Testamenta Vaovao 2023
13–19 martsa. Matio 11–12; Lioka 11: “Izaho no hanome anareo fitsaharana”


“13–19 martsa. Matio 11–12; Lioka 11: -Izaho no hanome anareo fitsaharana,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Vaovao 2023 (2022)

“13–19 martsa. Matio 11–12; Lioka 11,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2023

I Jesoa mijoro eny amin’ny rahona

Be Not Afraid [Aza matahotra], nataon’i Michael Malm

13–19 martsa

Matio 11–12; Lioka 11

“Izaho no hanome anareo fitsaharana”

Nampianatra ny Filoha Dallin H. Oaks hoe: “Ny soratra masina, izay fanambarana tany aloha, dia tsy ho takatra raha tsy manaiky ireo fanambarana ankehitriny. … Manome fahafahana ny lehilahy sy ny vehivavy handray fanambarana ny fandalinana soratra masina” (“Scripture Reading and Revelation,” Ensign, Jan. 1995, 7).

Raketo ireo zavatra tsapanao

Tamin’ny lafin-javatra maro, dia nataon’ireo Fariseo sy mpanora-dalàna ho mavesatra ny fitsaohana an’i Jehovah. Matetika izy ireo no nanantitrantitra lalàna hentitra tamin’ireo fahamarinana mandrakizay. Ny lalàna momba ny andro Sabata, izay natao mba ho andro fitsaharana dia tena enta-mavesatra tokoa.

Taorian’izay dia tonga teo anivon’ny olona i Jehovah Tenany mihitsy. Nampianatra azy ireo Izy fa ny tanjona marin’ny fivavahana dia tsy ny hiteraka enta-mavesatra fa ny hanamaivana azy ireo kosa. Nampianatra Izy fa manome didy antsika Andriamanitra, isan’izany ilay iray mba hanaja ny andro Sabata, tsy hampahoriana antsika fa hitahiana antsika kosa. Eny, ety sy tery ny lalana mankany amin’ Andriamanitra, saingy tonga ny Tompo hilaza fa tsy voatery handeha irery eo amin’izany lalana izany isika. Hoy Izy niangavy hoe “Mankanesa atỳ amiko”. Ny fanasana nomeny an’ireo rehetra izay mahatsapa ho “mavesatra entana” na inona na inona antony, dia ny hiaraka Aminy, hamatotra ny tenantsika Aminy, ary hamela Azy hiara-hitondra amintsika ny enta-mavesatsika. Ny fampanantenany dia hoe “hahita fitsaharana ho an’ny fanahinareo hianareo.” Raha oharina amin’ireo safidy hafa azo atao, toy ny hoe miezaka manohy samirery ny dia na miantehitra amin’ireo vahaolana avy amin’ny olombelona, dia “mora ny zioga[ny] ary maivana ny enta[ny].” (Matio 11:28–30.)

famantarana ny fandalinan’ny tena manokana

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina

Matio 11:28–30

Hanome ahy fitsaharana i Jesoa Kristy rehefa miantehitra Aminy aho.

Mitondra enta-mavesatra avokoa isika rehetra, ny sasany vokatry ny fahotantsika sy ny fahadisoantsika, ny sasany ateraky ny safidin’ny hafa, ary ny sasany dia tsy fahadisoan’iza na iza fa anisan’ny zavatra iainana eto an-tany fotsiny. Na inona na inona antony mahatonga ireo olantsika dia miangavy antsika i Jesoa mba hanatona Azy mba hahafahany manampy antsika hitondra ny enta-mavesatsika ary hahita fanamaivanana (jereo koa ny Môzià 24). Nampianatra ny Loholona David A. Bednar hoe: “Ny fanaovana sy fitandremana ireo fanekempihavanana masina dia mampifandray antsika sy mahatonga antsika ho tafaray amin’i Jesoa Kristy Tompo” (“Mitondra mora foana ny enta-mavesany,” Liahona, mey 2014, 88). Eo am-pieritreretana izany dia saintsaino ny fanontaniana tahaka ireto manaraka ireto mba hahatakarana kokoa ny tenin’ny Mpamonjy ao amin’ireo andininy ireo: Mampifandray ahy sy mahatonga ahy ho tafaray amin’ny Mpamponjy amin’ny fomba ahoana ireo fanekempihavanako? Inona no tokony hataoko mba hanatonako an’i Kristy? Amin’ny fomba ahoana no maha-mora ny ziogan’ny Mpamonjy sy maha-maivana ny entany?

Inona ireo fanontaniana hafa tonga ao an-tsainao rehefa mamaky ianao? Soraty izany ary mitadiava valin’izany ao amin’ny soratra masina sy ny tenin’ireo mpaminany mandritra ity herinandro ity. Mety hahita ny valin’ny sasany an’ireo fanontaniana ireo ianao ao amin’ny hafatry ny Loholona David A. Bednar izay voalaza etsy ambony.

Jereo koa ny John A. McCune, “Manatona an’i Kristy—Miaina ny maha-Olomasin’ny Andro Farany ny tena,” Liahona, mey 2020, 36–38; Lawrence E. Corbridge, “Ilay lalana,” Liahona, nôv. 2008, 34–36.

Lehilahy mitazana ireo mpianatra manavatsava tanimbary

The Disciples Eat Wheat on the Sabbath [Mihinana vary amin’ny andro Sabata ireo mpianatra], nataon’i James Tissot

Matio 12:1–13

“Manao soa amin’ny Sabata.”

