Testamenta Vaovao 2023
23–29 janoary. Matio 3; Marka 1; Lioka 3: “Amboary ny làlan’i Jehovah”


“23–29 janoary. Matio 3; Marka 1; Lioka 3: -Amboary ny làlan’i Jehovah,-” Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Vaovao 2023 (2022)

“23–29 janoary. Matio 3; Marka 1; Lioka 3,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2023

Sary
Jaona Mpanao Batisa manao batisa an’i Jesoa

Takela-pitaratra misy sary ao amin’ny Tempolin’i Nauvoo Illinois, nataon’i Tom Holdman

23–29 janoary

Matio 3; Marka 1; Lioka 3

“Amboary ny làlan’i Jehovah”

Atombohy amin’ny famakiana ny Matio 3 sy ny Marka 1; ary ny Lioka 3. Rehefa mivavaka ianao mba hahazo ny fanampian’ny Fanahy Masina hahatakatra ireo toko ireo dia hanome hevi-baovao anao Izy izay natao manokana ho anao. Raketo ireo fahatsapana ireo, ary manaova drafitra hamadihana izany ho asa.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Afaka manova anao i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany. I Lioka dia nindrana faminaniana iray nataon’i Isaia mpaminany fahiny izay mamariparitra ny ho fiantraikan’ny fiavian’ny Mpamonjy: “Ny lohasaha rehetra hototofana, ary ny tendrombohitra sy ny havoana rehetra haetry, ary ny meloka hahitsy, ary ny lalana mikitoantoana hohamarinina” (Lioka 3:5; jereo koa ny Isaia 40:4). Hafatra ho antsika rehetra izany, tafiditra ao anatin’izany ireo izay mihevitra fa tsy afaka miova. Raha azo haetry ny zavatra iray izay mitoetra maharitra toy ny tendrombohitra, dia azo antoka fa vitan’ny Tompo ny manampy antsika hampahitsy ny lalantsika mikitoantoana (jereo ny Lioka 3:4–5). Rehefa manaiky ny fanasan’i Jaona Mpanao Batisa mba hiova sy hibebaka isika, dia manomana ny saintsika sy ny fontsika handray an’i Jesoa Kristy mba hahafahantsika ihany koa “hahita ny famonjen’ Andriamanitra” (Lioka 3:6).

Sary
famantarana ny fandalinan’ny tena manokana

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina

Iza moa i Marka?

Amin’ireo mpanoratra ny Filazantsara, dia i Marka no tsy dia fantatra firy ny momba azy. Fantatsika fa izy dia mpiara-mitory tamin’i Paoly sy i Petera ary mpitory maro hafa. Mpikaroka maro momba ny Baiboly no mino fa i Petera no nitarika an’i Marka hanoratra ireo zava-niseho teo amin’ny fiainan’ny Mpamonjy. Ny Filazantsaran’i Marka dia toa nosoratana talohan’ireo telo hafa.

Jereo ihany koa ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Marka.”

Matio 3:1–12; Marka 1:1–8; Lioka 3:2–18

Ny fibebahana dia fiovan-tsaina sy fiovam-po mahery vaika.

Ny asa nanirahana an’i Jaona Mpanao Batisa dia ny hanomana ny fon’ny olona handray ny Mpamonjy sy ho lasa tahaka Azy kokoa. Ahoana no nanaovany izany? Nanambara izy hoe: “Mibebaha hianareo” (Matio 3:2). Ary dia nampiasa fanoharana toy ny voankazo na ny vary izy hampianarana momba ny fibebahana (jereo ny Lioka 3:9, 17).

Inona ihany koa no fanoharana hafa hitanao ao amin’ireo tantara momba ny asa fanompoana nataon’i Jaona Mpanao Batisa? (jereo ny Matio 3:1–12; Marka 1:1–8; Lioka 3:2–18). Azonao atao ny manisy marika azy ireo ao amin’ny soratra masinao na manao ny sarin’izy ireo. Inona no ampianarin’ireo fanoharana ireo mikasika ny fotopampianarana sy ny antony ilàna fibebahana?

Ny fibebahana marina dia “fiovan-tsaina sy fiovam-po izay miteraka fihetsika vaovao amin’ Andriamanitra, amin’ny tena, ary amin’ny fiainana ankapobeny. … [Midika izany fa] mampitodika amin’ Andriamanitra ny fony sy ny sitrapony” (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Fibebahana”). Inona avy ireo fiovana nasain’i Jaona nataon’ny vahoaka ao amin’ny Lioka 3:7–14 mba hiomanana handray an’i Kristy? Ahoana no mety hampiharana izany torohevitra izany aminao? Ahoana no ahafahanao mampiseho fa tena nibebaka marina ianao? (jereo ny Lioka 3:8).

Jereo ihany koa ny Russell M. Nelson, “Afaka manao tsaratsara kokoa sy ho lasa tsaratsara kokoa isika,” Liahona, mey 2019, 67–69; Dallin H. Oaks, “Voadio amin’ny alalan’ny fibebahana,” Liahona, mey 2019, 91–94.

Matio 3:7; Lioka 3:7

Iza moa ireo Fariseo sy ireo Sadoseo?

Ny Fariseo dia mpikambana tao amin’ny antokom-pivavahana Jiosy iray izay nirehareha noho ny fitandremany tanteraka ny lalàn’i Mosesy sy ny fombafomba tao anatin’izany. Ny Sadoseo dia nosokajiana ho Jiosy manan-karena izay natanjaka teo amin’ny fivavahana sy ny ara-pôlitika; tsy nino ny fotopampianaran’ny fitsanganana amin’ny maty izy ireo. Ireo vondron’olona roa ireo dia niala tamin’ny tena tanjon’ireo lalàn’ Andriamanitra.

