Testamenta Vaovao 2023
20–26 martsa Matio 13; Lioka 8; 13: “Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino”


“20–26 martsa. Matio 13; Lioka 8; 13: -Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Testamenta Vaovao 2023 (2022)

“20–26 martsa. Matio13; Lioka 8; 13,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2023

Sary
Varim-bazaha vonona ny hojinjaina

20–26 martsa

Matio 13; Lioka 813

“Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino”

Ny fanoharana dia tantara tsotra izay afaka manintona ny ankizy. Ity hevitra hoenti-mampianatra ity sy ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana dia afaka manampy anao hampiasa ireo fanoharana nataon’ny Mpamonjy mba hampianarana fahamarinana manan-danja amin’ny ankizy.

Sary
Sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Mitondrà zavatra maromaro izay afaka manampy ny ankizy hahatsiaro ny sasantsasany amin’ireo fanoharana ao amin’ny Matio 13, toy ny voan-java-maniry iray, na perla iray, na vata fasian-java-tsarobidy iray. Asao ny ankizy hizara ny zavatra tsaroan’izy ireo momba ireo fanoharana ireo.

Sary
Sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy kely

Matio 13:1–23

Mila miomana hianatra ireo fampianaran’i Jesoa aho.

Ny ankizy kely dia mety tsy afaka hahatakatra ireo fanehoana an’ohatra rehetra ao amin’ny fanoharana momba ilay mpamafy, kanefa afaka mianatra ireo fahamarinana tsotra ampianarin’izany izy ireo. Ahoana no fomba ahafahanao manampy azy ireo hahatakatra bebe kokoa ny ifandraisan’io fanoharana io amin’izy ireo?

Atrikasa azo atao

  • Mampisehoa karazana tany (na sarina tany) eo am-pamintinanao ny Matio 13:3–8. Omeo voa iray ny ankizy tsirairay ary anontanio azy ireo ny zavatra azony hatao mba hanampiana ilay voa haniry. Hazavao fa ny fijoroantsika ho vavolombelona dia toy ny voa. Ahoana no hanampiantsika ny voan’ny fijoroantsika ho vavolombelona mba haniry?

  • Ampiasao ny pejy misy ny atrikasa ho an’ity herinandro ity mba hanampiana ny ankizy hahatakatra izay ampianarin’ny karazana tany tsirairay voafariparitra ao amin’ny Matio 13 momba ny fontsika. Anontanio ny ankizy hoe karazana fo inona no tian’i Jesoa hananan’izy ireo mba hianarana ireo fampianarany.

  • Vakio ny Matio 13:9,15, ary asao ny ankizy mba hanondro ireo faritra samihafa amin’ny vatany rehefa henony voatonona izy ireny. Ahoana no ahafahanao mampiasa ireo faritra amin’ny vatana ireo mba hianarana ireo fampianaran’i Jesoa?

Matio 13:24–30, 36–43, 47–48

Tian’ny Ray any An-danitra hisafidy ny tsara aho.

Ny sasany amin’ireo fanoharana nataon’i Jesoa dia mampianatra fa hampisaraka ireo olon-dratsy amin’ny olo-marina Andriamanitra amin’ny andro farany. Ahoana no ahafahanao mampiasa ireo fanoharana mba hitaomana ny ankizy hisafidy ny tsara?

Atrikasa azo atao

  • Avelao ny ankizy hilalao ilay fanoharana momba ny vary sy ny tsimparifary (jereo ny Matio 13:24–30). Hazavao fa ny vary dia maneho ireo olona izay manao safidy tsara, ary ny tsimparifary (ahitra manimba) dia maneho ireo olona izay tsy manao safidy tsara. Indray andro dia hangonin’ny Ray any An-danitra hiaina hiaraka Aminy ireo olo-marina.

  • Omeo ohatra sasany amin’ireo safidy tsara sy ratsy ny ankizy. Asaivo milaza ny ankizy hoe: “safidin’ny vary” rehefa mamariparitra safidy tsara ianao ary hoe: “safidin’ny tsimparifary” rehefa mamariparitra safidy ratsy iray ianao.

  • Mitondrà sarina salohim-bary, ary avelao ny ankizy hanao sary maneho ireo fomba sasany ahafahan’izy ireo ho tonga olo-marina eo amin’ilay sary.

Matio 13:44–46

Sarobidy ny maha-mpikamban’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany ahy.

Amin’ny fomba ahoana no ahafahanao mampiasa ny sarintsarin’ny harena sy ny voahangy sarobidy mba hanampiana ny ankizy hahatakatra ny lanjan’ny maha-mpikambana ao amin’ny Fiangonan’i Kristy?

Atrikasa azo atao

  • Afeno any amin’ny efitrano ny sarin’ny vata misy harena sy voahangy iray, dia avelao hitady izany ireo ankizy. Ampiasao ireo sary ireo mba hampianarana momba ireo fanoharana ao amin’ny Matio 13:44–46. Resaho ny amin’ny antony mety hahafoizan’ny olona ny fananany rehetra mba hahazoana voahangy tsara tarehy na harena any an-tsaha. Hazavao fa indraindray isika dia mahafoy zavatra tsara iray mba hahazoana zavatra tsara kokoa. Lazao amin’ny ankizy ny antony maha-manan-danja ny filazantsara aminao.

  • Apetraho ao anatin’ny baoritra iray na vata iray ny zavatra na sary maromaro izay maneho ireo “harena” ato amin’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, toy ny tempoly na ny Bokin’i Môrmôna. Angataho ny ankizy tsirairay mba hisafidy zavatra na sary iray ary hiresaka momba ny antony maha-harena izany.

