Testamenta Vaovao 2023
13–19 martsa. Matio 11–12; Lioka 11: “Izaho no hanome anareo fitsaharana”


“13–19 martsa. Matio 11–12; Lioka 11: -Izaho no hanome anareo fitsaharana,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Testamenta Vaovao 2023 (2022)

“13–19 martsa. Matio 11–12; Lioka 11,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2023

I Jesoa mijoro eo anivon’ny rahona

Be Not Afraid [Aza matahotra], nataon’i Michael Malm

13–19 martsa

Matio 11–12; Lioka 11

“Izaho no hanome anareo fitsaharana”

Ireo tolo-kevitra enti-mampianatra ato amin’ity rindran-damina ity dia natao hanairana ny fahaizanao mamoron-javatra. Aza misalasala ny mampifanaraka izany amin’ny zavatra ilain’ny ankizy ampianarinao.

Sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Amporisiho ny ankizy hizara ny zavatra azon’izy ireo hatao entina mitsaoka ny Tompo amin’ny andro Sabata.

Sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy kely

Matio 11:28–30

Hanampy ahy i Jesoa rehefa manatona Azy aho.

Afaka mahatsapa fampaherezana ny ankizy rehefa mahafantatra fa hanampy azy ireo hanamaivana ny enta-mavesany i Jesoa rehefa manatona Azy izy ireo.

Sahanasa azo atao

  • Vakio ny Matio 11:28–30 dia mampisehoa sarina omby miray zioga ao amin’ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana. Angataho ny ankizy hanondro ilay omby sy ilay zioga. Hazavao fa ny omby miray zioga dia afaka miaraka mitarika zavatra mavesatra kokoa noho izy mitarika zavatra irery. Mijoroa ho vavolombelona fa rehefa mahatsapa ho malahelo na miahiahy na matahotra isika dia afaka mitady an’i Jesoa ary hanampy antsika Izy.

  • Angataho ny ankizy iray hilanja zavatra mavesatra iray. Rehefa sahirana izy dia manolora fanampiana. Ahoana no fomba hanampian’i Jesoa antsika mba hanao zavatra sarotra? Mizarà zavatra niainana iray izay nanampian’i Jesoa anao nanao zavatra sarotra, dia angataho ny ankizy hizara zavatra niainan’izy ireo manokana.

Matio 12:1–13

Afaka mitandrina ny andro Sabata ho masina aho.

Inona ireo fomba mahafinaritra sasantsasany azonao ampianarina ny ankizy mikasika ny andro Sabata sy ny antony hitandremana izany ho masina?

Sahanasa azo atao

  • Vakio mafy ny Matio 12:10–13. Asao ny ankizy mba hitsangana dia hipetraka isaky ny maheno anao miteny hoe “Sabata” izy ireo, dia iaraho averina ilay andian-teny hoe “Mety ny manao soa amin’ny Sabata” (Matio 12:12). Inona no dikan’izany araka ny eritreritr’izy ireo?

  • Mampisehoa tetiandro iray amin’ny ankizy dia asio marika ho azy ireo ny andro Sabata. Inona no ataontsika mandritra ireo andro hafa ao anatin’ny herinandro? Inona no zavatra azontsika atao amin’ny Sabata mba tsy hitovian’izany amin’ireo andro hafa? (jereo ny Isaia 58:13–14).

  • Angataho ny ankizy mba hanao ny sarin’ireo zavatra tsara izay azon’izy ireo atao mandritra ny andro Sabata (jereo ny pejin’ny asa atao ho an’ity herinandro ity).

  • Asao ny ankizy mba hamorona zavatra atao mba hanampy azy ireo hahatsiaro ireo fomba hivononantsika ho amin’ny Sabata rehefa mihira ilay hira hoe “Sabotsy,” Bokin-kiran’ny ankizy,105).

  • Ataovy sary eny amin’ny solaitrabe ny maso roa sy sofina roa ary vava iray sy tanana roa. Angataho ny ankizy mba hilaza aminao hoe inona no azon’ireo faritry ny vatantsika ireo atao mba hihazonana ny andro Sabata ho masina.

Lioka 11:11–13

Manome ahy fanomezam-pahasoavana tsara ny Ray any An-danitra.

Ny fampianaran’ny Mpamonjy ao amin’ny Lioka 11:11–13 dia afaka manampy ireo ankizy ampianarinao hahatakatra fa tia sy te hitahy azy ireo ny Ray any An-danitra.

Sahanasa azo atao

  • Mpampiasà ohatra mivaingana rehefa mampianatra mba hanehoana ireo fampianaran’ny Mpamonjy ao amin’ny Lioka 11:11–13. Ohatra, azonao atao ny manisy vato iray anaty harona fitoera-mofo na mametraka sarina maingoka ao anatina baoritra misy atody. Angataho ny ankizy mba haminavina izay ao anatiny ary avy eo asehoy azy ireo. Asao izy ireo hanolo ilay vato na ilay sary amina mofo na atody iray. Vakio ny Lioka 11:11–13, ary zarao ny fijoroanao ho vavolombelona fa tia antsika, sy mamaly ireo vavaka ataontsika, ary manome antsika fitahiana maro be amin’ny alalan’ny Fanahiny ny Ray any An-danitra.

