Testamenta Vaovao 2023
6–12 martsa. Matio 9–10; Marka 5; Lioka 9: “Ireo roa ambin’ny folo lahy ireo dia nirahin’i Jesoa”


“6–12 martsa. Matio 9–10; Marka 5; Lioka 9: -Ireo roa ambin’ny folo lahy ireo dia nirahin’i Jesoa,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Testamenta Vaovao 2023 (2022)

“6–12 martsa. Matio 9–10; Marka 5; Lioka 9,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2023

I Jesoa manendry an’i Petera

6–12 martsa

Matio 9–10; Marka 5; Lioka 9

“Ireo Roambinifololahy ireo dia nirahin’i Jesoa”

Eo am-pamakinao ny Matio 9–10; Marka 5; ary ny Lioka 9, dia mety handray fitaomana avy amin’ny Fanahy Masina ianao. Ireo fitaomana ireo miaraka amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana ary ity rindran-damina ity dia afaka manampy anao amin’ny fiomananao.

Sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Asao ny ankizy hitantara ny zavatra izay nataon’izy ireo mba hanampiana olona tamin’ity herinandro ity. Inona no nataon’ny Mpamonjy mba hanampiana ny hafa?

Sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy kely

Matio 9:18–30; Marka 5:22–43

Manana hery hanasitranana ahy i Jesoa.

Nampiseho ombieny ombieny ny hery ananany mba hanasitrana ireo izay nanam-pinoana Azy ny Mpamonjy. Afaka manampy ireo ankizy ampianarinao ianao mba hampiorina ny finoan’izy ireo ny heriny manasitrana.

Atrikasa azo atao

  • Tantarao amin’ireo ankizy ilay tantaran’ny zanakavavin’i Jairo (jereo ny Marka 5:22–23, 35–43). Amin’ny fotoana mampety azy ao amin’ilay tantara, dia vakio ny tenin’i Jesoa manao hoe: “hoy Izaho aminao: Mitsangàna” (andininy 41), ary asao ireo ankizy mba hitsangana. Ampio ireo ankizy hahatakatra fa manana ny hery hanasitranana olona sy hanomezana antsika ny fiainana mandrakizay i Jesoa.

  • Asehoy ny sary momba ny tantara ao amin’ny Matio 9:20–22 rehefa mamaky ireo andininy ireo ianao. Ampio ireo ankizy hitadidy tsianjery ny andian-teny hoe: “Ny finoanao no efa nahasitrana anao” (andininy 22). Mba hanaovana izany dia azonao atao ny manome teny iray isaky ny ankizy, ary asaina ny ankizy mba hiteny imbetsaka ny teny nomena azy manaraka ilay filaharany. Ahoana no nanehoan’ilay vehivavy fa nanana finoana an’i Jesoa Kristy izy? Inona no azontsika hatao mba hanehoana fa manam-pinoana an’i Kristy isika?

  • Angataho ny ankizy mba hanakimpy ny masony sy hihaino rehefa mamaky ny Matio 9:27–30 ianao. Rehefa mamaky mikasika an’i Jesoa izay nanasitrana ireo lehilahy jamba i Jesoa dia asao ny ankizy mba hanokatra ny masony. Asao ireo ankizy mba hiresaka momba ny zavatra mety ho tsapany raha hoe nanasitrana azy ireo i Jesoa.

  • Ampiasao ny pejy misy ny atrikasa ho an’ity herinandro ity mba hanampiana ireo ankizy hianatra ny tantaran’ny nananganan’ny Mpamonjy ny zanakavavin’i Jairo tamin’ny maty.

Vehivavy manakatra ny akanjon’i Jesoa

Trust in the Lord [Matokia ny Tompo], nataon’i Liz Lemon Swindle

Matio 10:1–10

Niantso Apôstôly roa ambin’ny folo i Jesoa dia nomeny hery hanao ny asany izy ireo.

Moa ve ny ankizy ampianarinao mahafantatra fa manana Apôstôly roa ambin’ny folo isika amin’izao fotoana izao? Ahoana no ahafahanao mampiasa ireo andinin-tsoratra masina ireo mba hampianarana azy ireo mikasika ny maha-zava-dehibe ny Apôstôly amin’izao andro maoderina izao sy ny zavatra niantsoana azy ireo mba ho ataony?

