Testamenta Vaovao 2023
20–26 febroary. Matio 6–7: “Nampianatra azy toy izay manana fahefana Izy”


“20–26 febroary. Matio 6–7: -Nampianatra azy toy izay manana fahefana Izy,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Vaovao 2023 (2022)

“20–26 febroary. Matio 6–7,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2023

Sary
I Jesoa mampianatra eo amoron-dranomasina

Jesus Teaching the People by the Seashore [I Jesoa mampianatra ny olona eo amoron-dranomasina], nataon’i James Tissot

20–26 febroary

Matio 6–7

“Nampianatra azy toy izay manana fahefana Izy”

Rehefa mamaky ny soratra masina miaraka amin’ny fanontaniana ao an-tsaina isika ary miaraka amin’ny fananana faniriana marina hahatakatra ny zavatra tian’ny Ray any An-danitra ho fantatsika dia manasa ny Fanahy Masina mba hanentana ny fanahintsika. Eo am-pamakianao ny Matio 6–7 dia henoy tsara ireo fahatsapana ireo.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Ny Toriteny teo an-Tendrombohitra dia iray amin’ireo lahateny fantatry ny Kristianina indrindra. Nampianatra tamin’ny alalan’ny sary mazava tsara ny Mpamonjy, toy ny tanàna iray miorina eo an-tampon-kavoana, voninkazo any an-tsaha, ary ny amboadia manao fitafian’ny ondry. Saingy ny Toriteny teo an-Tendrombohitra dia lehibe lavitra noho ny lahateny mahafinaritra fotsiny. Ny herin’ny fampianaran’ny Mpamonjy an’ireo mpianany dia afaka manova ny fiainantsika, indrindra fa rehefa miaina mifanaraka amin’izy ireny isika. Dia ho lasa mihoatra ny teny tsotra fotsiny ny teniny, lasa fototra azo antoka ho an’ny fiainana izany, tahaka ny tranon’ilay lehilahy manan-tsaina, izay afaka manohitra ny rivotra sy riaka amin’izao tontolo izao (jereo ny Matio 7:24–25).

Sary
famantarana ny fandalinan’ny tena manokana

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina

Matio 6–7

Afaka manampy ahy ho tonga tahaka Azy ny fiainana ireo fampianaran’ny Mpamonjy.

Mirakitra fitsipiky ny filazantsara maro ilay toriteny teo an-tendrombohitra. Rehefa mandalina ireo toko ireo ianao dia anontanio an’ny Tompo ny zavatra tiany ianaranao.

Fitsipika iray mety ho hitanao ny tokony hametrahana ho laharampahamehana ireo zavatr’ Andriamanitra mihoatra ny zavatr’izao tontolo izao. Inona amin’ireo fampianaran’ny Mpamonjy ao amin’ny Matio 6–7 no manampy anao hifantoka amin’ireo zavatry ny lanitra? Inona koa ny eritreritra sy fahatsapana hafa anananao? Inona no tsapanao fa tokony hataonao? Hevero ny hirakitra ireo zavatra tsapanao. Ohatra:

Matio 6:1–4

Izay eritreretin’ Andriamanitra momba ahy no tiako horaharahiana kokoa fa tsy izay eritreretin’ny hafa.

Fitsipika iray hafa ao amin’ny Matio 6–7 ny vavaka. Makà fotoana handinihana ireo vavaka ataonao. Ahoana ny fahatsapanao ny ezaka ataonao mba hanakaikezana kokoa an’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny vavaka? Fampianarana inona ao amin’ny Matio 6–7 no mitaona anao hanatsara ny fomba fivavakao? Raketo ireo fahatsapana voarainao. Ohatra:

Matio 6:9

Rehefa mivavaka aho dia amim-panajana no tiako hanononana ny anaran’ny Ray any An-danitra.

Matio 6:10

Rehefa mivavaka aho dia afaka maneho ny faniriako hoe ny sitrapon’ny Tompo anie no aoka ho tanteraka.

Azonao averina vakina indray ilay Toriteny teo an-Tendrombohitra, dia mitady ireo fitsipika na hafatra hafa miverimberina izay azonao ampiharina manokana amin’ny tenanao. Soraty ao anaty diary fandalinana ny zavatra hitanao, miaraka amin’ireo eritreritra sy fahatsapana anananao.

Sary
Vavaka ataon’ny mpianakavy

Afaka manakaiky kokoa an’ Andriamanitra isika amin’ny alalan’ny vavaka.

Matio 6:7

Inona no dikan’ny hoe “manao teny maro foana” rehefa mivavaka?

Matetika ny fahazoan’ny olona ny hoe “manao teny maro foana” dia mamerimberina teny mitovy foana. Ny teny hoe foana anefa dia mety hamaritra zavatra izay tsy misy lanjany. Ny fanaovana “teny maro foana” dia mety hidika hoe mivavaka tsy amin-kitsimpo sy tsy avy amin’ny fo (jereo ny Almà 31:12–23).

Matio 7:1–5

Afaka mitsara amim-pahamarinana aho.

