Testamenta Vaovao 2023
6–12 martsa. Matio 9–10; Marka 5; Lioka 9: “Ireo roa ambin’ny folo lahy ireo dia nirahin’i Jeso[a]”


“6–12 martsa. Matio 9–10; Marka 5; Lioka 9: -Ireo roa ambin’ny folo lahy ireo dia nirahin’i Jeso[a],-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Vaovao 2023 (2022)

“6–12 martsa. Matio 9–10; Marka 5; Lioka 9,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2023

Sary
Nanendry an’i Petera i Jesoa

6–12 martsa

Matio 9–10; Marka 5; Lioka 9

“Ireo roa ambin’ny folo lahy ireo dia nirahin’i Jeso[a]”

Ireo hevitra enti-mandalina ato amin’ity rindran-damina ity dia natao mba hanampy anao hahita fomba azo hampiharana ny soratra masina amin’ny tenanao manokana. Izy ireny anefa dia tsy tokony hisolo toerana ny fanambarana ho an’ny tena manokana izay mety ho voarainao mikasika ny andinin-tsoratra masina tokony hohalalinina sy ny fomba handalinana izany.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Ny teny momba ireo fanasitranana izay fahagagana nataon’i Jesoa dia niely haingana. Vahoaka maro no nanaraka Azy, nanantena fahasitranana tamin’ny aretiny. Fa rehefa nijery ny vahoaka ny Mpamonjy, dia nahita mihoatra noho ny aretin’izy ireo ara-batana fotsiny Izy. Feno fangorahana Izy ary nahita “ondry tsy misy mpiandry” (Matio 9:36). “Be ny vokatra,” raha ny hitany, “fa ny mpiasa no vitsy” (Matio 9:37). Koa dia niantso Apôstôly roa ambin’ny folo Izy, “nanome azy fahefana,” ary naniraka azy ireo mba hampianatra sy hanompo ny “ondry very amin’ny taranak’ Isiraely” (Matio 10:1, 6). Mbola lehibe toy izany ankehitriny ny filana mpiasa maro kokoa hanompo ireo zanaky ny Ray any An-danitra. Mbola misy ireo Apôstôly roa ambin’ny folo, saingy mbola misy mpianatr’i Jesoa Kristy betsaka noho ny hatrizay, dia ireo olona izay afaka manambara amin’izao tontolo izao fa, “Efa mby akaiky ny fanjakan’ny lanitra” (Matio 10:7).

Sary
famantarana ny fandalinan’ny tena manokana

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina

Matio 9:18–26; Marka 5:22–43

“Aza matahotra, minoa fotsiny ihany.”

Tamin’ny fotoana voalohany nangatahan’i Jairo an’i Jesoa hanasitrana ny zanany vavy, izay “efa ho faty,” dia niteny tao anatin’ny hamehana kanefa nombam-panantenana i Jairo hoe: “Andeha re, mametraha ny tananao aminy, … ka ho velona [izy]” (Marka 5:23). Kanefa rehefa nandeha izy ireo dia nisy iraka nilaza tamin’i Jairo fa efa tara loatra tamin’izany: “Efa maty ny zanakao-vavy; nahoana hianao no mbola manahirana ny mpampianatra ihany?” (andininy 35). Tahaka izany ihany, dia mety ho efa tara loatra ihany koa izany ho an’ilay vehivavy voalaza ao amin’ny Marka 5:25–34, izay nandeha ra nandritra ny 12 taona.

Rehefa mamaky ireo tantara ireo ianao dia mety hieritreritra zavatra mila sitranina eo amin’ny fiainanao na ny fianakavianao, isan’izany ireo zavatra izay mety ho “efa ho faty” na tara loatra ka tsy ho sitrana intsony. Inona no manaitra anao mikasika ny fanehoana finoana ao anatin’ireo tantara ireo? Jereo ihany koa ny zavatra lazain’i Jesoa amin’ilay vehivavy sy amin’i Jairo. Inona no tsapanao fa lazainy aminao?

Jereo koa ny Lioka 8:41–56; Russell M. Nelson, “Misintona ny herin’i Jesoa Kristy ho eo amin’ny fiainantsika,” Liahona, mey 2017, 39–42; Enseignements des Présidents de l’Église: Gordon B. Hinckley (2016), 349–59.

Sary
Vehivavy miezaka manakatra ny akanjon’i Jesoa

Trust in the Lord [Matokia ny Tompo], nataon’i Liz Lemon Swindle

Matio 10; Lioka 9:1–6

Omen’ny Tompo fahefana hanao ny asany ny mpanompony.

Ny torolalana nomen’i Jesoa an’ireo Apôstôliny ao amin’ny Matio 10 dia azo ampiharina amintsika ihany koa, satria samy manana anjara asa sahanina ao amin’ny asan’ny Tompo isika rehetra. Fahefana inona no nomen’i Kristy an’ireo Apôstôliny mba hanampiana azy ireo hanatanteraka ny iraka nampanaovina azy ireo? Ahoana no ahafahanao mahazo ny heriny amin’ny asa izay niantsoana anao mba hataonao? (Jereo ny 2 Korintiana 6:1–10; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:34–46).

