“27 febroary–5 martsa. Matio 8; Marka 2–4; Lioka 7: -Ny finoanao efa namonjy anao,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Vaovao 2023 (2022)
“27 febroary–5 martsa. Matio 8; Marka 2–4; Lioka 7,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Vaovao: 2023
27 febroary–5 martsa
Matio 8; Marka 2–4; Lioka 7
“Ny finoanao efa namonjy anao”
Mitandrema mba tsy hirotoroto loatra ny fandalinanao soratra masina. Makà fotoana hisaintsainana ombam-bavaka, na dia midika aza izany fa tsy manana fotoana hamakina ny andinin-tsoratra masina rehetra ianao. Matetika ireo fotoana hisaintsainana ireo no mitarika ho amin’ny fahazoana fanambarana ho an’ny tena manokana.
Raketo ireo zavatra tsapanao
Isan’ireo hafatra mazava indrindra ao amin’ny Testamenta Vaovao ny hoe mpanasitrana i Jesoa Kristy. Marobe ireo tantaran’ny Mpamonjy manasitrana ny marary sy ny ory, manomboka amin’ny vehivavy iray tratran’ny tazo ka hatramin’ny zanakalahin’ny mananotena iray izay nodimandry. Nahoana no nantitranterina toy izany ny fanasitranana ara-batana? Inona no mety ho hafatra ho antsika ao amin’ireo fahagagana ireo? Azo antoka fa ny hafatra iray misongadina dia ny hoe i Jesoa Kristy no ilay Zanak’ Andriamanitra, izay manana ny hery eo amin’ny zavatra rehetra, anisan’izany ireo fanaintainantsika ara-batana sy ireo tsy fahalavorariantsika. Saingy misy dikany iray hafa hita ao amin’ireo teniny ho an’ireo mpanora-dalàna miroahana manao hoe: “Mba ho fantatrareo fa ny Zanak’olona manana fahefana etỳ ambonin’ny tany hamela heloka” (Marka 2:10). Noho izany rehefa mamaky mikasika ny olona iray jamba na boka nositranina ianao, dia mety hieritreritra ilay fanasitranana, sady ara-batana no ara-panahy, izay afaka ny ho azonao avy amin’ny Mpamonjy ka handre Azy hiteny aminao hoe: “Ny finoanao no efa namonjy anao” (Lioka 7:50).
Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina
Afaka manasitrana ny rofintsika sy ny aretintsika ny Mpamonjy.
Ireo toko vitsivitsy ireo dia ahitana ohatra maro momba ny fanasitranana mahagaga notanterahin’ny Mpamonjy. Rehefa mandalina ireo fanasitranana ireo ianao, dia mitadiava hafatra ho anao. Mety hanontany tena ianao hoe: Inona no ampianarin’ilay tantara momba ny finoana an’i Jesoa Kristy? Inona no ampianarin’ilay tantara momba ny Mpamonjy? Inona no tian’ Andriamanitra hianarako avy amin’io fahagagana io? Ireto misy ohatra vitsivitsy, kanefa mbola misy maro hafa ankoatra izay:
-
Olona boka iray (Matio 8:1–4)
-
Mpanompon’ny kapiteny iray (Matio 8:5–13; Lioka 7:1–10)
-
Ny rafozambavin’i Petera (Matthew 8:14–15)
-
Lehilahy iray nararin’ny paralysisa (Marka 2:1–12)
-
Lehilahy iray nangovi-tanana (Marka 3:1–5)
-
Ny zanakalahin’ilay mpitondratena tao Naina (Lioka 7:11–16)
Jereo koa ny Neil L. Andersen, “Maratra,” Liahona, nôv. 2018, 83–86.
Tsy tonga mba hanameloka ny mpanota i Jesoa Kristy fa tonga hanasitrana azy ireo.
Rehefa mamaky momba ny fifaneraseran’i Jesoa tamin’ireo mpanora-dalàna sy Fariseo ao amin’ireo andininy ireo ianao dia mety handinika raha toa ka mahita ny tenanao ao anatin’ireo tantara ireo. Ohatra, mitovy amin’ny an’i Simona Fariseo ve ny eritreritrao sy ny fihetsikao? Ahoana no hamaritanao ny fahasamihafana teo amin’ny fomba fahitan’i Jesoa ny mpanota sy ny fahitan’ny Fariseo tahaka an’i Simona azy ireo? Eritrereto ny zavatra mety ho tsapan’ireo izay vesaram-pahotana rehefa miaraka amin’ny Mpamonjy izy ireo. Inona no tsapanao rehefa miaraka aminao izy ireo?
Azonao saintsainina ihany koa ny mampitovy anao amin’ilay vehivavy resadresahina ao amin’ny Lioka 7:36–50. Oviana ianao no efa niaina ny hatsaram-po sy ny famindrampo izay nasehon’ny Mpamonjy tamin’ilay vehivavy? Inona no ianaranao avy amin’ny ohatra nasehon’ilay vehivavy tamin’ny fanehoana finoana sy fitiavana ary fanetrentena?