Tsy nitovy tamin’ny fampianaran’ny Mpamonjy tamin’ny lafin-javatra maro ny fampianaran’ireo Fariseo, indrindra fa tamin’ny fomba fanajana ny andro Sabata. Rehefa mamaky ny Matio 12:1–13 ianao dia azonao dinihina hoe mifanaraka amin’ny fampianaran’ny Mpamonjy toy ny ahoana ny fihetsikao sy ny zavatra ataonao mahakasika ny Sabata. Mba hanaovana izany dia afaka misaintsaina teny nambara toy ireo manaraka ireto ianao:

Inona no mety ho fiantraikan’ireo fampianarana ireo amin’ny fomba fanajanao ny andro Sabata?

Jereo koa ny Marka 2:233:5.

Matio 12:34–37; Lioka 11:33–44

Manambara izay ao am-poko ny teny lazaiko sy ny zavatra ataoko.

Isan’ireo fanakianana lehibe nataon’ny Mpamonjy tamin’ireo Fariseo ny hoe niezaka ny hiseho ho olom-marina izy ireo saingy tsy nanana fikasana madio. Eo am-pandalinanao ny fampitandremana nataon’ny Mpamonjy tamin’ireo Fariseo ao amin’ny Matio 12:34–37 sy ny Lioka 11:33–44, dia saintsaino ny zavatra mampifandray ny fontsika amin’ny zavatra ataontsika. Midika inona aminao ilay andian-teny hoe “rakitra tsara”? (Matio 12:35). Ahoana no hanamarinan’ny tenintsika antsika na hanamelohan’izany antsika? (jereo ny Matio 12:37). Inona no mety ho dikan’izany hoe “tsara” izany ny masonao? (Lioka 11:34). Saintsaino ny fomba ahafahanao ho lasa feno hazavana (Lioka:11:36) amin’ny alalan’ny herin’ny Mpamonjy.

Jereo koa ny Almà 12:12–14; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:67–68.

famantarana ny fandalinan’ny mpianakavy

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Matio 11:28–30.Azonao ampiana ny fianakavianao haka sary an-tsaina ireo fampianaran’ny Mpamonjy ao amin’ireo andininy ireo amin’ny alalan’ny fangatahana azy ireo hanandrana hisintona zavatra mavesatra, voalohany ny tenan’izy ireo irery ary avy eo misy manampy. Inona avy ireo enta-mavesatra sasany izay entintsika? Inona no dikan’ny hoe mitondra ny ziogan’i Kristy? Ilay sary any amin’ny faran’ity rindran-damina ity dia afaka manampy anao hanazava ny atao hoe zioga.

Matio 12:10–13.Rehefa mamaky momba ny nanasitranan’i Jesoa lehilahy iray tamin’ny Sabata ianao dia azon’ny fianakavianao atao ny miresaka mikasika ny fomba hanasitranan’ny Mpamonjy antsika. Ahoana no ahafahan’ny Sabata ho andro mitondra fanasitranana ho antsika?

Rehefa mahazo fitaomam-panahy avy amin’ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy ao amin’ireo andininy ireo ny fianakavianao dia afaka manao lisitra ireo fomba ahafahanareo “manao soa amin’ny Sabata” (andininy 12). Alaivo antoka fa tafiditra ao anatin’izany ny fotoana hanompoana ny hafa. Mety hanampy ny mitahiry ilay lisitra nataonareo ary mijery izany amin’ireo alahady manaraka.

Lioka 11:33–36.Saintsaino ny fomba mety hampianaranao ny fianakavianao ny dikan’izany hoe “feno fahazavana” (andininy 34, 36). Mety hanampy ve ny lesona ampiasana zavatra azo tsapain-tanana? Azonareo atao koa ny miresadresaka ireo fomba hitondrana ny fahazavan’ny Mpamonjy ho eo amin’ny fiainantsika, ny tokantranontsika, ary eo amin’izao tontolo izao.

2:19

Lioka 11:37–44.Azon’ny fianakavianao atao angamba ny miresaka ireo andininy ireo eo am-piarahana manasa lovia. Azonareo atao ny miresaka mikasika ny antony maha-fahadisoan-kevitra ny tsy hanasa afa-tsy ny eo ivelan’ireo zavatra toy ny lovia baolina sy ny kaopy. Aorian’izay dia azonareo ampifandraisina amin’ny tokony hiezahana ho olo-marina izany, tsy amin’ireo zavatra atao ety ivelany fotsiny fa ao anatin’ny eritreritra sy ny zavatra tsapantsika ao anatintsika koa.

Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.

Hira aroso mba hohiraina: “Oui, tes commandements,” Cantiques, no. 66.

Manatsara ny fandalinana manokana

Ataovy tsy tapaka izany. Mety misy andro toa hahitanao fa sarotra kokoa na tsy dia mitondra fiantraikany araka izay nantenainao ny fandalinana soratra masina. Aza milavo lefona. Nampianatra ny Loholona David A. Bednar hoe, “Ny fanaovantsika tsy tapaka ireo zavatra izay toa kely dia afaka mitondra vokatra manan-danja ara-panahy” (“Hazoto sy hikarakara bebe kokoa ao an-tokantrano,” (Liahona, nôv. 2009, 20).

Omby roa miray zioga

“Ento ny ziogako ka mianara Amiko; fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho; dia hahita fitsaharana ho an’ny fanahinareo hianareo” (Matio 11:29). Sary © iStockphoto.com/wbritten