Testamenta Vaovao 2023
2–8 janoary. Matio 1; Lioka 1: “Aoka anie ho tonga amiko araka ny teninao”


“2–8 janoary. Matio 1; Lioka 1: -Aoka anie ho tonga amiko araka ny teninao,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Vaovao 2023 (2022)

“2–8 janoary. Matio 1; Lioka 1,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2023

Sary
I Maria sy i Elizabeta

2–8 janoary

Matio 1; Lioka 1

“Aoka anie ho tonga amiko araka ny teninao”

Rehefa mamaky sy misaintsaina ny Matio 1 sy ny Lioka 1 ianao, dia raketo an-tsoratra ireo fahatsapana ara-panahy voarainao. Inona ireo fahamarinana ara-potopampianarana hitanao? Inona ireo hafatra izay tena hanan-danja aminao sy ny fianakavianao? Mety hanampy anao hahita hevi-baovao fanampiny ireo hevitra hoenti-mandalina ato amin’ity rindran-damina ity.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Raha ny fijerin’olombelona dia tsy nitombina izany. Tsy afaka nitoe-jaza ny virijiny iray, ary tsy afaka toy izany koa ny vehivavy momba iray izay efa nihoatra ny taona ahafahana miteraka. Saingy nanana drafitra Andriamanitra ho an’ny fahaterahan’ny Zanany sy ny fahaterahan’i Jaona Mpanao Batisa, ka dia lasa renim-pianakaviana i Maria sy i Elizabeta na dia teo aza ireo zavatra rehetra ninoan’ny olona fa tsy hahatanteraka izany. Mety hanampy ny mahatsiaro ny zavatra mahagaga niainan’izy ireo isaky ny miatrika zavatra toa tsy ho vita isika. Afaka mandresy ny fahalementsika ve isika? Mety hahakasika ny fon’ny havana iray izay tsy liana amin’ny filazantsara ve isika? Afaka ho tamintsika mihitsy i Gabriela no niresaka rehefa nampahatsiahy an’i Maria izy hoe: “Tsy hisy tsy ho tanteraka ny teny rehetra ataon’ Andriamanitra” (Lioka 1:37). Ary afaka ny ho valin-tenintsika ihany koa ny valin-tenin’i Maria rehefa manambara ny sitrapony Andriamanitra: “Aoka anie ho tonga amiko araka ny teninao” (Lioka 1:38).

Sary
famantarana ny fandalinan’ny tena manokana

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina

Iza moa i Matio sy i Lioka?

I Matio dia Jiosy mpamory hetra izay nantsoin’i Jesoa ho isan’ireo Apôstôliny (jereo ny Matio 10:3; jereo ihany koa ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Mpamory hetra”). I Matio dia nanoratra ny Filazantsarany ho an’ireo Jiosy voalohany indrindra, noho izany izy dia nisafidy ny hanamafy ireo faminaniana ao amin’ny Testamenta Taloha momba ny Mesia izay tanteraka tamin’ny fiainana sy ny asa fanompoan’i Jesoa.

I Lioka dia mpitsabo Jentilisa (tsy Jiosy) izay niara-dia tamin’i Paoly Apôstôly. Ho an’ny tsy Jiosy no tena nanoratany ny Filazantsarany izay nosoratanytaorian’ny nahafatesan’ny Mpamonjy. Nijoro ho vavolombelona ny amin’ny maha-Mpamonjy ny Jentilisa sy ny Jiosy an’i Jesoa Kristy izy. Nirakitra ireo trangan-javatra natrehany maso tamin’ny fiainan’ny Mpamonjy izy, ary nampiditra tantara maro kokoa mikasika ny vehivavy raha oharina amin’ireo Filazantsara hafa.

Jereo koa ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Filazantsara,” “Matio,” “Lioka.”

Matio 1:18–25; Lioka 1:26–35

I Jesoa Kristy dia nateraka reny mety maty sy Ray tsy mety maty.

