Testamenta Vaovao 2023
30 janoary–5 febroary. Matio 4; Lioka 4–5: “Ny Fanahin’i Jehovah no ato amiko”


“30 janoary–5 febroary. Matio 4; Lioka 4–5: -Ny Fanahin’i Jehovah no ato amiko,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Vaovao 2023 (2022)

“30 janoary–5 febroary. Matio 4; Lioka 4–5,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2023

Sary
I Jesoa mijoro ao amin’ny tany efitra

Into the Wilderness [Mandeha any an-tany efitra], nataon’i Eva Koleva Timothy

30 janoary–5 febroary

Matio 4; Lioka 4–5

“Ny Fanahin’i Jehovah no ato amiko”

Nampiasa ny soratra masina ny Mpamonjy mba hanoherana ireo fakam-panahin’i Satana no sady hijoroana ho vavolombelona ny amin’ny asa masina nanirahana Azy (jereo ny Lioka 4:1–21). Saintsaino ny fomba ahafahan’ny soratra masina mampatanjaka ny finoanao sy ny finiavanao hanohitra fakam-panahy.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Hatramin’ny fahazatovony i Jesoa no toa efa nahafantatra tsara fa nisy iraka miavaka sy masina nampanaovina Azy. Saingy rehefa niomana hanomboka ny asa fanompoany teto an-tany i Jesoa dia nikasa hampitsiry fisalasalana tao an-tsain’ny Mpamonjy ny fahavalo. “Raha Zanak’ Andriamanitra Hianao,” hoy i Satana (Lioka 4:3, nampiana soramandry). Saingy nifandray tamin’ny Rainy any An-danitra ny Mpamonjy. Fantany ny soratra masina, ary fantany hoe iza Izy. Ho Azy dia tsy marina ilay tolotra nataon’i Satana hoe “Homeko Anao izao fanapahana rehetra izao” (Lioka 4:6), satria ny fiomanana nataon’ny Mpamonjy nandritra ny fiainany dia nanome fahafahana Azy handray “ny herin’ny Fanahy” (Lioka 4:14). Koa na dia teo aza ny fakam-panahy sy ny fitsapana ary ny fandavana, dia tsy voahozongozona velively tamin’ny asa nampanaovina Azy i Jesoa Kristy: “Tsy maintsy mitory … ny amin’ny fanjakan’ Andriamanitra … Aho, satria izany no nanirahana Ahy” (Lioka 4:43).

Sary
famantarana ny fandalinan’ny tena manokana

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina

Matio 4:1–2

Manomana ahy hanompo an’Andriamanitra ny fifandraisana Aminy.

Mba hiomanana tamin’ny iraka nampanaovina Azy dia nandeha tany an-tany efitra i Jesoa “mba hiaraka amin’ Andriamanitra” (Dikantenin’i Joseph Smith, Matio 4:1 [ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina]). Eritrereto ny zavatra ataonao mba hahatsapana ho akaiky an’ Andriamanitra. Ahoana no hanomanan’izany anao ho amin’ny asa tiany hataonao?

Matio 4:1–11; Lioka 4:1–13

Naneho ohatra ho ahy i Jesoa Kristy tamin’ny fanoherany fakam-panahy.

Indraindray ny olona dia mahatsapa tena ho meloka rehefa alaim-panahy hanota. Kanefa na dia ny Mpamonjy izay “tsy nanana ota” (Hebreo 4:15) aza dia nalaina fanahy. Fantatr’i Jesoa Kristy ny fakam-panahy atrehantsika sy ny fomba hanampiana antsika handresy azy ireny (jereo ny Hebreo 2:18; Almà 7:11–12).

Rehefa mamaky ny Matio 4:1–11 sy ny Lioka 4:1–13 ianao dia inona ny zavatra ianaranao ka afaka manampy anao rehefa miatrika fakam-panahy? Azonao alamina ao anatin’ny tabilao iray tahaka ity iray ity ny eritreritrao:

Jesoa Kristy

Izaho

Jesoa Kristy

Nalain’i Satana fanahy hanao inona i Jesoa?

Izaho

Alain’i Satana fanahy hanao inona aho?

Jesoa Kristy

Inona no nataon’i Kristy mba hiomanana hanohitra fakam-panahy?

Izaho

Ahoana no ahafahako miomana hanohitra fakam-panahy?

Jesoa Kristy

Izaho

Inona no hevi-baovao fanampiny azonao avy amin’ny Dikantenin’i Joseph Smith ho an’ny Matio 4?

Jereo ihany koa ny 1 Korintiana 10:13; Almà 13:28; Mosesy 1:10–22; Sujets de l’Évangile, “Tentation,” topics.ChurchofJesusChrist.org.

Lioka 4:16–32

I Jesoa Kristy no ilay Mesia nampanantenaina.

Raha nangatahana ianao mba hanoritsoritra ny zavatra nanirahana an’i Jesoa Kristy ho ataony ety an-tany dia inona no ho nolazainao? Rehefa nindrana ny iray tamin’ireo faminanian’i Isaia momba ny Mesia ny Mpamonjy dia namariparitra ireo lafin-javatra tamin’ny iraka nampanaovina Azy (jereo ny Lioka 4:18–19; Isaia 61:1–2). Inona no ianaranao momba ny iraka nampanaovina Azy rehefa mamaky ireo andininy ireo ianao?

Inona avy ireo zavatra asain’ny Mpamonjy ataonao ho fandraisana anjara amin’ny asany?