Jereo koa ny Jaona 3:17; Lioka 9:51–56; Dieter F. Uchtdorf, “Ny fanomezam-pahasoavan’ny famindrampo,” Liahona, mey 2015, 107–10.
Ny hoe mpianatr’i Jesoa Kristy dia midika fa Izy no ataoko lohalaharana amin’ny fiainako.
Ao amin’ireo andininy ireo i Jesoa dia nampianatra fa ny hoe mpianany dia mitaky antsika hametraka Azy ho lohalaharana eo amin’ny fiainantsika, na dia midika aza izany indraindray fa mahafoy ireo zavatra sarobidy amintsika isika. Rehefa mandalina ireo andinin-tsoratra masina ireo ianao dia saintsaino ny maha-mpianatra anao manokana. Nahoana ny mpianatra no tsy maintsy vonona hametraka ny Mpamonjy ho lohalaharana? Inona no mety ilainao avela mba hametrahana an’i Jesoa ho lohalaharana? (Jereo ihany koa ny Lioka 9:57–62.)
I Jesoa Kristy dia manana hery hitondra fiadanana eo anivon’ireo tafiotry ny fiainana.
Efa nahatsapa ny zavatra tsapan’ireo mpianatr’i Jesoa tao amin’ilay tafio-drivotra an-dranomasina ve ianao, mijery ireo onjan’ny rano mameno ilay sambo sady manontany hoe: “Mpampianatra ô, tsy mampaninona Anao va izao hahafatesanay izao?”
Ao amin’ny Marka 4:35–41 ianao dia hahita fanontaniana efatra. Ataovy lisitra ny tsirairay amin’izany ary saintsaino ny zavatra ampianarin’izany anao mikasika ny fiatrehana amim-pinoana an’i Jesoa Kristy ireo olana eo amin’ny fiainana. Amin’ny fomba ahoana no hitondran’i Jesoa Kristy fiadanana amin’ireo tafiotry ny fiainana?
Jereo koa ny Lisa L. Harkness, “Mangina, mitsahara,” Liahona, nôv. 2020, 80–82.
Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy
-
Matio 8; Marka 2–4; Lioka 7.Hevero ny hanao lisitra ireo fahagagana voalaza ao amin’ireo toko ireo. Miezaha mitady na manao sary maneho ny sasany amin’izany (jereo ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara na ny ChurchofJesusChrist.org). Afaka mampiasa sary ny olona tsirairay ao amin’ny fianakaviana mba hitantarana ny iray amin’ireo fahagagana ary hizara ny zavatra ianarany avy amin’izany. Afaka mizara ohatra vitsivitsy amin’ireo fahagagana amin’izao androntsika izao izay hitanao na novakinao ianao.
2:222:17 -
Matio 8:5–13; Lioka 7:1–10.Inona no nahatalanjona an’i Jesoa tamin’ny finoana nananan’ilay kapiteny? Ahoana no ahafahantsika maneho finoana an’i Jesoa Kristy tahaka izany?
-
Marka 2:1–12.Ny “Toko 23: Ilay lehilahy tsy afaka namindra” (ao amin’ny Tantara ao amin’ny Testamenta Vaovao, 57–58) dia afaka manampy ny fianakavianao hifanakalo hevitra momba ny Marka2:1–12. Ahoana no ahafahantsika hitovy amin’ireo naman’ilay lehilahy tsy afaka namindra? Olona iza no efa namana tahaka izany ho antsika?
NaN:NaN2:57 -
Marka 4:35–41.Afaka manampy ny fianakaviana ve io tantara io rehefa mahatsapa ho matahotra izy ireo? Azon’izy ireo atao angamba ny mamaky ny andininy 39 sy mizara zavatra niainana izay nanampian’ny Mpamonjy azy ireo hahatsapa fiadanana.
Mety ho tian’ny ankizy ny mody mihevitra ny tenany hoe mitaingina sambo kely ao anatina ranomasina misamboaravoara mafy eo am-pamakian’ny olona iray ny Marka 4:35–38. Avy eo, rehefa mamaky ny andininy 39 ny olona iray dia afaka mody mihevitra ny tenany hoe mitaingina sambo kely eo amina ranomasina tony izy ireo. Azonareo atao koa ny miara-mihira hira momba ny fahazoana fiadanana ao amin’ny Mpamonjy, toy ny “Maître, la tempête lance” (Cantiques, no. 56). Andian-teny inona ao amin’ilay hira no mampianatra antsika momba ny fiadanana atolotr’i Jesoa?
Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.
Hira ao amin’ny fihirana aroso mba hohiraina: “Maître, la tempête lance,” Cantiques, no. 56.