Atrikasa azo atao

  • Fintino amin’ny teny tsotra ny Matio 10:1–10. Hazavao fa niantso Apôstôly mba hanampy azy hanorina ny Fiangonany i Jesoa. Avelao ny ankizy hanisa ireo Apôstôly eo amin’ny sary I Kristy manendry ireo Apôstôly (Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 38) sy eo amin’ny sarin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo amin’izao fotoana izao (jereo ny ChurchofJesusChrist.org na ny laharan’ny gazetiboky Liahona misy ny fihaonamben’ny Fiangonana). Hazavao fa manana Apôstôly roa ambin’ny folo isika amin’izao fotoana izao toy ny tamin’ny andron’i Jesoa. Zarao ny fijoroana ho vavolombelona anananao ny amin’ny Apôstôlin’ny Tompo sy ny zavatra nampianarin’izy ireo vao haingana.

  • Afeno manerana ny efitrano ny sarin’ireo Apôstôly amin’izao andro maoderina izao (mba hahazoana ireo sary ireo dia jereo ny laharan’ny gazetiboky Liahona misy ny fihaonamben’ny Fiangonana nivoaka farany). Asao ny ankizy mba hitady ireo sary dia asaivo miresaka kely mikasika ny Apôstôly tsirairay izy ireo.

  • Asao ny ankizy iray mba hihazona ambony ny sarin’ny Fiadidiana Voalohany sy ny sarin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Angataho ilay ankizy mba hitarika ny ankizy hafa manodidina ny trano hankeny amin’ny sary irain’i Jesoa. Mijoroa ho vavolombelona fa ireo mpaminany sy ireo apôstôly dia mitarika antsika mankany amin’i Jesoa Kristy.

Sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy lehibe

Matio 9:18–30; Marka 5:22–43

Manana hery hanasitranana ahy i Jesoa.

Ny famakiana ny tantara momba ny nanasitranan’ny Mpamonjy olona dia afaka manampy ireo ankizy ampianarinao hampiorina ny finoany Azy. Ireo tantara ireo koa dia afaka manampy azy ireo hahatsapa ny fangorahany sy ny fitiavany.

Atrikasa azo atao

  • Iaraho mamaky ny tantaran’i Jesoa manasitrana olona ao amin’ny Matio 9:20–22, 27–30 sy Marka 5:22–23, 35–43. Ahoana no nanehoan’ireo olona ao amin’ireo tantara ireo ny finoan’izy ireo an’i Jesoa Kristy? Inona no zavatra ianarantsika momba ny Mpamonjy avy amin’ireo tantara ireo?

    1:39
    3:26
  • Asao ny ankizy mba hizara zavatra niainana rehefa nandray tsodranon’ny fisoronana ho fanasitranana ny marary izy ireo na ny olona iray fantatr’izy ireo. Tamin’ny fomba ahoana no nahasitrana na naha voatahy azy ireo? Hazavao fa indraindray ny sitrapon’ny Tompo dia tsy fanasitranana mahagaga, kanefa afaka ny mbola ho voatahy noho ny fitiavany sy ny fampaherezany ihany isika.

Matio 10:1–10

Afaka mampianatra ahy momba an’i Jesoa ny Apôstôly Roambinifolo.

Nahoana no manampy ny ankizy hahatakatra tsara kokoa ny zavatra ataon’ny Apôstôly Roambinifolo amin’izao fotoana izao ny fianarana mikasika ny Apôstôly Roambinifolo tamin’ny andron’i Kristy?

Atrikasa azo atao

  • Asehoy ny sarin’ireo Apôstôly tamin’ny andron’i Jesoa sy ny sarin’ireo Apôstôly amin’izao androntsika izao (jereo ny I Kristy manendry ireo Apôstôly [Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 38] sy ny laharan’ny gazetiboky Liahona misy ny fihaonambe farany indrindra). Angataho ireo ankizy mba hamaky ny Matio 10:7 mba hamantarany hoe inona no ataon’ny Apôstôly (jereo ihany koa ny Lioka 9:1–2, 6; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:23).