Jereo ao amin’ny Matio 1:18–25 sy ny Lioka 1:26–35 ny fomba nitantaran’i Matio sy i Lioka ny fahaterahan’i Jesoa tamin’ny fomba mahagaga. Nampatanjaka ny finoanao ny Mpamonjy tamin’ny fomba ahoana ny fomba namaritan’izy ireo izany? Nahoana no zava-dehibe aminao ny mahafantatra fa sady Zanak’ Andriamanitra i Jesoa no zanak’i Maria?

Nanazava ny Filoha Russell M. Nelson fa ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy dia “nitaky ny sorona manokana ataon’ny olona iray tsy mety maty. Kanefa tsy maintsy maty Izy ary mamerina indray ny vatany. Ny Mpamonjy irery ihany no afaka nanatanteraka izany. Nandova ny hery mba ho faty avy amin’ny reniny Izy. Nahazo hery handresena ny fahafatesana avy tamin’ny Rainy Izy” (“Constancy amid Change,” Ensign, Nov. 1993, 34).

Lioka 1:5–25, 57–80

Ny fitahian’ Andriamanitra dia tonga amin’ny fotoany.

Raha tsapanao fa mila miandry fitahiana ianao, na toa tsy mihaino ny vavaka ataonao Andriamanitra, ny tantaran’i Elizabeta sy i Zakaria dia azo atao fampahatsiahivana fa tsy nanadino anao Izy. Nampanantena ny Loholona Jeffrey R. Holland hoe: “Eo am-panaovantsika asa sy iandrasantsika miaraka ny valin’ireo vavaka sasany ataontsika dia manolotra anareo ny fampanantenana amin’ny maha-apôstôly ahy aho fa misy mahare izy ireny ary voavaly na dia tsy mitranga amin’ny fotoana na amin’ny fomba tiantsika aza izany. Kanefa dia voavaly foana izy ireny amin’ny fotoana sy amin’ny fomba izay tokony hamalian’ny ray aman-dreny manana ny fahalalana rehetra sy feno fangorahana mandrakizay azy ireny” (“Miandry ny Tompo,” Liahona, nôv. 2020, 115–16). Inona no nataon’i Zakaria sy i Elisabeta mba hijanonana ho mahatoky? (jereo ny Lioka 1:5–25, 57–80). Mahatsapa ho miandry fitahiana ve ianao? Inona no tsapanao fa andrasan’ny Tompo aminao mandritra ny fiandrasanao?

Sary
I Elizabeta sy i Zakaria miaraka amin’i Jaona zazakely

Taorian’ny fiandrasana tamim-pahatokiana dia nahazo zanaka lahy i Elizabeta sy i Zakaria.

Matio 1:18–25; Lioka 1:26–38

Ny mahatoky dia manaiky an-tsitrapo ny sitrapon’ Andriamanitra.

Tahaka an’i Maria, isika indraindray dia mahita fa ny drafitr’ Andriamanitra ho an’ny fiainantsika dia tena hafa amin’izay nokasaintsika. Inona no zavatra ianaranao avy amin’i Maria mikasika ny fanekena ny sitrapon’ Andriamanitra? Soraty ao anatin’ity tabilao manaraka ity ireo zavatra nolazain’ilay anjely sy i Maria (jereo ny Lioka 1:26–38), sy ny hafatra hitanao ao amin’ireo zavatra nolazainy ireo:

Ny tenin’ilay anjely tamin’i Maria

Hafatra ho ahy

Ny tenin’ilay anjely tamin’i Maria

“Ny Tompo momba anao” (andininy 28).

Hafatra ho ahy

Fantatry ny Tompo ny toe-piainako sy ireo olako.

Ny tenin’ilay anjely tamin’i Maria

Hafatra ho ahy

Ny tenin’ilay anjely tamin’i Maria

Hafatra ho ahy

Ny valin-tenin’i Maria

Hafatra ho ahy

Ny valin-tenin’i Maria

“Hanao ahoana re no hahatanteraka izany?” (andininy 34).

Hafatra ho ahy

Tsy maninona ny mametraka fanontaniana mba hahatakarana kokoa ny sitrapon’ Andriamanitra.

