Testamenta Vaovao 2023
23–29 janoary. Matio 3; Marka 1; Lioka 3: “Amboary ny làlan’ i Jehovah”


“23–29 janoary. Matio 3; Marka 1; Lioka 3: -Amboary ny làlan’i Jehovah-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Testamenta Vaovao 2023 (2023)

“23–29 janoary. Matio 3; Marka 1; Lioka 3,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2023

Sary
I Jaona Mpanao Batisa Manao Batisa an’i Jesoa

Takela-pitaratra misy sary ao amin’ny Tempolin’i Nauvoo Illinois, nataon’i Tom Holdman

23–29 janoary

Matio 3; Marka 1; Lioka 3

“Amboary ny làlan’ i Jehovah”

Rehefa mamaky mikasika an’i Jaona Mpanao Batisa sy ny batisan’i Jesoa Kristy ianao dia raketo an-tsoratra izay fahatsapana ara-panahy azonao. Ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana dia afaka manampy anao hahatakatra ireo soratra masina ireo, ary hanampy anao hanohana ny fianarana izay ataon’ny ankizy any an-trano.

Sary
Sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Mba hanomezana fahafahana ny ankizy mba hizara izay efa nianaran’izy ireo dia ampisehoy ny sarin’i Jesoa natao batisa. Asao izy ireo hilaza aminao ny zava-mitranga eo amin’ilay sary ary ny zavatra tsapan’izy ireo momba izany hoe atao batisa izany.

Sary
Sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana: Ankizy kely

Matio 3:13–17

Azo atao batisa tahaka an’i Jesoa aho.

Amin’ny fomba ahoana no ahafahanao mampiasa ny tantaran’ny batisan’i Jesoa mba hanampiana ny ankizy hiomana atao batisa?

Atrikasa azo atao

  • Fintino ny tantaran’ny batisan’ny Mpamonjy (jereo ny Matio 3:13–17; jereo ihany koa ny “Toko 10: Natao batisa i Jesoa,” Tantara ao amin’ny Testamenta Vaovao, 26–29). Hazavao fa i Jesoa dia natao batisa asitrika tamin’ny alalan’ny olona iray izay nanana ny fahefan’ny fisoronana. Avereno imbetsaka ilay tantara ary asao ny ankizy mba hizara ireo antsipirian-javatra tadidin’izy ireo.

  • Ampisehoy ny sarin’i Jesoa natao batisa sy ny pejy misy atrikasa ho an’ity herinandro ity. Avelao ny ankizy hilaza ireo zavatra itovian’ireo sary roa ireo. (Misy sary iray an’i Jesoa atao batisa ao amin’ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana).

  • Avereno jerena ireo fampanantenana hataon’ny ankizy rehefa atao batisa izy ireo (jereo ny Môzià 18:8–10; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:37; Sujets de l’Evangile, “Baptême,” topics.ChurchofJesusChrist.org). Anontanio azy ireo izay efa ataon’izy ireo amin’ireo zavatra ireo.

  • Asao ny olona iray ao amin’ny episkôpà mba hilaza amin’ny ankizy momba ny dinidinika momba ny batisa izay hataon’izy ireo mialoha ny hanaovana batisa azy ireo.

  • Miaraha mihira hira iray momba ny batisa, toy ny “Batisa” (Bokin-kiran’ny ankizy, 54). Hevero ny hanasa ankizy iray hitarika ireo ankizy hafa eo am-pihirana.

Sary
Zazavavy iray atao batisa

Afaka manaraka ny ohatra nasehon’i Jesoa aho amin’ny alalan’ny fanaovana batisa ahy.

Matio 3:11,16

Manampy ahy ny Fanahy Masina.

Ankoatra ny fiomanana amin’ny batisa dia miomana mba handray ny fanomezana ny Fanahy Masina ihany koa ny ankizy. Ahoana no ahafahanao manampy azy ireo?

Atrikasa azo atao

  • Ampiasao ny Matio 3:11,16 mba hampianarana ny ankizy fa nidina teo amin’i Jesoa ny Fanahy Masina rehefa natao batisa Izy (nisy voromailala niseho ho famantarana mba hampisehoana fa nitranga izany). Ampisehoy ilay sary hoe Ny fanomezana ny Fanahy Masina (Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah.105), ary hazavao fa mandray ny fanomezana ny Fanahy Masina isika rehefa raisina ho mpikambana.

  • Mitondrà boaty iray misy misy zavatra toy ny sarin’i Jesoa, bodofotsy malefaka iray, ary boussole na sarintany. Asao ny ankizy hisafidy zavatra iray ary avelao izy ireo hanazava fa ny zavatra tsirairay dia maneho ny fomba iray ahafahan’ny Fanahy Masina manampy antsika. Mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa (jereo ny Jaona 15:26), sy mampionona antsika (jereo ny Jaona 14:26), ary mampiseho antsika ny lalana marina (jereo ny 2 Nefia 32:5).

  • Zarao ny zavatra niainanao manokana ka nahazoanao fanampiana avy tamin’ny Fanahy Masina.

  • Asao ny ankizy hihaino ireo fomba hanampian’ny Fanahy Masina antsika eo am-pihiran’izy ireo hira iray momba Azy, toy ny “Ny Fanahy Masina” (Bokin-kiran’ny ankizy, 56).

Sary
Sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy lehibe

Matio 3

Voatahy aho noho ireo ôrdônansy ao amin’ny Fisoronana Aharôna.

Nihazona ny fisoronana Aharôna i Jaona Mpanao Batisa, koa fahafahana tsara hampianarana ny ankizy momba ny Fisoronana Aharôna noho izany ny famakiana ny momba azy ao amin’ny Matio 3. Ampio izy ireo hamantatra ireo fitahiana sy hery izay azontsika amin’ny alalan’io fisoronana io.

