Testamenta Vaovao 2023
9–15 janoary. Matio 2; Lioka 2: Tonga mba hiankohoka eo anatrehany izahay


“9–15 janoary. Matio 2; Lioka 2: Tonga mba hiankohoka eo anatrehany izahay,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Vaovao 2023 (2022)

“9–15 janoary. Matio 2; Lioka 2,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2023

Sary
Magy mitaingina rameva

Let Us Adore Him [Andeha isika hitsaoka Azy], nataon’i Dana Mario Wood

9–15 janoary

Matio 2; Lioka 2

Tonga mba hiankohoka eo anatrehany izahay

Rehefa mamaky ny Matio 2 sy ny Lioka 2 ianao dia mifantoha amin’ireo hevi-baovao voarainao. Ireo hevitra enti-mandalina ato amin’ity rindran-damina ity dia afaka manampy anao hahita ireo fitsipika lehibe sy manan-danja ao anatin’ireo toko ireo.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Nanomboka tamin’ny andro nahaterahany dia mazava fa tsy zaza toy ny rehetra i Jesoa. Tsy ilay kintana vaovao teny amin’ny lanitra fotsiny na ilay fanambarana mahafaly nataon’ny anjely no nahatonga ny fahazazan’i Jesoa ho niavaka. Fa noho ny olona maro isan-karazany, avy amin’ny firenena sy anton’asa ary fiaviana samihafa, izay nahatsapa ho voasarika hanatona Azy ihany koa. Na dia talohan’ny nilazany ilay fanasany hoe “Avia, manaraha Ahy” aza dia tonga izy ireo (Lioka 18:22). Mazava ho azy fa tsy ny olona rehetra no tonga nijery Azy. Marobe no tsy nanisy lanja Azy, ary nikatsaka ny hifofo ny ainy mihitsy aza ny mpanapaka be fialonana iray. Fa ireo mpikatsaka ny fahamarinana feno fanetrentena sy madio ary feno fanoloran-tena kosa dia nandray Azy tamin’ny naha-Izy Azy, dia ny Mesian’izy ireo izay nampanantenaina. Ny fanolorantenan’izy ireo dia mitaona antsika hanana izany koa, satria ilay “teny soa mahafaly” nentina tamin’ireo mpiandry ondry dia ho an’ny “olona rehetra,” ary ilay “Mpamonjy …, dia Kristy Tompo,” dia teraka ho antsika rehetra tamin’izany andro izany (jereo ny Lioka 2:10–11).

Sary
famantarana ny fandalinan’ny tena manokana

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina

Lioka 2:1–7

Teraka tao anatin’ny toe-piainana tsotra i Jesoa Kristy.

Na dia nanam-boninahitra niaraka tamin’ Andriamanitra Ray aza i Jesoa “fony tsy mbola ary izao tontolo izao” (Jaona 17:5), dia vonona ny ho teraka tao anatin’ny toe-javatra tsotra Izy sy hiaina eo anivontsika ety ambonin’ny tany. Rehefa mamaky ny Lioka 2:1–7 ianao dia saintsaino ny zavatra ampianarin’io tantaran’ny fahaterahany io anao momba Azy. Miezaha mitady antsipirian-javatra na hevi-baovao izay tsy mbola tsikaritrao taloha ao anatin’io tantara io. Manova inona amin’ny zavatra tsapanao momba Azy ny fahitana ireo zavatra ireo?

Matio 2:1–12; Lioka 2:8–38

Maro ny vavolombelon’ny fahaterahan’i Kristy.

Nanamarika ny fahaterahan’i Kristy sy ny fahazazany ireo vavolombelona nanatri-maso sy ireo olona avy amin’ny sarangam-piainana samihafa izay nitsaoka Azy. Rehefa mamakafaka ny tantaran’izy ireo ianao dia inona no ianaranao momba ny fomba fitsaohana sy fijoroana ho vavolombelon’i Kristy?

Vavolombelon’i Kristy

Inona no ianarako momba ny fitsaohana sy fijoroana ho vavolombelon’i Kristy?

Vavolombelon’i Kristy

Mpiandry ondry (Lioka 2:8–20)

Inona no ianarako momba ny fitsaohana sy fijoroana ho vavolombelon’i Kristy?

Vavolombelon’i Kristy

Simeona (Lioka 2:25–35)

Inona no ianarako momba ny fitsaohana sy fijoroana ho vavolombelon’i Kristy?

Vavolombelon’i Kristy

Ana (Lioka 2:36–38)

Inona no ianarako momba ny fitsaohana sy fijoroana ho vavolombelon’i Kristy?

Vavolombelon’i Kristy

Magy (Matio 2:1–12)

Inona no ianarako momba ny fitsaohana sy fijoroana ho vavolombelon’i Kristy?

Jereo koa ny 1 Nefia 11:13–23; 3 Nefia 1:5–21.

Matio 2:13–23

Afaka mandray fanambarana ny ray aman-dreny hiarovana ny fianakaviany.

Tsy ho afaka nahavita velively ny zavatra nasaina nataony i Josefa, dia ny hiaro an’i Jesoa tamin’ny fahazazany, raha tsy nisy ny fanampiana avy any an-danitra. Tahaka ireo Magy dia nandray fanambarana izay nampitandrina azy tamin’ny loza izy. Rehefa mamaky ny zavatra niainan’i Josefa ao amin’ny Matio 2:13–23 ianao dia eritrereto ireo loza ara-batana sy ara-panahy izay atrehantsika amin’izao fotoana izao. Saintsaino ireo zavatra niainana izay nahatsapanao ny fitarihan’ Andriamanitra tamin’ny fiarovana anao sy ireo olona akaikin’ny fonao. Eritrereto ny hizara ireo zavatra niainana ireo amin’ny hafa. Inona no azonao atao mba handraisana fitarihana toy izany amin’ny hoavy?