  • Iaraho mihira ny “Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy” (Bokin-kiran’ny ankizy, 48), ary angataho ny ankizy hiresaka momba ny amin’ireo antony maha-feno fankasitrahana azy ireo ny amin’ny Fiangonan’ny Mpamponjy. Mijoroa ho vavolombelona ny amin’ireo fitahiana niainanao satria mpikamban’ny Fiangonana ianao.

Sary
Sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy lehibe

Matio 13:1–23

Mila manomana ny foko handray ireo fampianaran’i Jesoa aho.

Amin’ny fomba ahoana ho ahafahanao manampy ny ankizy hamantatra ny maha-manan-danja ny fananana fo malefaka sy vonona mba hahafahan’i Jesoa mampianatra azy ireo?

Atrikasa azo atao

  • Omeo anjara hamaky momba ny iray amin’ireo karazana tany efatra ao amin’ny Matio13:4–8 ny ankizy tsirairay. Asao izy ireo mba hitady sy hizara izay zavatra mitranga amin’ireo voa ao amin’ilay karazana tany izay novakin’izy ireo ny momba izany. Ahoana no itovian’ny fontsika amin’ireo karazana tany? (jereo ny Matio 13:19–23).

  • Ampisehoy sarina saha iray ny ankizy. Mila tany manao ahoana mba hahafahan’ny zava-maniry maniry eo aminy? Mampisehoa tany iray vatoina na tsiloina. Nahoana no ho sarotra amin’ny zava-maniry ny haniry eo amina karazan-tany toy izany? Ahoana no ahafahantsika maka antoka fa mitovy amin’ny tany tsara ny fontsika ka afaka handray ireo fampianaran’ny Mpamonjy isika?

  • Asao ny ankizy hamaky ny Matio 13:15–17. Manaova sarina maso iray, sofina iray ary fo iray eo amin’ny solaitrabe. Ahoana no ampiasantsika ny tsirairay amin’ireo zavatra ireo mba hianarana ireo fampianaran’i Jesoa?

Matio 1:24-30, 36-43

Afaka misafidy ny tsara aho na dia tsy manao izany aza ireo manodidina ahy.

Rehefa mamaky ireo andininy ireo ianao sady mieritreritra ny ankizy ao an-tsainao, dia inona ireo fahatsapana tonga ao aminao?

Atrikasa azo atao

  • Asao ny ankizy mba hanao sarina zava-mitranga samihafa avy amin’ny fanoharana momba ny vary sy ny tsimparifary, izay hita ao amin’ny Matio 13:24–30, sy hizara amin’ny iray kilasy ny sary nataon’izy ireo. Angataho izy ireo mba hanisy anarana ny sary nataony ka hampiasa ny fitantarana ao amin’ilay fanoharana hita ao amin’ny Matio 13:36–43. Azonao atao ny manazava fa ny tsimparifary dia ahi-dratsy manimba.

  • Raha azo atao dia asehoy ny sarin’ny vary sy ny tsimparifary. Hazavao fa ny vary sy ny tsimparifary dia hitombo miaraka mandra-pahatonga ny fotoam-pijinjana (mandra-pahatapitr’izao tontolo izao). Izany dia mampianatra antsika fa miaina miaraka amin’ny tsara sy ny ratsy manodidina antsika isika, ka mila mitandrina mba hisafidy ny tsara. Angataho ny ankizy hizara ny fomba ahafahan’izy ireo milaza ny maha-samy hafa ny tsara sy ny ratsy.

Matio 13:44–46

Sarobidy ny maha-mpikamban’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany ahy.

Moa ve ireo ankizy ampianarinao mahita ny maha-mpikambana azy ireo ato am-piangonana ho toy ny harena sarobidy? Angamba mety hanampy azy ireo hizara ny fahatsapan’izy ireo momba ny Fiangonan’ny Mpamonjy ny fifanakalozan-kevitra momba ireo fanoharana ao amin’ny Matio 13:44–46.

Atrikasa azo atao

  • Asao ireo ankizy mba hamaky samirery ny Matio 13:44–46 ary hizara ireo fanoharana amin’ny tenin’izy ireo manokana amin’ny olona iray hafa ao an-dakilasy.

  • Maneteza boribory maromaro mba hanehoana vola madinika, ary apetraho ao anaty boaty fasiana zava-tsarobidy iray izany. Asao ireo ankizy mba haka vola madinika iray ary hanao sary na hanoratra eo ambonin’izany ny zavatra iray izay tian’izy ireo momba ny maha-mpikambana azy ireo ato amin’ny Fiangonana. Angataho ny ankizy hizara ny zavatra napetrany teo amin’ny volany.

  • Asao ny mpikambana iray ao amin’ny paroasy mba hizara amin’ny ankizy ny tantaran’ny fiovam-pony sy hilaza izay zavatra nafoiny mba hidirana ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Na angataho ny ankizy hiresaka momba ireo fahafoizan-tena ataon’izy ireo ho an’ny Tompo sy ny fiangonany.

Sary
Sary famantarana ny fianarana

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Asao ny ankizy mba hampianatra ny fianakavian’izy ireo momba ny iray amin’ireo fanoharana nianarany tao amin’ny Kilonga.

Manatsara ny fampianarantsika

Tian’ny ankizy ny mizara ny zavatra nianarany. Na dia mbola kely aza izy ireo dia afaka mampatanjaka ny olona ao amin’ny fianakaviany ny ankizy. Amporisiho izy ireo mba hizara amin’ny fianakaviany ireo zavatra izay nianarany tao amin’ny Kilonga. (Jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy30.)

Hamoaka printy