Testamenta Vaovao 2023
16–22 janoary. Jaona 1: Efa nahita ny Mesia izahay


“16–22 janoary. Jaona 1: Efa nahita ny Mesia izahay,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Vaovao 2023 (2022)

“16–22 janoary. Jaona 1,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2023

Sary
Vehivavy mizara ny filazantsara ao amin’ny toby fiantsonan’ny fiaran-dalamby

16–22 janoary

Jaona 1

Efa nahita ny Mesia izahay

Rehefa mamaky sy misaintsaina ny Jaona 1 ianao, dia raketo ireo fahatsapana voarainao. Inona ireo hafatra hitanao fa tena hanan-danja aminao sy ny fianakavianao? Inona no zavatra azonao zaraina any amin’ireo kilasinao any am-piangonana?

Raketo ireo zavatra tsapanao

Efa mba nanontany tena ve ianao hoe mety ho nandray an’i Jesoa avy any Nazareta ho ilay Zanak’ Andriamanitra ve ianao raha toa ka niaina nandritra ny fanompoany tety an-tany? Nandritra ny taona maro ireo Isiraelita nahatoky, anisan’izany i Andrea, i Petera, i Filipo ary i Natanaela, dia niandry ny fiavian’ilay Mesia nampanantenaina sy nivavaka momba izany. Ahoana no nahafantaran’izy ireo rehefa nihaona Taminy fa Izy no Ilay efa nokatsahin’izy ireo? Amin’izany fomba izany koa no ahafantarantsika ny Mpamonjy, dia amin’ny fanekena ilay fanasana ho antsika manokana hoe “avia, fa ho hitanareo” (Jaona 1:39). Mamaky ny momba Azy isika ao amin’ny soratra masina. Mahare ny fotopampianarany isika. Mandinika ny fomba fiainany isika. Mahatsapa ny Fanahiny isika. Rehefa manao ireo zavatra ireo isika dia hahita, tahaka an’i Natanaela, fa ny Mpamonjy dia mahafantatra antsika sy tia antsika ary te hanomana antsika handray “zavatra lehibe” kokoa (Jaona 1:50).

Sary
famantarana ny fandalinan’ny tena manokana

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina

Iza moa i Jaona?

I Jaona dia mpianatr’i Jaona Mpanao Batisa ary lasa iray tamin’ireo mpanara-dia voalohany an’i Jesoa Kristy sy iray tamin’ireo Apôstôly Roambinifolony taty aoriana. Nanoratra ny Filazantsaran’i Jaona sy epistily maromaro ary ny Apokalypsy izy. Ao amin’ny Filazantsarany izy dia milaza ny tenany ho ilay mpianatra “tian’i [Jesoa]” sy ilay “mpianatra anankiray” (Jaona 13:23; 20:3). Tena lehibe tokoa ny fahazotoan’i Jaona hitory ny filazantsara ka nangataka ny hijanona eto an-tany izy mandra-pahatonga ny Fiavian’ny Mpamonjy fanindroany mba hahafahany mitondra fanahy mankany amin’i Kristy (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 7:1–6).

Jereo koa ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Jaona,” “Ny filazantsaran’i Jaona.”

Jaona 1:1–5

I Jesoa Kristy dia “tao amin’ Andriamanitra tamin’ny voalohany.”

Natombok’i Jaona tamin’ny fanoritsoritana ny asa izay notanterahin’i Kristy talohan’ny nahaterahany ny Filazantsarany: “Tamin’ny voalohany … ny Teny [i Jesoa Kristy] tao amin’ Andriamanitra.” Inona no ianaranao avy amin’ny andininy 1–5 momba ny Mpamonjy sy ny asany? Afaka mahita fanazavana izay manampy ianao ao amin’ny Dikantenin’i Joseph Smith, Jaona 1:1–5 (ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina). Rehefa manomboka mandalina ny fiainan’ny Mpamonjy ianao, dia nahoana no zava-dehibe ny mahafantatra momba ny asa nataony nandritra ny fiainana talohan’ny nahaterahany?

Jaona 1:1–18

I Jesoa Kristy no “tena Mazava,” ilay Zanak’ Andriamanitra.

Nentanim-panahy hikatsaka ny Mpamonjy i Jaona noho ny fijoroana ho vavolombelona nananan’i Jaona Mpanao Batisa, izay nanambara fa izy dia “tonga ho vavolombelona hanambara ny … tena Mazava” (Jaona 1:8–9). I Jaona tenany ihany koa dia nijoro ho vavolombelona mahery vaika ny amin’ny fiainan’ny Mpamonjy sy ny asa nanirahana Azy.

Mety ho tsara ny manao lisitr’ireo fahamarinana izay nampidirin’i Jaona tao amin’ny teny fampidirany hijoroany ho vavolombelona momba an’i Kristy (andininy 1–18; jereo ihany koa ny Dikantenin’i Joseph Smith, Jaona 1:1–19 [ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina]). Nahoana araka ny eritreritrao i Jaona no nanomboka ny Filazantsarany tamin’ireo fahamarinana ireo? Azonao soratana ny tenivavolombelonao momba an’i Jesoa Kristy, inona no tianao hozaraina? Inona no traikefa nanampy anao hahafantatra sy hanaraka ny Mpamonjy? Iza no mety ho voatahy rehefa mihaino ny fijoroana ho vavolombelona anananao?