Atrikasa azo atao

  • Asao ny ankizy hanao ny lisitr’ireo adidy ao amin’ny Fisoronana Aharôna sady hampiasa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:46, 58–60; 84:111. Angataho ny ankizy hitady ao amin’ny Matio 3 ireo ohatra mampiseho ny fanatanterahan’i Jaona ireo adidy ireo. Amin’ny fomba ahoana no ahafahantsika rehetra manasa ny hafa hanatona an’i Kristy, tahaka ny nataon’i Jaona?

  • Ampisehoy ny sarin’ireo mpihazona ny Fisoronana Aharôna izay manatanteraka ireo ôrdônansin’ny batisa sy ny fanasan’ny Tompo (jereo ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 103–4, 107–8). Ifanakalozy hevitra ny fomba hanomanan’ireo ôrdônansy ireo antsika mba handray an’i Jesoa Kristy sy ireo fitahiana avy amin’ny Sorompanavotany.

  • Vakio miaraka ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 13:1, ary hazavao fa namerina tamin’ny laoniny ny Fisoronana Aharôna tamin’i Joseph Smith i Jaona Mpanao Batisa. Anontanio ny ankizy ny fomba nitahiana azy ireo satria naverina tamin’ny laoniny ny Fisoronana Aharôna.

Matio 3:13–17; Marka 1:1–11; Lioka 3:2–18

Afaka mitandrina ireo fanekempihavanana natao tamin’ny batisa aho.

Ny fianarana momba ny tantaran’ny batisan’i Jesoa dia manome fahafahana tsara hanampiana ny ankizy hamerina hijery ireo fanekempihavanana nataony tamin’ny batisa sy hanolo-tena indray hitandrina azy ireny.

Atrikasa azo atao

  • Asao ny ankizy hifandimby hamaky ireo andininy ao amin’ny Marka 1:1–11. Ifanakalozy hevitra ny antony hanirian’ny Ray any An-danitra ny hanaovantsika batisa. Nahoana i Jesoa no natao batisa, na dia tsy ny nila nodiovina tamin’ny fahotana aza Izy? Ampio ny ankizy hitady valiny amin’io fanontaniana io ao amin’ny Matio 3:13–15 sy ny 2 Nefia 31:6–7.

  • Avereno jerena ireo fanekempihavanana nataon’ny ankizy tamin’ny batisa, izay hita ao amin’ny Môzià 18:8–10 sy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:37. Asao ny ankizy hanoratra ireo andalan-tsoratra masina ao amin’ny pejy misy ny atrikasa amin’ity herinandro ity.

  • Manomàna karatra mandeha tsiroaroa ahitana andian-teny na sary mifanaraka izay maneho ireo fanekempihavanana nataontsika tamin’ny batisa. Ataovy mihohoka ireo karatra. Asao ny ankizy mba hifandimby hamadika karatra roa isaky ny mandeha, ka hitady izay mifanaraka. Isaky ny mahavita mampifanaraka zavatra dia asao ny ankizy mba hizara ireo fomba nitandreman’izy ireo izany fanekempihavanana izany.

  • Zarao ny fomba nitahiana anao noho ny fitandremana ireo fanekempihavanana nataonao tamin’ny batisa.

Matio 3:11,16

Afaka mitarika ahy ny Fanahy Masina.

Ny ankizy dia eo an-dalam-pianarana ny fomba hamantarana sy hanarahana ny fitarihan’ny Fanahy Masina. Ampio izy ireo hahatakatra fa ny fitandremana ireo fanekempihavanana nataony tamin’ny batisa dia hanampy azy ireo ho mendrika ny handray ny fitarihany.

Atrikasa azo atao

  • Angataho ny ankizy tsirairay hamaky ny iray amin’ireto soratra masina manaraka ireto ary hanazava ny zavatra ampianarin’izany ny amin’ny fomba iresahan’ny Fanahy Masina amintsika: Helamàna 5:30; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:23; 8:2–3; 11:12–13.

  • Asao ny ankizy iray hamaky ny Matio 3:11. Ahoana no mampitovy ny Fanahy Masina amin’ny afo? Ohatra, ny afo dia afaka manome fankaherezana, ary manome hazavana mba hitarihana antsika (jereo ny Jaona 15:26; 2 Nefia 32:5).

  • Asao ny ankizy mba hanakimpy ny masony ary hanangana ny tanany. Dia akasohy mora amin’ny vohon-tanany ny volom-borona iray na kofehy iray. Asao izy ireo mba hilaza aminao izay tsapany. Inona no ampianarin’izany momba ny famantarana ireo fahatsapana avy amin’ny Fanahy Masina?

  • Asao ny ankizy mba hizara ny zavatra niainan’izy ireo momba ny Fanahy Masina. Nahoana no manampy antsika hanana ny fitarihan’ny Fanahy Masina ny fitandremana ireo fanekempihavanantsika?

Sary
Sary famantarana ny fianarana

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Amporisiho ny ankizy tsirairay hanontany ny ray aman-dreniny na ireo olona hafa ao amin’ny fianakaviany, na namana momba ny batisan’izy ireo.

Manatsara ny fampianarantsika

Mikatsaha aingam-panahy ho anao manokana. Aza raisinao ho toy ny torolalana tsy maintsy arahinao rehefa mampianatra ireto rindran-damina ireto. Ampiasao kosa itony mba hakana hevitra handrehetana ny aingam-panahinao manokana rehefa misaintsaina ireo zavatra ilain’ny ankizy ampianarinao ianao. (Jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 7.)

Hamoaka printy