Testamenta Vaovao 2023
27 martsa–2 aprily. Matio 14; Marka 6; Jaona 5–6: “Aza matahotra”


“27 martsa–2 aprily. Matio 14; Marka 6; Jaona 5–6: -Aza matahotra,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Testamenta Vaovao 2023 (2022)

“27 martsa–2 aprily. Matio 14; Marka 6; Jaona 5–6,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga 2023

Sary
I Jesoa mandeha miaraka amin’ireo mpianany mitondra harona misy mofo

27 martsa–2 aprily

Matio 14; Marka 6; Jaona 5–6

“Aza matahotra”

Rehefa miomana hampianatra avy ao amin’ny Matio 14; Marka 6; aryny Jaona 5–6 ianao, dia mitadiava hafatra izay ilaina eo amin’ny fiainan’ny ankizy ampianarinao. Inona araka ny hevitrao no hanampy azy ireo hahatakatra ireo hafatra ireo? Afaka manome hevitra vitsivitsy ho anao ity rindran-damina ity.

Sary
Sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Mampisehoa sarin’i Jesoa mandeha eo ambonin’ny rano (jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana na ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 43), dia angataho ny ankizy mba hizara ny zavatra fantatr’izy ireo mikasika io tantara io.

Sary
Sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy kely

Jaona 5:1–9

Mahafantatra ny zavatra ilaiko i Jesoa Kristy ary afaka manampy ahy Izy.

Saintsaino ny tantaran’i Jesoa nanasitrana ilay lehilahy tao amin’ny dobon’i Betesda. Ahoana no fomba ahafahanao manampy ny ankizy hahita ny zavatra ampianarin’ilay tantara mikasika ny hatsaram-panahin’i Jesoa sy ny fitiavany ary ireo toetra tsara hafa ananany?

Atrikasa azo atao

  • Ampiasao ny sary I Kristy nanasitrana ilay narary tany Betesda (Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah.42) mba hitantarana amin’ny ankizy ny tantara ao amin’ny Jaona 5:1–9. Angataho ny ankizy mba haka sary an-tsaina hoe izy ireo ilay olona nositranin’i Jesoa. Inona no tsapan’izy ireo rehefa nositranin’i Jesoa izy ireo?

  • Angantaho ny ankizy hitanisa zavatra izay sarotra ho azy ireo na mitondra alahelo eo amin’izy ireo. Mitantarà fotoana iray teo amin’ny fiainanao izay nandraisanao fanampiana avy tamin’ny Mpamonjy nandritra ny fitsapana mafy iray. Mijoroa ho vavolombelona fa mahafantatra ny olantsika rehetra i Jesoa ary te hanampy antsika.

Matio 14:13–21

Manaraka ny ohatra nasehon’i Jesoa aho rehefa tsara fanahy amin’ny hafa.

Ny fomba iray nanehoan’i Jesoa fitiavana dia tamin’ny namahanany an’ireo mpanara-dia azy rehefa noana izy ireo. Ahoana no ahafahanao manampy ny ankizy hianatra hanompo ny hafa tahaka ny nataon’i Jesoa?

Atrikasa azo atao

  • Mampisehoa harona sy mofo vitsivitsy rehefa mitantara ny tantara ao amin’ny Matio 14:13–21 ianao. Hazavao fa na dia nandeha tany an-tendrombohitra mba ho irery aza i Jesoa dia naniry ny ho eo akaikiny ny olona. Zarao amin’ny ankizy ny ambin’ilay tantara dia angataho izy ireo mba hihaino ny zavatra nataon’i Jesoa mba hanehoana hatsaram-panahy sy fitiavana tamin’ny vahoaka.

  • Angataho ny ankizy hizara fomba izay nanehoan’ny olona hatsaram-panahy tamin’izy ireo. Dia ampio izy ireo hieritreritra zavatra azony atao amin’ity herinandro ity mba ho tsara fanahy amin’ny hafa. Isaky ny manome valiny izy ireo dia manaova sarina mofo na hazandrano eo amin’ny solaitrabe. Lazao ny ankizy fa rehefa manao ireo zavatra ireo izy ireo dia manaraka ny ohatra nasehon’i Jesoa rehefa namahana olona dimy arivo izay noana Izy.

Matio 14:22–33

Afaka manampy ahy mba tsy hatahotra ny finoana an’i Jesoa Kristy.

Nampiseho finoana lehibe i Petera rehefa nandeha teo ambonin’ny rano nanatona an’i Jesoa. Inona no lesona mety ho an’ny ankizy ao anatin’io tantara io?

Atrikasa azo atao

  • Asehoy ny sary ao amin’ny rindran-damina ho an’ity herinandro ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana (jereo koa ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 43) eo am-pitantaranao ny tantara ao amin’ny Matio 14:22–33 amin’ny alalan’ny teninao manokana. Ampiasao ny pejy misyny atrikasa ho an’ity herinandro ity mba hanampiana ny ankizy hamerina io tantara io aminao. Azonao atao koa ny mitondra vilia lalina aty misy rano, dia asao ny ankizy mody “hampandeha” ny rantsantanany eo ambonin’ny rano.

  • Angataho izy ireo hitantara fotoana izay nahatsapan’izy ireo tahotra ary hizara ny zavatra nanampy azy ireo. Ampio izy ireo hahita fa ny finoana an’i Jesoa Kristy dia manampy antsika handresy ny tahotra.

Sary
Sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy lehibe

Jaona 5:17–47

Mampianatra ahy momba ny Ray any An-danitra i Jesoa Kristy.

Ahoana no ahafahan’ireo fampianaran’i Jesoa mikasika ny Rainy manampy ny ankizy hahafantatra mikasika ny Ray any An-danitra?