Rehefa mamaky ny asa nanendren’i Kristy ireo Apôstôliny ianao, dia mety hahazo fahatsapana momba ny asa izay tian’ny Tompo hataonao. Afaka manampy anao handrindra ny eritreritrao ny tabilao tahaka izao manaraka izao:

Matio 10

Fahatsapana azoko

Nanome fahefana ireo mpianany ny Mpamonjy.

Hanome ahy ny hery izay ilaiko hanaovako ny asako Andriamanitra.

Jereo koa ny Marka 6:7–13; Fanekem-pinoana 1:6; Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Apôstôly”.

Matio 10:17–20

Rehefa eo am-panompoana ny Tompo aho, dia hanentana ny fanahiko hilaza izay tokony holazaiko Izy.

Efa hitan’ny Tompo mialoha fa hohenjehina sy ho ahiahiana noho ny finoany ireo mpianany, zavatra mitovy amin’izay mety iainan’ireo mpianatra ankehitriny. Saingy nampanantena ireo mpianany Izy fa ho fantatr’izy ireo amin’ny alalan’ny Fanahy izay tokony holazainy. Efa niaina zavatra izay efa nahatanterahan’io fampanantenana io ve ianao tamin’ny fiainanao, angamba tamin’ny nizaranao ny fijoroana ho vavolombelona anananao, na nanomezanao tsodrano, na nifanakalozanao hevitra tamin’olona? Zarao ny zavatra niainanao niaraka tamin’olona iray izay tianao na soraty ao anaty diary izany. Inona no tsapanao fa tokony hataonao mba hahafahanao miaina matetika zavatra toy izany?

Jereo koa ny Lioka 12:11–12; Fotompampianarana sy Fanekempihavanana 84:85.

Matio 10:34–39

Inona no tian’i Jesoa holazaina amin’ny hoe: “Tsy tonga hitondra fiadanana Aho, fa sabatra”?

Nampianatra ny Loholona D. Todd Christofferson hoe: “Azoko antoka fa maro aminareo no efa nolavina sy nailikiliky ny ray aman-dreny sy ny mpiray tam-po rehefa nanaiky ny filazantsaran’i Jesoa Kristy sy niditra tao amin’ny fanekempihavanany. Na amin’ny fomba ahoana na amin’ny fomba ahoana, ny fitiavanao ambony indrindra an’i Kristy dia efa nitaky famoizana fifandraisana izay mamy taminao ary efa nigogogogo nitomany imbetsaka ianao. Kanefa sady tsy nihena ny fitiavanao no nijoro tsy voahozangozana ianao teo anivon’ireo fanenjehana ireo sady niseho tsy menatra ny amin’ny Zanak’ Andriamanitra” (“Finding Your Life,” Ensign,, mar. 2016, 28).

Io fahavononana hamoy fifandraisana mamy mba hanaraka ny Mpamonjy io dia arahin’ny fampanantenana manao hoe: “Izay mamery ny ainy noho ny amiko dia hahazo azy” (Matio 10:39).

Sary
famantarana ny fandalinan’ny mpianakavy

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Marka 5:22–43.Rehefa miara-mamaky io tantara io ny fianakavianao dia afaka miato kely ianao mba hanontany ny olona ao amin’ny fianakavianao izay zavatra mety ho tsapany raha teo amin’ny toeran’i Jairo, na ilay vehivavy, na ireo olona hafa ao amin’ilay tantara izy ireo. Azonao atao koa ny mampiseho ireo sary maneho ilay tantara, toy ireo izay hita ato amin’ity rindran-damina ity. Ahoana no hanehoan’ireo sary ireo ny finoan’ireo olona ao amin’ilay tantara? Azonareo atao koa ny mandinika ireo olana vitsivitsy atrehan’ny fianakavianareo. Ahoana no ahafahantsika mampihatra ilay teniny hoe: “Aza matahotra, minoa fotsiny ihany”? (Marka 5:36).

Matio 10:39; Lioka 9:23–26.Inona no mety ho dikan’ny hoe “hamery” ny aintsika sy “hahazo” izany? (Matio 10:39). Angamba afaka mizara zavatra niainana izay maneho ny fampianaran’i Jesoa ao amin’ireo andininy ireo ny olona ao amin’ny fianakaviana.

Matio 10:40.Manao ahoana ianao sy ny fianakavianao amin’ny fandraisana sy ny fanarahana ny torohevitr’ireo Apôstôly amin’izao andro maoderina izao? Nahoana no mitondra antsika ho akaiky kokoa an’i Jesoa Kristy ny fankatoavantsika ny torohevitr’izy ireo ?

Lioka 9:61–62.Inona no dikan’ny hoe mierika rehefa avy mitana fangady tarihina? Nahoana io fihetsika io no mahatonga antsika tsy ho mendrika ho ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra?

Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.

Hira aroso mba hohiraina: “L’amour de Dieu, sa force aussi,” Cantiques, no. 45.

Manatsara ny fandalinan’ny tena manokana

Mihaino ny Fanahy. Rehefa mandalina ianao dia henoy tsara ireo eritreritra sy fahatsapana anananao (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 8:2–3), na dia toa tsy mifanaraka amin’izay vakinao aza izany. Ireo fahatsapana ireo no mety ho tena ireo zavatra tian’ Andriamanitra ho fantatrao sy hataonao.

Sary
I Jesoa mampitsangana zazavavy iray avy eo am-pandriana

Talitha Cumi [Talita komy], nataon’i Eva Koleva Timothy

Hamoaka printy