Ao amin’ny Matio 7:1 dia mety ho toy ny niteny ny Mpamonjy fa tsy tokony hitsara mihitsy isika, saingy ao amin’ny soratra masina hafa (tafiditra ao anatin’izany ireo andininy hafa ato amin’ity toko ity), dia manome toromarika antsika mikasika ny fomba tokony hitsarana Izy. Raha toa misafotofoto izany aminao dia mety hanampy ny Dikantenin’i Joseph Smith ho an’io andininy io: “Aza mitsara araka ny tsy fahamarinana ianareo mba tsy hotsaraina; fa mitsarà kosa araka ny fitsarana marina” (ao amin’ny Tovana Dikantenin’i Joseph Smith, Matio 7:1). Inona no hitanao ao amin’ny Matio 7:1–5 miaraka amin’ny sisa tavela amin’ilay toko, ka manampy anao hahafantatra ny fomba hitsarana “araka ny fitsarana marina”?

Jereo koa ny Lynn G. Robbins, “Ilay Mpitsara marina,” Liahona, nôv. 2016, 96–98.

Matio 7:21–23

Lasa mahafantatra an’i Jesoa Kristy aho rehefa manao ny sitrapony.

Ny andian-teny hoe “tsy mba fantatro akory hianareo” ao amin’ny Matio 7:23 dia novaina hoe “tsy mba fantatrareo akory aho” ao amin’ny Dikantenin’i Joseph Smith. Ahoana no hanampian’io fiovana io anao hahatakatra tsara kokoa ny zavatra nampianarin’ny Tompo ao amin’ny andininy 21–22 mikasika ny fanaovana ny sitrapony? Araka ny fahatsapanao dia toy ny ahoana ny halehiben’ny fahafantaranao ny Tompo? Inona no azonao atao mba hahafantarana Azy kokoa?

Jereo koa ny David A. Bednar, “Raha nahafantatra Ahy hianareo,” Liahona, nôv. 2016, 102–5.

Matio 7:24–27

Mampisy fototra mafy orina iorenan’ny fiainako ny fankatoavana ny fampianaran’ny Mpamonjy.

Tsy manaisotra ny fahoriana eo amin’ny fiainantsika ny fiainana ny filazantsara. Ireo trano roa ao amin’ny fanoharana nataon’ny Mpamonjy ao amin’ny Matio 7:24–27 dia samy nianjadian’ilay oram-baratra. Saingy nahatohitra izany ny iray tamin’ireo trano. Ahoana no nanorenan’ny fampianaran’ny Mpamonjy fototra mafy orina ho anao? Inona no tsapanao avy amin’ny fitaomam-panahy fa tokony hataonao mba hanohizana manorina ny “trano[nao eo] ambonin’ny vatolampy”? (jereo ny andininy 24).

Jereo koa ny Helamàna 5:12.

Sary
famantarana ny fandalinan’ny mpianakavy

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Matio 6:5–13.Inona no azontsika ianarana momba ny vavaka avy amin’ny fomba nivavahan’ny Mpamonjy? Ahoana no ahafahantsika mampiasa ny vavaka nataony mba ho maodely hanatsarana ny vavaka ataon’ny tenantsika manokana na ny mpianakavy? (Jereo koa ny Lioka 11:1–13.) Raha manana zanaka mbola kely ianao dia azonao atao ny mizatra mivavaka miaraka.

Matio 6:33.Inona no dikan’ny hoe “katsaho aloha ny fanjakany”? Ahoana no anaovantsika tsirairay avy izany sy miaraka amin’ny fianakaviana?

Matio 7:1–5.Mba hahitana maso ireo fampianarana ao amin’ireo andininy ireo dia afaka mitady sombin-kazo (hazo kely dia kely) sy andry (vatan-kazo) ny fianakavianao. Mampianatra antsika inona momba ny fitsarana ny hafa ny fampitahana ireo zavatra roa ireo?

Matio 7:24–27.Mba hanampiana ny fianakavianao hahatakatra kokoa ny fanoharan’ny Mpamonjy momba ilay lehilahy manan-tsaina sy ilay lehilahy adala, dia azonao asaina mandraraka rano amin’ny fasika sy amin’ny vato izy ireo. Ahoana no ahafahantsika manorina ny fototra ara-panahintsika eo amin’ny vatolampy?

Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.

Hira aroso mba hohiraina: “Ny hendry sy ny adala,” Bokin-kiran’ny ankizy,, 132.

Manatsara ny fandalinan’ny tena manokana

Mizarà hevi-baovao. Ny fifanakalozan-kevitra momba ireo fitsipika nianaranao tamin’ny fandalinana manokana nataonao dia tsy vitan’ny hoe fomba tsara hampianarana ny hafa fotsiny ihany fa manampy amin’ny fanamafisana orina ny fahatakaranao manokana ihany koa. Miezaha mizara fitsipika iray izay nianaranao tamin’ity herinandro ity amin’ny olona iray ao amin’ny fianakaviana na mandritra ireo kilasy atrehanao any am-piangonana.

Sary
I Jesoa mivavaka

I Have Prayed for Thee [Efa nivavaka ho anao aho], nataon’i Del Parson

Hamoaka printy