Testamenta Vaovao 2023
26 desambra–1 janoary. Tompon’andraikitra amin’ny fianarantsika manokana isika


“26 desambra–1 janoary. Tompon’andraikitra amin’ny fianarantsika manokana isika,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Vaovao 2023 (2022)

“26 desambra–1 janoary. Tompon’andraikitra amin’ny fianarantsika manokana isika,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2023

Sary
fianakaviana mijery rakitsary

26 desambra–1 janoary

Tompon’andraikitra amin’ny fianarantsika manokana isika

Ny tanjon’ny soratra masina dia ny hanampy anao hanatona an’i Kristy sy ho lasa miova fo lalina kokoa amin’ny filazantsarany. Ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana dia afaka manampy anao hahatakatra ny soratra masina sy hahita ao anatin’izany ny hery ara-panahy izay ilainao sy ilain’ny fianakavianao. Avy eo dia hanana fahafahana ianao, rehefa any amin’ireo kilasy hatrehanao any am-piangonana, ny hizara hevitra sy hankahery ireo Olomasina namanao amin’ny ezaka ataon’izy ireo hanaraka an’i Kristy.

Raketo ireo zavatra tsapanao

“Inona no tadiavinareo?” Hoy i Jesoa nanontany ireo mpianatr’i Jaona Mpanao Batisa (Jaona 1:38). Mety hametraka izany fanontaniana izany amin’ny tenanao koa ianao, satria ny zavatra hitanao ao amin’ny Testamenta Vaovao amin’ity taona ity dia hiankina be amin’ny zavatra katsahinao. “Mitadiava, dia hahita hianareo,” izany no fampanantenan’ny Mpamonjy (Matio 7:7). Koa apetraho ny fanontaniana izay tonga ao an-tsainao rehefa mandalina ianao, ary katsaho amim-pahozotoana avy eo ny valiny. Ao amin’ny Testamenta Vaovao ianao dia hamaky ireo zavatra ara-panahy mahery vaika niainan’ireo mpianatr’i Jesoa Kristy. Amin’ny maha-mpianatra mahatoky an’ny Mpamonjy anao dia afaka ny hiaina zavatra ara-panahy mahery vaika ianao rehefa manaiky ilay fanasan’ny Mpamonjy, hita manerana ity boky masina ity, manao hoe: “Avia, manaraha Ahy” (Lioka 18:22).

Sary
famantarana ny fandalinan’ny tena manokana

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina

Mba hianarako marina tokoa avy amin’ny Mpamonjy, dia tokony hanaiky ilay fanasany aho, izay manao hoe: “Avia, manaraha Ahy.”

Ny fanasan’ny Mpamonjy manao hoe “Avia, manaraha Ahy” dia miantefa amin’ny rehetra, na mbola vaovao isika eo amin’ilay lalan’ny maha-mpianatra na efa nandeha tamin’izany nandritra ny fiainantsika manontolo. Io no fanasana nataony tamin’ny tovolahy mpanan-karena iray izay niezaka nitandrina ny didiny (jereo ny Matio 19:16–22; Lioka 18:18–23). Ny zavatra nianaran’ilay tovolahy, sy ny zavatra tokony hianarantsika rehetra, dia izao: izany hoe mpianatra izany dia midika hoe manolotra ny fanahintsika manontolo ho an’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Mivoatra amin’ny maha-mpianatra antsika isika rehefa mahafantatra ny zavatra tsy ampy amintsika, manova izay tokony hovaina, ary mikatsaka ny hanaraka Azy Ireo tanteraka.

Manomboka ny fianarana avy amin’ny Mpamonjy rehefa miezaka manakatra ny zavatra nampianariny isika. Ohatra, mihalalina amin’ny fomba ahoana ny fahatakaranao ny fanetrentena rehefa miezaka mamantatra ireto manaraka ireto ianao?

Raha te hianatra kokoa ianao dia andramo atao amina fitsipika iray hafa ao amin’ny filazantsara toy ny fitiavana na ny famelan-keloka ity atrikasa ity.

Tompon’andraikitra amin’ny fianarako manokana aho.

Nampianatra ny Loholona David A. Bednar hoe: “Tsy tokony horaisintsika ho toy ny fikambanana iray natao hampianatra antsika sy hilaza amintsika ny zavatra rehetra ilaintsika fantarina sy atao mba ho tonga mpianatra mahatoky sy haharitra amim-pahavitrihana hatramin’ny farany ny Fiangonana. Fa andraikitsika manokana kosa ny mianatra ny zavatra tokony hianarantsika, sy ny miaina araka izay fantatsika fa tokony hiainantsika, ary ny ho lasa ilay tian’ilay Mpampianatra hahatongavantsika. Ary ny tokantranontsika no tena toerana tsara ianarana, iainana sy hiovana” (“Vonona hahazo ny zavatra rehetra ilaina,” Liahona, mey 2019, 102).

Inona no dikan’ny hoe mandray andraikitra amin’ny fianaranao manokana? Jereo ny mety ho valiny ao amin’ny zavatra nolazain’ny Loholona Bednar sy ao amin’ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto: Jaona 7:17; 1 Tesaloniana 5:21; Jakoba 1:5–6, 22; 2:17; 1 Nefia 10:17–19; 2 Nefia 4:15; Almà 32:27; ary Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:18; 58:26–28; 88:118. Inona no tsapanao fa tokony hataonao mba ho mavitrika kokoa amin’ny fianarana ny filazantsara?

Mila mahafantatra manokana ny fahamarinana aho.