Jereo koa ny Matio 23:23–28; Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Fariseo,” “Sadoseo.”

Matio 3:11, 13–17; Marka 1:9–11; Lioka 3:15–16, 21–22

Natao batisa i Jesoa Kristy mba “hahatanteraka ny fahamarinana rehetra.”

Tamin’ny nanaovana batisa anao dia nanaraka ny ohatry ny Mpamonjy ianao. Ampitahao amin’ny zavatra niseho nandritra ny batisanao ny zavatra ianaranao amin’ireto tantaran’ny batisan’ny Mpamonjy ireto.

Ny batisan’ny Mpamonjy

Ny batisako

Ny batisan’ny Mpamonjy

Iza no nanao batisa an’i Jesoa ary inona no fahefana nohazoniny?

Ny batisako

Iza no nanao batisa anao ary inona no fahefana nohazoniny?

Ny batisan’ny Mpamonjy

Taiza i Jesoa no natao batisa?

Ny batisako

Taiza ianao no natao batisa?

Ny batisan’ny Mpamonjy

Ahoana no fomba nanaovana batisa an’i Jesoa?

Ny batisako

Ahoana no fomba nanaovana batisa anao?

Ny batisan’ny Mpamonjy

Nahoana i Jesoa no natao batisa?

Ny batisako

Nahoana ianao no natao batisa?

Ny batisan’ny Mpamonjy

Tamin’ny fomba ahoana no nanehoan’ny Ray any An-danitra fa faly tamin’i Jesoa Izy?

Ny batisako

Tamin’ny fomba ahoana no nanehoan’ny Ray any An-danitra fa faly Izy tamin’ny nanaovana batisa anao? Ahoana no nanehoany ny fankatoavany nanomboka tamin’izay?

Jereo ihany koa ny 2 Nefia 31; Môzià 18:8–11; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:37, 68–74.

Matio 3:16–17; Marka 1:9–11; Lioka 3:21–22

Olona telo samy hafa ireo mpikambana ao amin’ Ny Andriamanitra.

Ny Baiboly dia ahitana porofo maro fa ireo mpikambana ao amin’ Ny Andriamanitra dia olona telo miavaka tsara. Ny tantaran’ny batisan’ny Mpamonjy dia ohatra iray amin’izany. Eo am-pamakianao an’ireo tantara ireo dia saintsaino ny zavatra ianaranao momba ny Ny Andriamanitra. Nahoana ireo fotopampianarana ireo no manan-danja aminao?

Jereo ihany koa ny Genesisy 1:26; Matio 17:1–5; Jaona 17:1–3; Asan’ny Apostoly 7:55–56; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 130:22.

Sary
famantarana ny fandalinan’ny mpianakavy

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Matio 3.Nihazona ny Fisoronana Aharôna i Jaona Mpanao Batisa. Inona no azontsika ianarana avy amin’ny ohatr’i Jaona momba ireo tanjon’ny Fisoronana Aharôna? Inona avy ireo fitahiana azontsika noho ny Fisoronana Aharôna? Raha misy zatovolahy ao amin’ny fianakavianao dia afaka maka fotoana anampiana azy hahatakatra ny fomba ahafahany mampiasa ny Fisoronana Aharôna mba hitahiana ny hafa ianao. (Jereo ihany koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 13:1; 20:46–60.)

Sary
Zatovolahy iray manao batisa zatovolahy iray hafa

Rehefa atao batisa isika dia voadio ny fahotantsika.

Matio 3:11–17; Marka 1:9–11; Lioka 3:21–22.Moa ve ny olona ao amin’ny fianakavianao efa nahita olona natao batisa na noraisina ho mpikamban’ny Fiangonana? Inona no tsapan’ny olona ao amin’ny fianakaviana tamin’izay? Azonao atao tsara ny mampianatra azy ireo ny hevitra ara-tandindon’ny batisa sy ny fandraisana ho mpikambana. Inona no itovian’ny hoe vita batisa sy noraisina ho mpikambana amin’ny fahaterahana vaovao? Nahoana isika no atsoboka tanteraka ao anaty rano rehefa atao batisa? Nahoana isika no manao akanjo fotsy rehefa atao batisa? Nahoana ny fanomezana ny Fanahy Masina no faritana hoe “batisan’ny afo”? (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:41; jereo ihany koa ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Batisa,” “Fanahy Masina”).

Matio 3:17; Marka 1:11; Lioka 3:22.Oviana isika no nahatsapa fa faly tamintsika Andriamanitra? Inona no azontsika mianakavy atao mba hahafaly an’ Andriamanitra?

Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.

Hira aroso mba hohiraina: “Batisa,” Bokin-kiran’ny ankizy, 54–55.

Manatsara ny fandalinana manokana

Mangataha fanampiana amin’ny Tompo. Ny soratra masina dia nomena tamin’ny alalan’ny fanambarana, ary mba hahatakarana marina azy ireny dia mila fanambarana ho an’ny tena manokana isika. Nampanantena ny Tompo hoe: “Mangataha, dia homena ianareo; mitadiava, dia hahita ianareo; dòndòny dia hovohana ianareo” (Matio 7:7).

Sary
Manao batisa an’i Jesoa i Jaona

John the Baptist Baptizing Jesus [IJaona Mpanao Batisa manao batisa an’i Jesoa], nataon’i Greg K. Olsen

Hamoaka printy