Lioka 2:40–52

Na dia tamin’ny fahatanorany aza i Jesoa dia nifantoka tamin’ny fanaovana ny sitrapon’ny Rainy.

Fony zatovolahy ny Mpamonjy dia nampianatra ny filazantsara tamin’ny fomba mahery vaika ka nahatalanjona ireo mpampianatra tao amin’ny tempoly mihitsy ny “fahalalany sy ny famaliany” (Lioka 2:47). Inona no ianaranao avy amin’ireo andininy ireo momba ny Mpamonjy fony Izy zatovolahy? Ahoana no fomba iezahan’ireo zatovo fantatrao hanao ny asan’ny Rain’izy ireo? (Lioka 2:49). Tamin’ny fomba ahoana no efa nanampian’ny zatovo sy ny ankizy anao hahazo fahatakarana lalina kokoa ny filazantsara? Inona koa no ianaranao avy amin’ny ohatry ny fahazazan’i Jesoa ao amin’ny Lioka 2:40–52 sy ny Dikantenin’i Joseph Smith, Matio 3:24–26 (ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina)?

Sary
I Jesoa zazalahy miaraka amin’ireo mpampianatra ao amin’ny tempoly

“Tsy fantatrareo va fa tsy maintsy ho eto an-tranon’ny Raiko Aho?” (Lioka 2:49).

Inona no Dikantenin’i Joseph Smith?

Satria fahamarinana maro “tsotra sy sarobidy” no very tao amin’ny Baiboly nandritra ireo taonjato nifanesy (1 Nefia 13:28; jereo ihany koa ny Mosesy 1:41) dia nandidy an’i Joseph Smith ny Tompo mba hanao fanitsiana azo avy amin’ny fanentanam-panahy ny Baiboly, izay fantatra amin’ny hoe Dikantenin’i Joseph Smith. Ahitana fanitsiana maro nataon’ny Mpaminany ao amin’ny tovan’ny edisiônan’ny soratra masina an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Ny Dikantenin’i Joseph Smith an’ny Matio 24 izay fantatra amin’ny hoe Joseph Smith—Matio dia hita ao amin’ny Voahangy Lafo Vidy. Mba hahazoana fampahalalana bebe kokoa dia jereo ny “Dikantenin’i Joseph Smith (DJS)” ao amin’ny Torolalana ho an’ny soratra masina.

Sary
famantarana ny fandalinan’ny mpianakavy

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Lioka 2.Asao ny ao amin’ny fianakavianao hisafidy olona iray voalaza ao amin’ny Lioka 2 dia mamakia andininy vitsivitsy momba ny nifaneraseran’izany olona izany tamin’ny Mpamonjy, ary mizarà zavatra izay nianarany ka nampitombo ny finoany an’i Jesoa Kristy. Iaraho mihira ny “Rotsirotsin’i Maria” na ny “Ilay hiran’ny fahaterahana” (Bokin-kiran’ny ankizy, 28–29, 32–33). Inona no ianarantsika momba ny fahaterahan’ny Mpamonjy avy amin’ireo hira ireo?

Eritrereto ny mety hanatsaran’ny fampiasana sary ny fifanakalozan-kevitra ataonareo momba ny fahaterahan’i Kristy. (Ohatra, jereo ao amin’ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara na ny history.ChurchofJesusChrist.org/exhibit/birth-of-Christ.)

Matio 2:1–12.Inona no ianarantsika momba ny fikatsahana sy ny fitadiavana ny Mpamonjy avy amin’ny ohatra nasehon’ireo Magy?

Lioka 2:41–49.Inona ny “raharahan’ny Ray? (Lioka 2:49; jereo ny Mosesy 1:39; Boky torolalan’ny Fiangonana maneran-tany: Manompo ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany1.2, ChurchofJesusChrist.org). Inona no ianarantsika momba izany asa izany avy amin’ilay tantara ao amin’ny Lioka 2:41–49? Manorata fomba vitsivitsy ahafahan’ny fianakavianao mandray anjara amin’ny asan’ny Ray ary ataovy anaty fitoeran-javatra iray izany. Mandritra ny herinandro ho avy, rehefa mitady fomba hanaovana ny asan’ny Ray any An-danitra ny fianakavianao, dia afaka mifidy hevitra avy ao amin’ilay fitoeran-javatra izy ireo. Manomàna fotoana iray hizaranareo ny zavatra niainanareo.

Lioka 2:52.Inona no azontsika ianarana avy amin’ny Lioka 2:52 momba ny fitomboan’i Jesoa teo amin’ny fiainany? Inona no tanjon’ny tena manokana na an’ny mpianakavy azontsika apetraka mba hitomboana “saina sy tena sady [m]androso fitia [amin’] Andriamanitra sy ny olona”?

Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.

Hira aroso mba hohiraina: “Kintan’ny Krismasy,” Bokin-kiran’ny ankizy, 24.

Manatsara ny fandalinan’ny tena manokana

Mampiasà fitaovana fandalinana soratra masina. Mba hahazoana hevitra fanampiny rehefa mandalina ny soratra masina ianao dia ampiasao ireo loharanom-pahalalana toy ny fanovozan-kevitra eny ambanin’ny pejy, sy ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina ary ireo fitaovana fandalinana hafa hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

Sary
I Maria sy i Josefa ary i Jesoa zazakely

Tonga teto an-tany tao anatin’ny toe-javatra tsotra ny Mpamonjy izao tontolo izao.

Hamoaka printy