Angamba ianao mahafantatra olona izay toa tsy manary ny finoany mihitsy, na inona na inona mitranga amin’ny fiainany. Mety hampahatsiahy anao ireo virijiny dimy hendry ao amin’ny fanoharan’ny Mpamonjy izy ireny (jereo ny Matio 25:1–13). Ny zavatra mety tsy hitanao anefa dia ny ezaka mavitrika ataon’izy ireo mba hampatanjahana ny fijoroana ho vavolombelona ananany momba ny fahamarinana.

Ahoana no fomba hahazoantsika fijoroana ho vavolombelona sy hikolokoloana izany? Soraty ny eritreritra tonga ao an-tsainao rehefa misaintsaina ireto soratra masina manaraka ireto ianao: Lioka 11:9–13; Jaona 5:39; Jaona 7:14–17Asan’ny Apostoly 17:10–12; 1 Korintiana 2:9–11; ary ny Almà 5:45–46. (Jereo ihany koa ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Fijoroana ho vavolombelona,” topics.ChurchofJesusChrist.org.)

Sary
Zatovovavy mandeha amin’ny lalana iray

Mila mahazo fijoroana ho vavolombelona ho an’ny tenantsika manokana isika tsirairay.

Inona no tokony hataoko rehefa manana fanontaniana aho?

Rehefa mikatsaka fahalalana ara-panahy ianao, dia hisy fanontaniana ho tonga ao an-tsainao. Ireto fitsipika manaraka ireto dia afaka manampy anao hametraka fanontaniana amin’ny fomba izay hanorina finoana sy fijoroana ho vavolombelona:

  • Mikatsaka fahatakarana avy amin’ Andriamanitra. Andriamanitra no loharanon’ny fahamarinana rehetra, ary manambara fahamarinana Izy amin’ny alalan’ny Fanahy Masina sy ny soratra masina ary ireo mpaminaniny sy apôstôliny.

  • Manao asa amim-pinoana. Rehefa tsy tonga eo no ho eo ny valiny dia manàna fatokiana fa hambaran’ny Tompo amin’ny fotoana maha-mety azy ny valiny. Mandritra izany anefa dia tohizo hatrany ny fiainana araka ny fahamarinana izay efa fantatrao.

  • Manana fomba fijery mibanjina ny mandrakizay Miezaha mijery zavatra araka ny fahitan’ny Tompo azy, fa tsy ny fijerin’izao tontolo izao. Jereo ao anatin’ny sahan-kevitry ny drafitry ny famonjen’ny Raintsika any An-danitra ireo fanontanianao.

Sary
famantarana ny fandalinan’ny mpianakavy

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Matio 13:1–23.Mba hanampiana ny fianakavianao hiomana ny hianatra avy amin’ny Testamenta Vaovao amin’ity taona ity dia afaka mamaky ilay fanoharana momba ny mpamafy voa ianareo. Mety ho tian’ny fianakavianao ny hivoaka handehandeha ary hitady ireo karazan-tany voalazalaza ao amin’ilay fanoharana. Ahoana no ahafahantsika manamboatra ny fontsika ho tahaka ilay “tany tsara” izay nofaritan’i Jesoa? (Matio 13:8).

Galatiana 5:22–23; Filipiana 4:8.Nanasa anareo ny Filoha Russell M. Nelson mba “hanova ny fonena[nareo] ho toerana masina isian’ny finoana” sy “hanamboatra ny tokantranonareo ho lasa ivon-toerana fianarana ny filazantsara.” Nampanantena izy ho an’ireo izay manao ireo zavatra ireo fa: “Hazoto hianatra sy hiaina ireo fampianaran’ny Mpamonjy ny zanakareo ary hihena ny fitaoman’ilay fahavalo eo amin’ny fiainanareo sy any an-tokantranonareo. Ho lehibe sy hampahery ny fiovana eo amin’ny fianakavianareo” (“Lasa Olomasin’ny Andro Farany maodely,” Liahona, nôv. 2018, 113).

Ny fiantombohan’ny taona vaovao dia fotoana tsara hanaovana filankevitry ny mpianakavy momba ny fanaovana ny tokantranontsika ho “toerana masina isian’ny finoana” sy ho “ivon-toerana fianarana filazantsara.” Hevitra inona mikasika ny fomba entina manao izany no tonga ao an-tsaina rehefa vakintsika ny Galatiana 5:22–23 sy ny Filipiana 4:8? Angamba afaka hametraka tanjon’ny tena manokana sy an’ny fianakaviana ny fianakavianao mba handalina ny Testamenta Vaovao amin’ity taona ho avy ity. Inona no azontsika atao mba hampahatsiahivana ireo tanjontsika amin’ny tenantsika?

Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.

Hira aroso mba hohiraina: “Ampianaro aho,” Bokin-kiran’ny ankizy, 70.

Manatsara ny fandalinana manokana

Mitadiava fotopampianarana. Ny fotopampianarana dia fahamarinana mandrakizay sy tsy miova. Nanambara ny Filoha Boyd K. Packer fa “ny fotopampianarana marina, rehefa takatra, dia manova ny toetra sy ny fitondrantena” (“Little Children,” Ensign, Nov. 1986, 17). Rehefa mandalina ny soratra masina ianao sy ny fianakavianao, dia mitadiava fahamarinana izay afaka manampy anao hiaina tahaka ny Mpamonjy kokoa.

Sary
Jesoa Kristy

Light of the World [Fahazavan’izao tontolo izao], nataon’i Brent Borup

Hamoaka printy