Jaona 1:11–13

Manome antsika “hery ho tonga” zanakalahy sy zanakavavin’ Andriamanitra i Jesoa Kristy.

Na dia fanahy zanakavavy sy zanakalahin’ Andriamanitra avokoa aza isika rehetra dia lasa tafasaraka Aminy rehefa manota. Manome antsika fomba hiverenana amin’ny alalan’ny sorompanavotana nataony i Jesoa Kristy. Saintsaino ny zavatra ampianarin’ny Jaona 1:11–13 momba ny fahatongavana ho zanakavavy sy zanakalahin’ Andriamanitra. Saintsaino koa ny zavatra ampianarin’ireo soratra masina ireo mikasika ny fomba handraisantsika io fanomezana io: Romana 8:14–18; Môzià 5:7–9; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 25:1. Midika inona aminao izany hoe manana “hery ho tonga” zanakavavy na zanakalahin’ Andriamanitra izany?

Jaona 1:18

Manambara ny Zanany ny Ray.

Milaza ny Jaona 1:18 fa tsy mbola nisy olona nahita an’ Andriamanitra. Kanefa ny Dikantenin’i Joseph Smith ho an’io andininy io dia manazava fa “tsy nisy olona nahita an’ Andriamanitra na oviana na oviana afa-tsy izay vavolombelona nanambara ny Zanaka” (jereo ny DJS, Jaona 1:19). Hevero ny hijery indray ireto ohatra manaraka ireto izay nahenoana an’ Andriamanitra Ray nanambara ny Zanany: Matio 3:17; 17:5; 3 Nefia 11:6–7; Joseph Smith—Tantara 1:17.

Nahoana no fitahiana ny fananana ireo tantara ireo? Inona no ampianarin’izany anao momba ny fifandraisan’i Jesoa Kristy amin’ny Rainy?

Sary
famantarana ny fandalinan’ny mpianakavy

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Sary
Zatovovavy mamaky soratra masina

Rehefa mandalina ny soratra masina isan’andro isika dia hahazo fitaomam-panahy ho an’ny fiainantsika.

Jaona 1:4–10.Ahoana no mety hanampianao ny fianakavianao haka sary an-tsaina ny zavatra vakin’izy ireo momba ny fahazavana ao amin’ireo andininy ireo? Azonao avela mifandimby mandrehitra jiro ao anatin’ny efitra maizina ireo olona ao amin’ny fianakavianao ary hizara ny fomba maha-Fahazavan’ny fiainany an’ny Mpamonjy. Avy eo rehefa mamaky ny Jaona 1:4–10 ianao dia mety hahazo hevi-baovao fanampiny amin’ny tenivavolombelon’i Jaona momba an’i Jesoa Kristy, ilay Fahazavan’izao tontolo izao, ireo olona ao amin’ny fianakaviana.

Jaona 1:35–36.Inona no mety ho antony niantsoan’i Jaona Mpanao Batisa an’i Jesoa hoe “ny Zanakondrin’ Andriamanitra”? Inona no ianarantsika momba io anarana fiantsoana io avy amin’ny hafatry ny Loholona Jeffrey R. Holland hoe “Indro ny Zanakondrin’ Andriamanitra” na ny hafatry ny Loholona Gerrit W. Gong hoe “Mpiandry Tsara, Zanakondrin’ Andriamanitra”? (Liahona, mey 2019, 44–46, 97–101)

Jaona 1:35–46.Inona no vokatry ny fijoroana ho vavolombelona nataon’i Jaona? Inona no azon’ny fianakavianao ianarana avy amin’ireo olona voalaza ao amin’ireo andininy ireo mikasika ny fomba hizarana ny filazantsara? Jereo koa ilay horonan-tsary “Manasa ny hafa mba -Handeha ka hizaha-” (ChurchofJesusChrist.org).

Jaona 1:45–51.Inona no zavatra nataon’i Natanaela izay nanampy azy hahazo fijoroana ho vavolombelona momba ny Mpamonjy? Asao ny olona ao amin’ny fianakaviana mba hiresaka mikasika ny fomba nahazoany ny fijoroana ho vavolombelona izay ananany.

Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.

Hira aroso mba hohiraina: “Christ est ma lumière,” Cantiques, no. 50.

Manatsara ny fampianarantsika

Mizarà lesona ampiasana ohatra azo tsapain-tanana. Asao ireo olona ao amin’ny fianakavianao hitady zavatra azon’izy ireo ampiasaina mba hanampy azy ireo hahatakatra ireo fitsipika hita ao amin’ny soratra masina izay iarahanareo fianakaviana vakina. Ohatra, afaka mampiasa labozia izy ireo hanehoana ny Fahazavan’i Kristy (jereo ny Jaona 1:4).

Sary
<u></u><i>I</i> Jesoa Kristy manatanteraka ny fahariana ny tany

Jehovah Creates the Earth [Nahary ny tany i Jehovah], nataon’i Walter Rane

Hamoaka printy