Testamenta Vaovao 2023
16–22 janoary. Jaona 1: Efa nahita ny Mesia izahay


“16–22 janoary. Jaona 1: Efa nahita ny Mesia izahay,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Testamenta Vaovao 2023 (2022)

“16–22 janoary. Jaona 1,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2023

Sary
Vehivavy mizara ny filazantsara ao amin’ny toby fiantsonan’ny fiaran-dalamby

16–22 janoary

Jaona 1

Efa nahita ny Mesia izahay

Rehefa mamaky ny Jaona 1 ianao dia raketo an-tsoratra ireo fahatsapana ara-panahy azonao. Ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana dia afaka manampy anao handalina ity toko ity. Ireto sosokevitra amin’ny atrikasa manaraka ireto dia afaka manome hevitra ho anao momba ny fomba hanampiana ny ankizy hianatra ireo fitsipika ao amin’ny Jaona 1. Azo ampifanarahana amin’ny zavatra mety amin’ny ankizy kely ireo atrikasa ho an’ny ankizy lehibe, raha ilaina izany.

Sary
Sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Mba hanampiana ny ankizy hizara ny zavatra fantany momba an’i Jesoa, dia asehoy ireo sariny nanatanteraka ny sasany amin’ireo anjara asany izay voafariparitra ao amin’ny Jaona1 (ohatra amin’izany ny sariny mamorona ny tany na mampianatra ny filazantsara). Angataho ny ankizy mba hilazalaza ny zavatra mitranga eo amin’ireo sary.

Sary
Sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy kely

Jaona 1:1–2

Niaina tany an-danitra niaraka tamin’ny Ray any An-danitra i Jesoa talohan’ny nahaterahany.

Nampianatra i Jaona fa niaina niaraka tamin’ Andriamanitra i Jesoa Kristy talohan’ny niainany teto an-tany. Niaina niaraka tamin’ Andriamanitra ihany koa isika talohan’ny nahaterahantsika (jereo ny “Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao,” ChurchofJesusChrist.org). Ahoana no fomba hampianaranao an’io fahamarinana io amin’ny ankizy?

Atrikasa azo atao

  • Hazavao fa “ny Teny” ao amin’ny Jaona 1:1 dia entina milaza an’i Jesoa. Vakio mafy ilay andininy, ary asaivo miteny hoe “Jesoa” ny ankizy isaky ny mamaky ny hoe “ny Teny” ianao. Asehoy ilay sary mitondra ny lohateny hoe “Premortal Life (Fiainana talohan’ny fiainana an-tany)” (ChurchofJesusChrist.org; jereo ihany koa ny Voyez vos petits enfants [2008], 15). Hazavao fa i Jesoa Kristy dia niaina niaraka tamin’ny Ray any An-danitra talohan’ny nahatongavany teto an-tany.

  • Manaova sary avy amin’ny loharanom-pitaovana toy ireto manaraka ireto mba hampianarana ny ankizy momba ny fiainantsika niaraka tamin’ Andriamanitra talohan’ny nahatongavantsika teto an-tany: “Fampidirana ny drafitry ny Raintsika any An-danitra” (ao amin’ny Tantara ao amin’ny Testamenta Vaovao, 1–5) na ny “Fiainana talohan’ny fiainana an-tany” ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina (scriptures.ChurchofJesusChrist.org).

  • Manasà ray na reny iray hitondra zazakely ao an-dakilasy. Anontanio ny ankizy hoe taiza ny fanahin’io zazakely io no niaina talohan’ny nahaterahany. Ampahatsiahivo ny ankizy fa zazakely izy ireo taloha, ary mijoroa ho vavolombelona fa niara-niaina tamin’ny Raintsika any An-danitra ihany koa izy ireo tamin’ny endrika zanaka fanahy talohan’ny nahaterahany.

Jaona 1:3

Nahary ny zava-drehetra i Jesoa.

Ny fahafantarana momba anjara asan’i Jesoa Kristy amin’ny maha-Mpahary Azy dia afaka manampy ireo ankizy ampianarinao hampitombo ny fanajana lalina ananan’izy ireo ho Azy.