Ny valin-tenin’i Maria

Hafatra ho ahy

Ny valin-tenin’i Maria

Hafatra ho ahy

Rehefa mamaky ny ohatry ny fahamarinana nasehon’i Josefa ianao ao amin’ny Matio 1:18–25, dia inona no zavatra ianaranao mikasika ny fanekena ny sitrapon’ Andriamanitra? Inona no hevi-baovao fanampiny ianaranao avy amin’ny zavatra niainan’i Zakaria sy i Elizabeta? (jereo ny Lioka 1).

Jereo koa ny Lioka 22:42; Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Gabriela.”

Lioka 1:46–55

Nijoro ho vavolombelona momba ny iraka nampanaovina an’i Jesoa Kristy i Maria.

Ireo tenin’i Maria ao amin’ny Lioka 1:46–55 dia milaza mialoha ny toetoetry ny iraka nampanaovina ny Mpamonjy. Inona no zavatra ianaranao mikasika an’i Jesoa Kristy avy amin’ny zavatra nolazain’i Maria? Azonao atao ny mampitaha ireto andinin-tsoratra masina ireto amin’ny tenin’i Hana ao amin’ny 1 Samoela 2:1–10 sy amin’ireo Fahasambarana nolazain’i Jesoa ao amin’ny Matio 5:3–12. Inona no zavatra ampianarin’ny Fanahy anao rehefa misaintsaina ireo andinin-tsoratra masina ireo?

Sary
famantarana ny fandalinan’ny mpianakavy

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Matio 1:1–17.Rehefa mamaky ny tetiaran’i Jesoa ny fianakavianao dia azonareo atao ny miresadresaka mikasika ny tantaram-pianakavianareo sy mizara tantara vitsivitsy momba ny razambenareo. Inona no fitahiana azon’ny fianakavianao tamin’ny alalan’ny fahafantarana ny tantaran’ny fianakavianao? Raha hijery fiaraha-mientana misimisy kokoa momba ny tantaram-pianakaviana dia jereo ny FamilySearch.org/discovery.

Matio 1:20; Lioka 1:11–13, 30.Inona no mety nahatonga ny olona ao amin’ireo andininy ireo hatahotra? Inona no mahatonga antsika hatahotra? Ahoana no hanasan’ Andriamanitra antsika mba “tsy hatahotra”?

Lioka 1:37.Mba hanampiana ny fianakavianao hanana finoana “fa tsy hisy tsy ho tanteraka ny teny rehetra ataon’ Andriamanitra,” dia azonareo atao ny mamaky miaraka ny Lioka 1 ka hitady ireo zavatra nataon’ Andriamanitra izay azo heverina ho tsy afaka ny ho tanteraka mihitsy. Inona avy ireo tantara hafa azontsika zaraina, na avy amin’ny soratra masina na avy amin’ny fiainantsika manokana, izay nanaovan’ Andriamanitra zavatra neritreretina ho tsy azo tanterahina? Mety hanome hevitra ny fanaovana fikarohana ao amin’ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara.

Lioka 1:46–55.Inona avy ireo “zavatra lehibe” nataon’ny Mpamonjy ho antsika? Mety hidika inona amin’ny fanahintsika izany hoe “mankalaza ny Tompo” izany?

Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.

Hira aroso mba hohiraina: “Nalefany ny Zanany,” Bokin-kiran’ny ankizy, 20.

Manatsara ny fampianarantsika

Mampihatra ny soratra masina eo amin’ny fiainanao. Rehefa avy mamaky andinin-tsoratra masina iray dia asao ireo olona ao amin’ny fianakaviana mba hampihatra izany eo amin’ny fiainany (jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy21). Ohatra hoe, ahoana no ahafahan’ny olona ao amin’ny fianakaviana mampihatra ny zavatra nianarany tao amin’ny Matio 1 sy ny Lioka 1 mikasika ny famaliana ny antson’ny Tompo?

Sary
I Gabriela miseho amin’i Maria

Blessed Art Thou among Women [Nosoavina noho ny vehivavy rehetra ianao], nataon’i Walter Rane

Hamoaka printy