  • Miaraha mihira hira iray momba ny fitiavan’ Andriamanitra, toy ny “Tia ahy ny Ray any An-danitra” (Bokin-kiran’ny ankizy, 16–17). Inona avy ireo fanomezam-pahasoavana nomeny antsika? Angataho ny ankizy hanao sary ireo fitahiana avy amin’ny Ray any An-danitra izay mahafeno fankasitrahana azy ireo.

Sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy lehibe

Matio 11:28–30

Hanampy ahy i Jesoa rehefa manatona Azy aho.

Ahoana no ahafahanao manampy ny ankizy hahatakatra fa ny Mpamonjy dia hanome azy ireo fitsaharana eo anatrehan’ireo olan’izy ireo rehefa manatona Azy izy ireo?

Sahanasa azo atao

  • Asao ny ankizy mba hizara fotoana iray izay niahiahiany sy nitebitebeny mikasika ny zavatra iray. Asao izy ireo mba hitady torohevitra ao anatin’ny Matio 11:28–30 izay afaka manampy azy ireo ao anatin’ny toe-javatra mitovy amin’izany. Ahoana no “[hanomezan’ny Mpamonjy antsika] fitsaharana”? (andininy 28).

  • Asao ny ankizy mba hanao sary ny zavatra ataon’izy ireo amin’izao fotoana izao mba hanatonana an’i Jesoa sy hianarana Aminy.

  • Ampio ny ankizy hanao tsianjery ny fanekem-pinoana fahefatra. Resaho amin’izy ireo ny fomba hanampian’ireo fitsipika sy ôrdônansy voalohan’ny filazantsara antsika hanaiky ny fanasan’i Jesoa manao hoe “Mankanesa aty Amiko” (Matio 11:28).

Matio 12:1–13

Ny Sabata dia andro iray hanaovana zavatra tsara izay mampanakaiky ahy kokoa an’ Andriamanitra.

Hahazo hery ny ankizy ampianarinao rehefa manantitrantitra ireo tanjon’ny fihazonana ny andro Sabata ho masina sy ireo fitahiana azo avy amin’izany ianao.

Sahanasa azo atao

  • Asao ny ankizy iray mba mody manao ilay lehilahy izay nositranin’ny Mpamonjy ny tanany (jereo ny Matio 12:10–13). Afaka misy ankizy iray hafa manontany azy mikasika ny zavatra niainany.

  • Iaraho mamaky ny Matio 12:12. Inona avy ireo zavatra tsara azontsika atao amin’ny Sabata? Avelao ny ankizy hanao ny sarin’ireo heviny ao amin’ny pejy misy ny atrikasa ho an’ity herinandro ity, dia hanapatapaka izany sy hifandimby hanambatra ny piozila an’izy samy izy.

  • Manafena sary maro ahitana olona manao zavatra mampiseho fitiavana ho an’ny Ray any An-danitra amin’ny andro Sabata. Angataho ny ankizy mba hitady ireo sary ireo sy hizara ny antony mahatonga ny fanaovana ireo zavatra ao amin’ireo sary ireo ho mampiseho ny fitiavantsika an’ Andriamanitra.

lehilahy manamavo ireo mpianatra manivatsiva tanim-barim-bazaha

The Disciples Eat Wheat on the Sabbath [Ireo mpianatra mihinana varim-bazaha amin’ny andro Sabata], nataon’i James Tissot

Lioka 11:37–42

Tsy maintsy madio ny fihetsiko sy ny foko.

Nampianatra ny Mpamonjy fa tsy ampy ny miseho ho marina eo amin’ny hafa. Ny eritreritsika, sy ny fahatsapantsika, ary ireo asa ataontsika amin’ny mangingina ihany koa dia tsy maintsy madio.

Sahanasa azo atao

  • Mba hanehoana ny zavatra ampianarin’ireo andininy ireo dia mampisehoa kaopy na fitoeran-javatra hafa madio ivelany fa maloto ao anatiny. Ampio izy ireo hieritreritra momba izay mety ho hevitry ny “vohon’ny kapoaka”. Inona no mety ho hevitry ny “anatiny”? Nahoana no zava-dehibe ny manadio ny ivelany sy ny atiny?

  • Miaraha mamaky soratra masina hafa vitsivitsy izay manantitrantitra ny fahamarinana ao am-po sy amin’ireo fihetsitsika—ohatra, Salamo 24:3–5; Matio 15:7–8; Môrônia 7:6–9. Ifanakalozy hevitra ny antony hanirian’ny Mpamonjy ny fontsika sy ireo asa ataontsika ao amin’ny mangigina mba ho madio ara-panahy.

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Asao ny ankizy mba hizara hevitra amin’ny fianakaviany mba hitandremana ny andro Sabata ho masina.

Manatsara ny fampianarantsika

Mametraka fanontaniana. “Ny fanontaniana iray izay manasa ny mpianatra hanambara fitsipiky ny filazantsara anankiray amin’ny alalan’ny teniny manokana—indrindra rehefa apetraka any am-piantombohan’ny fotoam-pianarana—dia afaka manampy anao hanombantombana ny habetsaky ny fotoana ilainao handalinana io fitsipika io ao an-dakilasy” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy32).