Atrikasa azo atao

  • Vakio miaraka amin’ny ankizy ny Jaona 1:3 ary ampisehoy ilay sary avy ao amin’ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana. Ampio ny ankizy hitadidy tsianjery ny andian-teny hoe “[i Jesoa Kristy] no nahariana ny zavatra rehetra.”

  • Asehoy ny ankizy iray ny iray amin’ireo sarin’ireo zavaboaharin’ny Tompo. Avelao izy no hamariparitra izany amin’ireo ankizy hafa , ary asaivo vinavinain’izy ireo ilay zavatra fariparitana.

  • Angataho ny ankizy tsirairay hilaza zavatra iray izay noharian’i Jesoa Kristy. Ampio ny ankizy hieritreritra ireo fomba ahafahan’izy ireo mikolokolo ny tany sy ireo zavaboary hafa noharian’ny Tompo.

Sary
Fiposahan’ny masoandro any anaty ala iray

Nahary izao tontolo izao sy ny zava-drehetra ao anatiny i Jesoa Kristy.

Jaona 1:35–51

Afaka manasa ny hafa hanatona an’i Jesoa Kristy sy hianatra momba Azy aho.

Ny Jaona 1 dia ahitana ny tantaran’ireo mpianatra izay nanasa olona “[handeha] hizaha” fa i Jesoa no Zanakalahin’ Andriamanitra. Na ny ankizy madinika aza dia afaka manaraka izany ohatra izany.

Atrikasa azo atao

  • Fariparito ny fomba nahafantaran’i Andrea momba an’i Jesoa, ary lazao ny fomba nampianaran’i Andrea indray an’i Petera (jereo ny Jaona 1:35–42. Zarao ny fomba nahafantaranao momba ny Fiangonana, na asao ny mpikambana vaovao iray mba hizara ny fomba nahafantarany momba ny Fiangonana.

  • Zarao ny tantaran’i Filipo nanasa an’i Natanaela mba “[handeha] hizaha” (Jaona 1:43–51). Afeno ao anaty boaty iray ny sarin’i Jesoa, ary asao ny ankizy iray mba “[handeha] hizaha” izany ary hilaza amin’ny ankizy hafa momba izay hitany.

  • Avelao ny ankizy handoko ny pejy misy ny atrikasa ho an’ity herinandro ity, ary amporisiho izy ireo mba hampiasa izany hanasana olona iray hianatra momba an’i Jesoa.

  • Angataho ny ankizy iray mba hiresaka momba ny fotoana iray nizarany zavatra iray, toy ny kilalao na fanomezana iray, tamin’ny olona iray. Ahoana no ahafahantsika mizara ny filazantsara? Mitantarà tantara-na ankizy iray izay nizara ny filazantsara tamina namana iray.

Sary
Sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy lehibe

Jaona 1:1–5

Niaina niaraka tamin’ny Ray any An-danitra i Jesoa talohan’ny nahaterahany.

Na talohan’ny nahaterahany aza dia efa nanana anjara asa manan-danja teo amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra i Jesoa Kristy. Rehefa mamaky ny Jaona 1:1–5 ianao dia inona no manaitra anao momba ny asa nataon’i Jesoa talohan’ny nahaterahany?

Atrikasa azo atao

  • Anontanio ireo ankizy raha toa ka mahafantatra na inona na inona momba ny zavatra nataon’i Jesoa talohan’ny nahaterahany. Asao izy ireo mba hitady valiny ao anatin’ny Jaona 1:1–5. Mety hanampy ny mitady ny valiny ao amin’ny Dikantenin’i Joseph Smith John 1:1–5 (ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina).

  • Zarao ny sasantsasany amin’ny “Fampidirana: Ny drafitry ny Raintsika any An-danitra” ao amin’ny Tantara ao amin’ny Testamenta Vaovao. Anontanio ny ankizy ny zavatra nianarany momba an’i Jesoa Kristy.