Atrikasa azo atao

  • Manamboara andian-karatra roa izay mifanaraka ka ahitana ireo teny izay nampiasain’i Jesoa mba hampianarana mikasika ny Ray any An-danitra ao amin’ny Jaona 5, toy ny hoe tia, fiainana, ary asa (jereo ny Jaona 5:20, 26, 36). Ahoafy ireo karatra, dia angataho ny ankizy mba hitady an’izay mifanaraka amin’ny alalan’ny famadihana karatra roa isaky ny mandeha. Isaky ny vita ny mampifanaraka karatra iray dia vakio ilay andininy ahitana ilay teny ary anontanio ny ankizy ny zavatra ampianarin’ilay teny antsika momba ny Ray any An-danitra.

  • Angataho ny ankizy hamaky ny Jaona 5:30 dia avy eo hameno ity fehezan-teny manaraka ity: “Fa tsy mitady ny sitrapoko Aho, fa …” Ahoana no fomba nanaovan’i Kristy ny sitrapon’ny Rainy any An-danitra? Ahoana no fomba anaovantsika ny sitrapon’ny Ray any An-danitra?

Sary
Mofo sy hazandrano

Namahana tamin’ny fomba mahagaga olona dimy arivo tamin’ny alalan’ny mofo dimy sy hazandrano roa i Jesoa.

Jaona 6:5–14

Afaka mitondra fiovana ny zavatra kely atolotsika.

Zazalahy iray no nanome mofo sy hazandrano izay nampiasain’i Jesoa mba hamahanana olona dimy arivo. Ahoana no ahafahanao manampy ny ankizy ampianarinao hahita ny fomba ahafahan’izy ireo mitondra ny anjara birikiny eo amin’ny asan’ny Tompo?

Atrikasa azo atao

  • Ampio izy ireo haka sary an-tsaina ny habetsak’izany olona dimy arivo izany. Ahoana izany mamahana olona maro amin’ny alalan’ny mofo dimy sy hazandrano roa monja izany?

  • Manasà ankizy iray mba hitantara amin’ny alalan’ny fampiasany ny teniny manokana ny tantaran’ny famahanana ireo olona dimy arivo. Antitrantero fa zazalahy iray no nanome ny mofo sy ny hazandrano izay nampiasain’i Jesoa mba hanatanterahana an’io fahagagana ii Ahoana no ahafahantsika ho tonga tahaka ilay zazalahy ao amin’ny Jaona 6:9? Asao ny ankizy hanao ny sarin’ireo mofo sy hazandrano eo amin’ny taratasy ary hanoratra eo amin’izy ireo ny sasany amin’ireo zavatra izay azon’izy ireo atolotra ny Tompo mba hanampiana Azy amin’ny asany.

  • Omeo piozila kely mba hovitainy ny ankizy. Inona no zavatra hitranga raha toa ka tsy eo ny iray amin’ireo singa mandrafitra ilay piozila? Hazavao fa toy ny singa tsirairay ao anatin’ilay piozila isika. Samy manan-danja isika ary samy mifampila. Ampio ny ankizy hitanisa antony maha-manan-danja azy ireo ao amin’ny fianakaviany, ao amin’ny kilasin’ny Kilonga misy azy ireo, ny fianakavian’ Andriamanitra, ary ireo vondrona hafa.

Matio 14:22–33

Afaka manampy ahy mba tsy hatahotra ny finoana an’i Jesoa Kristy.

Ny finoana sy ny tahotra dia manana anjara toerana manan-danja ao anatin’ilay tantaran’i Jesoa sy i Petera nandeha teny ambonin’ny ranomasina. Inona no azon’ny ankizy ianarana avy amin’izany tantara izany?

Atrikasa azo atao

  • Asehoy ny sary ao amin’ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana (jereo koa ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 43). Angataho ny ankizy hitady andian-teny ao anatin’ny Matio 14 izay mamariparitra ilay sary.

  • Angataho ny ankizy mba hitady mari-pamantarana ny finoana sy mari-pamantarana ny tahotra rehefa mamaky ny Matio 14:22–33 izy ireo. Afaka mampiseho ihany koa ny horonan-tsary “Wherefore Didst Thou Doubt?” ianao (ChurchofJesusChrist.org). Inona no dikan’ny hoe manana finoana an’i Jesoa Kristy? Ampio ireo ankizy hieritreritra ireo fotoana izay nanampian’ny finoany azy ireo mba handresy tahotra.

  • Asaivo maka sary an-tsaina ny ankizy hoe nanatrika izany izy ireo ary nanana fakan-tsary rehefa nandeha teny ambonin’ny ranomasina i Jesoa sy i Petera. Inona no fotoana hosafidin’izy ireo mba halaina sary ary nahoana? Toroy hevitra izy ireo handinika ny Matio 14:22–33 mba hahitana hevitra. Asao ny ankizy hanao ny sarin’ilay fotoana izay nosafidin’izy ireo, dia hizara ny sary nataon’izy ireo ary hanazava ny antony nisafidianan’izy ireo izany fotoana izany.

Sary
Sary famantarana ny fianarana

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Raha nahavita ity pejy misy ny atrikasa ho an’ity herinandro ity ny ankizy, dia asao izy ireo hampiasa izany mba hampianarana ny fianakaviany ny zavatra izay nianaran’izy ireo androany. Na omeo tahadikan’ilay pejy izy ireo mba ho ataony miaraka amin’ny fianakaviany any an-tokantrano

Manatsara ny fampianarantsika

Asao mba hizara. Anontanio ny ankizy izay eritreriny sy zavatra tsapany ary zavatra niainany. Ho hitanao fa manana hevitra tsotra nefa lalina izy ireo matetika.

Hamoaka printy