  • Asao ireo ankizy mba hanoratra eny amin’ny solaitrabe ny anaran’ireo apôstôly taloha farak’izay maro indrindra tadidin’izy ireo. Avy eo dia angataho izy ireo hanao lisitra ny anaran’ireo Apôstôly velona farak’izay maro indrindra tadidin’izy ireo. Avelao izy ireo hanamarina ny lisitra nataony ao amin’ny Matio 10:2–4 sy ny laharan’ny gazetiboky Liahona misy ny fihaonambe farany indrindra. Azonao atao koa ny manao kilalao fampifandraisana izay hampifandraisan’ireo ankizy ny anaran’ny Apôstôly velona tsiraray amin’ny sariny mifandray amin’izany. Hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org ireo sary.

  • Andro maromaro mialoha ny fotoam-pianarana, asao ny ankizy vitsivitsy mba hiomana hizara tantara iray notantarain’ny Apôstôly velona iray (jereo ny laharan’ny gazetiboky Liahona mba hahazoana hevitra). Nampiasan’io Apôstôly io tamin’ny fomba ahoana ilay tantara mba hitaomana antsika ho lasa tahaka ny Mpamonjy kokoa?

  • Mizarà fijoroana ho vavolombelona maromaro momba an’i Kritsy nataon’ireo Apôstôly amin’izao andro maoderina izao amin’ny ankizy (jereo ireo hafatry fihaonamben’ny Fiangonana farany indrindra na ny “Ilay Kristy velona: Tenivavolombelon’ny Apôstôly” [ChurchofJesusChrist.org]).

  • Ampio ny ankizy hitadidy sy hahatakatra ny Fanekem-pinoana 1:6.

Lioka 9:23–25

Mitaky fahafoizan-tena ny fanaharana an’i Jesoa Kristy.

Ahoana no hanampianao ireo ankizy hahatakatra ny dikan’ny hoe “hahavery” ny ainy rehefa manaraka ny Mpamonjy izy ireo?

Atrikasa azo atao

  • Tantarao amin’ireo ankizy ny fotoana iray izay nahafoizanao zavatra iray mba hahazoana zavatra tsaratsara kokoa. Asao ireo ankizy mba hizara ny ohatra izay azy manokana. Avy eo iaraho mamaky ny Lioka 9:23–25. Hazavao fa tian’i Jesoa isika ho vonona ny hamoy na inona na inona mba hanarahana Azy. Mety hoe tsy hangataka antsika mba hahafoy ny aintsika Izy, fa inona kosa no angatahiny mba homentsika? (jereo ny Dikantenin’i Joseph Smith, Matio 16:26]).

  • Manorata toetra araka an’i Kristy maromaro amin’ny taratasy kely ary ny mifanohitra amin’izany amin’ny taratasy kely hafa (toy ny hoe fitiavana sy fitiavan-tena, fanetrentena sy fieboeboana sy ny sisa). Soraty eny amin’ny solaitrabe ny lohateny hoe hamonjy sy hahavery ary asao ireo ankizy handahatra ireo toetra eo ambanin’ny lohateny mifanaraka amin’izany. Omeo fotoana ireo ankizy mba hisaintsainany ireo toetra araka an’i Kristy eny amin’ny solaitrabe sy mba hisafidianany iray izay ampitomboiny ao aminy kokoa.

Sary famantarana ny fianarana

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Asao ny ankizy mba hampiasa ny pejy misy ny atrikasa ho an’ity herinandro ity mba hampianarana ny fianakavian’izy ireo momba ny nanasitranan’i Jesoa ny zanakavavin’i Jairo.

Manatsara ny fampianarantsika

Amporisiho ny fanehoam-panajana. Ampio ny ankizy hahatakatra fa ny lafiny iray manan-danja ao anatin’ny fanehoana fanajana dia ny fieritreretana ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Azonao atao ny mampahatsiahy ny ankizy mba haneho fanajana amin’ny alalan’ny fihirana moramora na any anaty ny hira iray na amin’ny alalan’ny fampisehoana sary irain’i Jesoa.