  • Asao ny ankizy vitsitsivitsy, hiomana andro vitsivitsy mialoha, mba ho tonga ao an-dakilasy efa niomana hampiseho na hamariparitra zavatra iray namboarin’izy ireo. Mampisehoa sarin’ny sasany amin’ireo zavaboarin’ny Tompo, ary ampiasao ny Jaona 1:3 mba hanazavana fa nahary ny tany sy ny zava-drehetra eo aminy i Jesoa.

Jaona 1:4–9

I Jesoa Kristy no fahazavako.

Ny fanaovana ny fahazavana ho toy ny sariohatra dia afaka manampy ny ankizy hahatakatra momba ny Mpamonjy sy ny filazantsarany. Ahoana no fomba ahafahanao mandrisika ny ankizy hikatsaka ny fahazavan’ny Mpamonjy rehefa toa maizina izao tontolo izao?

Atrikasa azo atao

  • Asao ny ankizy hamaky ny Salamo 27:1; Jaona 1:4–9; Môzià 16:9; ary ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 39:1–2, ary hitady ireo andian-teny izay hitovian’ireo soratra masina ireo. Ahoana no maha-fahazavana an’i Jesoa Kristy?

  • Mampisehoa sarin’ny Mpamonjy iray sy ireo zavatra vitsivitsy izay manome hazavana toy ny jiro pika. Ahoana no itovian’i Jesoa Kristy amin’ireo zavatra ireo? Ahoana no ahafahantsika mizara ny hazavany amin’ny hafa? Miaraha mihira ny “Christ est ma lumière,” (Cantiques, lah.50, na ny hira iray hafa momba ny fahazavan’ny filazantsara.

  • Anontanio ny ankizy ny zavatra ataon’izy ireo rehefa ao anatin’ny haizina izy ireo ka mahatsapa ho matahotra. Mijoroa ho vavolombelona fa afaka mitodika mandrakariva any amin’ny Mpamonjy izy ireo rehefa matahotra.

Jaona 1:35–51

Amin’ny maha-mpanara-dia an’i Jesoa Kristy ahy dia afaka manasa ny hafa hanaraka Azy aho.

Saintsaino ny fomba ahafahanao mampiasa ireo ohatra ao amin’ny Jaona 1:35–51 mba hamporisihana ny ankizy hanasa ny hafa hianatra momba ny Mpamonjy.

Atrikasa azo atao

  • Ampio ny ankizy hizaha ny Jaona 1:35–51 mba hahitana ireo zavatra izay nolazain’ny olona mba hanasana ny hafa hianatra momba ny Mpamonjy. Avelao izy ireo hamerina izay mety holazainy mba hanasana ny namana iray hianatra momba an’i Jesoa.

  • Asaivo mampiasa ny pejy misy ny atrikasa ho an’ity herinandro ity ny ankizy mba hanamboarana fanasana azon’izy ireo ampiasaina hanasana ny namana na olona iray ao amin’ny fianakaviana mba hianatra bebe kokoa momba an’i Jesoa Kristy.

  • Omeo fahafahana ny ankizy hilaza amin’ny iray kilasy momba ny zavatra iray izay tian’izy ireo. Ampio ny ankizy hahita fa ny fizarana ny filazantsara amin’ny hafa dia afaka ho toy ny fizarana ireo zavatra hafa izay tiantsika (mba hahitana ohatra, dia jereo ilay horonan-tsary mitondra ny lohateny hoe “Les bonnes chose à faire connaître” ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org).

Sary
Sary famantarana ny fianarana

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Amporisiho ny ankizy mba hanasa olona iray izay tian’izy ireo mba hianatra bebe kokoa momba an’i Jesoa Kristy.

Manatsara ny fampianarantsika

Mampiasà fitaovana misarika ny maso. Mitadiava fomba hanampiana ny ankizy hahita maso ny zavatra ianarany ao amin’ny soaratra masina. Azonao atao izany amin’ny alalan’ny sary momba ny filazantsara, sary atao tanana, horonan-tsary, saribakoly ampitenenina sy ahetsiketsika, na tantara an-tsehatra fohy.

Hamoaka printy