao hanaraka ny Mpamonjy?

Jereo ihany koa ny M. Russell Ballard, “Hankany amin’iza moa isika?,” Liahona, nôv. 2016, 90–92.

Sary
famantarana ny fandalinan’ny mpianakavy

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Matio 14:15–21.Diniho hoe ahoana no hanampianao ny fianakavianao haka sary an-tsaina ny habetsaky ny mofo sy hazandrano nilaina mba hamahanana vahoaka dimy arivo. Inona no ampianarin’ny fahagagana ao amin’ny Matio 14:15–21 antsika mikasika ny Mpamonjy? Hevero ny hizara zavatra niainanao rehefa nahatsapa ianao fa tsy nanan-katolotra firy ka nampitomboin’ny Mpamonjy ny ezaka nataonao.

Matio 14:22–33.Mety hahafinaritra ny fianakavianao ny hamelona an-tsehatra ilay tantara ao amin’ireo andininy ireo. Nahoana ireo mpianatra no natahotra? Inona no nahatonga an’i Petera afaka nandresy ny tahony ka niala ilay sambo? Tamin’ny fomba ahoana no nanehoany ny finoany na dia efa nanomboka nilentika aza izy? Amin’ny fomba ahona no itoviantsika amin’i Petera indraindray?

Jaona 5:1–16.Asao ny olona ao amin’ny fianakavianao handray an-tsoratra ireo andian-teny ahitana ny hoe “sitrana” ao amin’ireo andininy ireo. Amin’ny fomba ahoana no ahafahan’i Jesoa Kristy manasitrana ny olona? Oviana ary tamin’ny fomba ahoana no nanasitranany antsika?

Jaona 6:28–58.Omeo tapa-mofo hohanina ny olona tsirairay ao amin’ny fianakaviana, ary ifanakalozy hevitra ny tombontsoa azontsika avy amin’ny mofo sy ny sakafo ara-pahasalamana hafa. Avy eo dia iaraho fakafakaina ireo andininy ireo mba hitadiavana ny antony nahatonga an’i Jesoa hiantso ny Tenany hoe ilay “mofon’aina” (Jaona 6:35). Inona no mety ho hevitry ny hoe “mihinana” ny mofon’aina? (jereo ny D. Todd Christofferson, “Ilay mofo velona izay nidina avy tany an-danitra,” Liahona, nôv. 2017, 36–39).

Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.

Hira aroso mba hohiraina: “Endrey fahendrena, fitia,” Fihirana sy hiran’ny ankizy, lah. 37.

Manatsara ny fandalinan’ny tena manokana

Mikatsaha hevi-baovao ara-panahy anao manokana. Rehefa manao fandalinana manokana na miaraka amin’ny fianakaviana ianao dia aza mionona fotsiny amin’ireo andinin-tsoratra masina voalaza ao amin’ireto rindran-damina ireto. Mety manana hafatra ho anao ny Tompo ao amin’ireo toko ireo izay tsy voaresaka ato. Katsaho ombam-bavaka izany.

Sary
I Jesoa misintona an’i Petera avy ao anaty rano

Against the Wind [Manohitra ny rivotra], nataon’i Liz Lemon Swindle

Hamoaka printy