Sary
I Jesoa mijoro ao amin’ny synagoga

Na dia efa niandry ny hahatanteraka ny faminanian’i Isaia nandritra ny taonjato maro aza ireo Jiosy dia maro no tsy nanaiky hoe i Jesoa no ilay Mesia rehefa nanambara Izy hoe: “Androany no efa tanteraka eto anatrehanareo izany soratra izany” (Lioka 4:21). Eo am-pamakianao ny Lioka 4:20–30 (jereo koa ny Marka 6:1–6) dia manandrama mipetraka eo amin’ny toeran’ireo olona tao Nazareta. Misy zavatra mety manakana anao tsy hanaiky tanteraka an’i Kristy ho Mpamonjy anao manokana ve?

Jereo ihany koa ny Môzià 3:5–12.

Matio 4:18–22; Lioka 5:1–11

Rehefa matoky ny Tompo aho dia afaka manampy ahy ho tonga tahaka an’ Andriamanitra Izy.

Nampianatra ny Filoha Ezra Taft Benson hoe: “Ny lehilahy sy vehivavy mampitodika ny fiainany amin’ Andriamanitra dia hahita fa Izy dia mbola afaka manao zavatra betsaka amin’ny fiainan’izy ireo mihoatra noho izay azon’izy ireo atao” (Teachings of Presidents of the Church: Ezra Taft Benson [2014], 42). Jereo ny fahatanterahan’izany teo amin’i Simona Petera sy ireo mpanjono namany. Nahita zavatra lehibe kokoa tao amin’izy ireo mihoatra noho ny hitan’izy ireo momba ny tenany i Jesoa. Tiany izy ireo ho lasa “mpanarato olona” (Matio 4:19; jereo koa ny Lioka 5:10).

Rehefa mamaky ny Matio 4:18–22 sy ny Lioka 5:1–11 ianao, dia saintsaino hoe manampy anao ho lasa inona i Jesoa. Tamin’ny fomba ahoana no nahatsapanao Azy nanasa anao hanaraka Azy? Ahoana no ahafahanao maneho amin’ny Tompo fa vonona ny hamoy ny zava-drehetra mba hanaraka Azy ianao? (jereo ny Lioka 5:11).

Sary
famantarana ny fandalinan’ny mpianakavy

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Matio 4:1–2; Lioka 4:1–2.Inona no hevi-baovao afaka ny ho azontsika avy amin’io tantara io mikasika ny herin’ny fifadian-kanina? Mba hanampiana ny fianakavianao hianatra mikasika ny fifadian-kanina dia azonao ampiasaina ny “Jeûne et offrandes de jeûne” ao amin’ny Sujets de l’Évangile (topics.ChurchofJesusChrist.org). Afaka mizara ny traikefany tamin’ny fifadian-kanina ny olona ao amin’ny fianakaviana. Azonareo atao tsara ny manao drafitra ombam-bavaka mba hiaraka hifady hanina ho an’ny tanjona iray manokana.

Matio 4:3–4; Lioka 4:3–4.Rehefa naka fanahy an’i Kristy i Satana mba hanova vato iray ho mofo, dia nanaovany fanamby ny toetra maha-andriamanitra an’i Kristy tamin’ny filazany hoe: “Raha Zanak’ Andriamanitra Hianao” (Matio 4:3, nampiana soramandry). Nahoana i Satana no miezaka ny hampisalasala antsika ny amin’ny maha-andriamanitra antsika—ary ny maha-Andriamanitra ny Mpamonjy? Ahoana no hiezahany hanaovana izany? (Jereo koa ny Mosesy 1:10–23.)

Dikantenin’i Joseph Smith, Matio 4:11.Rehefa avy nosedraina ara-batana sy ara-panahy i Jesoa dia nieritreritra ireo zavatra nilain’i Jaona Mpanao Batisa, izay tany an-tranomaizina, Izy: “Ary ankehitriny dia nahalala i Jesoa fa efa naiditra an-tranomaizina i Jaona, ka nirahiny ireo anjely, ary indro, tonga ireo ka nanompo [an’i Jaona]” (Dikantenin’i Joseph Smith, Matio 4:11 [ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina). Inona no fitahiana azontsika rehefa manaraka ny ohatr’i Kristy amin’ny fiheverana ny hafa isika?

Lioka 4:16–21.Mahafantatra olona izay malahelo na mila fanafahana ve isika? (Lioka 4:18). Ahoana no ahafahantsika manampy ny hafa handray ny fanasitranana sy ny fanafahan’ny Mpamonjy? Azonareo atao ihany koa ny mifanakalo hevitra ny amin’ny fomba ahafahan’ny fanatanterahana ireo ôrdônansin’ny tempoly hitondra “[fanafahana ho an’ny] mpifatotra” (Lioka 4:18).

Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.

Hira aroso mba hohiraina: “Viens et suis-moi!,” Cantiques, no. 61.

Manatsara ny fampianarantsika

Iaino ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. “Ny zavatra tena manan-danja indrindra azonao atao angamba [amin’ny maha-ray na reny na mpampianatra anao] dia ny … miaina ny filazantsara amin’ny fonao manontolo. … Io no fomba voalohany indrindra ahafahanao ho mendrika ny hanana ny Fanahy Masina ho namana. Tsy ilaina hoe tonga lafatra ianao fa miezaka amim-pahavitrihana fotsiny—ary mangataka famelana amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy isaky ny solafaka” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy13).

Sary
I Jesoa miantso ireo Apôstôly ho mpanarato olona

Christ Calling the Apostles James and John [Jesoa miantso ny Apôstôly Jakoba sy Jaona], Edward Armitage (1817–96)/Sheffield Galleries and Museums Trust, UK/© Museums Sheffield/The Bridgeman Art Library International

Hamoaka printy